Satana—Angano sa Zavaboary Ratsy Tena Misy?
Satana—Angano sa Zavaboary Ratsy Tena Misy?
EFA ela no nanitikitika ny sain’ny filozofa ny antony mahatonga ny faharatsiana. Hoy ny Diksionera Momba ny Baiboly (anglisy), nataon’i James Hastings: “Vao mahatsiaro tena ny olombelona, dia efa miatrika hery tsy voafehiny sahady, hery mampidi-doza na manimba.” Hoy ihany io boky io: “Voajanahary tao amin’ny olombelona voalohany ny nitady ny anton’izay nitranga, ka nohazavainy fa toy ny olona mihitsy ny hery sy ireo zava-niseho teo amin’ny natiora.”
Milaza ny mpahay tantara fa efa nino ny fisian’ny demonia sy fanahy ratsy ny olona fahiny tany Mezopotamia. Nino an’i Nergal, andriamanitra mahery setra, fantatra ho “ilay mpandoro”, ny Babylonianina fahiny. Nino izy ireo fa i Nergal no nanjaka teo amin’ny tontolon’ny maty, na “varo-tsy mifody.” Natahotra demonia koa izy ireo, ka niezaka nampitony azy ireny tamin’ny teny misy heviny majika. Araka ny angano ejipsianina, dia i Seth no andriamanitry ny faharatsiana. “Toy ny biby hafahafa izy, manify sy lavalava ary somary mifaingoka ny orony, mahitsy sy efa-joro ny sofiny ary henjana misampantsampana ny rambony.”—Rakipahalalana Momba ny Angano (frantsay).
Nino andriamanitra tsara sy ratsy ny Grika sy Romanina, nefa tsy nino hoe nisy andriamanitry ny faharatsiana iray tena nisongadina. Nampianatra ny filozofan’izy ireo fa misy zavatra roa mifanohitra. Ny Fitiavana sy ny Tsy Fifanarahana izany, hoy i Empédocle. Mahasoa ny iray ary manimba kosa ilay hafa, hoy indray i Platon. Hoy i Georges Minois, ao amin’ilay bokiny hoe Ny Devoly (frantsay): “Tsy nanaiky ny fisian’ny Devoly ny fivavahan’ny mpanompo sampy [grika sy romanina] fahiny.”
Nampianarin’ny fivavahana persanina tany Iran fahiny, fa namorona an’i Angra Mainyu na Ahriman ilay andriamanitra fara tampony antsoina hoe Ahura Mazda, na Ormazd. Nifidy ny hanao ny ratsy anefa i Ahriman ka tonga ilay Fanahy Mpandrava, na Mpandringana.
Ny Jodaisma indray milaza fotsiny fa Fahavalon’Andriamanitra i Satana ary izy no nahatonga ny ota. Nifangaro tamin’ny hevitry ny mpanompo sampy anefa izany, taonjato maro tatỳ aoriana. Hoy ny Rakipahalalana Judaica (anglisy): ‘Nisy fiovana lehibe tamin’ny faramparan’ireo taonjato Talohan’i Kristy. Nanjary nino koa ny [Jiosy] fa misy zavatra roa mifanohitra any an-danitra sy etỳ an-tany. Andriamanitra sy ny hery tsaran’ny fahamarinana etsy an-kilany, ary ny hery ratsin’ny famitahana, etsy an-daniny. Hita àry fa toa nanan-kery tamin’ny Jiosy koa ny fivavahana persanina.’ Hoy ny Rakipahalalana Jiosy Nohafohezina (anglisy): “Nitandrina ny didy sy nampiasa ody atao fiaro ny olona mba hiarovan-tena tamin’ny d[emonia].”
Fampianaran’ny Kristianina nivadi-pinoana
Nanjary nivaona tamin’ny Baiboly ny fampianaran’ny Jiosy momba an’i Satana sy ny demonia, ary toy izany koa ny an’ny Kristianina nivadi-pinoana. Hoy ny Rakibolana Vatofantsika Momba ny Baiboly (anglisy): “Anisan’ny fampianarana fahiny hafahafa indrindra ny hoe: nandoa zavatra tamin’i Satana Andriamanitra mba hanavotana ny olony.” Nanely io hevitra io i Irénée (taonjato faharoa). Nitarin’i Origène (taonjato fahatelo) izy io avy eo, ka nolazainy fa “ara-dalàna raha nitaky zavatra tamin’olombelona ny devoly.” Nihevitra izy fa “avotra naloa tamin’ny devoly . . . ny fahafatesan’i Kristy.”—Tantaran’ny Foto-pinoana (anglisy), nataon’i Adolf Harnack.
Araka ny Rakipahalalana Katolika (anglisy), dia “efa nandritra ny arivo taona no nampianaran’ny fivavahana [fa hoe tamin’ny Devoly no naloa ny avotra].” Mbola mino izany ihany ny eglizy. Nino izany koa i Augustin (taonjato fahefatra-fahadimy), anisan’ny mpamolavola ny fampianaran’ny Katolika. Nanatsoaka hevitra ihany tamin’ny farany i Anselme sy Abélard, mpampianatra fivavahana katolika tamin’ny taonjato faha-12, fa tamin’Andriamanitra no naloa ny soron’i Kristy fa tsy tamin’i Satana.
Finoanoam-poana fahiny
Nahagaga fa tsy nilaza na inona na inona momba an’i Satana ny ankamaroan’ny konsilin’ny Eglizy Katolika. Namoaka ilay antsoin’ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy) hoe “fanambarana lehibe momba ny finoana” anefa ny Konsilin’i Latran Fahefatra tamin’ny 1215. Hoy ny foto-pinoana 1: “Noforonin’Andriamanitra ho tsara ny devoly sy ny demonia fa izy ireo no nivadika.” Lazainy koa fa miezaka mafy haka fanahy ny olombelona izy ireo. Io hevitra io àry no nanjary nibahana tao an-tsain’ny olona maro tamin’izany. Noheverin’izy ireo fa i Satana no nahatonga ny zavatra hafahafa rehetra, toy ny aretina tsy fanta-piaviana, fahafatesana tampoka, ary tsy fiakaran’ny vokatra. Namoaka lalàna maromaro nanohitra ny mpivadi-pinoana ny Papa Grégoire IX tamin’ny 1233, ary anisan’ny voakasik’izany ireo nolazaina hoe mpivavaka tamin’i Losifera, na ny Devoly.
Tsy ela, dia nanjary faran’izay natahorana ny mpamosavy sy ny mpilalao ody, noho ny finoana fa mety hidiran’ny Devoly na demonia ny olona. Natahorana izy ireo nanerana an’i Eoropa sy tany amin’ireo zanatany tany Amerika Avaratra, nanomboka tamin’ny taonjato faha-13 ka hatramin’ny faha-17. Natao haza lambo ny mpilalao ody ka na ny mpitondra fanavaozana protestanta, toa an-dry Martin Luther sy Jean Calvin aza, nankasitraka izany. Tsaho na fanendrikendrehana fotsiny, dia efa nahatonga ny olona iray hotsaraina ho toy ny mpilalao ody, teo anatrehan’ny fitsarana katolika sy tsy ara-pivavahana tany Eoropa. Nampijalijalina ilay olona mandra-piekeny fa “meloka” izy.
Nety ho nomelohina ho faty ireo niaiky fa meloka, ary nodorana, na nahantona, toy ny tany Angletera sy Ekosy. Hoy ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy) momba ny isan’ny olona maty vokatr’izany: “Misy mpahay tantara milaza fa vehivavy 300 000 teo ho eo no nolazaina fa mpilalao ody ka novonoin’ny fiangonana kristianina, nanomboka tamin’ny 1484 ka hatramin’ny 1782.” Raha i Satana no tao ambadik’izany loza nitranga fahiny izany, iza no nataony fitaovana: ireo novonoina sa ireo mpivavaka nafana fo tafahoatra nanenjika azy ireo?
Ny zavatra inoana na tsy inoana ankehitriny
Nalaza be ny filozofia nanindrahindra ny lojika tamin’ny taonjato faha-18, fantatra amin’ny hoe Taonjaton’ny Fahazavana. Hoy ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): “Nataon’ny filozofa sy mpampianatra fivavahana tamin’ny Taonjaton’ny Fahazavana izay tsy inoan’ny Kristianina intsony ny devoly. Nolazainy fa angano [fahiny] fotsiny izy io.” Ho setrin’izany, dia nohamafisin’ny Eglizy Katolika tamin’ny Konsilin’i Vatikana Voalohany (1869-1870) fa mino an’i Satana Devoly izy. Naveriny indray izany tamin’ny Konsilin’i Vatikana Faharoa (1962-1965), saingy tsy hentitra loatra intsony.
Miaiky ny Rakipahalalana Katolika Vaovao fa fampianarana ofisialin’ny Eglizy ny “finoana ny anjely sy ny demonia.” Miresaka momba ny Fivavahana Katolika koa anefa ilay diksionera frantsay hoe Théo. Eken’izy io fa “Kristianina maro ankehitriny no tsy manaiky hoe ny devoly no mahatonga ny faharatsiana.” Tato anatin’ny taona faramparany, dia nitandrintandrina be ny mpampianatra fivavahana katolika mba hampifandanja ny foto-pinoana katolika ofisialy sy ny fomba fihevitra ankehitriny. Hoy ny Rakipahalalana Britannica: “Mazàna no milaza ny Kristianina malala-tsaina fa ‘sarin-teny’ fotsiny ny hoe Satana ao amin’ny Baiboly. Lazainy fa hevitra nalaina avy tamin’ny angano izy io mba hilazana fa tena misy hatraiza hatraiza ny ratsy.” Izao no mbola lazain’io boky io ihany momba ny Protestanta: “Mazàna no milaza ireo Protestanta malala-tsaina fa tsy ilaina ny mino hoe zavaboary ny devoly.” Tokony hoheverin’ny tena Kristianina ho “sarin-teny” fotsiny tokoa ve izay lazain’ny Baiboly momba an’i Satana?
Ny fampianaran’ny Soratra Masina
Tsara kokoa noho ny fanazavana omen’ny filozofia sy fampianaran’ny antokom-pivavahana ny fanazavana omen’ny Baiboly momba ny niandohan’ny faharatsiana. Tena ilaina izay lazain’ny Soratra Masina momba an’i Satana, mba hahatakarana ny niandohan’ny faharatsiana sy fijaliana, ary ny antony mahatonga ny olona hahery setra kokoa isan-taona.
Mety hisy hanontany hoe: ‘Raha Mpamorona be hatsaram-po sy fitiavana Andriamanitra, nahoana izy no namorona anjely ratsy fanahy toa an’i Satana?’ Hita taratra avy amin’izay lazain’ny Baiboly fa lavorary avokoa ny asan’i Jehovah Andriamanitra, ary manana safidy malalaka daholo ny zavaboariny manan-tsaina. (Deoteronomia 30:19; 32:4; Josoa 24:15; 1 Mpanjaka 18:21) Tsy maintsy ho noforonina lavorary àry ilay anjely tonga Satana, saingy izy ihany no tsy maintsy ho nifidy ny hiala tamin’ny fahamarinana sy fahitsiana.—Jaona 8:44; Jakoba 1:14, 15.
Be itoviana amin’izay nataon’ny “mpanjakan’i Tyro” ny fikomian’i Satana. Lazaina amin’ny fomba poetika fa “tena tsara tarehy” io mpanjaka io, ary ‘tsy nanan-tsiny izy tamin’ny nalehany hatramin’ny andro namoronana azy ka mandra-pahita heloka tao aminy.’ (Ezekiela 28:11-19) Tsy nanohitra i Satana hoe manana fahefana fara tampony i Jehovah no sady Mpamorona. Ahoana moa no anaovany izany nefa izy aza noforonin’Andriamanitra? Tena nanohitra ny fomba nampiharan’i Jehovah ny zony hitondra kosa anefa izy. Nilaza an-kolaka i Satana tany amin’ny saha Edena, fa nisy zavatra tsy nomen’Andriamanitra an’ilay mpivady voalohany, nefa nananan’izy ireo zo sy nety hahasambatra azy ireo. (Genesisy 3:1-5) Vitany ny nitarika an’i Adama sy Eva hikomy tamin’ny fitondrana ara-drarin’i Jehovah. Nanjary mpanota sy maty izy mivady sy ny taranany. (Genesisy 3:6-19; Romana 5:12) Asehon’ny Baiboly àry fa i Satana no fototry ny fijalian’ny olombelona.
Nisy anjely hafa koa niara-nikomy tamin’i Satana, talohan’ny Safo-drano. Nitafy nofo izy ireo mba hanomezana fahafaham-po ny filan-dratsiny hanao firaisana tamin’ny zanakavavin’ny olona. (Genesisy 6:1-4) Niverina tany an-danitra ireo anjely mpikomy ireo rehefa tonga ny Safo-drano, nefa tsy nahazo ny “anjara-fanapahany” niaraka tamin’Andriamanitra intsony. (Joda 6) Manjombona ny hoavin’izy ireo mandrakizay, satria naetrin’i Jehovah izy ireo. (1 Petera 3:19, 20; 2 Petera 2:4) Lasa demonia izy ireo ary tsy i Jehovah intsony no nifehy azy fa i Satana. Mbola manan-kery be amin’ny saina sy ny fiainan’ny olona ny demonia, na dia tsy afaka mitafy nofo intsony aza. Tsy isalasalana fa izy ireo no tompon’andraikitra amin’ny ankamaroan’ny herisetra hitantsika.—Matio 12:43-45; Lioka 8:27-33.
Efa hifarana ny fitondran’i Satana
Mazava àry fa misy herin’ny maizina miasa tokoa ankehitriny. Hoy ny apostoly Jaona: “Izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.”—1 Jaona 5:19.
Asehon’ny faminaniana ara-baiboly anefa fa vao mainka mahatonga loza eto an-tany ny Devoly, satria fantany fa ‘kely sisa ny andro’ ahafahany manakorontana, alohan’ny hanagadrana azy. (Apokalypsy 12:7-12; 20:1-3) Hisy tontolo vaovao marina aorian’izay, ka ‘tsy hisy intsony’ ny ranomaso sy fahafatesana ary fanaintainana. ‘Hatao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra’ amin’izay ny sitrapon’Andriamanitra.—Apokalypsy 21:1-4; Matio 6:10.
[Sary, pejy 4]
Nino an’i Nergal (farany havia), andriamanitra mahery setra, ny Babylonianina; nino i Platon (havia) fa misy zavatra roa mifanohitra
[Sary nahazoan-dalana]
Varingarina: Musée du Louvre, Paris; Platon: National Archaeological Museum, Atena, Gresy
[Sary, pejy 5]
Nampianatra ry Irénée sy Origène ary Augustin fa tamin’ny Devoly no naloa ny avotra
[Sary nahazoan-dalana]
Origène: Culver Pictures; Augustin: Avy amin’ny boky Great Men and Famous Women
[Sary, pejy 6]
Ana hetsy ny olona novonoina ho faty noho ny fahatahorana ny mpilalao ody
[Sary nahazoan-dalana]
Avy amin’ny boky Bildersaal deutscher Geschichte