Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hampisy Vidiny ny Androntsika eo Anatrehan’i Jehovah?

Ahoana no Hampisy Vidiny ny Androntsika eo Anatrehan’i Jehovah?

Ahoana no Hampisy Vidiny ny Androntsika eo Anatrehan’i Jehovah?

“Very omaly, teo anelanelan’ny fiposahan’ny masoandro sy ny filentehany, ny ora roa sarobidy toa volamena, samy nirakitra 60 minitra sarobidy toa diamondra. Tsy misy valisoa homena an’izay mahita azy ireo, satria nanjavona mandrakizay izy ireo!”​—Lydia Sigourney, mpanoratra amerikanina (1791-1865).

TOA vitsy sy mihelina fotsiny ny androm-piainantsika. Nisaintsaina ny hafohin’ny fiainana i Davida mpanao salamo, ka voatosika hivavaka hoe: “Jehovah ô, ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho. Indro, efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko; ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao.” Naniry hanana fomba fiaina mampifaly an’Andriamanitra i Davida, na tamin’ny teny izany na tamin’ny atao. Niaiky izy fa niankina tamin’Andriamanitra, ka nilaza hoe: “Hianao no antenaiko.” (Salamo 39:4, 5, 7) Nihaino azy i Jehovah ary tena nandinika ny asany sy namaly soa azy araka izany.

Mety ho sahirana foana isika mandritra ny andro, ary mety ho revo tanteraka amin’ity fiainana mihazakaza-dava sy feno zavatra atao ity. Mety hanjary hanahy mafy àry isika, indrindra satria maro be ny zavatra tokony hatao sy hianarana, nefa ny fotoana kely dia kely. Mitovy amin’ny an’i Davida ve ny zavatra ahintsika, dia ny hanana fomba fiaina ankasitrahan’Andriamanitra? Azo antoka fa mijery sy mandinika tsara ny tsirairay amintsika i Jehovah. Tokony ho 3 600 taona lasa izay, dia niaiky i Joba, lehilahy natahotra an’Andriamanitra, fa nahita izay nataony sy nandinika ny asany rehetra i Jehovah. Nanontany tena izy hoe: “Ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?” (Joba 31:4-6, 14) Afaka mampisy vidiny ny androntsika eo anatrehan’Andriamanitra isika, raha mametraka ny zavatra ara-panahy eo amin’ny toerana voalohany, mankatò ny didiny, ary mampiasa ny fotoanantsika amim-pahendrena. Andao hodinihintsika akaiky ireo lafin-javatra ireo.

Tokony hataontsika loha laharana ny zavatra ara-panahy

Mampirisika antsika mba hanao ireo zavatra ara-panahy eo amin’ny toerana voalohany ny Soratra Masina, rehefa nilaza hoe: ‘Fantaro izay zavatra tsara indrindra’, na zava-dehibe indrindra. Inona moa izany? Tafiditra amin’izany ny “fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra.” (Filipiana 1:9, 10) Mila mampiasa amim-pahendrena ny fotoanantsika isika mba hahalalana ny fikasan’i Jehovah. Azo antoka anefa fa hahafinaritra sy hahafa-po ny fiainantsika, raha ny zavatra ara-panahy no ataontsika loha laharana.

Mampahatsiahy antsika ny apostoly Paoly mba ‘hamantatra izay ankasitrahan’ny Tompo.’ Ny hoe mamantatra dia midika fa tsy maintsy mandini-tena isika hahafantarana ny faniriantsika sy izay antony manosika antsika hanao zavatra. Hoy koa ilay apostoly: “Aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo.” (Efesiana 5:10, 17) Inona àry no ankasitrahan’i Jehovah? Mamaly ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly hoe: “Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara. Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa.” (Ohabolana 4:7, 8) Faly i Jehovah rehefa mandray sady mampihatra ny fahendrena araka an’Andriamanitra ny olona iray. (Ohabolana 23:15) Ny mahakanto an’izany fahendrena izany dia noho izy io toy ny fananana iray tsy azo simbana. Hiambina sy hiaro anao ‘amin’ny làlan-dratsy sy amin’ireo izay miteny fitaka’ izany.—Ohabolana 2:10-15.

Tena fahendrena mihitsy àry ny manohitra izay mety ho fironana tsy hiraika amin’ny zavatra ara-panahy! Mila miezaka isika mba hahay hankasitraka izay lazain’i Jehovah sady hatahotra sy hanaja azy. (Ohabolana 23:17, 18) Afaka manana izany toe-tsaina izany isika na tanora na efa lehibe. Kanefa, ny fahatanorana no fotoana mety indrindra mba hiezahana hanana io toetra tsara io, sy hanaovana izay hahalatsa-paka ny toro lalan’ny Baiboly ao amintsika. Hoy i Solomona Mpanjaka hendry: “Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao.”—Mpitoriteny 12:1.

Ny vavaka mitokana no fomba tsara indrindra hanampy antsika tsirairay hankasitraka an’i Jehovah. Niaiky i Davida fa tena ilaina ny miantehitra amin’i Jehovah ka hoy izy: “Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô; ary mihainoa ny fitarainako; aza mangina amin’ny ranomasoko.” (Salamo 39:12) Manohina ny fontsika ka mahalatsa-dranomaso antsika mihitsy ve indraindray ny fifandraisantsika akaiky amin’Andriamanitra? Tena hanatona akaiky kokoa antsika i Jehovah, rehefa mamboraka aminy izay ao am-pontsika isika sady misaintsaina ny Teniny.—Jakoba 4:8.

Mianara mankatò

Lehilahy nanam-pinoana koa i Mosesy sady nanaiky fa miankina amin’Andriamanitra ny tenany. Toa an’i Davida dia hitany fa feno zava-manahirana ny fiainana. Niangavy an’Andriamanitra àry izy hampianatra azy ‘hanisa ny androny mba hahazoany fo hendry.’ (Salamo 90:10-12) Ny fianarana sy fampiharana ny lalàna sy toro lalan’i Jehovah ihany no fomba hahazoana fo hendry. Nahafantatra izany i Mosesy ka niezaka nandentika izany fahamarinana lehibe izany tao am-pon’ny firenen’ny Isiraely. Naverimberiny tamin’izy ireo ny lalàn’Andriamanitra sy ny didiny, talohan’ny nahazoan’izy ireo ny Tany Nampanantenaina. Tatỳ aoriana, dia tsy maintsy nanao kopian’ny Lalàna ho an’ny tenany ny mpanjaka rehetra izay nofidin’i Jehovah hitarika ny Isiraely. Tsy maintsy namaky azy io tamin’ny andro rehetra niainany koa izy. Nahoana? Mba hianarany hatahotra an’Andriamanitra. Izany koa dia natao hitsapana raha hankatò izy. Hiaro ny fony tsy hiavonavona amin’ny rahalahiny izany ary hahatonga azy ho maro andro eo amin’ny fanjakany. (Deoteronomia 17:18-20) Naverina indray io fampanantenana io rehefa niteny tamin’i Solomona, zanak’i Davida, i Jehovah hoe: “Raha handeha amin’ny làlako hianao ka hitandrina ny lalàko sy ny didiko tahaka ny nandehanan’i Davida rainao, dia hataoko ho ela velona hianao.”—1 Mpanjaka 3:10-14.

Raharaha lehibe eo anatrehan’Andriamanitra ny fankatoavana. Raha manao tsirambina ny lafiny sasany amin’ny zavatra takin’i Jehovah sy ny didiny isika, toy ny hoe tsy zava-dehibe izy ireny, dia azo antoka fa hahamarika izany izy. (Ohabolana 15:3) Tokony hanosika antsika hanaja fatratra ny toro lalan’i Jehovah rehetra ny fahafantarantsika izany, na dia mety ho sarotra aza izany indraindray. Manao izay rehetra azony atao i Satana mba ‘hanakanana’ antsika, rehefa miezaka mitandrina ny lalàn’Andriamanitra sy ny didiny isika.—1 Tesaloniana 2:18.

Tena ilaina ny manaraka ny torohevitry ny Baiboly hoe mila miara-mivory mba hivavaka sy hiaraka amin’ny Kristianina hafa isika. (Deoteronomia 31:12, 13; Hebreo 10:24, 25) Tokony hanontany tena àry isika hoe: ‘Tapa-kevitra tsara ny hanao izay tena mahasoa ve aho, sady vonona hanao izany na inona na inona mitranga?’ Ho simba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah, raha manao tsirambina ny fifaneraserana sy fampianarana any am-pivoriana isika, mba hikatsahana harena. Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy [i Jehovah]: ‘Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory.’” (Hebreo 13:5) Raha mankatò an-tsitrapo ny didin’i Jehovah isika dia mampiseho fa matoky tanteraka hoe hikarakara antsika izy.

Nianatra nankatò i Jesosy ary nandray soa tamin’izany. Afaka manao toy izany koa isika. (Hebreo 5:8) Arakaraka ny hiezahantsika hankatò no hahamora kokoa izany, na dia amin’ny zavatra madinika aza. Marina fa mety hiatrika zava-tsarotra isika na hampijalin’ny olona mihitsy, noho ny tsy fivadihantsika. Mety hitranga indrindra izany any am-piasana, any an-tsekoly na koa eo anivon’ny mpianakavy tsy mitovy finoana. Mampahery antsika anefa ny filazana natao tamin’ny Isiraelita hoe raha ‘tia an’i Jehovah izy ireo ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; dia ho fiainany sy fahamaroan’ny androny izy.’ (Deoteronomia 30:20) Izany koa no ampanantenaina antsika.

Ampiasao amim-pahendrena ny fotoana

Hanampy antsika hampisy vidiny ny androntsika eo anatrehan’i Jehovah koa ny fampiasana ny fotoanantsika amim-pahendrena. Tsy mba azo angonina toy ny vola ny fotoana, fa tsy maintsy ampiasaina, raha tsy izany dia ho very. Manjavona mandrakizay ny ora tsirairay mandalo. Betsaka noho izay azontsika atao foana ny zavatra tokony hataontsika, ka moa ve isika mampiasa ny fotoanantsika mba hanatratrarana ny zava-kendrentsika? Tokony ho zava-kendrena lehibe tontosain’ny Kristianina rehetra ny fitoriana tsy tapaka ilay Fanjakana sy ny fanaovana mpianatra.—Matio 24:14; 28:19, 20.

Rehefa mahafantatra ny hasarobidin’ny fotoana ihany isika vao hampiasa azy io amim-pahendrena. Mety àry ilay fampirisihan’ny Efesiana 5:16 antsika mba ‘hanararaotra ny andro azo anaovan-tsoa’, izany hoe hahafoy izay tsy zava-dehibe loatra. Midika izany fa mila hahena ny fanaovan-javatra mandany andro. Rehefa be loatra ny fijerena televiziona, ny fikarokarohana ao amin’ny Internet, ny famakiana boky tsy mahasoa, ary ny fialam-boly dia mety handreraka antsika. Mety handany ny fotoana ilaina mba hahazoana fo hendry koa ny fanangonana harena be loatra.

Misy olona mampirisika hanao fandaharam-potoana tsara. Hoy izy ireo: “Tsy hahay hampiasa tsara ny fotoananao mihitsy ianao raha tsy manana tanjona voafaritra tsara.” Manome fitsipika dimy azo arahina mba hanatratrarana tanjona koa izy ireo: voafaritra tsara, azo zaraina ho dingana maromaro, azo tratrarina sy araka ny zava-misy, ary voafaritra ny fotoana amitana azy.

Mendrika hatao tanjona ny fanatsarana ny famakiantsika Baiboly. Ny dingana voalohany dia ny famaritana tsara ny tanjontsika: famakiana ny Baiboly manontolo. Tokony hozaraintsika ho dingana maromaro ilay tanjona avy eo. Ho hitantsika tsara ny fandrosoantsika amin’izay. Tokony hampirisika antsika hikely aina sy handroso ny fananana tanjona. Tsy maintsy azo tratrarina sy araka ny zava-misy koa ilay izy. Tsy maintsy hasiana fiheverana ny fahaizantsika manokana sy ny fotoana ananantsika. Mety hila fotoana bebe kokoa ny sasany mba hahatratrarana ilay tanjona. Farany, dia mila faritana ny fotoana hanatratrarana ilay tanjona. Raha ferantsika ny daty hamitana zavatra iray, dia harisika hamita azy io isika.

Manana tanjona voafaritra tsara ny mpianakavin’ny Betela rehetra maneran-tany, na manompo any amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo na any amin’ny iray amin’ireo sampana. Izany tanjona izany dia ny famakiana ny Baiboly manontolo mandritra ny taona voalohany hiasana ao amin’ny Betela. Tsapan’izy ireo fa ny famakiana Baiboly dia manampy azy hitombo ara-panahy sy ho akaiky kokoa an’i Jehovah, izay mampianatra azy hahita soa. (Isaia 48:17) Azontsika atao tanjona koa ve ny hamaky Baiboly tsy tapaka?

Soa azo avy amin’ny fampiasana tsara ny androntsika

Hahazo fitahiana tsy tambo isaina isika raha ny zavatra ara-panahy no ifantohantsika voalohany indrindra. Ho afa-po kokoa isika amin’izay satria nahavita zavatra sy manana zava-kendrena eo amin’ny fiainana. Ho akaiky kokoa an’i Jehovah isika raha manao vavaka tsy tapaka sy amim-pahatsorana. Mampiseho ny fitokisantsika aminy izany. Ny famakiantsika isan’andro ny Baiboly sy ireo boky ary gazety ara-baiboly avoakan’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina’ dia mampiseho fa maniry hihaino an’Andriamanitra isika rehefa miresaka amintsika izy. (Matio 24:45-47) Manampy antsika hahazo fo hendry izany mba hanaovana fanapahan-kevitra sy safidy tsara eo amin’ny fiainana.—Salamo 1:1-3.

Faly erỳ isika mankatò ny didin’i Jehovah, satria tsy enta-mavesatra izany. (1 Jaona 5:3) Manamafy ny fihavanantsika aminy isika rehefa mampisy vidiny ny androntsika tsirairay eo anatrehany. Afaka mitondra fanampiana ara-panahy ho an’ireo Kristianina hafa isika ary mampifaly an’i Jehovah Andriamanitra izany. (Ohabolana 27:11) Tsy misy valisoa lehibe noho ny mahazo ny fankasitrahan’i Jehovah dieny ankehitriny sy ho mandrakizay!

[Sary, pejy 21]

Zava-dehibe amin’ny Kristianina ny zavatra ara-panahy

[Sary, pejy 22]

Mampiasa ny fotoananao amim-pahendrena ve ianao?

[Sary, pejy 23]

Manamafy ny fihavanantsika amin’i Jehovah isika rehefa mampisy vidiny ny androntsika tsirairay eo anatrehany