Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mivoha ho An’ny Rehetra ny Efitrano Fanjakana

Mivoha ho An’ny Rehetra ny Efitrano Fanjakana

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Mivoha ho An’ny Rehetra ny Efitrano Fanjakana

NAMPIRISIKA ny mpianany ‘hitory eny ambonin’ny tampon-trano’ i Jesosy Kristy rehefa nampiofana azy ireo hanompo ny besinimaro. (Matio 10:27) Eny, natao ho hitan’ny besinimaro ny asan’ny kristianina rehetra. Natao ho hitan’ny besinimaro koa ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, araka io toro lalana io. Sady nandresy fanoherana izy ireo noho izany no nanjary nahaliana ny olona.

Azon’ny besinimaro atrehina ny fivorian’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy fitsarana an-tendrony anefa mahatonga ny olona sasany hisalasala tsy ho any amin’ny Efitrano Fanjakana. Izany no nitranga tany Failandy. Menatra fotsiny ny hafa mankany amin’ny toerana tsy mahazatra azy. Matetika no misy an’ilay antsoina hoe varavarana misokatra, rehefa misy Efitrano Fanjakana vaovao na nohavaozina. Mety hisy ezaka manokana hatao hanasana ny mpiara-monina hitsidika ny Efitrano Fanjakana sy hampahafantarana azy ireo ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nanao fandaharana fampielezana gazety ny Vavolombelona tany amin’ny tanàna iray, tamin’ilay andro fitsidihan’ny besinimaro ny Efitrano Fanjakana vaovaon’izy ireo. Nihaona tamin’ny zokiolona iray ny Vavolombelona roa. Nilaza izy io fa tia mamaky Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Niresaka taminy momba ilay fitsidihana Efitrano Fanjakana ireo rahalahy sady nilaza fa hitondra azy any koa. Nilaza ilay lehilahy fa ho faly hiaraka amin’izy ireo. “Izaho koa handeha!”, hoy ny vadiny raha nahare ny resak’izy ireo.

Nijery ny manodidina azy ilay lehilahy rehefa niditra ny Efitrano Fanjakana ary nilaza hoe: “Tsy maintimainty akory ato, fa tsara tarehy sy mazava erỳ aza. Nisy nilaza tamiko fa maintimainty ny Efitrano Fanjakana!” Nijanona elaela izy mivady, ary nangataka tamin’ireo gazety sy boky naseho teo.

Nisy fiangonana iray te hanao filazana an-gazety momba ilay fitsidihana mandritra ny fitokanana ny Efitrano Fanjakanany. Nilaza ilay tonian’ny lahatsoratra, rehefa naharay ilay filazana, fa tokony hisy lahatsoratra havoaka momba io foto-kevitra io. Nanaiky ireo rahalahy ary fotoana fohy taorian’izay, dia nisy lahatsoratra antsasa-pejy tsara iray niseho tao amin’ny gazety. Niresaka momba ilay fisehoan-javatra sy nanazava ny asan’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo an-toerana izy io.

Rehefa navoaka ilay lahatsoratra dia nisy Vavolombelona zokiolona nifanena tamin’ny mpiara-monina iray izay nilaza taminy hoe: “Misy lahatsoratra tsara be momba ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny gazety androany!” Afaka nitory taminy ilay anabavy ary nametraka ilay bokikely hoe: Ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Taonjato Faha-20.

Manazava hevi-diso momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny fandaharana fitsidihana sy fitokanana Efitrano Fanjakana vaovao toy ireny no sady mampirisika ny mpitory koa hanasa olona bebe kokoa amin’ny fivoriana. Eny, nianaran’ny olona any amin’ny tany maro, anisan’izany i Failandy, fa mivoha ho an’ny rehetra ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah.