Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mila Teny Fiderana Isika Rehetra

Mila Teny Fiderana Isika Rehetra

Mila Teny Fiderana Isika Rehetra

FALY erỳ ilay zazavavy kely indray andro izay. Voateny foana mantsy izy isan’andro, fa tamin’io kosa izy tena hendry. Tamin’ny alina anefa, dia henon’ny reniny nitomany tao am-pandriana izy. Rehefa nanontaniana izy hoe inona no nampalahelo azy, dia nifokofoko izy niteny hoe: “Izaho angaha tsy hendry androany?”

Nanindrona ny fon’ilay reniny ny fanontaniany. Maika erỳ mantsy izy hiteny ny zanany isaky ny nisy tsy nety nataony. Izao anefa, efa niezaka mafy erỳ ilay zanany mba ho hendry, kanefa tsy nilaza na dia teny fankasitrahana indraim-bava aza ilay reniny.

Tsy ny zazavavy kely ihany no mila teny fiderana sy fampaherezana. Mila izany isika rehetra, toy ny ilantsika torohevitra sy fanitsiana.

Inona no tsapantsika, rehefa mahazo teny fiderana vokatry ny fo isika? Tsy faly erỳ ve isika, ka miramirana mandritra ny andro? Tsapantsika fa nisy olona nahamarika ny nataontsika sy tia antsika foana. Manome toky antsika izany fa tsy very maina ny ezaka nataontsika, ary manjary vonona hanao tsara kokoa isika amin’ny hoavy. Tsy mahagaga raha manjary tiantsika ny olona manokana fotoana hilazana zavatra mampahery amintsika.—Ohabolana 15:23.

Fantatr’i Jesosy fa ilaina ny manao teny fiderana. Tao amin’ilay fanoharana momba ny talenta, ilay tompo (mampiseho an’i Jesosy) dia nanao teny fiderana tamin-katsaram-panahy an’ireo mpanompo nahatoky roa, toy izao: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky.” Izany ka teny mampahery! Teny fiderana nitovy no azon’izy ireo, na dia tsy nitovy aza ny fahaizany sy ny zavatra vitany.—Matio 25:19-23.

Aoka àry hotadidintsika foana ilay reny sy ny zanany kely. Tsy tokony handrasantsika hitomany ny hafa vao hanaovantsika teny fiderana. Tokony hanao ezaka manokana kosa isika mba hanao teny fiderana azy ireo. Tena misy antony tsara àry hanaovantsika teny fiderana vokatry ny fo, isaky ny azo atao izany.