Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Olana sy ny Valisoa Entin’ny Fitaizan-janaka any An-tany Hafa

Ny Olana sy ny Valisoa Entin’ny Fitaizan-janaka any An-tany Hafa

Ny Olana sy ny Valisoa Entin’ny Fitaizan-janaka any An-tany Hafa

OLONA an-tapitrisa no mifindra monina satria manantena hanorina fiainam-baovao any an-tany hafa. Misy mpifindra monina 20 tapitrisa mahery any Eoropa ankehitriny, ary mihoatra ny 26 tapitrisa ny any Etazonia. Maherin’ny ampahadimin’ny mponina any Aostralia no teraka tany an-tany hafa. Tsy maintsy miezaka mafy hahay fiteny vaovao sy hizatra amina kolontsaina vaovao ireny fianakaviana nifindra monina ireny matetika.

Mazàna ny ankizy no mora mahay ny fiteny ao amin’ilay fireneny vaovao, no sady hanomboka hieritreritra amin’io fiteny io. Ny ray aman-dreny kosa mety ho elaela kokoa vao hahay izany. Mihalehibe ao amin’ny firenena manavao azy ireo ny zanany, ka mety tsy hifankahazo fiteny amin-janany izy. Mety tsy hahay hifampiresaka tsara àry izy sy ny zanany, ary tsy mora ny mamaha izany olana izany.

Misy fiantraikany eo amin’ny fomba fisainan’ny ankizy ilay fiteny vaovao. Mety hisy vokany eo amin’ny fihetseham-pony koa anefa ny kolontsaina ao amin’io firenena io. Mety tsy ho takatr’ireo ray aman-dreny ny antony mahatonga ny fihetsiky ny zanany. Mety ho tojo olana tsy fahita àry ireo ray aman-dreny mifindra monina, rehefa miezaka hitaiza ny zanany amin’ny “famaizana sy ny fananaran’ny Tompo.”—Efesiana 6:4.

Sarotra ny manohina ny fo sy ny saina

Sady andraikitra no fanirian’ny ray aman-dreny kristianina ny hampianatra ny zanany ny fiteny madio, dia ny fahamarinana ara-baiboly. (Zefania 3:9) Ahoana anefa no hahafahan’ny ray aman-dreny handentika ny lalàn’i Jehovah ao am-pon’ny zanany, raha tsy mahay tsara ny fitenin’izy ireo ny zanany, na tsy mahay tsara ny fiteny nianaran-janany izy ireo? (Deoteronomia 6:7) Mety ho azon’ny ankizy ihany ny teny lazain’ny ray aman-dreniny. Raha tsy manohina ny fony anefa izany dia mety ho toy ny vahiny ao an-tranony ihany izy ireo.

Avy any Amerika Atsimo i Pedro sy Sandra ary nifindra tany Aostralia. Nanana olana toy izany izy ireo rehefa nitaiza ny zanany zatovo roa lahy. * Hoy i Pedro: “Te hamoaka izay ao am-ponao ianao rehefa miresaka momba ny zavatra ara-panahy. Mila mahay voambolana bebe kokoa ianao satria mila miresaka zavatra lalina sy misy heviny kokoa.” Hoy koa i Sandra: “Raha tsy mahay tsara ny fitenin-drazanay izy mirahalahy dia mety hisy voka-dratsy eo amin’ny ara-panahiny izany. Mety tsy ho takany tsara na hankasitrahany ny fahamarinana satria tsy azony ny fototry ny zavatra ianarany. Mety tsy hahatakatra zava-dalina ara-panahy mihitsy izy ireo. Mety hanimba ny fifandraisany amin’i Jehovah izany.”

Nifindra tany Alemaina i Gnanapirakasam sy Helen izay avy any Sri Lanka, ary niteraka roa. Hoy izy ireo: “Mino izahay fa tena mila mahay ny fitenin-drazanay sady mianatra teny alemà ireo zanakay. Mila mahay milaza aminay amim-pahatsorana izay ao am-pony izy ireo.”

Hoy i Miguel sy Carmen, izay avy any Orogoay fa nifindra tany Aostralia: “Tsy maintsy miezaka bebe kokoa ny ray aman-dreny toa anay. Tsy maintsy mianatra tsara ilay fiteny vaovao izy ireo, mba hahafahany hahazo sy hanazava zavatra ara-panahy amin’io fiteny io. Na, tsy maintsy mampianatra ny zanany izy ireo, mba hahaizan’izy ireo tsara ny fitenin-drazany.”

Fanapahan-kevitry ny fianakaviana

Anisan’ny fanapahan-kevitra voalohany tokony horaisin’ny fianakaviana mifindra monina ny hoe fiteny inona no hampiasainy mba ‘hampianaran’i Jehovah’ azy. Misy vokany eo amin’ny fahasalamany ara-panahy mantsy izany. (Isaia 54:13) Mety hifidy ny hiaraka amin’ny fiangonana iray mampiasa ny fitenin-drazany ilay fianakaviana, raha misy eo amin’ny manodidina. Mety hifidy izay fiangonana iray amin’ny fiteny tena fampiasa ao amin’ilay tany koa anefa izy ireo. Inona no mety hahatonga azy ireo handray izany fanapahan-kevitra izany?

Avy any Chypre i Demetrios sy Patroulla fa nifindra tany Angletera, ary tany no nitaizany ny zanany dimy. Hoy izy ireo rehefa nanazava ny antony nandraisan’izy ireo ny fanapahan-keviny: “Nivory tany amin’ny fiangonana miteny grika izahay tamin’ny voalohany. Na dia tena nahasoa anay ray aman-dreny aza izany, dia hita fa nahatonga ny zanakay tsy handroso ara-panahy. Nahay ny fiteny grika andavanandro izy ireo, saingy tsy nahatakatra ireo fanazavana ara-panahy lalina kokoa. Nanjary hita taratra izany rehefa niadana ny fandrosoany ara-panahy. Nifindra tany amin’ny fiangonana miteny anglisy àry izahay mianakavy, ary tsy ela dia nisy vokany tsara teo amin’ny zanakay izany, satria nanjary natanjaka ara-panahy izy ireo. Tsy mora ny nanapa-kevitra hoe hifindra, nefa hitanay fa fahendrena izany.”

Mbola nahay tsara ny fitenin-drazany ilay fianakaviana ary nandray valisoa be dia be. Hoy ny zanak’izy ireo: “Tombontsoa ny mahay fiteny mihoatra ny iray. Ny teny anglisy no tena ampiasainay, nefa hitanay fa nanatanjaka ny fifandraisanay mianakavy, indrindra fa tamin’i dadabe sy bebe, ny fahaizanay ny teny grika. Nahatonga anay ho tsara fanahy kokoa tamin’ireo mpifindra monina izany, sady nahatonga anay hatoky fa afaka hianatra fiteny hafa izahay. Nandeha nanampy fiangonana miteny albaney àry ny fianakavianay rehefa nihalehibe izahay.”

Avy any Chypre koa i Christopher sy Margarita fa nifindra tany Angletera ary tany no nitaizany ny zanany telo. Nifidy ny hanohana ny fiangonana miteny grika izy ireo. Hoy i Nikos zanany lahy, anti-panahy ao amin’ny fiangonana iray miteny grika: “Nampirisihina hiaraka amin’ilay fiangonana vaovao miteny grika izahay. Toy ny fanendrena avy tamin’Andriamanitra no nandraisanay mianakavy an’izany.”

Hoy i Margarita: “Nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana izy mirahalahy rehefa feno fito sy valo taona. Nanahy ihany izahay mivady satria mbola tsy nahay teny grika tsara izy ireo. Niaraka nanomana ny anjara tsirairay anefa izahay mianakavy, ary ora maro no lany tamin’ny fanampiana azy ireo hanomana ny anjarany.”

Hoy i Joanna, zanak’izy ireo vavy: “Tadidiko fa nampianatra teny grika anay i Dada tany an-trano. Nosoratany teo amin’ny solaitrabe ny abidy, ary tsy maintsy nianatra izany tsara izahay. Mandany taona maro ny olona mba hahaizana fiteny iray. Tsy ela anefa izahay dia nahay niteny grika satria nampian’i Dada sy Neny.”

Mifidy ny hiaraka amin’ny fiangonana mampiasa ny fiteniny ny fianakaviana sasany. Hitan’ireo ray aman-dreny mantsy fa mila ampianarina amin’ny fitenin-drazany ny zanany mba hahafahan’izy ireo handroso sy hampitombo ‘ny fahazavan-tsaina ara-panahy.’ (Kolosiana 1:9, 10; 1 Timoty 4:13, 15) Mety hoheverin’ilay fianakaviana ho tombontsoa koa ny fahaizany tsara ny teniny, satria afaka manampy mpifindra monina hafa hianatra ny fahamarinana izy ireo noho izany.

Mety hihevitra kosa anefa ny fianakaviana iray fa tena handray soa izy ireo raha miaraka amin’ny fiangonana amin’ny fiteny tena fampiasa eo amin’ilay tany. (Filipiana 2:4; 1 Timoty 3:5) Rehefa avy midinika ilay raharaha ny mpianakavy, dia ny loham-pianakaviana no tompon’ny fanapahan-kevitra, rehefa avy nivavaka sy nangataka ny fitarihan’Andriamanitra. (Romana 14:4; 1 Korintiana 11:3; Filipiana 4:6, 7) Inona no soso-kevitra mety hanampy ireo fianakaviana ireo?

Soso-kevitra azo ampiharina

Hoy i Pedro sy Sandra, voalaza tetsy ambony: “Nametraka fitsipika izahay hoe, fiteny espaniola ihany no iresahana ao an-trano, amin’izay tsy hadino ny tenin-drazanay. Sarotra ny manaraka io fitsipika io satria fantatr’ireo zanakay lahy fa mahay teny anglisy izahay. Vetivety anefa dia ho nanadino ny fiteny espaniola izy ireo raha tsy nanaraka io fitsipika io izahay.”

Manoro hevitra toy izao koa i Miguel sy Carmen, efa voalaza tetsy ambony: “Raha mitarika fianaram-pianakaviana tsy tapaka ny ray aman-dreny sady mandinika ny andinin-teny ho an’ny andro amin’ny fitenin-drazan’izy ireo, dia tsy ny fiteny tsotsotra andavanandro fotsiny no ho hain-janany. Hahay haneho hevitra momba ny zavatra ara-panahy amin’io fiteny io koa izy ireo amin’izay.”

Izao koa no soso-kevitr’i Miguel: “Ataovy mahafinaritra ny fanompoana. Midadasika be ny faritaninay, satria ny olona miteny ny fiteninay ihany no itorianay. Be dia be àry ny fotoana laninay anaty fiara, rehefa mitady azy ireny izahay. Manararaotra manao kilalao mifandray amin’ny Baiboly izahay na miresaka zava-dehibe hafa, mandritra izany fotoana izany. Miezaka mandamina ny dianay aho, mba hamitanay fiverenana mitsidika maromaro isaky ny mandeha. Nandray anjara tamina resaka mavesa-danja iray, fara fahakeliny, ireo zanakay, rehefa hariva ny andro.”

Fomba iatrehana kolontsaina samy hafa

Mampirisika ny tanora toy izao ny Tenin’Andriamanitra: “Anaka, mihainoa ny ana-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.” (Ohabolana 1:8) Mety ho sarotra anefa izany, rehefa misy fiantraikany eo amin’ny fomba fananaran’ny ray sy ny lalàn’ny reny ny kolontsainy. Tsy mitovy mantsy ny kolontsain’izy ireo sy ny kolontsaina mahazatra ny zanak’izy ireo.

Marina aloha fa ny raim-pianakaviana no manapaka ny fomba hitantanany ny ankohonany, ary tsy tokony hanaraka befahatany izay ataon’ny fianakaviana hafa izy. (Galatiana 6:4, 5) Mety ho mora kokoa amin’ny ray aman-dreny anefa ny hanaiky fomba vaovao raha mifampiresaka tsara izy ireo sy ny zanany.

Maro amin’ny fomba amam-panao any amin’ny tany mandroso anefa no manimba ny fahasalamana ara-panahin’ny Kristianina. Matetika ny mozika sy fialam-boly be mpitia no mampirisika ny olona haloto fitondran-tena sy ho tia harena ary hikomy. (Romana 1:26-32) Andraikitry ny ray aman-dreny ny manara-maso ny mozika henoin’ny zanany sy ny fialam-boliny. Tsy afa-miala amin’izany andraikitra izany izy ireo na dia tsy mahay ilay fiteny aza. Tsy maintsy mametraka toro lalana hentitra izy ireo, na dia mety ho sarotra aza izany.

Hoy i Carmen: “Tsy azonay matetika ny tonon’ireo hira henoin’ny zanakay. Toa azo ekena ihany ny feony, nefa raha misy dikany hafa ireo teny ampiasainy, na misy teny vetaveta fampiasan’ny zatovo, dia tsy hahafantatra mihitsy izahay.” Inona àry no nataon’izy ireo? Hoy i Miguel: “Naka fotoana tsara izahay nampianarana ny zanakay ny loza entin’ny mozika feno fahalotoam-pitondran-tena, sady niezaka nanampy azy ireo hifidy mozika ankasitrahan’i Jehovah.” Eny, mila mailo sy mahay mandanjalanja isika mba hiatrehana kolontsaina samy hafa.—Deoteronomia 11:18, 19; Mpitoriteny 7:16.

Ny valisoa raisina

Mitaky fotoana sy ezaka bebe kokoa ny fitaizan-janaka any an-tany hafa, ary tena marina izany. Afaka mandray valisoa fanampiny anefa ny ray aman-dreny sy ny zanaka rehefa samy miezaka.

Avy any Torkia i Azzam sy Sara vadiny, fa nifindra tany Alemaina, ary tany no nitaizan’izy ireo ny zanany telo. Manompo ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Selters, any Alemaina, ny zanak’izy ireo lahimatoa ankehitriny. Hoy i Azzam: “Ny soa lehibe noraisin’ny zanakay dia hoe afaka manana ny toetra tsaran’ny Tiorka izy no sady afaka manana ny toetra tsaran’ny Alemà.”

Avy any Angola i Antonio sy Lutonadio fa nifindra tany Alemaina ary mitaiza zaza sivy. Mahay teny lingala sy frantsay ary alemà izy mianakavy. Hoy i Antonio: “Afaka mitory amin’ny olona avy amin’ny firenena maro ny fianakavianay satria mahay fiteny samy hafa. Tena mahafaly anay tokoa izany.”

Nisy koa mpivady japoney nifindra tany Angletera niaraka tamin’ny zanany mianadahy. Tsapan’izy mianadahy ireo fa tombontsoa lehibe ny mahay teny japoney sy anglisy. Hoy izy ireo: “Nanampy anay hahita asa ny fahaizana fiteny roa. Mandray soa izahay rehefa misy fivoriambe amin’ny teny anglisy. Manana tombontsoa manompo ao amin’ny fiangonana miteny japoney iray tena mila fanampiana koa izahay.”

Afaka mahomby ianareo

Efa hatramin’ny andron’ny Baiboly ny mpanompon’Andriamanitra no nahita olana rehefa nitaiza zanaka tany amin’ny firenena tsy mitovy kolontsaina aminy. Nahomby ny ray aman-drenin’i Mosesy na dia notezaina tany Ejipta aza izy. (Eksodosy 2:9, 10) Maro tamin’ireo Jiosy babo tany Babylona no nitaiza ny zanany tany amin’ny tany nahababoana. Vonona ny hiverina tany Jerosalema anefa ireo zanany ireo mba hamerina indray ny fivavahana marina.—Ezra 2:1, 2, 64-70.

Afaka mahomby toy izany koa ny ray aman-dreny kristianina amin’izao andro izao. Nandre ny zanany telo mianadahy nilaza toy izao ny mpivady iray: “Tena mifandray akaiky ny fianakavianay satria miahy anay amim-pitiavana i Dada sy Neny, ary tianay foana ny mifampiresaka amin’izy ireo. Sambatra izahay satria anisan’ireo fianakaviana manompo an’i Jehovah maneran-tany.” Mety handray valisoa toy izany koa ny ray aman-dreny kristianina ka handre ny zanany hilaza toy izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Nosoloana ny anarana sasany.

[Sary, pejy 24]

Manjary mahay ny tenin-drazany ny zanaka raha io fiteny io ihany no ampiasaina ao an-trano

[Sary, pejy 24]

Mifandray akaiky amin’ny zafikeliny foana ny raibe sy renibe rehefa manana fiteny iombonana izy ireo

[Sary, pejy 25]

Mampitombo ny ‘fahazavan-tsaina ara-panahin’ny’ zanakao ny fianarana Baiboly miaraka aminy