Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony ho Saro-piaro ve ny Kristianina?

Tokony ho Saro-piaro ve ny Kristianina?

Tokony ho Saro-piaro ve ny Kristianina?

TOKONY ho saro-piaro ve ny Kristianina? Ampirisihina ‘hitady ny fitiavana’ isika Kristianina, satria “ny fitiavana tsy mialona”, na saro-piaro. (1 Korintiana 13:4; 14:1) Nampianarina antsika koa anefa fa i “Jehovah, dia . . . Andriamanitra saro-piaro”, ary nahazo baiko isika hoe: “Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo.” (Eksodosy 34:14; Efesiana 5:1) Nahoana no toa mifanohitra ireo hevitra ireo?

Satria mahafaoka hevitra maro be ireo teny hebreo sy grika nadika hoe “hasarotam-piaro” ao amin’ny Baiboly. Mety ho tsara na ratsy ny dikan’izy ireo, arakaraka ny fomba ampiasana azy. Ilay teny hebreo nadika hoe “hasarotam-piaro”, ohatra, dia midika hoe: “fitakiana fitiavana amin’ny fo manontolo, tsy fanekena fandrafiana, zotom-po, hafanam-po, fialonana.” Mitovitovy amin’izany koa ny hevitr’ilay teny grika. Mety hilazana fihetseham-po ratsy amin’ny olona iray ahiahina ho rafy, na heverina ho niangarana, ireo teny hebreo sy grika ireo. (Ohabolana 27:4) Mety hanondro toetra tsara avy amin’Andriamanitra koa izy ireo, izany hoe toetran’ireo maniry hiaro ny olona tiany mba tsy hiharan-javatra ratsy.—2 Korintiana 11:2.

Ilay ohatra tsara indrindra

I Jehovah no ohatra tsara indrindra amin’ny hasarotam-piaro mety. Madio tanteraka ny antony anaovany zavatra, dia ny faniriany hiaro ny vahoakany mba ho salama ara-panahy sy hadio fitondran-tena foana. Hoy izy momba ny vahoakany fahiny, izay nantsoina koa hoe Ziona: “Saro-piaro dia saro-piaro an’i Ziona Aho, eny, saro-piaro azy amin’ny fahatezerana mafy Aho.” (Zakaria 8:2) Vonona hiaro ny zanany tsy ho tratran’ny loza ny ray be fitiavana. Arovan’i Jehovah toy izany foana koa ny mpanompony mba tsy ho tratran’ny loza ara-bakiteny sy ara-panahy.

Nanome ny Teniny i Jehovah mba hiarovana ny vahoakany. Mampirisika azy ireo hanana fahendrena ny Baiboly, sady misy ohatra maro momba ireo olona nanam-pahendrena. Izao no vakintsika ao amin’ny Isaia 48:17: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao.” Tena mampahery tokoa ny mahalala hoe saro-piaro amintsika izy ka miahy sy miaro antsika. Raha tsy nanana hasarotam-piaro mety toy izany izy, dia ho niharan’ny loza isan-karazany isika, satria mbola tsy nandia fiainana firy. Tsy misy fitiavan-tena mihitsy ny hasarotam-piaron’i Jehovah.

Inona àry no maha samy hafa ny hasarotam-piaro mety sy ny hasarotam-piaro diso toerana? Hijery ny ohatr’i Miriama sy Finehasa isika, mba hahitana an’izany. Diniho izay tao am-pon’izy ireo.

Miriama sy Finehasa

I Miriama dia zokin’i Mosesy sy Arona, mpitarika ny Isiraelita nandritra ilay fifindrana avy tany Ejipta. Nanjary saro-piaro na nialona an’i Mosesy anadahiny, izy, raha mbola tany an’efitra ny Isiraelita. Hoy ny fitantaran’ny Baiboly: “Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an’i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny . . . Dia hoy izy mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan’i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany?” Toa i Miriama no nitarika an’io fikomiana tamin’i Mosesy io, satria izy no nosazin’i Jehovah, fa tsy Arona, ka boka nandritra ny herinandro izy noho ny tsy fanajany.—Nomery 12:1-15.

Inona no nahatonga an’i Miriama hikomy tamin’i Mosesy? Fiahiana ny fivavahana marina sy faniriana hiaro ny Isiraelita namany tsy hiharan-doza ve? Miharihary fa tsy izany. Navelan’i Miriama hitsiry tao am-pony ny faniriana laza sy fahefana. Mpaminanivavy teo amin’ny Isiraely izy, ka tena nanaja azy ny vahoaka, indrindra fa ny vehivavy. Nitarika azy ireo nitendry zavamaneno sy nihira izy, taorian’ilay famonjena nahagaga teo amin’ny Ranomasina Mena. Tatỳ aoriana anefa, dia mety ho natahotra i Miriama sao tsy izy intsony no halaza, fa ny vadin’i Mosesy, izay noheveriny ho rafy. Hasarotam-piaro vokatry ny fitiavan-tena no nahatonga azy hifanditra tamin’i Mosesy, ilay voatendrin’i Jehovah.—Eksodosy 15:1, 20, 21.

Hafa kosa ny antony nanaovan’i Finehasa zavatra. Nitoby teo amin’ny Lemak’i Moaba ny Isiraely, taloha kelin’ny nidirana tao amin’ny Tany Nampanantenaina, ary nisy vehivavy moabita sy midianita nitarika lehilahy isiraelita hijangajanga sy hanompo sampy. Nasaina namono ny lehilahy nanota rehetra ny mpitsara teo amin’ny Isiraely, mba hanadiovana ny toby sy hampitonena ny fahatezeran’i Jehovah. Sahin’i Zimry, filohan’ny fianakavian’i Simeona, ny nitondra an’i Kosby, vehivavy midianita, teo amin’ny toby, “teo imason’[ny] . . . fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra”, mba hijangajangana taminy. Nanao zavatra avy hatrany i Finehasa. Saro-piaro tamin’i Jehovah sy ny fivavahana marina izy, ary niriny hadio fitondran-tena ny vahoaka tao an-toby, ka novonoiny tao anaty lay ireo mpijangajanga. Noderaina izy satria saro-piaro tamin’ny fivavahana marina, ka tsy nilefitra tamin’ny fandrafiana an’i Jehovah. Ny zavatra nataon’i Finehasa avy hatrany no nampijanona ilay areti-mandringana, izay efa nahafaty olona 24 000. Namaly soa azy i Jehovah, ka nanao fanekena taminy hoe ho mpisorona mandrakizay ny taranany.—Nomery 25:4-13.

Inona no naha samy hafa an’ireo hasarotam-piaro roa ireo? Ny an’i Miriama hasarotam-piaro vokatry ny fitiavan-tena, izany hoe fialonana ny anadahiny. Ny an’i Finehasa kosa hasarotam-piaro tsy misy fitiavan-tena, ho an’i Jehovah. Misy fotoana koa tokony hahatsapantsika ho voatery hilaza ny hevitsika, na hanao zavatra hiarovana ny anaran’i Jehovah sy ny fivavahana aminy ary ny vahoakany, toy ny nataon’i Finehasa.

Hasarotam-piaro diso toerana

Mety ho diso toerana ve anefa ny hasarotam-piaro indraindray? Eny tokoa. Diso toerana ny hasarotam-piaron’ny ankamaroan’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany. Saro-piaro tamin’ny Lalàna nomen’Andriamanitra sy ny fomban-drazany izy ireo. Namorona fitsipika maro be tamin’ny an-tsipiriany izy ireo, mba hiarovana ny Lalàna, ka nanjary enta-mavesatra ho an’ny vahoaka izany. (Matio 23:4) Tsy nahalala na tsy te hahalala izy ireo hoe efa nofoanan’i Jesosy Kristy ny Lalàn’i Mosesy. Nanampatra ny hatezerany tamin’ny mpianatr’i Jesosy izy ireo, noho ny hasarotam-piaro diso toerana. Taloha, dia anisan’ireo tena saro-piaro tsy ara-drariny tamin’ny Lalàna ny apostoly Paoly, ka hoy izy momba ireo olona niaro ny Lalàna: “Mazoto [saro-piaro] ho an’Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana.”—Romana 10:2; Galatiana 1:14.

Sarotra ny niala tamin’izany zotom-po tsy voafehy izany, na dia ho an’ny ankamaroan’ireo Jiosy lasa Kristianina aza. Nitantara tamin’ny filan-kevi-pitantanana i Paoly, rehefa avy nanao ny dia misionera fahatelo, fa nisy Jentilisa lasa Kristianina. Niresaka momba ny Kristianina jiosy an’arivo koa izy hoe “fatra-pitana ny lalàna izy rehetra.” (Asan’ny Apostoly 21:20) Efa namoaka didy anefa ny filan-kevi-pitantanana, taona maro talohan’izay, fa tsy voatery hoforana ny Jentilisa lasa Kristianina. Nampifanditra an’ireo rahalahy ny adihevitra nifandray tamin’ny fitandremana ny Lalàna. (Asan’ny Apostoly 15:1, 2, 28, 29; Galatiana 4:9, 10; 5:7-12) Nanantitrantitra ny heviny ny Kristianina jiosy sasany, ka nanakiana ny hafa, satria tsy azony tsara ny fomba itondran’i Jehovah ny vahoakany.—Kolosiana 2:17; Hebreo 10:1.

Tsy maintsy manalavitra ny hasarotam-piaro diso toerana àry isika, izany hoe tsy hiezaka hiaro ny hevitra na fomba fanaovan-javatra tiantsika manokana, izay tsy tena mifototra tsara amin’ny Baiboly. Tsara amintsika ny manaiky ny fahazavana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny mpanompo mahatoky sy malina.

Hasarotam-piaro amin’i Jehovah

Ilaina amin’ny fivavahana marina ny hasarotam-piaro mety. Manahy momba ny lazantsika sy ny zontsika manokana isika matetika. Mahatonga antsika hieritreritra momba an’i Jehovah anefa ny hasarotam-piaro mety. Izy io no mahatonga antsika hitady fomba hanambarana ny fahamarinana, sy hiarovana ny asan’i Jehovah sy ny vahoakany.

Nanana hevi-diso momba ny lalàn’Andriamanitra mahakasika ny ra ny tompon-trano iray, ka nanohitra mafy an’i Akiko, Vavolombelon’i Jehovah manompo manontolo andro. Hain’i Akiko tsara ny niaro ny Tenin’Andriamanitra, ary voalazany hatramin’ireo zava-manahirana ateraky ny fampidiran-dra. Naniry mafy hiresaka momba an’i Jehovah izy. Nahodiny àry ny resaka mba hahakasika ny fisian’ny Mpamorona, satria izay no tena fototry ny fanoheran’ilay ramatoa. Nohazavain’i Akiko tamin’ilay tompon-trano fa manaporofo ny fisian’ny Mpamorona ny zavaboary. Nahay niaro ny Tenin’Andriamanitra izy, ka rava ireo fitsarana an-tendrony, ary nianatra Baiboly ilay ramatoa. Mpidera an’i Jehovah izao io tompon-trano nasiaka taloha io.

Ny hasarotam-piaro amin’ny fivavahana marina, dia mahatonga antsika ho mailaka hanararaotra hiresaka sy hiaro ny finoantsika any am-piasana, any am-pianarana, rehefa miantsena, ary rehefa manao dia lavitra. Tapa-kevitra hanambara ny finoany tamin’ireo mpiara-miasa taminy, ohatra, i Midori. Nilaza ny mpiara-miasa taminy iray, 40 taona mahery, fa tena tsy te hiresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy izy. Tatỳ aoriana, dia nitaraina taminy ilay vehivavy hoe nanjary nanana toetra ratsy ny zanany vavy. Nasehon’i Midori azy ny boky Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra, * ary nolazainy fa afaka mianatra azy io miaraka amin’ny zanak’ilay vehivavy izy. Natomboka ilay fianarana, kanefa tsy nanatrika teo ilay reniny. Nanapa-kevitra i Midori fa hasehony an’ilay vehivavy ilay vidéo hoe Ny Vavolombelon’i JehovahIlay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana. * Izy io no nanala ny ankamaroan’ny hevi-diso nananany. Nanohina ny fony ny zavatra hitany, ka hoy izy: “Te hitovy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho.” Niara-nianatra Baiboly tamin’ny zanany vavy koa izy.

Mahasoa ny fiangonana kristianina koa ny hasarotam-piaro mety. Mampirisika antsika ho tia sy hiahy ny hafa izy io, ary mahatonga antsika hanohitra fitaoman-dratsy, toy ny fifosana sy ny hevitry ny mpivadi-pinoana, izay mety hisy vokany ratsy eo amin’ireo rahalahintsika. Manosika antsika hiaro ny fanapahan-kevitry ny anti-panahy ny hasarotam-piaro mety, rehefa hitan’izy ireo fa ilaina ny manafay ireo mpanao ratsy. (1 Korintiana 5:11-13; 1 Timoty 5:20) Nanoratra momba ny hasarotam-piarony tamin’ireo mpiray finoana taminy tao amin’ny fiangonan’i Korinto i Paoly, ka hoy izy: “Fahasaro-piaro araka an’Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin’ny lehilahy iray hianareo, mba hatolotro tahaka ny virijina madio ho an’i Kristy.” (2 Korintiana 11:2) Ny hasarotam-piarontsika koa àry dia manosika antsika hanao izay azontsika atao, mba hiarovana ny fahadiovan’ny fampianarana sy ny fahasalamana ara-panahy ary ny fitondran-tenan’ny rehetra eo anivon’ny fiangonana.

Misy vokany tsara eo amin’ny olon-kafa tokoa ny hasarotam-piaro mety. Ahazoana ny fitahian’i Jehovah izy io, ary tokony hananan’ny Kristianina ankehitriny.—Jaona 2:17.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 20 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 20 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 29]

Ny hasarotam-piaro mety no antony nanaovan’i Finehasa zavatra

[Sary, pejy 30]

Halaviro ny hasarotam-piaro diso toerana

[Sary, pejy 31]

Mahatonga antsika hizara ny finoantsika sy ho tia ireo rahalahintsika ny hasarotam-piaro mety