Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy maintsy tanterahina foana ve ireo voady natao tamin’Andriamanitra?

Ao amin’ny Baiboly, ny hoe voady dia fianianana atao amin’Andriamanitra mba hanao asa iray, hanolotra fanatitra, hanao fanompoana na hanaraka fomba fiaina iray, na hifady zavatra tsy ratsy raha ny tena izy. Misy tantaran’olona nanao voady ao amin’ny Baiboly. Nanome toky izy ireo fa hanatanteraka izay nolazainy tao amin’ilay voady, raha nanao zavatra ho azy aloha Andriamanitra. Ohatra, i Hana renin’i Samoela mpaminany, dia nivoady hoe: “Jehovah, Tompon’ny maro ô, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon’ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an’i Jehovah kosa izy amin’ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.” (1 Samoela 1:11) Lazain’ny Baiboly koa fa atao an-tsitrapo ny voady. Tsy maintsy tanterahina foana ve ireo voady natao tamin’Andriamanitra?

Hoy i Solomona, mpanjakan’ny Isiraely fahiny: “Raha mivoady amin’Andriamanitra hianao, aza manao ampitso lava.” Hoy koa izy: “Aleo tsy mivoady toy izay mivoady ka tsy mahefa.” (Mpitoriteny 5:3, 4) Izao no voalazan’ny Lalàna nomena ny Isiraely tamin’ny alalan’i Mosesy: “Raha mivoady amin’i Jehovah Andriamanitrao hianao, dia aza ela fanefa; fa hadinin’i Jehovah Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotana aminao.” (Deoteronomia 23:22) Raharaha lehibe ny fanaovana voady amin’Andriamanitra. Tokony ho antony tsara no anaovana voady, ary ilay manao azy dia tokony hahazo antoka fa ho vitany izay ampanantenainy. Raha tsy izany, dia aleo tsy mivoady. Tsy maintsy tanterahina foana ve anefa ny voady natao?

Ahoana raha nanao voady ny olona iray, nefa fantany tatỳ aoriana fa tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ilay izy? Aoka hatao hoe misy ifandraisany amin’ny fahalotoam-pitondran-tena ilay voady. (Deoteronomia 23:19) Mazava ho azy fa tsy tokony hotanterahina ny voady toy izany. Milaza koa aza ny Lalàn’i Mosesy fa afaka nanafoana ny voady nataon’ny vehivavy iray ny rainy na ny vadiny.—Nomery 30:4-16.

Raiso koa ny ohatry ny olona iray nivoady tamin’Andriamanitra fa tsy hanambady. Hitany anefa fa nanjary sarotra ny nanatanteraka ilay izy. Tsapany fa mety handika ny lalàn’Andriamanitra momba ny fijangajangana izy, raha mifikitra amin’ilay voadiny. Mbola tokony hiezaka hanefa ny voadiny ihany ve izy? Mba hiarovan-tena amin’ny fijangajangana, tsy aleo ve mandika ilay voady ary mangataka ny famindram-pon’Andriamanitra sy mitalaho famelan-keloka aminy? Ilay olona ihany anefa no afaka manapa-kevitra momba izany. Tsy misy olon-kafa afaka mandray fanapahan-kevitra ho azy.

Ahoana raha hitan’ny olona iray fa maika loatra izy nanao ny voadiny? Mbola tokony hiezaka hanefa azy io ihany ve izy? Tsy mora tamin’i Jefta ny nanefa ny voady nataony tamin’Andriamanitra, kanefa notanterahiny an-tsakany sy an-davany ilay izy. (Mpitsara 11:30-40) Raha tsy manefa ny voadiny ny olona iray, dia mety ho “tezitra” aminy Andriamanitra ary tsy hiraharaha ny asa nataony teo aloha. (Mpitoriteny 5:5) Tsy hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra isika, raha tsy miraharaha ny voady ataontsika.

Hoy i Jesosy: “Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ny ratsy.” (Matio 5:37) Tsy vitan’ny hoe tsy maintsy manatanteraka ny voady ataony amin’Andriamanitra ny Kristianina, fa tsy maintsy mitana ny teny rehetra ataony koa, na amin’Andriamanitra izany na amin’olona. Ahoana raha toa ny olona iray ka nanao fanekena, izay toa tsara tamin’ny voalohany, kanefa hitany avy eo fa hadalana ilay izy? Raharaha lehibe tsy tokony hohamaivaniny izany. Mila miresaka tsara amin’ilay olona nanaovany fanekena anefa izy, ka angamba hanapa-kevitra ny hanafoana ilay fifanarahana ilay olona.—Salamo 15:4; Ohabolana 6:2, 3.

Inona àry no tokony ho zava-dehibe amintsika, na mahakasika ny voady ataontsika izany, na ny zavatra hafa rehetra? Ny hihazona fifandraisana tsara amin’i Jehovah Andriamanitra foana.

[Sary, pejy 30, 31]

Tsy nanao ampitso lava i Hana, fa nanefa ny voadiny avy hatrany

[Sary, pejy 30, 31]

Nanefa ny voadiny i Jefta, na dia sarotra aza izany