Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Momba ny Atsy na ny Aroa ny Kristianina Amin’ny Andro Farany

Tsy Momba ny Atsy na ny Aroa ny Kristianina Amin’ny Andro Farany

Tsy Momba ny Atsy na ny Aroa ny Kristianina Amin’ny Andro Farany

“Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.”—JAONA 17:16.

1, 2. Inona no nolazain’i Jesosy momba ny fifandraisan’ny mpanara-dia azy amin’izao tontolo izao, ary inona avy no fanontaniana aterak’izany?

NANAO vavaka lava be ren’ny mpianany i Jesosy, olombelona lavorary, ny alina talohan’ny nahafatesany. Niresaka ny amin’ny fiainan’ny tena Kristianina rehetra izy tao amin’io vavaka io. Hoy izy momba ny mpanara-dia azy: “Efa nomeko azy ny teninao; ary halan’izao tontolo izao izy, satria tsy naman’izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao. Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy. Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.”—Jaona 17:14-16.

2 Indroa i Jesosy no nilaza fa tsy naman’izao tontolo izao ny mpanara-dia azy. Ho halan’izao tontolo izao izy ireo satria tafasaraka aminy. Tsy tokony ho very hevitra anefa ny Kristianina satria hiaro azy i Jehovah. (Ohabolana 18:10; Matio 24:9, 13) Rehefa heverina ny tenin’i Jesosy, dia mety hanontany tena isika hoe: ‘Nahoana no tsy naman’izao tontolo izao ny tena Kristianina? Inona no dikan’ny hoe tsy naman’izao tontolo izao? Ahoana no fiheveran’ny Kristianina ilay tontolo mankahala azy, indrindra fa ny fitondram-panjakana?’ Zava-dehibe ny valiny omen’ny Soratra Masina amin’ireo fanontaniana ireo, satria mahakasika antsika rehetra izany.

“Avy amin’Andriamanitra isika”

3. a) Nahoana isika no tafasaraka amin’izao tontolo izao? b) Inona no porofo fa mipetraka “eo amin’ilay ratsy” tokoa izao tontolo izao?

3 Tsy naman’izao tontolo izao isika satria mifandray akaiky amin’i Jehovah. Hoy ny apostoly Jaona: “Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (1 Jaona 5:19) Tena marina ny lazain’i Jaona momba ity tontolo ity. I Satana fa tsy Andriamanitra tokoa no mifehy azy ity, satria tena miely patrana ny ady, heloka bevava, fampahoriana, sy tsy fanaovana ny marina ary fahalotoam-pitondran-tena. (Jaona 12:31; 2 Korintiana 4:4; Efesiana 6:12) Tsy hanao sy tsy hankasitraka ireo fanao ratsy ireo ny olona iray tonga Vavolombelon’i Jehovah. Manjary tsy naman’izao tontolo izao àry izy.—Romana 12:2; 13:12-14; 1 Korintiana 6:9-11; 1 Jaona 3:10-12.

4. Ahoana no ampisehoantsika fa an’i Jehovah isika?

4 Nilaza i Jaona hoe tsy mba tahaka an’izao tontolo izao ny Kristianina fa “avy amin’Andriamanitra.” An’i Jehovah izay rehetra manolo-tena ho azy. Hoy ny apostoly Paoly: “Raha velona isika, dia velona ho an’ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an’ny Tompo; koa amin’izany, na velona na maty isika, dia an’ny Tompo ihany.” (Romana 14:8; Salamo 116:15) I Jehovah irery no ivavahantsika satria azy isika. (Eksodosy 20:4-6) Tsy manokana ny fiainany ho ana tanjona na fikambanana mikendry ny hanatsara ity tontolo ity àry ny tena Kristianina. Manaja ny sainam-pirenena izy, nefa tsy manamasina azy io na mihevitra azy io ho masina. Azo antoka fa tsy ataony andriamanitra kely koa ny mpanao fanatanjahan-tena malaza, na ny olon-kafa hindrahindraina toy ny sampy. Mazava loatra fa manaja ny zon’ny hafa hanao izay tiany ny Kristianina, nefa ilay Mpamorona ihany no ivavahany. (Matio 4:10; Apokalypsy 19:10) Mahatonga azy ho tafasaraka amin’izao tontolo izao koa izany.

“Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao”

5, 6. Nahoana ny fanekena hofehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra no mampisaraka antsika amin’izao tontolo izao?

5 Tsy naman’izao tontolo izao koa ny Kristianina satria mpanara-dia an’i Kristy Jesosy sady olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Rehefa notsaraina teo anatrehan’i Pontio Pilato i Jesosy, dia hoy izy: “Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’izany ny fanjakako.” (Jaona 18:36) Amin’ny alalan’io Fanjakana io no hanamasinana ny anaran’i Jehovah, sy hanamarinana ny zony hitondra ny olombelona, ary hanaovana ny sitrapony etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra. (Matio 6:9, 10) Nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana i Jesosy nandritra ny fanompoany manontolo, ary nilaza fa hitory azy io koa ny mpanara-dia azy mandra-pifaranan’ity tontolo ity. (Matio 4:23; 24:14) Tanteraka tamin’ny 1914 ny faminaniana ao amin’ny Apokalypsy 11:15 hoe: “Ny fanjakana amin’izao tontolo izao dia efa lasan’ny Tompontsika sy ny Kristiny; ary Izy no hanjaka mandrakizay mandrakizay.” Tsy ho ela, dia io Fanjakana any an-danitra io ihany no hitondra ny olombelona. (Daniela 2:44) Na ny mpitondra fanjakana aza mbola ho voatery hanaiky ny fahefan’izy io.—Salamo 2:6-12.

6 Araka izany, dia olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny tena Kristianina ankehitriny. ‘Mikatsaka ny fanjakana sy ny fahamarinan’Andriamanitra aloha’ izy ireo, araka ny torohevitr’i Jesosy. (Matio 6:33) Tsy mahatonga azy ireo ho mpivadika amin’ny tany misy azy izany, fa tena mampisaraka azy kosa amin’ity tontolo ity, amin’ny heviny ara-panahy. Ny ‘hanambara ny fanjakan’Andriamanitra’ no asa imasoan’ny Kristianina ankehitriny, toy ny tamin’ny taonjato voalohany ihany. (Asan’ny Apostoly 28:23) Tsy misy fitondram-panjakana manan-jo hanakantsakana io asa nomen’Andriamanitra io.

7. Nahoana no tsy momba ny atsy na ny aroa ny tena Kristianina, ary ahoana no nampisehoany izany?

7 Tsy nomba ny atsy na ny aroa ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny adin’ireo firenena tamin’ny taonjato faha-20 sy amin’izao taonjato faha-21 izao. An’i Jehovah mantsy izy ireo sady mpanara-dia an’i Jesosy, ary olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy niandany na niady na tamin’iza na tamin’iza izy ireo. Tsy nanao fampielezan-kevitra ho ana tanjona na fikambanana mikendry ny hanatsara ity tontolo ity koa izy ireo. Nampiseho finoana niavaka izy ireo na dia niatrika fanoherana faran’izay mafy aza, ary narahiny ny toro lalana nosoratana ho an’ny mpitondra nazia tany Alemaina tamin’ny 1934. Izao no voalaza tao: “Tsy liana amin’ny politika izahay fa manokan-tena tanteraka ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra sy Kristy Mpanjaka. Tsy hanisy ratsy na iza na iza izahay. Ho tianay ny hiaina amim-piadanana sy hanao soa amin’ny olona rehetra isaky ny afaka manao izany izahay.”

Ambasadaoro sy irak’i Kristy

8, 9. Nahoana no lazaina fa ambasadaoro sy iraka ny Vavolombelon’i Jehovah, ary manao ahoana ny fifandraisan’izy ireo amin’ireo firenena noho izany?

8 Nilaza i Paoly fa izy sy ny Kristianina voahosotra hafa, dia ‘ambasadaoro solon’i Kristy, ka toy ny hoe Andriamanitra no mampangataka’ azy ireo amintsika. (2 Korintiana 5:20, fanamarihana ambany pejy; Efesiana 6:20) Nanomboka tamin’ny 1914, dia mety ny hilazana fa ambasadaoron’ny Fanjakan’Andriamanitra ny Kristianina voahosotry ny fanahy sady ‘zanak’io fanjakana io.’ (Matio 13:38; Filipiana 3:20; Apokalypsy 5:9, 10) Naka “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa” avy tamin’ireo firenena koa i Jehovah, mba hanampy ireo zanaka voahosotra hanao ilay asana ambasadaoro. (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16) Azo antsoina hoe “iraky” ny Fanjakan’Andriamanitra àry ireo “ondry hafa” na Kristianina manantena ny hiaina eto an-tany ireo.

9 Tsy miditra amin’ny raharahan’ilay firenena iasany ny ambasadaoro sy ny mpiara-miasa aminy. Toy izany koa fa tsy miditra amin’ny politikan’ireo firenena eto amin’ity tontolo ity ny Kristianina. Tsy manohitra na miandany na amin’iza na amin’iza izy ireo: na firenena, na foko, na saranga. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) ‘Manao soa amin’ny olona rehetra’ kosa izy ireo. (Galatiana 6:10) Tsy momba ny atsy na ny aroa ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tsy misy afaka milaza hoe niandany tamin’ny firenena na foko iray izy ireo ary handa ny hafatra toriny noho izany.

Miavaka noho ny fitiavana

10. Zava-dehibe ho an’ny Kristianina ve ny fitiavana?

10 Tsy miditra amin’ny raharahan’ity tontolo ity koa ny Kristianina, noho ny fifandraisany amin’ny Kristianina hafa. Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35) Tena zava-dehibe ho an’ny Kristianina ny fitiavan-drahalahy. (1 Jaona 3:14) Tena akaiky ny fifandraisan’ny Kristianina amin’ny mpiray finoana aminy, satria mifandray amin’ny fifandraisany amin’i Jehovah sy Jesosy izany. Tsy ny fiangonany ihany anefa no tiany fa ‘ny rahalahiny rehetra eran’izao tontolo izao’ koa.—1 Petera 5:9.

11. Inona no herin’ny fifankatiavan’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny fitondran-tenany?

11 Asehon’ny Vavolombelon’i Jehovah fa tia ny rahalahiny izy, rehefa manaraka ny Isaia 2:4 hoe: “Hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony.” Ampianarin’i Jehovah Andriamanitra ny tena Kristianina ka mihavana aminy sy amin’izy samy izy. (Isaia 54:13) Tsy eken’ny sainy ny handeha hiady amin’ny Kristianina na olona any an-tany hafa, satria tiany Andriamanitra sy ny rahalahiny. Tapany lehibe amin’ny fivavahany ny fiadanana sy ny firaisan-tsaina misy eo aminy, sady manaporofo fa tena manana ny fanahin’Andriamanitra izy. (Salamo 133:1; Mika 2:12; Matio 22:37-39; Kolosiana 3:14) ‘Mitady fihavanana sy manaraka izany’ izy ireo, satria fantany fa ‘mitsinjo ny marina ny mason’i Jehovah.’—Salamo 34:14, 15.

Ny fiheveran’ny Kristianina an’ity tontolo ity

12. Toa an’i Jehovah, ahoana no itondran’ny Vavolombelony ny olona eo amin’izao tontolo izao, ary ahoana no ampisehoany izany?

12 Efa nanameloka ity tontolo ity i Jehovah, nefa mbola tsy nitsara ny olona tsirairay izy. Hanao izany amin’ny alalan’i Jesosy izy amin’ny fotoana voatondrony. (Salamo 67:3, 4; Matio 25:31-46; 2 Petera 3:10) Mampiseho fitiavana lehibe amin’ny olombelona izy mandra-pahatongan’izany. Nomeny mihitsy aza ny Zanany lahitokana mba ho afaka hiaina mandrakizay ny rehetra. (Jaona 3:16) Manahaka ny fitiavan’Andriamanitra isika Kristianina, ka resahintsika amin’ny olona ny fandaharam-pamonjena nataony, na dia matetika mandà antsika aza izy ireo.

13. Ahoana no tokony hiheverantsika ireo mpitondra?

13 Ahoana no tokony hiheverantsika ny mpitondra eto amin’ity tontolo ity? Namaly izany i Paoly rehefa nanoratra hoe: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin’Andriamanitra.” (Romana 13:1, 2) Misy olona manana fahefana satria avelan’ilay Tsitoha hanana izany izy ireo. Lehibe kokoa ny fahefan’ny sasany noho ny an’ny hafa, nefa ambany noho ny an’i Jehovah foana ny azy ireo. Manaiky ny manam-pahefana ny Kristianina satria mankatò an’i Jehovah izy rehefa manao izany. Ahoana anefa raha mifanohitra ny zavatra takin’Andriamanitra sy ny takin’ny fitondram-panjakan’olombelona?

Lalàn’Andriamanitra sy ny an’i Kaisara

14, 15. a) Inona no nataon’i Daniela mba hisorohana olana momba ny fankatoavana? b) Inona no nataon’ireo Hebreo telo rehefa tsy azo nialana ny olana mahakasika ny fankatoavana?

14 Nanome ohatra tena tsara i Daniela sy ny namany telo. Hain’izy ireo tsara mantsy ny nandanjalanja ny fanekena ny fitondram-panjakana sy ny fanekena ny fahefan’Andriamanitra. Nankatò ny lalàna babylonianina ireo tanora hebreo efatra tamin’izy ireo natao sesitany. Tsy ela izy ireo dia nofidina mba homena fiofanana manokana. Takatr’i Daniela fa nety hahatonga azy handika ny Lalàn’i Jehovah ilay fiofanana, ka niresaka ilay raharaha tamin’ny tompon’andraikitra izy. Nisy fandaharana manokana àry natao mba hanajana ny feon’ny fieritreretan’ireo Hebreo efatra ireo. (Daniela 1:8-17) Manao toa an’i Daniela koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Hazavainy amim-pahaiza-mandanjalanja amin’ireo manam-pahefana ny fomba fiheviny, mba hisorohana olana tsy amin’ny antony.

15 Nipoitra indray ny olana mahakasika ny fanekena tatỳ aoriana, nefa tsy azo nialana intsony. Nanangana sampy goavambe teo amin’ny tany lemak’i Dora ny mpanjaka babylonianina. Nandidy ny manam-pahefana rehetra izy, anisan’izany ny tonian-draharaha, mba hivory ka hanamasina ilay sampy. Nihatra tamin’ny naman’i Daniela telo lahy koa ilay didy satria efa voatendry ho tonian-draharahan’i Babylona izy ireo. Nisy fotoana tamin’izay tsy maintsy niankohofan’ny rehetra tamin’ilay sariolona. Fantatr’ireo Hebreo anefa fa hifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra izany. (Deoteronomia 5:8-10) Nijoro ihany àry izy ireo rehefa niankohoka ny rehetra. Fantany fa hovonoina amin’ny fomba mahatsiravina izy ireo raha tsy nankatò ny didin’ny mpanjaka. Tsy voavonjy tokoa ny ain’izy ireo raha tsy nisy fahagagana, nefa vonona hamoy ny ainy izy ireo toy izay tsy hankatò an’i Jehovah.—Daniela 2:49–3:29.

16, 17. Inona no nataon’ny apostoly rehefa norarana tsy hitory izy, ary nahoana?

16 Nampanantsoina teo anatrehan’ny mpitondra jiosy tany Jerosalema ny apostolin’i Jesosy Kristy tamin’ny taonjato voalohany. Norarana tsy hitory amin’ny anaran’i Jesosy izy ireo. Inona àry no nataony? I Jesosy no naniraka azy ireo hanao mpianatra ny firenena rehetra, anisan’izany i Jodia. Nilaza tamin’izy ireo koa izy fa ho vavolombelony any Jerosalema sy eran’izao tontolo izao izy ireo. (Matio 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 1:8) Fantatr’ireo apostoly fa ny baikon’i Jesosy no sitrapon’Andriamanitra ho azy ireo. (Jaona 5:30; 8:28) Nilaza àry izy ireo hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.”—Asan’ny Apostoly 4:19, 20; 5:29.

17 Tsy nikomy ny apostoly. (Ohabolana 24:21) Rehefa nandrara azy tsy hanao ny sitrapon’Andriamanitra anefa ny mpitondra, dia tsy nisy azony natao afa-tsy ny nilaza hoe: ‘Andriamanitra no tsy maintsy ekenay fa tsy olona.’ Nilaza i Jesosy fa tokony ‘haloantsika ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.’ (Marka 12:17) Manome ho an’ny olona izay tokony ho an’Andriamanitra isika, raha mandika ny didin’Andriamanitra rehefa misy olona mandidy antsika hanao izany. Tsy manao izany isika, fa mandoa izay rehetra tokony haloa ho an’i Kaisara, nefa manaiky fa i Jehovah no fahefana fara tampony. Izy no Tompon’izao Rehetra Izao sy Mpamorona, ary avy aminy ny fahefana rehetra.—Apokalypsy 4:11.

Tsy hivadika mihitsy isika

18, 19. Inona no ohatra tsara navelan’ny maro tamin’ireo rahalahintsika, ary ahoana no hanahafantsika azy ireo?

18 Eken’ny ankamaroan’ny fitondram-panjakana ankehitriny fa tsy momba ny atsy na ny aroa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary velom-pankasitrahana isika noho izany. Miatrika fanoherana mafy anefa ny Vavolombelona any amin’ny tany sasany. Nandritra ny taonjato faha-20 ka mandraka ankehitriny dia nisy rahalahy sy anabavintsika ‘niady mafy ny ady tsaran’ny finoana.’—1 Timoty 6:12.

19 Ahoana no tsy hivadihantsika toa azy ireo? Voalohany, aoka isika hitadidy fa tsy maintsy manampo fanoherana isika. Tsy tokony hanahy na ho gaga isika raha tojo an’izany. Nampitandrina an’i Timoty i Paoly hoe: “Izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.” (2 Timoty 3:12; 1 Petera 4:12) Nahoana tokoa moa isika no tsy ho tojo fanoherana, nefa i Satana no manan-kery eto amin’ity tontolo ity? (Apokalypsy 12:17) Raha mbola mahatoky koa isika, dia hisy foana ny olona ho ‘gaga sy hiteny ratsy antsika.’—1 Petera 4:4.

20. Inona avy no ampahatsiahivina antsika mba hampaherezana antsika?

20 Faharoa, azontsika antoka fa hanampy antsika i Jehovah sy ny anjeliny. Araka ny tenin’i Elisa fahiny hoe: “Ny momba antsika dia be noho ny momba azy.” (2 Mpanjaka 6:16; Salamo 34:7) Mety hisy antony tsara matoa mbola havelan’i Jehovah hisy hanohitra isika mandritra ny fotoana fohy. Hanome antsika ny hery hiaretana foana anefa izy. (Isaia 41:9, 10) Nisy novonoina ho faty, nefa tsy mahakivy antsika izany. Hoy i Jesosy: “Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa tsy mahay mamono ny fanahy; fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin’ny helo.” (Matio 10:16-23, 28) “Mpivahiny” fotsiny isika eto amin’ity tontolo ity. Mampiasa ny fotoanantsika isika eto mba ‘hihazonana ny tena fiainana’, dia ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. (1 Petera 2:11; 1 Timoty 6:19) Tsy misy olona afaka misakana antsika tsy hahazo izany valisoa izany, raha mbola mahatoky hatrany eo anatrehan’Andriamanitra isika.

21. Inona foana no tokony hotadidintsika?

21 Aoka àry isika hitadidy foana ny fifandraisana sarobidy ananantsika amin’i Jehovah Andriamanitra. Enga anie isika hankasitraka foana ny soa raisintsika noho isika mpanara-dia an’i Kristy sy olom-pehezin’ilay Fanjakana. Aoka isika ho tia ny rahalahintsika amin’ny fo manontolo, ary enga anie hahafinaritra antsika foana ny fitiavan’izy ireo antsika. Ambonin’izany anefa, dia aoka isika hanaraka ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Miandrasa an’i Jehovah hianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an’i Jehovah.” (Salamo 27:14; Isaia 54:17) Amin’izay isika dia haharitra hatrany tahaka ireo Kristianina maro be talohantsika, ary ho azo antoka ny fanantenantsika. Ho Kristianina mahatoky tsy momba ny atsy na ny aroa isika, sady tsy ho naman’izao tontolo izao.

Hainao Hazavaina Ve?

• Nahoana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah no mahatonga antsika ho tafasaraka amin’ity tontolo ity?

• Ahoana no ampisehoantsika fa tsy momba ny atsy na ny aroa isika, satria olom-pehezin’ny Fanjakan’Andriamanitra?

• Amin’ny lafiny inona avy ny fitiavantsika ny rahalahintsika no mahatonga antsika tsy homba ny atsy na ny aroa ary ho tafasaraka amin’ity tontolo ity?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Manao ahoana ny fifandraisantsika amin’ity tontolo ity noho isika manaiky ny Fanjakan’Andriamanitra?

[Sary, pejy 16]

Hutu sy Tutsi faly miara-miasa

[Sary, pejy 17]

Mpirahalahy kristianina jiosy sy arabo

[Sary, pejy 17]

Kristianina serba, bosniaka, ary kroaty miara-mifaly

[Sary, pejy 18]

Inona no tokony hataontsika rehefa mandidy antsika handika ny lalàn’Andriamanitra ny mpitondra?