Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manompoa Hatrany Amin’ny Firaisan-kina

Manompoa Hatrany Amin’ny Firaisan-kina

Manompoa Hatrany Amin’ny Firaisan-kina

“Hovako ho madio ny molotry ny firenena, hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany Azy amin’ny firaisan-kina.”​—ZEFANIA 3:9.

1. Inona no mitranga ankehitriny, ho fahatanterahan’ny Zefania 3:9?

ENINA arivo eo ho eo izao no fiteny ampiasain’ny olona eran-tany. Misy fitenim-paritra isan-karazany koa, ankoatra an’ireo. Kanefa, na dia mampiasa fiteny samy hafa be toy ny arabo sy zoloa aza ny olona, dia nanao zavatra tena mahavariana Andriamanitra. Nataony izay hianaran’ny olona sy hampiasan’izy ireo ilay hany fiteny madio, na aiza na aiza misy azy ireo. Manatanteraka izao fampanantenana nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’i Zefania mpaminany izao izany: “Hovako ho madio ny molotry ny firenena, hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, hanompoany Azy amin’ny firaisan-kina.”—Zefania 3:9.

2. Inona ilay fiteny madio, ary inona no vokatry ny fampiasan’ny olona azy io?

2 Ilay ‘molotra madio’ na fiteny madio dia ny fahamarinana momba an’Andriamanitra, hita ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly. Izy io dia mifandray indrindra amin’ny fahamarinana momba ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hanamasina ny anaran’i Jehovah sy hanamarina ny zony hitondra, ary hitondra fitahiana ho an’ny olombelona. (Matio 6:9, 10) Io no hany fiteny madio ara-panahy eto an-tany, ka olona avy amin’ny firenena sy firazanana rehetra no mampiasa azy. Noho izany, dia afaka manompo an’i Jehovah “amin’ny firaisan-kina” izy ireo, na amin’ny “soroka iray”, araka ny fanamarihana ambany pejy. Manompo azy amim-piraisan-tsaina àry izy ireo.

Tsy tokony hizaha tavan’olona ny Kristianina

3. Inona no manampy antsika hanompo an’i Jehovah amim-piraisan-tsaina?

3 Velom-pankasitrahana isika Kristianina, satria miara-miasa isika na dia mampiasa fiteny maro samy hafa aza. Manompo an’Andriamanitra amim-piraisan-tsaina isika, na dia mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny fiteny maro aza. (Salamo 133:1) Izany no izy, satria mampiasa ilay hany fiteny madio isika rehetra na aiza na aiza misy antsika, ho fiderana an’i Jehovah.

4. Nahoana no tsy tokony hisy fizahan-tavan’olona mihitsy eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra?

4 Tsy tokony hisy fizahan-tavan’olona mihitsy eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra. Nampiharihary izany ny apostoly Petera, rehefa nitory tao an-tranon’ilay miaramila jentilisa atao hoe Kornelio, tamin’ny taona 36. Voatosika hilaza toy izao izy: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Noho izany, dia tsy tokony hisy fizahan-tavan’olona, na fitokotokoana na fiangarana, eo anivon’ny fiangonana kristianina.

5. Nahoana no ratsy ny mampisy fitokotokoana eo anivon’ny fiangonana?

5 Rehefa avy nitsidika ny Efitrano Fanjakana ny mpianatra iray teny amin’ny oniversite, dia hoy izy: ‘Olona mitovy firazanana na foko mazàna no voasarika hiray fiangonana. Ny Vavolombelon’i Jehovah anefa niara-nipetraka avokoa, ary tsy nisy fitokotokoana teo aminy.’ Nampisy fitokotokoana toy izany anefa ny Kristianina sasany tany Korinto fahiny, ka nampisaratsaraka ny fiangonana. Nisakana ny fiasan’ny fanahy masin’Andriamanitra àry izy ireo, satria izy io no mampiray saina sy mampihavana. (Galatiana 5:22) Manohitra ny fitarihan’ny fanahy koa isika raha mampisy fitokotokoana eo anivon’ny fiangonana. Aoka àry hotadidintsika izao tenin’ny apostoly Paoly tamin’ny Korintianina izao: “Mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny hianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara hianareo hiray saina sy hevitra.” (1 Korintiana 1:10) Nanantitrantitra ny firaisan-tsaina koa i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Efesianina.—Efesiana 4:1-6, 16.

6, 7. Inona no torohevitra nomen’i Jakoba momba ny fiangarana, ary ahoana no hampiharantsika ny teniny?

6 Takina amin’ny Kristianina foana hatramin’izay ny tsy fizahan-tavan’olona. (Romana 2:11) Niangatra tamin’ireo mpanan-karena ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany, ka hoy i Jakoba mpianatra: “Ry rahalahiko, aoka tsy hasiana fizahan-tavan’olona ny finoanareo ny Tompontsika, dia Jesosy Kristy, Tompon’ny voninahitra. Fa raha misy olona miditra eo amin’ny synagoganareo misy peratra volamena amin’ny rantsan-tànany sady miakanjo tsara, ary mba miditra kosa izay olona malahelo miakanjo ratsy, koa mijery ilay miakanjo tsara hianareo ka manao hoe: Mipetraha eto amin’ny fitoerana aloha hianao; ary manao amin’ilay malahelo kosa hoe: Mitoera eroa hianao, na: Mipetraha etsy amin’ny fitoeran-tongotro,—moa tsy miangatra va hianareo amin’izany ka efa mpitsara manan-kevi-dratsy?”—Jakoba 2:1-4.

7 Raha nisy tsy mpino nanankarena nanao peratra volamena sy akanjo tsara tonga tao am-pivoriana, ary nisy tsy mpino nahantra niakanjo ratsy koa tonga tao, dia nanehoana fiheverana manokana ilay mpanan-karena. Nomena seza teo “amin’ny fitoerana aloha” izy, fa ilay mahantra kosa nilazana mba hitsangana na hipetraka teo amin’ny tany, teo an-tongotry ny olona iray. Nataon’Andriamanitra ho an’ny olon-drehetra anefa ny sorom-panavotan’i Jesosy, na manankarena izy na mahantra. (Joba 34:19; 2 Korintiana 5:14) Tsy tokony hiangatra velively na ‘handoka olona mba hahazoana zavatra’ àry isika, raha te hampifaly an’i Jehovah sy hanompo azy amin’ny firaisan-kina.—Joda 4, 16.

Aza mimonomonona

8. Inona no nitranga satria nimonomonona ny Isiraelita?

8 Mba hananantsika firaisan-tsaina sy sitraka amin’Andriamanitra hatrany, dia tsy maintsy manaraka izao torohevitr’i Paoly izao isika: “Ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsi-fimonomononana.” (Filipiana 2:14, 15) Nimonomonona tamin’i Mosesy sy Arona ireo Isiraelita tsy nahatoky, nafahana tsy ho andevon’ny Ejipsianina. Nimonomonona tamin’i Jehovah Andriamanitra koa izy ireo tamin’izany. Noho izany, dia tsy niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny lehilahy rehetra 20 taona no ho miakatra, afa-tsy ireo lehilahy nahatoky, dia i Josoa sy Kaleba ary ny Levita. Maty kosa ny sisa nandritra ny dian’ny Isiraelita tany an’efitra naharitra 40 taona. (Nomery 14:2, 3, 26-30; 1 Korintiana 10:10) Novidiny lafo tokoa ny fimonomononana!

9. Inona no nanjo an’i Miriama noho izy nimonomonona?

9 Hita amin’izany ny mety hitranga rehefa firenena iray manontolo no mimonomonona. Ahoana kosa ny amin’ny mpimonomonona tsirairay? Nimonomonona tokoa i Miriama, anabavin’i Mosesy, sy i Arona anadahiny. Hoy izy ireo: “Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan’i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany?” Mitohy ilay tantara manao hoe: “Ren’i Jehovah izany.” (Nomery 12:1, 2) Inona no vokatr’izany? Nampietry an’i Miriama Andriamanitra. Toa izy mantsy no nitarika ilay fitarainana. Inona no nanjo azy? Lasa boka izy ary voatery nijanona fito andro tany ivelan’ny toby, mandra-pahadiony.—Nomery 12:9-15.

10, 11. Inona no mety ho vokatry ny fimonomononana tsy an-kijanona? Manomeza ohatra.

10 Tsy vitan’ny hoe mitaraina momba ny fanaovan-dratsy fotsiny ny hoe mimonomonona. Mihevitra ny fihetseham-pony na ny toerany ho zava-dehibe loatra ny mpimonomonona lava, ka misarika ny saina ho amin’ny tenany fa tsy ho amin’Andriamanitra. Raha tsy hatsahatra izany, dia mety hampisaratsaraka ny mpiray finoana sy hanelingelina ny ezaka ataon’izy ireo mba hanompoana an’i Jehovah amin’ny firaisan-kina. Mitaraina amin’ny hafa foana mantsy ny mpimonomonona, satria manantena izy fa hiombon-kevitra aminy izy ireo.

11 Mety hisy olona, ohatra, hanakiana ny fomba fanaovan’ny anti-panahy iray ny anjarany na ny andraikiny eo anivon’ny fiangonana. Mety hanomboka hitovy hevitra amin’ilay mitaraina isika, raha mihaino azy. Angamba tsy nampaninona antsika ny asan’io anti-panahy io taloha, nefa manorisory antsika izany izao, noho ny hevitra nafafin’ilay mpitaraina tao an-tsaintsika. Rehefa ela ny ela, dia hihevitra isika fa tsy misy mety ny zavatra ataon’ilay anti-panahy, ka mety hanomboka hitaraina momba azy koa isika. Tsy tokony hisy hanana toetra toy izany eo anivon’ny fiangonan’ny vahoakan’i Jehovah.

12. Inona no vokatry ny fimonomononana eo amin’ny fihavanantsika amin’Andriamanitra?

12 Mety hanjary hanaratsy an’ireo manana andraikitra hiandry ny ondrin’Andriamanitra isika raha mimonomonona momba azy ireo. Toy ny manozona sady manendrikendrika azy ireo isika amin’izany, ka hanimba ny fihavanantsika amin’i Jehovah. (Eksodosy 22:27) Tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra ny mpanaratsy tsy mibebaka. (1 Korintiana 5:11; 6:10) Nilaza i Joda mpianatra, fa nisy mpimonomonona ‘nandà ny manana fahalehibiazana ary niteny ratsy ny manana voninahitra’, dia ireo mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana. (Joda 8) Tsy nahazo sitraka tamin’Andriamanitra ireo mpimonomonona ireo. Hendry àry isika raha tsy manaraka ny zava-dratsy nataony.

13. Nahoana no lazaina fa tsy ny fitarainana rehetra no ratsy?

13 Tsy ny fitarainana rehetra anefa no tsy tian’Andriamanitra. Tsy nody tsy nahare “ny fitarainana” momba an’i Sodoma sy Gomora izy, fa nandringana ireo tanàna feno ratsy fanahy ireo. (Genesisy 18:20, 21; 19:24, 25) Taoriana kelin’ny Pentekosta tamin’ny taona 33, dia nimonomonona tamin’ny Jiosy niteny hebreo ny Jiosy sasany niteny grika tany Jerosalema, satria tsy nahazo ilay fanampiana zaraina isan’andro ny mpitondratenan’izy ireo. Nanitsy ny toe-javatra àry “ny roa ambin’ny folo lahy”, ka nanendry ‘fito lahy, izay tsara laza’ mba hikarakara “izany raharaha” fizarana sakafo izany. (Asan’ny Apostoly 6:1-6) Tsy tokony ‘hanentsin-tadìny’ velively ny anti-panahy ankehitriny, rehefa misy manao fitarainana ara-drariny. (Ohabolana 21:13) Tokony hampahery sy hampandroso ny mpiara-manompo aminy izy, fa tsy hanakiana azy ireo.—1 Korintiana 8:1.

14. Inona no toetra tena ilaina mba tsy himonomononana?

14 Mila mitandrina isika rehetra mba tsy himonomonona, satria manimba ny ara-panahy ny toe-tsaina tia mitaraina. Handrava ny firaisan-tsaintsika izany. Aoka kosa isika hamela foana ny fanahy masina hampisy fitiavana ao amintsika. (Galatiana 5:22) Ho afaka hanompo an’i Jehovah amin’ny firaisan-kina hatrany isika, raha mankatò “ilay didy ambony indrindra”, dia ny fitiavana.—Jakoba 2:8; 1 Korintiana 13:4-8; 1 Petera 4:8.

Mitandrema mba tsy hanendrikendrika

15. Inona no maha samy hafa ny fifosana sy ny fanendrikendrehana?

15 Mety hitarika ho amin’ny fifosana ny fimonomononana, ka tsy maintsy mitandrina amin’izay lazaintsika isika. Ny fifosana dia firesadresahana momba ny olona sy ny fiainany. Ny fanendrikendrehana kosa dia filazana zavatra diso mba hanaratsiana ny lazan’ny olona iray. Feno hasomparana izany resadresaka izany sady tsy tian’Andriamanitra. Hoy àry izy tamin’ny Isiraelita: “Aza mandehandeha manaratsy [na manendrikendrika] eo amin’ny firenenao.”—Levitikosy 19:16.

16. Inona no nolazain’i Paoly momba ny mpifosafosa sasany, ary tokony hampirisika antsika hanao inona ny toroheviny?

16 Izay miresaka olona dia mety hanjary hanendrikendrika, ka nananatra mafy ny mpifosafosa sasany i Paoly. Niresaka momba ny mpitondratena mendrika ny hahazo fanampiana avy amin’ny fiangonana izy aloha. Avy eo izy dia niresaka momba ny mpitondratena izay nianatra ny ‘ho malaina ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an’olona ka manao teny tsy mety.’ (1 Timoty 5:11-15) Raha misy vehivavy kristianina mahatsapa fa manana io kileman-toetra io, izany hoe zatra manao resaka mety hahatonga azy hanendrikendrika, dia tokony hanaraka ny torohevitr’i Paoly izy, ka ho “maotona, tsy mpanendrikendrika.” (1 Timoty 3:11) Mazava ho azy fa tsy maintsy mitandrina mba tsy hifosa koa ny lehilahy kristianina.—Ohabolana 10:19.

Aza mitsara!

17, 18. a) Inona no nolazain’i Jesosy momba ny fitsarana ireo rahalahintsika? b) Ahoana no hampiharantsika ny tenin’i Jesosy momba ny fitsarana olona?

17 Na dia tsy manendrikendrika na iza na iza aza isika, dia mety hila hiezaka mafy mba tsy ho lasa mpitsara olona. Nilaza i Jesosy fa toe-tsaina ratsy izany. Hoy izy: “Aza mitsara, mba tsy hotsaraina hianareo. Fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo; ary araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo. Ary nahoana hianao no mijery ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao, fa ny andry eo amin’ny masonao dia tsy mba tsaroanao? Ary ahoana no hilazanao amin’ny rahalahinao hoe: Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin’ny masonao; nefa, indro, ny andry eo amin’ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, ary amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.”—Matio 7:1-5.

18 Tsy tokony hitady hanala “sombin-kazo” kely amin’ny mason’ny rahalahintsika isika, satria isika aza tsy mahay mitsara zavatra tsara, fa toy ny takon’ny “andry” ny masontsika. Tsy ho zatra mitsara ny rahalahy sy anabavintsika ara-panahy tokoa isika, raha takatsika tsara fa be famindram-po Andriamanitra. Isika ve dia hahafantatra tsara azy ireo toy ny hahafantaran’ny Raintsika any an-danitra azy? Tsy mahagaga raha nampitandrina antsika i Jesosy hoe: “Aza mitsara, mba tsy hotsaraina hianareo”! Raha mandini-tena tsara isika ka miaiky fa tsy lavorary, dia tsy hanao fitsarana izay hoheverin’Andriamanitra ho tsy marina.

Malemy fa mendrika homem-boninahitra

19. Ahoana no tokony hiheverantsika ny mpiray finoana amintsika?

19 Tsy hitsara ny mpiray finoana amintsika isika, raha tapa-kevitra ny hanompo an’Andriamanitra amin’ny firaisan-kina. Hitari-dalana kosa isika amin’ny fanomezam-boninahitra azy ireo. (Romana 12:10) Hitady izay hahasoa azy ireo mihitsy isika, fa tsy izay hahasoa ny tenantsika fotsiny. Ho faly koa isika hanao asa mety hoheverina ho ambany, mba hanampiana azy ireo. (Jaona 13:12-17; 1 Korintiana 10:24) Inona no hanampy antsika hanana toe-tsaina tsara toy izany hatrany? Mila mitadidy isika fa sarobidy amin’i Jehovah ny mpino tsirairay ary koa fa mila ny mpiray finoana amintsika isika, tsy misy hafa amin’ireo rantsambatan’olombelona mifampiankina.—1 Korintiana 12:14-27.

20, 21. Midika ho inona ho antsika ny 2 Timoty 2:20, 21?

20 Marina fa ny Kristianina dia toy ny vilany tany na fanaka malemy nanankinana ny fanompoana, izay toy ny rakitra be voninahitra. (2 Korintiana 4:7) Raha te hidera an’i Jehovah amin’ny alalan’io asa masina io isika, dia tsy maintsy miezaka mba ho mendrika homem-boninahitra hatrany eo anatrehany sy ny Zanany. Raha madio ara-pitondran-tena sy ara-panahy ihany isika vao ho toy ny fanaka mendrika homem-boninahitra ho an’Andriamanitra. Izao no nolazain’i Paoly momba izany: “Ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka. Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ny Tompo, voavoatra ho amin’ny asa tsara rehetra.”—2 Timoty 2:20, 21.

21 Toy ny ‘fanaka halam-baraka’ ny olona tsy manao izay takin’Andriamanitra. Raha manao izay takiny kosa anefa isika dia ho ‘fanaka homem-boninahitra, nohamasinina ka mahasoa ho an’i Jehovah, voavoatra ho amin’ny asa tsara rehetra.’ Tsara àry raha manontany tena isika hoe: ‘“Fanaka mendrika homem-boninahitra” ve aho? Misy vokany tsara eo amin’ny mpiray finoana amiko ve ny ataoko? Miara-miasa amin’izy ireo amin’ny firaisan-kina ve aho, amin’ny maha anisan’ny fiangonana ahy?’

Manompoa hatrany amin’ny firaisan-kina

22. Azo oharina amin’ny inona ny fiangonana kristianina?

22 Toy ny fianakaviana ny fiangonana kristianina. Feno fitiavana sy mahasoa ary mahafinaritra ny fiainam-pianakaviana, rehefa manompo an’i Jehovah ny mpianakavy rehetra. Mety ho samy hanana ny toetrany izy ireo, nefa samy mendrika homem-boninahitra daholo. Toy izany koa ny fiangonana. Na dia tsy mitovy aza isika rehetra, sady samy tsy lavorary, dia nitaona antsika ho aminy Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy. (Jaona 6:44; 14:6) Tia antsika i Jehovah sy Jesosy, ary tena mila mifaneho fitiavana isika, toy ny fianakaviana miray saina.—1 Jaona 4:7-11.

23. Inona no tokony hotadidintsika, ary tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

23 Ara-dalàna koa raha antenaintsika tsy hivadika amintsika ny mpiray finoana amintsika. Hoy ny apostoly Paoly: “Tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tànana masina [na tsy mivadika], tsy amin’ny fahatezerana na amin’ny fifandirana.” (1 Timoty 2:8) Araka izany, dia nampifandraisin’i Paoly tamin’ny tsy fivadihana ny fanaovana vavaka ampahibemaso “eny tontolo eny”, na rehefa mivory ny Kristianina. Lehilahy tsy mivadika ihany no tokony hisolo tena ny fiangonana amin’ny vavaka ampahibemaso. Mazava ho azy fa antenain’Andriamanitra tsy hivadika aminy isika rehetra, ary antenainy koa isika tsy hivadika amintsika samy isika. (Mpitoriteny 12:13, 14) Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny hiara-miasa amim-piraisan-kina, toy ny rantsambatan’olombelona. Enga koa anie isika ka hanompo amim-piraisan-tsaina miaraka amin’ny fianakavian’ny mpanompon’i Jehovah. Ambonin’ny zava-drehetra, dia aoka hotadidintsika fa mila ny mpiray finoana amintsika isika ary hahazo sitraka sy fitahiana amin’i Jehovah, raha manompo azy foana amin’ny firaisan-kina.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no manampy ny vahoakan’i Jehovah hanompo azy amin’ny firaisan-kina?

• Nahoana ny Kristianina no tsy mizaha tavan’olona?

• Ahoana no hanazavanao fa ratsy ny mimonomonona?

• Nahoana isika no tokony hanome voninahitra ny mpiray finoana amintsika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Hitan’i Petera fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”

[Sary, pejy 16]

Fantatrao ve hoe nahoana Andriamanitra no nampietry an’i Miriama?

[Sary, pejy 18]

Faly manompo an’i Jehovah amin’ny firaisan-kina ny Kristianina tsy mivadika