Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilaina ve ny Toeram-pivavahana?

Ilaina ve ny Toeram-pivavahana?

Ilaina ve ny Toeram-pivavahana?

‘Mpanao fivahiniana masina maro be manao akanjo marevaka avy amin’ny faritra samy hafa amin’ilay tany. Indianina Mena Hoditra mively amponga sy manao ireo dihy lazaina fa fanao talohan’ny niavian’ny mpanjanaka espaniola. Mpivavaka miezaka mafy manavatsava ilay vahoaka, mandohalika mandeha mankany amin’ilay toerana masina. Ireo no nameno ilay tokotany kely sy ny lalana nanodidina ilay bazilika.’

TOY izany no nilazalazan’ny gazety El Economista ilay vahoaka be tamin’ny Desambra 2001. Olona telo tapitrisa teo ho eo tamin’izay no nitsidika ilay bazilika tany Mexico mba hanehoana ny finoany an’i Virjinin’i Guadalupe. Misarika olona maro be koa ny toeram-pivavahana hafa, toy ny Bazilikan’i Md. Piera, any Roma.

Maro no mihevitra fa miavaka ny toeram-pivavahana sady mendrika ny hohajaina fatratra. Hoy i Maria avy any Brezila: “Rehefa tany am-piangonana aho, dia nahatsapa ho akaiky an’Andriamanitra. Toerana masina izy io. Nino aho fa nanadio ny fanahy ny fankanesana tany, ary fahotana izany hoe tsy namonjy Lamesa sy tsy nikonfesy isan’alahady izany.” Hoy koa i Consuelo, avy any Meksika: “Nampihetsi-po lalina ahy ny nankany am-piangonana; tena sarobidy tamiko izy io. Toy ny hoe tany an-danitra ny fahatsapako ny tenako.”

Araka izany, dia misy mihevitra fa tena zava-dehibe ny trano fiangonana. Misy koa anefa manontany tena raha tena ilaina izy ireny na tsia. Nilaza i Peter Sibert, pretra katolika any Angletera, fa vitsy ny olona mandeha miangona. Hoy izy: “Mifidy izay tapany tiany amin’ny fivavahana [ny olona]. Maro ny olona be taona no Katolika sy miaina mifanaraka amin’ny finoany. Tsy mahatsapa adidy toy izany anefa ireo tanora kokoa.” Hoy ny gazety iray any Londres, tamin’ny 20 Novambra 1998: “Fiangonana 1 500 no nakatona tany Angletera hatramin’ny 1979, nefa fiangonana 495 monja no nosokafana ary 150 no namboarina indray.”

Hoy ny gazety iray any Munich, any Alemaina, tamin’ny 1997: “Manjary toerana fijerena sinema sy tranon’olona ireo fiangonana: tsy mandeha miangona intsony ny mpino, ka ovana ho zavatra hafa ireo toeram-pivavahana. . . . Hita eto Alemaina koa ny zavatra efa fahita any Holandy na Angletera.” Hoy koa ilay gazety: “Nahavariana ny nahita fiangonana 30 na 40 teo ho eo namidy teto Alemaina tato anatin’ny taona vitsivitsy lasa.”

Tena ilaina tokoa ve ny toeram-pivavahana rehefa mivavaka amin’Andriamanitra? Miresaka ny amin’ny bazilika sy trano fiangonana be renty ve ny Soratra Masina? Trano nanao ahoana no nampiasain’ireo mpivavaka tamin’ilay Andriamanitra marina sy velona? Araka izany, tena ilaina ve ny toeram-pivavahana ary inona no tokony hatao any?