Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpanohana ny Fivavahana Marina—Taloha sy Ankehitriny

Mpanohana ny Fivavahana Marina—Taloha sy Ankehitriny

Mpanohana ny Fivavahana Marina—Taloha sy Ankehitriny

MAHATADIDY anarana lehilahy nitomany ny tanànan’i Jerosalema fahiny ve ianao? ‘I Jesosy’, hoy angamba ianao, ary nanao izany tokoa izy. (Lioka 19:28, 41) Efa nisy mpanompon’Andriamanitra nahatoky nitomany an’i Jerosalema toy izany anefa, taonjato maro talohan’ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany. I Nehemia no anarany.—Nehemia 1:3, 4.

Nahoana i Nehemia no nalahelo be toy izany ka nitomany an’i Jerosalema? Inona no nataony mba hanasoavana ilay tanàna sy ny mponina tao? Ary inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nomeny? Mba hamaliana izany, dia andeha isika hijery zava-nitranga vitsivitsy tamin’ny androny.

Olona be fihetseham-po sy nazoto niasa

Notendrena ho governoran’i Jerosalema i Nehemia, fa manam-pahefana ambony tao amin’ny lapa persanina, tao an-tanànan’i Sosana izy talohan’izay. Niadana izy nefa mbola niahy izay hahasoa ireo rahalahiny jiosy tany Jerosalema ihany, na dia lavitra azy ireo aza. Rehefa nisy mantsy Jiosy vitsivitsy avy tany Jerosalema nitsidika an’i Sosana, dia izao no nataony voalohany: ‘Nanontaniany azy ny amin’ny Jiosy efa afaka, izay sisa tamin’ny fahababoana, ary ny amin’i Jerosalema.’ (Nehemia 1:2) Rehefa namaly ireo mpitsidika fa “mitondra fahoriana be” ny mponina tany Jerosalema ary “voarodana” ny mandan’ny tanàna, dia “nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro” i Nehemia. Nivavaka tamim-pahatsorana tamin’i Jehovah izy taorian’izay mba hanehoany ny alahelony. (Nehemia 1:3-11) Nahoana i Nehemia no nalahelo be toy izany? Satria i Jerosalema no foiben’ny fivavahana amin’i Jehovah teto an-tany, nefa nanjary natao tsinontsinona. (1 Mpanjaka 11:36) Nasehon’ilay tanàna tsy voakarakara koa fa narary ara-panahy ny mponina tao.—Nehemia 1:6, 7.

Niahy an’i Jerosalema no sady nangoraka ny Jiosy nipetraka tao i Nehemia, ka tsy nitsitsy aina mihitsy. Niomana hanao dia lavitra ho any Jerosalema izy raha vao nomen’ilay Mpanjaka persanina andro tsy hiasana. (Nehemia 2:5, 6) Te hanome ny tanjany sy ny fotoanany ary ny fahaizany izy mba hanohanana ny asa fanarenana tokony hatao. Andro vitsivitsy monja taorian’ny nahatongavany dia efa nahavita drafitra hanamboarana ny mandan’i Jerosalema manontolo izy.—Nehemia 2:11-18.

Nozarain’i Nehemia tamina fianakaviana maro ilay asa goavana, ary niara-niasa izy rehetra. * Nisy antokon’olona maherin’ny 40 notendrena hanamboatra ilay manda, ary samy nomena ampahany avy izy ireo. Ny vokany? Vita ihany ilay asa, na dia nila tsy ho araka aza, satria betsaka ny mpiasa nanome ny fotoanany sy ny heriny, anisan’izany ny ray aman-dreny sy ny zanany. (Nehemia 3:11, 12, 19, 20) Niasa mafy izy ireo, ary vita tanteraka ilay manda taorian’ny roa volana monja! Nanoratra i Nehemia fa na dia ireo nanohitra io fanamboarana manda io aza dia voatery niaiky fa “Andriamanitray no nahavitana izany asa izany.”—Nehemia 6:15, 16.

Ohatra tsara hotadidina

Tsy ny fotoanany sy ny fahaizany mandamin-javatra ihany no nomen’i Nehemia. Nanome izay nananany koa izy mba hanohanana ny fivavahana marina. Ny volany ihany no nanavotany ireo rahalahiny jiosy tamin’ny fanandevozana. Nampisambo-bola izy fa tsy naka tombony. Tsy mba “nahavaky tratra”, na nampitondra enta-mavesatra an’ireo Jiosy mihitsy izy, satria tsy nitaky vola fanampiana tamin’ny naha governora azy, na dia nanana zo hanao izany aza. Nivoha malalaka kosa ny tranony, mba handrosoana sakafo ho an’ireo olona ‘dimampolo amby zato, afa-tsy izay nankeo aminy avy tamin’ny firenena manodidina azy.’ Isan’andro dia nanome “omby iray sy ondry matavy enina ary vorona” ho an’ireo vahininy izy. Nanome azy ireo “divay samy hafa betsaka” koa izy, isaky ny folo andro. Izy daholo no niantoka izany rehetra izany.—Nehemia 5:8, 10, 14-18.

Tena nalala-tanana tokoa i Nehemia. Izany ka ohatra tsara ho an’ny mpanompon’Andriamanitra taloha sy ankehitriny! Nanome maimaim-poana sy an-tsitrapo ny fananany io mpanompon’Andriamanitra be zotom-po io, mba hanohanana ny mpiasa ka hampandrosoana ny fivavahana marina. Rariny àry raha nangataka tamin’i Jehovah izy hoe: “Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô, araka izay rehetra nataoko ho an’ity firenena ity.” (Nehemia 5:19) Hanao izany tokoa i Jehovah.—Hebreo 6:10.

Misy manao toa an’i Nehemia koa ankehitriny

Tena mampahery tokoa ny mahita fa be fitiavana, vonon-kiasa, ary feno fahafoizan-tena toy izany ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny, mba hanohanana ny fivavahana marina. Tena miahy izay hahasoa ireo mpiray finoana amintsika isika rehefa rentsika fa miatrika zava-tsarotra izy ireny. (Romana 12:15) Mivavaka amin’i Jehovah toa an’i Nehemia isika mba hanampiany ireny rahalahintsika ara-panahy mijaly ireny, ka mangataka hoe: “Mitaraina aminao aho, . . . mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin’ny fahatahorana ny anaranao.”—Nehemia 1:11; Kolosiana 4:2.

Tsy ny fontsika fotsiny anefa no voatohina, fa manao zavatra mihitsy isika. Tena miahy izay hahasoa ara-panahy sy ara-nofo ireo rahalahintsika kristianina isika no sady miahy izay hampandrosoana ny fivavahana marina. Mandao ny fonenana nampiadana azy toa an’i Nehemia ny olona sasany afaka manao izany, satria atosiky ny fitiavana izy hifindra any amin’izay toerana ilana fanampiana. Mety tsy hampiadana toy ny tany aminy ny faritra sasany alehany, nefa tsy mahakivy azy izany. Manampy amin’ny fampandrosoana ny fivavahana marina any an-toerana ireo mpiasa an-tsitrapo ireo, sady miara-manompo amin’ireo rahalahiny kristianina. Tena mendri-piderana tokoa ny toe-tsaina feno fahafoizan-tena ananan’izy ireo.

Mandraisa anjara eo amin’ny toerana misy anao

Marina aloha fa tsy afaka mifindra any an-toeran-kafa ny ankamaroantsika. Manohana ny fivavahana marina eo amin’ny toerana misy antsika anefa isika. Aseho ao amin’ny bokin’i Nehemia koa izany. Mariho ny tsipiriany fanampiny omen’i Nehemia momba ireo fianakaviana mahatoky izay nandray anjara tamin’ilay fanamboarana manda. Hoy izy: “Namboatra koa Jedaia, zanak’i Haromafa, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny tranony ihany . . . Namboatra koa Benjamina sy Hasoba teo amin’ny tandrifin’ny tranony ihany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Azaria, zanak’i Mahaseia, zanak’i Anania, teo anilan’ny tranony ihany.” (Nehemia 3:10, 23, 28-30) Nandray anjara lehibe tamin’ny fampandrosoana ny fivavahana marina ireo lehilahy ireo sy ny ankohonany, rehefa namita ny anjarany manandrify ny tranony.

Manao asa isan-karazany koa ny ankamaroantsika mba hanohanana ny fivavahana marina, eo amin’ny manodidina antsika. Mandray anjara amin’ny tetik’asa fanorenana Efitrano Fanjakana isika, amin’ny fanampiana ireo tra-boina, ary ny tena lehibe indrindra dia amin’ny fitoriana ilay Fanjakana. Tena maniry hanohana ny fivavahana marina amin’ny fananantsika koa isika rehetra, na afaka mandray anjara mivantana amin’ny asa fanorenana sy fanampiana tra-boina na tsia. Tsy nisy hafa tamin’izany no nataon’i Nehemia izay nalala-tanana tokoa.—Jereo ilay faritra voafefy hoe “Ny Mampiavaka ny Fanomezana An-tsitrapo.”

Toa mila tsy ho araka indraindray ny fitadiavana vola hamatsiana ireo asa fanontam-pirinty, fanampiana ny tra-boina, ary ireo asa maro atao maneran-tany. Tadidio anefa fa toa nila tsy ho araka koa ny asa fanamboarana ny manda goavan’i Jerosalema. (Nehemia 4:4) Vita anefa ilay asa satria nozarazaraina tamin’ireo fianakaviana maro be izay nazoto niasa. Hahita ny vola be ilaina hanatontosana ireo asa ataontsika maneran-tany koa isika ankehitriny, raha mitondra ny anjara birikiny hatrany ny tsirairay amintsika.

Asehon’ny faritra voafefy hoe “Ireo Fomba Fidin’ny Sasany Hanaovana Fanomezana” ny fomba maromaro azo anohanana ara-bola ny asan’ilay Fanjakana. Vahoakan’i Jehovah maro no nanome fanampiana toy izany tamin’ny taon-dasa. Manararaotra ity lahatsoratra ity àry ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanehoana ny fankasitrahany lalina an’ireo natosiky ny fony, ka nanao fanomezana an-tsitrapo toy izany. Ambonin’ny zavatra rehetra, dia misaotra an’i Jehovah isika, noho izy nitahy ny ezaka nataon’ny vahoakany tamin’ny fo manontolo mba hampandrosoana ny fivavahana marina maneran-tany. Eny, rehefa misaintsaina ny fomba nitarihan’i Jehovah antsika nandritra ireo taona lasa isika, dia velom-pankasitrahana toa an’i Nehemia, ka ho voatosika hilaza hoe: ‘Ny tanan’Andriamanitro no nahasoa ahy.’—Nehemia 2:18.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Marihina ao amin’ny Nehemia 3:5 fa tsy nety nandray anjara tamin’ilay asa ny “olona ambonimbony” vitsivitsy tamin’ny Jiosy. Naningana anefa izy ireny. Nanohana io asa io avokoa ny karazan’olona maro, toy ny mpisorona, mpanefy volamena, mpangaroharo zavamanitra, komandy, ary ny mpandranto.—Andininy 1, 8, 9, 32.

[Efajoro/Sary, pejy 28, 29]

Ireo Fomba Fidin’ny Sasany Hanaovana Fanomezana

FANOMEZANA HO AN’NY ASA MANERAN-TANY

Maro no manokana na manatsinjara vola mba harotsany ao amin’ny boaty ho an’ny fanomezana misy soratra hoe: “Fanomezana ho An’ny Asa Fitoriana Maneran-tany—Matio 24:14.”

Isam-bolana ny fiangonana dia mandefa ireny vola ireny any amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, any New York, na any amin’ny biraon’ny Sampana eo an-toerana. Ireo vola fanomezana an-tsitrapo dia azo alefa mivantana koa any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.), B.P. 116, 105 Ivato. Azo atao koa ny manome firavaka na zava-tsarobidy hafa. Tokony hisy taratasy fohy hampiarahina amin’ireny fanomezana ireny. Lazaina ao amin’ilay taratasy fa fanomezana tsy misy fepetra izy ireo.

FANDAHARANA MOMBA NY FANOMEZANA MISY FEPETRA

Azo atao ny manome vola amin’ny fanaovana fifanarahana manokana, dia ny hamerenana ilay fanomezana amin’ilay mpanome, raha misy ilany izany. Mba hahazoana fanazavana fanampiny, dia manorata any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, araka ny adiresy etsy ambony.

ASA FANASOAVANA NALAMINA MIALOHA

Ankoatra ny fanomezana vola tsy misy fepetra sy misy fepetra, dia misy koa fomba fanomezana hafa mba hanohanana ny fanompoana ilay Fanjakana maneran-tany. Anisan’izany ny:

Fiantohana: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA. ny vola avy amin’ny fifanekem-piantohana aina (assurance-vie) na ny fisotroan-dronono.

Kaonty any Amin’ny Banky: Azo soratana amin’ny anaran’ny FI.MPI.BA.MA., na aloa aminy ny kaontin’ny olona iray any amin’ny banky, ny taratasy fanamarinana petra-bola, na ny kaonty misy ny fisotroan-drononony, rehefa maty ilay tompony, ary atao mifanaraka amin’ny zavatra takin’ny banky eo an-toerana.

Trano sy Tany: Azo atao fanomezana ho an’ny FI.MPI.BA.MA. ny trano sy tany azo amidy. Azo atao fanomezana tsy misy fepetra izany, na misy fepetra toy ny hoe ho fananan’ilay mpanome ilay izy, ka azony ipetrahana, mandritra ny fahavelomany. Mifandraisa amin’ny biraon’ny Sampana eo amin’ny tany misy anao, alohan’ny hamindrana trano sy tany.

Didim-pananana sy Fanankinam-pananana (fidéicommis): Azo ampandovaina fananana na vola ny FI.MPI.BA.MA. amin’ny alalan’ny didim-pananana natao manan-kery ara-dalàna. Na azo tondroina ho mpandray ny tombontsoa avy amin’ny fifanarahana momba ny fanankinam-pananana izy. Mety tsy hisy hetra haloa amin’ny fanankinam-pananana iray rehefa natao hanasoavana fikambanana ara-pivavahana ilay izy.

Raha misy mila fanazavana fanampiny momba ireo fandaharana ireo, dia iangaviana izy hanoratra na hiantso any amin’ny Biraon’ny Mpitahiry Vola, araka ny adiresy etsy ambany.

Biraon’ny Mpitahiry Vola

Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara (FI.MPI.BA.MA.)

Telefaonina: 22 677 16

B.P. 116

105 Ivato.

[Efajoro, pejy 30]

Ny Mampiavaka ny Fanomezana An-tsitrapo

Nilaza lafiny telo lehibe mampiavaka ny fanomezana an-tsitrapo ny apostoly Paoly, tao amin’ny taratasiny ho an’ny Korintianina. 1) Nanome izao toromarika izao izy, rehefa nanoratra momba ny famoriam-bola: “Amin’ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana [vola] ao aminy avy.” (1 Korintiana 16:2a) Araka izany dia mila alamina mialoha ny fanomezana, ary atao tsy tapaka. 2) Nanoratra koa i Paoly fa tokony hanome “arakaraka izay vola miditra” ny olona tsirairay. (1 Korintiana 16:2b, Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara) Tokony ho arakaraka izay ananan’ny olona iray izany ny fanomezana an-tsitrapo ataony. Na dia mety ho kely aza ny fanomezana ataon’ny Kristianina iray, satria kely karama izy, dia sarobidy amin’i Jehovah izany. (Lioka 21:1-4) 3) Hoy koa i Paoly: ‘Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa “ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra.”’ (2 Korintiana 9:7) Manome amim-pifaliana ny Kristianina, izany hoe ny fony no manosika azy.

[Sary, pejy 26]

Olona be fihetseham-po sy nazoto niasa i Nehemia

[Sary, pejy 30]

Ny fanomezana an-tsitrapo dia manohana ny asa fanontam-pirinty, ny fanampiana ireo tra-boina, ny fanorenana Efitrano Fanjakana, ary ny asa mahasoa maro atao maneran-tany