Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mila ny Mpiray Finoana Aminy ny Kristianina

Mila ny Mpiray Finoana Aminy ny Kristianina

Mila ny Mpiray Finoana Aminy ny Kristianina

“Samy isan’ny momba ny tenan’ny namantsika avokoa isika.”​—EFESIANA 4:25.

1. Inona no lazain’ny rakipahalalana iray momba ny vatan’olombelona?

ZAVABOARY mahatalanjona ny vatan’olombelona! Hoy ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): “Misy milaza indraindray hoe masinina ny vatan’olombelona, dia ny masinina mahazendana indrindra. Mazava ho azy fa tsy masinina izy io, nefa azo oharina amin’izany ihany amin’ny lafiny maro. Ahitana tapany maro toy ny amin’ny masinina ny vatana. Samy manao asa manokana ireo, toy ny tapany tsirairay amin’ny masinina. Miara-miasa anefa ireo tapany rehetra ireo, ka mampandeha tsara ilay masinina, na ilay vatana.”

2. Inona no mampitovy ny vatan’olombelona sy ny fiangonana kristianina?

2 Misy rantsambatana maro tokoa amin’ny vatan’olombelona, ary samy ilaina ny tsirairay avy aminy. Tsy misy mpamerindra na hozatra na rantsambatana hafa, ka tsy ilaina. Toy izany koa fa afaka mandray anjara amin’ny fampitomboana ny fahasalamana sy hakanton’ny fiangonana kristianina amin’ny lafiny ara-panahy ny tsirairay. (1 Korintiana 12:14-26) Tsy misy tokony hihevi-tena ho ambony noho ny hafa, nefa tsy misy tokony hihevi-tena ho tsy misy vidiny koa.—Romana 12:3.

3. Ahoana no ampisehoan’ny Efesiana 4:25 fa mila ny mpiray finoana aminy ny Kristianina?

3 Toy ny rantsambatana mifampiankina ny Kristianina, satria mila ny mpiray finoana aminy izy. Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny mpiray finoana taminy voahosotry ny fanahy: “Esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ny namany avy hianareo rehetra; fa samy isan’ny momba ny tenan’ny namantsika avokoa isika.” (Efesiana 4:25) Koa satria ‘samy momba ny tena’ ny olona anisan’ny Isiraely ara-panahy, na “ny tenan’i Kristy”, dia mifampilaza ny marina sy miara-miasa tsara izy ireo. Tena mifampiankina tokoa izy rehetra. (Efesiana 4:11-13) Faly tafaray amin’izy ireo sady miara-miasa aminy koa ny Kristianina tia ny marina sy manantena hiaina eto an-tany.

4. Inona avy no fomba azo anampiana ireo vaovao?

4 An’arivo isan-taona ny olona manantena hiaina amin’ny tany paradisa no atao batisa. Faly manampy azy ireo ny hafa eo anivon’ny fiangonana, mba ‘handrosoany’ ho amin’ny fahamatorana. (Hebreo 6:1-3) Mety ho tafiditra amin’izany ny famaliana fanontaniana ara-baiboly na fanampiana azy eny amin’ny fanompoana. Afaka manampy ireo vaovao koa isika rehefa mandray anjara tsy tapaka any am-pivoriana, mba ho ohatra tsara ho azy. Afaka mampahery na mampionona azy koa isika rehefa mandalo fotoan-tsarotra izy. (1 Tesaloniana 5:14, 15) Tokony hitady fomba hanampiana ny hafa ‘handeha araka ny fahamarinana’ isika. (3 Jaona 4) Afaka manatanjaka ny ara-panahin’ny mpiray finoana amintsika isika, na tanora na antitra, na vao manomboka mandeha araka ny fahamarinana na efa nanao izany hatry ny ela. Ary tena mila antsika izy ireo.

Nitondra fanampiana nilaina izy ireo

5. Ahoana no nanampian’i Akoila sy Prisila an’i Paoly?

5 Anisan’ireo faly manampy ny mpiray finoana aminy koa ny mpivady kristianina. Nanampy an’i Paoly, ohatra, i Akoila sy Prisila. Nampiantrano azy izy ireo, niara-niasa taminy nanao lay, ary nanampy azy nanatanjaka ny fiangonana vaovao tany Korinto. (Asan’ny Apostoly 18:1-4) Tsy voalaza izay nataony, fa nanao vivery ny ainy mihitsy izy ireo hamonjena an’i Paoly. Tany Roma izy ireo rehefa nilaza tamin’ny Kristianina tany i Paoly hoe: “Veloma amin’i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin’i Kristy Jesosy; izy mivady dia nanolotra ny tendany hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny fiangonana rehetra any amin’ny jentilisa koa.” (Romana 16:3, 4) Misy mpivady kristianina toa an’i Akoila sy Prisila koa ankehitriny, manatanjaka ny fiangonana sy mitondra fanampiana isan-karazany ho an’ny mpiara-manompo aminy. Manao vivery ny ainy mihitsy izy ireny indraindray hiarovana ny mpanompon’Andriamanitra mba tsy hampijaliana na hovonoin’ny mpanenjika.

6. Inona no fanampiana azon’i Apolosy?

6 Nanampy an’i Apolosy koa i Akoila sy Prisila. Kristianina nahay nandaha-teny izy io ary nampianatra ny mponina tany Efesosy momba an’i Jesosy Kristy. Tsy nahalala afa-tsy ny batisan’i Jaona i Apolosy tamin’izany fotoana izany, dia ilay batisa mariky ny fibebahana noho ny fahotana tamin’ny faneken’ny Lalàna. Hitan’i Akoila sy Prisila fa nila fanampiana i Apolosy, ka “nampianatra azy marimarina kokoa ny amin’ny làlan’Andriamanitra” izy ireo. Azo inoana fa nohazavain’izy ireo taminy hoe aroboka anaty rano sady ilatsahan’ny fanahy masina ny Kristianina rehefa atao batisa. Nampihatra izay nianarany i Apolosy. Tatỳ aoriana àry, tany Akaia, dia ‘nampahatanjaka tsara izay efa nino noho ny fahasoavana izy, ary nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason’ny olona ka naneho marimarina tamin’ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy.’ (Asan’ny Apostoly 18:24-28) Matetika ny valin-teny omen’ny mpiara-manompo amintsika no manampy antsika hahazo tsara kokoa ny Tenin’Andriamanitra. Mila azy ireo koa isika amin’io lafiny io.

Fanampiana ara-nofo

7. Inona no nataon’ny Filipianina rehefa nila fanampiana ara-nofo ny Kristianina namany?

7 Tena tia an’i Paoly ny fiangonana kristianina tany Filipy ary nandefa fanampiana ho azy, fony izy tany Tesalonika. (Filipiana 4:15, 16) Nanao fanomezana avy hatrany koa ny Filipianina, rehefa nila fanampiana ara-nofo ny rahalahy tany Jerosalema. Mihoatra noho izay nananany mihitsy aza no nomen’izy ireo. Tena nankasitraka ny toe-tsain’ireo rahalahy sy anabavy tany Filipy i Paoly, ka nataony ho ohatra ho an’ny mpino izy ireo.—2 Korintiana 8:1-6.

8. Inona no toe-tsaina nasehon’i Epafrodito?

8 Sady nandefa fanomezana ny Filipianina no naniraka an’i Epafrodito ho solontenan’izy ireo, fony i Paoly nigadra. Hoy i Paoly: “Saiky maty [i Epafrodito] noho ny asan’i Kristy sady nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanefa izay tsy vitanareo tamin’ny fanompoana ahy.” (Filipiana 2:25-30; 4:18) Tsy lazaina amintsika raha anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana i Epafrodito. Na izany aza dia be fandavan-tena izy sady tia nanampy. Tena nila azy koa i Paoly. Misy olona tahaka an’i Epafrodito ve eo anivon’ny fiangonanao?

“Fampiononana” ho an’ny hafa izy ireo

9. Inona no ohatra navelan’i Aristarko ho antsika?

9 Tena sarobidy ho an’ny fiangonana rehetra ny rahalahy sy anabavy be fitiavana toa an-dry Akoila sy Prisila ary Epafrodito. Mety hisy mpiara-manompo amintsika mitovy amin’i Aristarko, Kristianina niaina tamin’ny taonjato voalohany. “Fampiononana” ho an’ny namany i Aristarko sy ny hafa, angamba nampahery na nitondra fanampiana mivaingana sady tena nilaina izy ireo. (Kolosiana 4:10, 11) Nanampy an’i Paoly i Aristarko, ka azo lazaina hoe tena namana tao anatin’ny sarotra. Karazan’olona toa azy no voalazan’ny Ohabolana 17:17, manao hoe: “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.” Moa ve isika rehetra tsy tokony hiezaka mba ho “fampiononana” ho an’ny Kristianina namantsika? Ireo iharan-java-manahirana no tena tokony hampiantsika.

10. Inona no ohatra navelan’i Petera ho an’ny anti-panahy?

10 Ny anti-panahy indrindra no tsy maintsy manampy sy manatanjaka ny rahalahy sy anabaviny ara-panahy. Hoy i Kristy tamin’ny apostoly Petera: “Ampaherezo ireo rahalahinao.” (Lioka 22:32) Nahavita izany i Petera satria nanana toetra tsara izy, indrindra fa rehefa avy nitsangana tamin’ny maty i Jesosy. Ry anti-panahy, miezaha ho toa azy, ary ataovy an-tsitrapo sy amim-pitiavana izany, satria mila anareo ny mpiray finoana aminareo.—Asan’ny Apostoly 20:28-30; 1 Petera 5:2, 3.

11. Ahoana no andraisantsika soa avy amin’ny fandinihana ny toe-tsain’i Timoty?

11 Tena niahy ny Kristianina hafa i Timoty, anti-panahy mpiara-dia tamin’i Paoly. Na dia narary aza izy, dia tsy azo nohozongozonina ny finoany ary ‘niara-nanompo tamin’i Paoly teo amin’ny filazantsara’ izy. Niresaka momba azy àry io apostoly io, ka nilaza tamin’ny Filipianina hoe: “Tsy manana olona mitovy fanahy amiko aho na dia iray akory aza [ankoatra azy], izay hazoto hiahy anareo.” (Filipiana 2:20, 22; 1 Timoty 5:23; 2 Timoty 1:5) Afaka mitondra soa ho an’ny mpiara-manompo amintsika isika rehefa manahaka an’i Timoty. Marina fa tsy maintsy miaritra izay aretina sy fisedrana isan-karazany mahazo antsika isika, nefa afaka sady tokony haneho finoana matanjaka isika ary haneho fitiavana amin’ny rahalahy sy anabavintsika ara-panahy. Tokony hotadidintsika foana fa mila antsika izy ireo.

Vehivavy niahy ny hafa

12. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Dorkasy?

12 Anisan’ny vehivavy mpivavaka izay niahy ny hafa i Dorkasy. Rehefa maty izy, dia nampiantso an’i Petera ny mpianatra ka nitondra azy tany amin’ny trano ambony iray. Ary “ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin’i Dorkasy fony fahavelony.” Natsangana tamin’ny maty i Dorkasy ary azo antoka fa nanohy ‘nanao asa soa betsaka sy fiantrana’ izy. Misy vehivavy toa an’i Dorkasy eo anivon’ny fiangonana kristianina ankehitriny. Angamba manjaitra akanjo ho an’ny hafa izy ireo, na manampy amim-pitiavana an’ireo mahantra. Mazava ho azy anefa fa ny asan’ilay Fanjakana sy ny fanaovana mpianatra no asa soa voalohany ataony.—Asan’ny Apostoly 9:36-42; Matio 6:33; 28:19, 20.

13. Ahoana no nampisehoan’i Lydia fa niahy ny Kristianina namany izy?

13 Niahy ny hafa koa i Lydia, vehivavy natahotra an’Andriamanitra. Avy any Tyatira izy ary nipetraka tany Filipy, fony i Paoly nitory tany tamin’ny taona 50 teo ho eo. Jiosy proselyta angamba i Lydia, nefa mety ho vitsy ny Jiosy tany Filipy sady tsy nisy synagoga tany. Niara-nivavaka teo amoron’ny ony iray izy sy ny vehivavy hafa mpivavaka be, rehefa nitory ny vaovao tsara taminy ny apostoly Paoly. Mitantara ny Baiboly hoe: ‘Ny Tompo nanokatra ny fon’[i Lydia] hitandrina ny teny izay nolazain’i Paoly. Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin’ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin’ny Tompo aho, dia midira ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.’ (Asan’ny Apostoly 16:12-15) Naniry hanao soa ho an’ny hafa i Lydia, ka naharesy lahatra an’i Paoly sy ny namany mba hijanona tao an-tranony. Tena velom-pankasitrahana mihitsy isika ankehitriny, rehefa mahay mandray vahiny toy izany ny Kristianina tsara fanahy sy be fitiavana!—Romana 12:13; 1 Petera 4:9.

Mila anareo koa izahay ry tanora

14. Ahoana no fomba nitondran’i Jesosy Kristy ny tanora?

14 I Jesosy Kristy no niandohan’ny fiangonana kristianina. Nahazo aina ny olona rehefa niaraka tamin’io Zanak’Andriamanitra tsara fanahy io, satria be fitiavana sy fangoraham-po izy. Rehefa nisy olona nitondra ny zanany teny amin’i Jesosy, dia nanandrana nandroaka azy ireo ny mpianany. Hoy anefa i Jesosy: “Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana; fa an’ny toa azy ny fanjakan’Andriamanitra. Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.” (Marka 10:13-15) Tsy maintsy manetry tena sy manaiky ampianarina toy ny ankizy kely isika, mba hahazoantsika ny fitahian’ilay Fanjakana. Nampiseho ny fitiavany ny ankizy i Jesosy rehefa nitrotro sy nitso-drano azy ireo. (Marka 10:16) Ahoana ny aminareo tanora ankehitriny? Matokia fa tiana sy ilaina ianareo eo anivon’ny fiangonana.

15. Inona no zava-nitranga teo amin’ny fiainan’i Jesosy tantarain’ny Lioka 2:40-52, ary inona no ohatra navelany ho an’ny tanora?

15 Nampiseho fitiavana an’Andriamanitra sy ny Soratra Masina i Jesosy, fony izy mbola kely. Niaraka tamin’i Josefa sy Maria, ray aman-dreniny, izy tamin’izy 12 taona, ka niala avy tany Nazareta tanindrazany ary nankany Jerosalema. Hankalaza ny Paska ry zareo tamin’izay. Tsy hitan’ny ray aman-dreniny anefa i Jesosy rehefa teny an-dalana hody ry zareo. Tany amin’ny tempoly no nahitan’izy ireo azy tamin’ny farany. Nipetraka nihaino ny mpampianatra jiosy izy sady nametraka fanontaniana taminy. Gaga izy hoe tsy fantatr’i Josefa sy Maria izay nisy azy, ka hoy izy: “Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny Raiko Aho?” Niara-nody tamin’ny ray aman-dreniny izy avy eo, ary nankatò azy mandrakariva. Nitombo fahendrena hatrany koa izy ary nihalehibe. (Lioka 2:40-52) Ohatra tsara ho an’ny tanora eo anivontsika tokoa i Jesosy! Tena tokony hankatò ny ray aman-dreniny izy ireo ary hazoto hianatra momba ny zavatra ara-panahy.—Deoteronomia 5:16; Efesiana 6:1-3.

16. a) Nikiakiaka nilaza inona ny ankizilahy sasany rehefa nitory tany amin’ny tempoly i Jesosy? b) Inona no tombontsoa ananan’ny tanora kristianina ankehitriny?

16 Raha tanora ianao, dia angamba mitory momba an’i Jehovah any am-pianarana, sy rehefa manao isan-trano miaraka amin’ny ray aman-dreninao. (Isaia 43:10-12; Asan’ny Apostoly 20:20, 21) Rehefa nitory sy nanasitrana olona tany amin’ny tempoly i Jesosy, taloha kelin’ny nahafatesany, dia nisy ankizilahy nikiakiaka hoe: “Hosana ho an’ny Zanak’i Davida!” Nahatezitra ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna izany, ka hoy izy ireo: “Renao va izay lazain’ireo?” Namaly i Jesosy hoe: “Eny; tsy mbola novakinareo va ny teny manao hoe: ‘Avy amin’ny vavan’ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana’?” (Matio 21:15-17) Manana tombontsoa lehibe toa an’ireo ankizy ireo ianareo tanora eo anivon’ny fiangonana, satria afaka midera an’Andriamanitra sy ny Zanany. Tianay hiara-mitory ilay Fanjakana aminay ianareo, ary mila anareo izahay.

Rehefa misy loza mamely

17, 18. a) Nahoana i Paoly no nandamina famoriam-bola ho an’ny Kristianina tany Jodia? b) Inona no vokany teo amin’ny Kristianina jiosy sy jentilisa, rehefa nisy fanomezana an-tsitrapo natao ho an’ny mpino tany Jodia?

17 Na inona na inona toe-javatra misy antsika, dia atosiky ny fitiavana isika mba hanampy ny Kristianina sahirana. (Jaona 13:34, 35; Jakoba 2:14-17) Ny fitiavany ireo rahalahy sy anabaviny tany Jodia no nanosika an’i Paoly handamina famoriam-bola hanampiana azy ireo, teo anivon’ny fiangonan’i Akaia, Galatia, Makedonia, ary ny tany Azia. Angamba ny fanenjehana sy hotakotaka ary mosary niaretan’ny mpianatra tany Jerosalema no nahatonga an’i Paoly hiresaka momba ny “fahoriana” sy “fampahoriana” ary ‘fandrobana ny fananan’[izy ireo].’ (Hebreo 10:32-34; Asan’ny Apostoly 11:27–12:1) Izany no nahatonga azy hiandraikitra ny tahirim-bola ho an’ny Kristianina nahantra tany Jodia.—1 Korintiana 16:1-3; 2 Korintiana 8:1-4, 13-15; 9:1, 2, 7.

18 Ny fanomezana an-tsitrapo natao ho an’ny olona masina tany Jodia dia nanaporofo fa nifankatia toy ny mpirahalahy ny Jiosy sy Jentilisa mpanompon’i Jehovah. Nasehon’ireny fanomezana ireny koa fa nankasitrahan’ny Kristianina jentilisa ny fahazavana ara-panahy tondraka voarainy avy tamin’ireo Jodianina mpiara-manompo taminy. Sady ara-nofo àry ilay fanomezana no ara-panahy. (Romana 15:26, 27) Misy fanomezana an-tsitrapo sy amim-pitiavana koa ankehitriny atao ho an’ny mpiray finoana mahantra. (Marka 12:28-31) Mila ny mpiara-manompo amintsika koa isika amin’io lafiny io, mba hisian’ny fitoviana ka ‘ny manangona kely tsy manana ny tsy ampy.’—2 Korintiana 8:15.

19, 20. Manomeza ohatra hampisehoana ny fanampiana entin’ny vahoakan’i Jehovah rehefa misy loza.

19 Fantatsika fa mila ny mpiray finoana aminy ny Kristianina, ka mailaka isika manampy ny rahalahy sy anabavintsika ara-panahy. Diniho, ohatra, izay nitranga rehefa nisy horohoron-tany lehibe sy tany nihotsaka tany Salvadaoro, tany am-piandohan’ny taona 2001. Izao no tatitra azo: “Nitondra fanampiana vonjy rano vaky ny rahalahy nanerana an’i Salvadaoro. Tonga nanampy anay ny rahalahy avy tany Goatemalà sy Etazonia ary Kanada. . . . Nisy trano 500 mahery sy Efitrano Fanjakana 3 tsara tarehy naorina vetivety. Fitoriana vita ho azy ny asa mafy sy ny fiaraha-miasan’ireo rahalahy be fandavan-tena ireo.”

20 Izao indray no tatitra azo avy tatsy Afrika Atsimo: “Maro ireo rahalahintsika no tra-boina taorian’ilay tondra-drano nahatsiravina, nandrava faritra midadasika, tany Mozambika. Nikarakara ny ankamaroan’ny zavatra nilain’izy ireo ny sampan’i Mozambika. Nangataka taminay koa anefa izy ireo mba handefa akanjo mbola tsara na dia efa nampiasaina aza, homena ireo rahalahy sahirana. Ampy tsara ny akanjo voangonay, ka kaontenera 12 metatra feno akanjo, no nalefa ho an’ireo rahalahintsika tany Mozambika.” Tena mila ny mpiray finoana amintsika koa isika amin’ireo lafiny ireo.

21. Inona no hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Sarobidy ny rantsambatana rehetra, araka ny voalaza tetsy aloha. Azo antoka fa toy izany koa ny fiangonana kristianina. Samy mila ny mpiray finoana aminy ny Kristianina anisan’izy io. Mila miara-manompo amim-piraisan-tsaina hatrany koa izy ireo. Hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fomba hanaovana izany.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no mampitovy ny vatan’olombelona sy ny fiangonana kristianina?

• Inona no nataon’ny Kristianina voalohany rehefa nila fanampiana ny mpiray finoana taminy?

• Manomeza ohatra ara-baiboly mampiseho fa mila ny mpiray finoana aminy ny Kristianina sady mifanampy.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 10]

Niahy ny hafa i Akoila sy Prisila

[Sary, pejy 12]

Mifanampy sy manampy ny hafa ny vahoakan’i Jehovah rehefa mamely ny loza