Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Ratsy ve ny miloka raha vola kely fotsiny no ampiasaina?

Tsy miresaka momba ny filokana amin’ny an-tsipiriany ny Tenin’Andriamanitra. Asehony kosa anefa fa tsy mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny filokana rehetra. * Eken’ny rehetra, ohatra, fa mampirisika ny olona hierina ny filokana. Na izany fotsiny aza dia tokony hampisaintsaina ny Kristianina, satria milaza ny Baiboly fa tsy mba handova ny Fanjakan’Andriamanitra ny “mpierina”, ary anisan’ny fanompoan-tsampy ny fieremana.—1 Korintiana 6:9, 10; Kolosiana 3:5.

Ny filokana koa dia mahatonga ny olona ho tia tena sy ho tia mifaninana, ary haniry mafy ny handresy. Tsy mahasoa anefa izany ary nampitandrina antsika mba tsy hanao izany ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Aoka isika tsy handrani-tena [na hanandra-tena] foana ka hifampihaika sy hifampialona.” (Galatiana 5:26) Ambonin’izany, ny filokana dia mahatonga ny sasany hinohino foana, ka hiantehitra amin’ny vintana. Manjary manana karazana finoanoam-poana betsaka ny mpiloka satria manantena ny ho tsara vintana. Izy ireo dia mampahatsiahy antsika ireo Isiraelita tsy nahatoky fahiny izay “mamelatra latabatra ho an’i Gada [na Zara] sy mampidina divay noharoharoan-javatra ho an’i Menỳ [na Vintana].”—Isaia 65:11; fanamarihana ambany pejy.

Mety hieritreritra ny sasany fa tsy mampaninona ny mampiasa vola kely rehefa milalao karatra, na karazana fanorona miaraka amin’ny fianakaviana, na namana akaiky, ka tsy misy mifaninana be. Marina aloha fa mety tsy hihevi-tena ho mierina, na tia tena, na tia mifaninana, na minomino foana ny olona iray raha vola kely no ilokany. Inona anefa no mety ho fiantraikan’ny filokany eo amin’ireo olona miloka miaraka aminy? Vola kely fotsiny no nentin’ny sasany niloka tamin’ny voalohany mba ‘hialana voly fotsiny.’ Lasa mpiloka be anefa ny ankamaroany. (Lioka 16:10) Nampidi-doza azy ireo ny fialam-boly iray toa tsy mampaninona.

Tena marina indrindra izany, rehefa voakasika ny ankizy. Ankizy maro no faly be rehefa mandresy amin’ny filokana kely, ka nanjary nalaim-panahy hiloka vola bebe kokoa. (1 Timoty 6:10) Mbola kely ireo mpiloka dia efa nanomboka niloka, araka ny fanadihadiana iray momba ny filokana tany Etazonia. ‘Vola kely no nilokan’izy ireo tamin’izay rehefa nisy lalao fanatanjahan-tena, na nanao karatra niaraka tamin’ny namana, na havana izy.’ Nilaza koa ny tatitra iray fa “any an-tranony ny ankizy no manomboka miloka, matetika amin’ny lalao karatra miaraka amin’ny fianakaviana sy namana.” Nilaza koa ilay tatitra fa “ny 30 isan-jaton’ny ankizy mpiloka dia nanomboka izany raha mbola tsy feno 11 taona akory.” Maro amin’ireo zatovo mpiloka no manao asan-jiolahy, na manao fitondran-tena maloto mba hahitany vola hilokana, araka ny fanadihadiana hoe Nahoana ny Olona no Miloka Be—Aretina sa Fahazaran-dratsy? (anglisy) Izany ka vokatra mampalahelo aterak’ilay zavatra noheverina fa tsy mampaninona tamin’ny voalohany!

Efa feno fandrika sy fakam-panahy ny tontolo iainantsika, koa nahoana isika no hanao zavatra hanampy trotraka izany indray? (Ohabolana 27:12) Manimba ny fahasalamana ara-panahy ny filokana ka tokony hohalavirina, na miaraka amin’ny ankizy izany na tsia, ary na be na kely ny vola ampiasaina. Raha misy Kristianina tia milalao karatra na karazana fanorona, dia aleo ny isa azo fotsiny no soratany, na tsy manoratra mihitsy izy, fa milalao mba hialana voly fotsiny. Ny Kristianina hendry, izay miahy ny fahasalamana ara-panahiny sy ny an’ireo namany ary ny fianakaviany dia tsy hiloka, eny fa na dia vola kely fotsiny aza no ampiasaina.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Araka ny Rakibolana malagasy, ny loka dia “fanamby ifanaovana. Lalao ifanambazana vola, ka ny mahazo dia izay maharesy (karatra), na izay naka ny mahery (baolina), na izay naka ny tonga voalohany (hazakaza-tsoavaly).”