Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Niala Tamin’ny Fanompoanay Izahay

Tsy Niala Tamin’ny Fanompoanay Izahay

Tantaram-piainana

Tsy Niala Tamin’ny Fanompoanay Izahay

NOTANTARAIN’I HERMANN BRUDER

Tsotra ny safidy napetraka tamiko: na ho Miaramila Vahiny ao Amin’ny Tafika Frantsay mandritra ny dimy taona, na higadra ao amin’ny fonjan’i Maroc. Aoka hohazavaiko ny nahatonga ahy teo amin’io zava-tsarotra io.

TERAKA tany Oppenau, any Alemaina, tamin’ny 1911 aho, telo taona talohan’ny nipoahan’ny Ady Lehibe I. I Joseph sy Frida Bruder no ray aman-dreniko; 17 ny zanak’izy ireo, ka izaho no faha-13.

Ny zavatra tsaroako fony aho mbola kely, dia ny miaramila nanao matso teo amin’ny lalam-ben’ny tanànanay. Nanintona ahy ny hiran’ireo mpanao matso, ka nanaraka ireo mpitendry zavamaneno hatreny amin’ny gara aho. Nahita an’i Dada sy lehilahy hafa nanao akanjo miaramila, niditra tao amin’ny lamasinina aho tamin’izay. Nigogogogo nitomany ny vehivavy sasany, rehefa niainga ny lamasinina. Taoriana kelin’izay, dia nanao toriteny lava be tao am-piangonana ny momperanay, ary namaky anarana lehilahy efatra maty niaro ny tanindrazana. “Any an-danitra izy ireo izao”, hoy izy. Torana ilay vehivavy nijoro teo akaikiko.

Voan’ny tefoedra i Dada, tamin’izy niady tany Rosia. Efa narary mafy izy rehefa nampodiana, ka nampidirina hopitaly teo no ho eo ihany. Hoy ilay mompera: “Mankanesa any amin’ny fiangonana kely eo akaikin’ny fasana, ary manaova Rainay any An-danitra in-50 sy Arahaba ry Maria in-50, dia ho sitrana ny dadanao.” Narahiko ny teniny, kanefa maty i Dada ny ampitson’iny. Tena nampijaly ny vokatry ny ady, na dia ho an’ny zazalahy kely aza.

Ny nahitako ny fahamarinana

Sarotra ny nahita asa tany Alemaina, teo anelanelan’ireo ady lehibe roa. Rehefa vita anefa ny fianarako tamin’ny 1928, dia nahita asa ihany aho, ka nanao zaridaina tany Bâle, any Soisa.

Katolika nafana fo toa an’i Dada aho. Ny tanjoko dia ny ho mompera tany Inde. Rehefa nandre izany i Richard zandriko lahy, dia nankany Soisa mihitsy izy mba hampiova hevitra ahy. Efa Vavolombelon’i Jehovah izy tamin’izany, ary nampitandrina ahy izy hoe mampidi-doza ny mitoky amin’ny olombelona, indrindra fa amin’ny mpitondra fivavahana. Nampirisihiny hamaky Baiboly aho, ka tsy hitoky afa-tsy amin’izy io ihany. Nisalasala ihany aho, nefa noraisiko ny Testamenta Vaovao ka nanomboka namaky aho. Nihanazava tamiko tsikelikely fa maro tamin’ireo zavatra ninoako no tsy nifanaraka tamin’ny Baiboly.

Tao an-tranon’i Richard tany Alemaina aho indray alahady, tamin’ny 1933, ary nampifankahalalainy tamina mpivady Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa hitan’izy ireo fa namaky Baiboly aho, dia nomeny bokikely hoe Ilay Fotoan-tsarotra. * Efa hisasaka ny alina vao najanoko ny famakiana ilay boky. Niaiky aho fa nahita ny fahamarinana!

Nanome ahy boky roa tamin’ny Fianarana ny Soratra Masina* sy gazety ary boky hafa ny Vavolombelon’i Jehovah tany Bâle. Nampiaiky ahy izay novakiko, ka nasaiko nesorin’ilay mompera teo aminay tao amin’ny bokim-piangonana ny anarako. Tezitra mafy izy, ka nampitandrina ahy hoe mitady ho very finoana, hono, aho. Raha ny marina dia tsy very finoana mihitsy aho. Izao kosa aho vao nanomboka nanana ny tena finoana.

Niomana hitory tany amin’ny sisin-tanin’i Frantsa ireo rahalahy tany Bâle tamin’io faran’ny herinandro io. Nohazavain’ny rahalahy iray tamiko tamin-katsaram-panahy hoe mbola tsy nasaina hitory aho satria vao haingana no niaraka tamin’ny fiangonana. Tsy kivy anefa aho, fa nilaza hoe tena tapa-kevitra ny hitory. Niresaka tamin’ny anti-panahy iray hafa izy, ary nanome ahy faritany iray tany Soisa. Ny alahady vao maraina be, dia nandeha bisikileta aho nankany amin’ny tanàna kely iray tany akaikin’i Bâle, sady nitondra boky 4 sy gazety 28 ary bokikely 20 tao anaty kitapoko. Tany am-piangonana ny ankamaroan’ireo mponina, rehefa tonga aho. Tamin’ny 11 ora anefa dia efa tsy nisy na inona na inona intsony ny kitapoko.

Nilaza tamin’ireo rahalahy aho hoe naniry hatao batisa, ka nifampidinika tamiko izy ireo, ary nametraka fanontaniana lalina momba ny fahamarinana. Tena nampiaiky ahy ny zotom-pon’izy ireo sy ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah sy ny fandaminany. Ririnina tamin’izay, ka tao anaty koveta be fandroana tao an-tranon’ny anti-panahy iray aho no natao batisa. Tsy hitako izay hilazana ny hafaliako tamin’izay fotoana izay, ary toa nisy hery lehibe tao anatiko tao. Tamin’ny 1934 izany no nitranga.

Niasa tao amin’ny toeram-pambolen’ny fikambanana aho

Tamin’ny 1936, dia reko fa nividy tany sy trano tany Soisa ny Vavolombelon’i Jehovah. Nolazaiko fa afaka nikarakara zaridaina tany aho. Tena faly aho, rehefa nasaina hiasa tany amin’ny Toeram-pambolen’ny Fikambanana tany Steffisburg, 30 kilaometatra avy any Berne. Nanampy ny hafa tamin’ny asany koa aho, isaky ny afaka. Nianarako tao amin’ny Betela fa tena zava-dehibe ny fiaraha-miasa.

Anisan’ny zava-nisongadina tamin’ireo taona niasako tao amin’ny Betela ny fitsidihan’ny Rahalahy Rutherford an’ilay toeram-pambolena tamin’ny 1936. Faly erỳ izy nahita ny haben’ireo voatabiha sy ny fahavokaran’ireo zavatra nambolena. Tena rahalahy nahafinaritra izy!

Telo taona mahery kely monja no niasako tao amin’ilay toeram-pambolena, dia nisy taratasy avy tany amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Etazonia novakina nandritra ny sakafo maraina. Nohamafisin’ilay taratasy fa tena maika ny asa fitoriana, ka nantsoina izay rehetra naniry ho mpisava lalana tany an-tany hafa. Nanolo-tena avy hatrany aho. Tonga ny fanendrena ahy tamin’ny Mey 1939: hankany Brezila!

Tao amin’ny fiangonan’i Thoune, teo akaikin’ny Toeram-pambolen’ny Fikambanana aho no nivory, tamin’izany fotoana izany. Isaky ny alahady, dia maromaro izahay no nitory tany an-tendrombohitr’i Alpes, nandeha bisikileta adiny roa avy tao Thoune. Anisan’izany koa i Margaritha Steiner. Tonga tampoka tato an-tsaiko ilay hevitra hoe: Angaha moa i Jesosy tsy naniraka ny mpianany tsiroaroa? Nanipy teny tamin’i Margaritha aho hoe notendrena hankany Brezila, ary nilaza izy fa naniry hanompo tany amin’ny faritany nila fanampiana koa. Nivady izahay tamin’ny 31 Jolay 1939.

Fijanonana tamin’ny toerana tsy nampoizina

Niondrana an-tsambo tao Le Havre, any Frantsa, izahay tamin’ny faran’ny volana Aogositra, mba ho any Santos, any Brezila. Efa feno ireo efitra ho an’olon-droa, ka tsy maintsy nisaraka efitra izahay. Renay teny am-pandehanana fa nanapoaka ady tamin’i Alemaina i Grande-Bretagne sy Frantsa. Avy hatrany, dia nisy mpandeha alemà 30 niredona ny hiram-pirenena alemà. Sorena tamin’izay ilay kapiteny, ka naviliny lalana ny sambo ary naantsony tao Safi, any Maroc. Nomena dimy minitra ireo mpandeha nanana pasipaoro alemà mba hialana tao amin’ilay sambo, ka anisan’izany izahay.

Voatazona tao amin’ny paositry ny polisy nandritra ny iray andro izahay, ary avy eo dia nafatratra tao amin’ny aotobisy iray efa tonta be, ary nentina tany amin’ny fonjan’i Marrakech, 140 kilaometatra niala teo. Sarotra ny fiainana taorian’izay. Feno hipoka sy maizimaizina ny efitra figadrana nisy anay. Lavaka teo amin’ny tany no kabine nampiasainay rehetra, ary tsentsina foana ilay izy. Samy nomena gony maloto avy izahay mba hatoriana, ary tamin’ny alina dia nokaikerin’ny voalavo ny kibon-dranjonay. Indroa isan’andro no nozaraina ny sakafo, izay natao tamin’ny boaty vy harafesenina.

Nolazain’ny miaramila iray fa hafahana aho, raha nanaiky ho Miaramila Vahiny tao amin’ny Tafika Frantsay nandritra ny dimy taona. Nanda aho, ka nampijalina mafy nandritra ny andro sy ny alina manontolo. Nivavaka foana aho.

Navelan’ireo manam-pahefana tao amin’ny fonja hahita an’i Margaritha indray aho, rehefa afaka valo andro. Nahia kely izy, sady nitomany tsy nety nampanginina. Nampahery azy araka izay azoko natao aho. Nofotopotorana indray izahay, ary nalefa tamin’ny lamasinina hankany Casablanca, ka nafahana i Margaritha tany. Izaho kosa nalefa tany amin’ny tobin’ny voafonja tany Port Lyautey (Kenitra ankehitriny), 180 kilaometatra niala teo. Nanoro hevitra an’i Margaritha ny ambasady soisa mba hiverina tany Soisa, fa tsy nety nandao ahy mihitsy izy. Nandritra ireo roa volana nijanonako tany Port Lyautey, dia tonga nitsidika ahy sy nanatitra sakafo ho ahy isan’andro avy tany Casablanca izy.

Herintaona talohan’izay, dia namoaka boky hoe Kroazada ho Fanoherana ny Fivavahana Kristianina (alemà) ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanaporofoana tamin’ny besinimaro fa tsy niara-niasa tamin’ny Nazia ny Vavolombelona. Fony tany am-pigadrana aho, dia nanoratra tamin’ny manam-pahefana frantsay ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Berne, ary nandefa iray tamin’io boky io, mba hanaporofoana fa tsy Nazia izahay. Mendri-piderana koa ny ezaka nataon’i Margaritha, satria nanatona manam-pahefana izy, mba handresena lahatra azy ireo fa tsy meloka izahay. Afaka niala tany Maroc ihany izahay tamin’ny faran’ny taona 1939.

Efa teny ambony sambo hankany Brezila izahay vao nahare hoe nanafika ireo sambo teny amin’ny Atlantika ny sambo mpisitrika alemà, ary ny anay no tena nokendren’izy ireo. Sambo mpitondra entam-barotra ilay nitondra anay, nefa nisy tafondro teo amin’ny lohany sy vodiny. Nataon’ilay kapiteny niolakolaka foana ny lalan’ilay sambo nandritra ny andro, sady nitifitra tamin’ny tafondro tsy an-kijanona izy. Novonoina ny jiro rehetra tamin’ny alina, mba tsy ho hitan’ny Alemà. Maivamaivana erỳ izahay, rehefa tonga tao amin’ny seranan’i Santos, any Brezila, tamin’ny 6 Febroary 1940, dimy volana taorian’ny nialanay tany Eoropa!

Nigadra indray

Ny faritany nanendrena anay voalohany dia i Montenegro, tanàna iray any Rio Grande do Sul, any amin’ny faritra atsimon’i Brezila. Tsy maintsy ho efa henon’ireo mpitondra fivavahana ny hahatongavanay. Vao nitory adiny roa fotsiny izahay, dia nosamborin’ny polisy. Nalain’izy ireo ny kapila nisy lahateny ara-baiboly nalefanay tamin’ny grafofaonina, mbamin’ireo bokinay rehetra, ary na dia ireo kitapo hoditra rameva novidinay tany Maroc aza. Efa niandry anay tao amin’ny paositry ny polisy ny mompera iray sy ny pasitera iray niteny alemà. Nihaino izy ireo, rehefa nalefan’ny sefon’ny polisy tamin’ny grafofaoninay, izay nalainy koa, ny lahateny iray nataon’ny Rahalahy Rutherford. Tsy niolakolaka mihitsy koa ny tenin’ny Rahalahy Rutherford! Rehefa niresaka momba an’i Vatikana ilay lahateny, dia nivoaramena ilay mompera ka lasa nirintona.

Nalefan’ny polisy tany Pôrto Alegre, renivohitr’ilay fanjakana, izahay, noho ny fangatahan’ny evekan’i Santa Maria. Tsy ela dia nafahana i Margaritha, ary nitady fanampiana tany amin’ny ambasady soisa. Nanoro hevitra azy mba hody tany Soisa ny ambasady, kanefa tsy nanaiky indray izy. Tena namana nahatoky foana i Margaritha. Rehefa afaka 30 andro, dia nofotopotorina aho, ary nafahana. Nasain’ny polisy nisafidy izahay: na hiala teo amin’ilay tany tao anatin’ny folo andro, na hijanona ka “hizaka ny vokany.” Nasain’ireo rahalahy tany amin’ny foibe nankany Rio de Janeiro izahay.

“Mba vakio hoe ity karatra ity, aza fady”

Na dia tsy nahafinaritra aza iny fandraisana anay teto Brezila iny, dia tena faly be izahay teto! Mbola velona izahay, sady feno boky sy gazety indray ny kitaponay, ary i Rio de Janeiro manontolo no faritaninay. Ahoana anefa no hahafahanay hitory, nefa kely fotsiny ny teny portogey hainay? Nampiasa karatra fitoriana izahay. Ny hoe “Por favor, leia este cartão” (“Mba vakio hoe ity karatra ity, aza fady”) no teny portogey nianaranay voalohany, mba hampiasaina teny am-pitoriana. Ary tena nahomby ilay karatra! Nahazara boky 1 000 mahery izahay tao anatin’ny iray volana monja. Maro tamin’ireo nandray ny boky sy gazety nozarainay no nanaiky ny fahamarinana tatỳ aoriana. Tsorina aloha fa tsy ho nahavita fanambarana toy ny vitan’ireny boky sy gazety ireny mihitsy izahay. Tena vao mainka tsapako tamin’izay fa zava-dehibe ny manome ireo boky sy gazetintsika an’ireo olona liana.

I Rio de Janeiro no renivohitr’i Brezila tamin’izany fotoana izany, ary ny tany amin’ireo biraom-panjakana no tena nandray ny hafatra nentinay. Afaka nitory tamin’ny minisitry ny raharaham-bola sy ny minisitry ny tafika aho. Hitako niharihary fa niasa ny fanahin’i Jehovah tamin’ireny fotoana ireny.

Nitory teo amin’ny kianja iray teo afovoan’i Rio izahay indray mandeha, ary niditra tao amin’ny Lapan’ny Fitsarana aho. Tsy fantatro izay nataoko, fa tafiditra tao amin’ny efitra iray feno lehilahy niakanjo mainty toy ny handeha handevina, aho. Nanatona lehilahy iray nihaja be aho, ary natolotro azy ny karatra fitoriako. Hay tsy fandevenana ilay izy, fa raharaham-pitsarana, ary mpitsara ilay niresahako. Nihomehy izy, sady nilaza tamin’ny mpiambina mba tsy ho taitra. Nanaiky handray ilay boky hoe Ankizy * izy, ary nanao fanomezana. Rehefa nivoaka aho, dia nasehon’ny mpiambina iray ilay soratra nibaribary teo am-baravarana hoe: Proibida a entrada de pessoas estranhas (Tsy azo idirana).

Nahitana vokatra koa teny amin’ny seranan-tsambo. Indray mandeha, dia nandray boky sy gazety tamiko ny tantsambo iray talohan’ny niondranany an-tsambo indray. Hitako tany amin’ny fivoriambe iray izy tatỳ aoriana. Nanaiky ny fahamarinana ny fianakaviany manontolo, ary tena nandroso izy. Tena nahafaly anay izany.

Tsy hoe nisosa tsara daholo anefa ny zavatra rehetra. Tapitra ny enim-bolana nahazoanay lalana hijanona teo amin’ilay tany, ary nety ho noroahina izahay. Nanoratra tany amin’ny foibe momba izany izahay, ary naharay taratasy nampahery avy tamin’ny Rahalahy Rutherford, izay nampirisika anay mba hiaritra, ary nanoro anay izay tokony hatao. Naniry hijanona teto Brezila izahay, ary nanampy anay ny mpisolovava iray, ka nahazo lalana hijanona maharitra teto izahay tamin’ny 1945.

Andraikitra maharitra ela

Talohan’izay anefa, dia efa teraka i Jonathan, zanakay lahy tamin’ny 1941, i Ruth tamin’ny 1943, ary i Esther tamin’ny 1945. Tsy maintsy niasa aho mba hamelomana ny fianakavianay. I Margaritha kosa nanompo manontolo andro foana mandra-pahaterak’ilay zanakay fahatelo.

Hatramin’ny voalohany, dia niara-niasa izahay mianakavy, nitory teny amin’ny zaridainam-bahoaka, teny amin’ny gara, teny an-dalana, ary teny amin’ireo toerana fandraharahana. Niara-nizara ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! izahay rehefa asabotsy hariva, ary tena nahafinaritra ireny fotoana ireny.

Nanana ny raharahany avy ny ankizy tsirairay tao an-trano. I Jonathan no mpanadio ny fatana sy ny lakozia. Ny ankizivavy nanadio ny vata fampangatsiahana, sy namafa ny tokotany, ary nanadio ny kiraronay. Nampianatra azy ireo hahay handamin-javatra sy hahalala izay tokony hatao izany. Tena sambatra izahay sy Margaritha ankehitriny, satria mazoto miasa ireo zanakay, ary mikarakara tsara ny tranony sy ny fananany.

Tianay hipetraka tsara koa ny zanakay tany am-pivoriana. Nisotro rano iray vera sy nankany an-kabine izy ireo talohan’ny fivoriana. Nandritra ny fivoriana, dia nipetraka teo ankaviako i Jonathan, i Ruth teo ankavanako, i Margaritha no nanaraka, ary i Esther teo ankavanany. Nanampy azy ireo hifantoka tsara sy handray sakafo ara-panahy dieny mbola kely izany.

Notahin’i Jehovah ny ezaka nataonay. Manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana ny zanakay rehetra ankehitriny, sady faly manao ny asa fitoriana. Anti-panahy ao amin’ny fiangonan’i Novo Méier, eto Rio de Janeiro, izao i Jonathan.

Efa nanambady daholo ny zanakay tamin’ny 1970, ary tsy niara-nipetraka taminay intsony, ka nanapa-kevitra izahay sy Margaritha ny hanompo tany amin’izay nilana mpitory maro kokoa. Nijanona tao amin’ny tanànan’i Poços de Caldas, any Minas Gerais, izahay tamin’ny voalohany. Tsy nisy afa-tsy mpitory 19 tao tamin’izay. Nalahelo aho, rehefa nahita fa lakaly tsy nisy varavarankely sady efa simba be no nivorian’izy ireo. Nitady toerana mendrika hatao Efitrano Fanjakana avy hatrany izahay, ary tsy ela dia nahita trano iray tsara tarehy teo amin’ny toerana nety tsara. Ary tena nisy vokany tsara izany fiovana izany! Nitombo ho 155 ny isan’ny mpitory tao anatin’ny efa-taona sy tapany. Nifindra tany Araruama, eto Rio de Janeiro, izahay tamin’ny 1989, ary nanompo tany nandritra ny sivy taona. Nahita ny niforonan’ny fiangonana vaovao roa izahay, nandritra izany fotoana izany.

Notahina izahay, satria tsy niala tamin’ny fanompoanay

Nanjary tsy salama izahay, ary naniry ho akaikin’ireo zanakay, ka nifindra tatỳ São Gonçalo, atỳ Rio de Janeiro, tamin’ny 1998. Mbola anti-panahy ao amin’ny fiangonana eto aho. Miezaka hitory tsy tapaka araka izay azonay atao izahay. Tian’i Margaritha ny mitory amin’ny olona eo amin’ny fivarotana lehibe iray eto akaikinay, ary niahy anay ny fiangonana ka nanokana faritany ho anay tsy lavitra ny tranonay. Mora kokoa aminay àry ny mitory, na dia tsy salama aza izahay.

Efa 60 taona mahery izao no nanoloranay sy Margaritha tena ho an’i Jehovah. Tsapanay teo amin’ny fiainanay manokana fa “na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Romana 8:38, 39) Tena nahafinaritra tokoa ny nahita ny nanangonana ny “ondry hafa”, izay manantena ny hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa, eo anivon’ireo zavaboary tsara tarehy. (Jaona 10:16) Tsy nisy afa-tsy fiangonana iray sy mpitory 28 teto Rio de Janeiro, fony izahay vao tonga teto tamin’ny 1940. Efa 250 izao ny fiangonana eto amin’izao fotoana izao, ary misy mpitory 20 000 mahery.

Azonay natao ny niverina tany amin’ny fianakavianay tany Eoropa, kanefa teto Brezila no nanendren’i Jehovah anay. Tena faly izahay, satria tsy niala tamin’izany fanompoanay izany!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa efa tsy atao pirinty intsony.

^ feh. 33 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa efa tsy atao pirinty intsony.

[Sary, pejy 21]

Tany amin’ny Toeram-pambolen’ny Fikambanana, tany Soisa, 1930 (farany ankavia aho)

[Sary, pejy 23]

Taoriana kelin’ny mariazinay, tamin’ny 1939

[Sary, pejy 23]

Tany Casablanca, tany amin’ireo taona 1940

[Sary, pejy 23]

Niara-nitory ny fianakavianay

[Sary, pejy 24]

Mitory tsy tapaka izahay amin’izao fotoana izao