Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Sarotra ny Miala Tsiny?

Nahoana no Sarotra ny Miala Tsiny?

Nahoana no Sarotra ny Miala Tsiny?

NAMOAKA lalàna iray ny Antenimieran’i Kalifornia, any Etazonia, tamin’ny Jolay 2000. Voalazan’izy io fa raha misy loza mitranga dia tsy horaisina ho tompon’andraikitra amin’izany ny olona maneho fiaraha-miory amin’izay maratra. Inona no antony namoahana io lalàna io? Voamarika fa matetika ny olona no misalasala hiala tsiny rehefa misy loza ka nisy naratra na nisy zavatra simba. Matahotra mantsy izy ireo sao hoheverin’ny fitsarana ho toy ny fieken-keloka izany. Eo kosa ireo mihevitra fa tokony ho niala tsiny haingana taminy ny olona, ary mety ho tezitra izy rehefa tsy atao izany. Noho izany, dia mety hiteraka ady be ny loza kely tsy dia manao ahoana.

Mazava ho azy fa tsy mila miala tsiny ianao raha tsy ianao no tompon’andraikitra amin’ny loza iray. Mety ho fahendrena koa ny mitandrina izay lazainao indraindray. Hoy ny ohabolana tranainy iray: “Ny teny maro tsy ilaozan’izay ota; fa izay mahatana ny molony no hendry.” (Ohabolana 10:19; 27:12) Na izany aza dia tsara raha mahalala fomba ianao sady vonon-kanampy.

Olona maro anefa no tsy miala tsiny intsony, na dia tsy hisy hitory azy eny amin’ny fitsarana aza, sa tsy izany? Mety hisy vehivavy, ohatra, hitaraina hoe: ‘Tsy mba miala tsiny mihitsy ny vadiko.’ Ny mpampiasa koa mety hitaraina hoe: ‘Tsy miaiky ny fahadisoany ny mpiasako, sady mahalana vao mba manao aza fady.’ Ary ny mpampianatra mety hanambara hoe: ‘Tsy zarina hiteny aza fady ny ankizy.’

Misalasala hiala tsiny ny olona satria matahotra sao hailikilika. Mety tsy hamboraka izay tena ao am-pony izy satria manahy sao tsy horaharahain’ilay olona manana alahelo aminy. Ity farany aza moa mety tsy te hiresaka aminy mihitsy, ka tena mananosarotra ny hihavana indray.

Misy koa ireo misalasala ny hiala tsiny satria tsy miraharaha ny fihetseham-pon’ny hafa. Mihevitra angamba izy hoe: ‘Efa diso aho ka tsy hanova na inona na inona na dia hiala tsiny aza aho.’ Ny hafa indray miahotra hanao aza fady satria matahotra izay mety ho vokany. Manontany tena izy hoe: ‘Sao dia heverin’ny olona ho tompon’andraikitra aho ka hasaina hanome onitra?’ Ny hambom-po anefa no tena misakana ny olona tsy hiala tsiny. Raha be hambom-po ny olona iray ka tsy mety hiteny hoe “aza fady”, dia toy ny mihevitra izy hoe: ‘Ho afa-baraka aho raha miaiky fa diso. Tsy tiako izany satria hanambany ahy.’

Sarotra amin’ny olona maro ny manao teny fialan-tsiny, na inona na inona antony. Tena ilaina àry ve ny miala tsiny? Inona no soa azo avy amin’izany?

[Sary, pejy 3]

“Tsy zarina hiteny aza fady ny ankizy”

[Sary, pejy 3]

“Tsy mba miala tsiny mihitsy ny vadiko”

[Sary, pejy 3]

“Tsy miaiky ny fahadisoany ny mpiasako”