Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Andraso ny Ondrin’Andriamanitra”

“Andraso ny Ondrin’Andriamanitra”

“Mankanesa atỳ Amiko, ... fa Izaho no Hanome Anareo Fitsaharana”

“Andraso ny Ondrin’Andriamanitra”

“Vonona foana ianareo hihaino anay sy hilaza teny mampahery avy ao amin’ny Baiboly.”—Pamela.

“Misaotra tamin’ny fanampianareo rehetra. Tena nisy vokany lehibe teo aminay rehetra izy ireny.”—Robert.

NANORATRA ireo teny ireo i Pamela sy Robert, ho fankasitrahana ireo anti-panahy teo anivon’ny fiangonana nisy azy avy. Ankasitrahan’ny mpanompon’Andriamanitra hafa maneran-tany koa ny fanampiana sy fiahian’ireo ‘miandry ny ondrin’Andriamanitra.’ (1 Petera 5:2) Tena ankasitrahan’ny vahoakan’i Jehovah tokoa ireo zavatra ataon’ny anti-panahy sy ny fomba anaovany azy ireny.

‘Mahefa be’

Maro ny andraikitry ny anti-panahy kristianina. (Lioka 12:48) Manomana lahateny hatao amin’ny fivorian’ny fiangonana izy ireo ary mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Anisan’ny andraikitry ny anti-panahy ny mitsidika ny mpiray finoana aminy. Manokana fotoana ho an’ireo mila fiheverana manokana, toy ny be taona sy ny hafa, koa izy ireo, nefa tsy manao tsirambina izay hahasoa ny ankohonany eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-batana. (Joba 29:12-15; 1 Timoty 3:4, 5; 5:8) Manampy amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana ny anti-panahy sasany. Ny hafa kosa anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly na Antokona Mpamangy Marary. Maro amin’izy ireo koa no manao asa an-tsitrapo mandritra ireo fivoriambe. Eny, ‘mahefa be amin’ny asan’ny Tompo’ ny anti-panahy. (1 Korintiana 15:58) Tsy mahagaga àry raha sarobidy ho an’ny ondry andrasany ny anti-panahy miasa mafy toy izany!—1 Tesaloniana 5:12, 13.

Mampahery ny zavatra ataon’ireo anti-panahy, rehefa mitsidika tsy tapaka ireo rahalahy any an-tranony, na any an-toeran-kafa, mba hanatanjahana azy ireo ara-panahy. “Tsy ho nanompo an’i Jehovah manontolo andro mihitsy aho ankehitriny, raha tsy teo ny fanampiana feno fitiavana sy fampaherezana avy tamin’ny anti-panahy”, hoy i Thomas, izay notezain’ny reniny irery. Miaiky ny tanora maro notezain’ny rainy na ny reniny irery, fa nanampy azy hifandray tsara tamin’Andriamanitra ny fiahian’ny anti-panahy azy ireo.

Tena mankasitraka ny fitsidihan’ny mpiandry koa ny be taona eo anivon’ny fiangonana. Notsidihin’ny anti-panahy roa ny mpivady misionera, izay samy efa 80 taona mahery, ka nanoratra toy izao: “Tena mankasitraka ny fitsidihana nahafinaritra nataonareo izahay. Novakinay indray ireo andinin-teny nodinihinareo niaraka taminay, rehefa lasa ianareo. Tsy hohadinoinay mihitsy ny fampaherezana nolazainareo.” Nanoratra ho an’ireo anti-panahy toy izao ny mananotena iray 70 taona: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hahazoana fanampiana, ary nandefa anareo mirahalahy tatỳ an-tranoko izy. Fitahiana avy tamin’i Jehovah ny fitsidihanareo!” Notsidihin’ny anti-panahy eo anivon’ny fiangonanareo ve ianao tato ho ato? Azo antoka fa ankasitrahantsika rehetra ny ezaka mafy ataon’izy ireo mba hiandrasana ny andian’ondry!

Mpiandry manahaka an’Andriamanitra sy Kristy

Mpiandry be fitiavana i Jehovah. (Salamo 23:1-4; Jeremia 31:10; 1 Petera 2:25) Mpiandry miahy izay hahasoa antsika ara-panahy koa i Jesosy Kristy. Antsoina hoe “Mpiandry Tsara”, “Mpiandry ondry lehibe”, ary “Lohan’ny mpiandry” mihitsy izy. (Jaona 10:11; Hebreo 13:20; 1 Petera 5:4) Ahoana no nitondran’i Jesosy ireo te ho mpianany? Nanasa azy ireo tamim-pitiavana izy hoe: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.”—Matio 11:28.

Miezaka mafy koa ny anti-panahy amin’izao andro izao, mba hamelombelona sy hiaro ny andian’ondry. Ny lehilahy toy izany dia tena ‘fierena amin’ny rivotra sy fialofana amin’ny ranonoram-baratra; ranovelona ao amin’ny tany karankaina, alo-batolampy lehibe amin’ny tany mahana.’ (Isaia 32:2) Mamelombelona sy hajain’ny ondry ary ankasitrahan’Andriamanitra ny mpiaro tsara fanahy toy izany.—Filipiana 2:29; 1 Timoty 5:17.

Tohanan’ny vadiny ireo anti-panahy

Mankasitraka ireo anti-panahy kristianina ny vahoakan’Andriamanitra. Mankasitraka koa izy ireo rehefa manohana an’ireny rahalahy ireny ny vadiny. Mila manao sorona ireny vehivavy ireny mba hahafahany hanampy. Mijanona ao an-trano izy ireo indraindray, rehefa mikarakara ny raharahan’ny fiangonana ny vadiny, na manao fitsidihan’ny mpiandry. Mampandefitra ny fandaharana efa voalamina tsara koa izy ireo indraindray, satria misy zava-manahirana tampoka eo anivon’ny fiangonana. Hoy i Michelle: “Na izany aza, dia ataoko ao an-tsaina foana hoe manao ny asan’i Jehovah ny vadiko, rehefa hitako fa sahirana manomana fivoriana, na manao fitsidihan’ny mpiandry izy. Manao izay azoko atao koa aho mba hanohanana azy.”

Hoy i Cheryl, vadina anti-panahy koa: “Fantatro fa mila anti-panahy hiresahana ireo anadahy sy rahavavy, ary tiako ho fantatr’izy ireo fa afaka manatona ny vadiko foana izy ireo isaky ny mila azy.” Manao sorona an-tsitrapo ny vehivavy vonon-kanampy toa an’i Michelle sy Cheryl, mba hahafahan’ny vadiny hikarakara ny ondrin’Andriamanitra. Isaorana ny vadin’ny anti-panahy, noho ny fanohanan’izy ireo toy izany.

Na dia be atao aza ny anti-panahy, dia tsy tokony hataony ambanin-javatra ny zavatra ara-panahy, na zavatra hafa ilain’ny vady aman-janany. Ny anti-panahy manambady dia tokony ho ‘tsy manan-tsiny, lehilahy manam-bady tokana, manana zanaka mino izay tsy mba ampangaina ho mpanaram-po amin’ny ratsy na ho maditra.’ (Titosy 1:6) Tsy maintsy karakarainy tsara ny ankohonany, satria izany no takin’ny Baiboly amin’ny mpiandraikitra kristianina.—1 Timoty 3:1-7.

Sarobidy amin’ny anti-panahy be atao ny vady manohana tsara! Mahatsapa izany ireo anti-panahy manambady sy be fiahiana. Hoy tokoa ny Baiboly hoe: “Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa.” (Ohabolana 18:22) Asehon’ny anti-panahy toy izany amin’ny teny sy ny atao fa mankasitraka ny vadiny amin’ny fony manontolo izy. Ankoatra ny vavaka amin-kafanam-po sy ny fianarana mahafinaritra iarahan’izy ireo, dia manokana fotoana hanaovana zavatra hafa koa ireny mpivady kristianina ireny. Miara-mitsangantsangana eny amoron-dranomasina na any amin’ny toerana hafa mahafinaritra, ohatra, izy ireo. Eny, mahita fifaliana ny anti-panahy rehefa miahy ny vadiny.—1 Petera 3:7.

Mamelombelona ara-panahy ny vahoakan’i Jehovah ny anti-panahy, rehefa miandry ny ondrin’Andriamanitra sady tsy tia tena. Tena “fanomezana” tokoa izy ireo, ary fitahiana ho an’ny fiangonana!—Efesiana 4:8, 11-13.