Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampaherezo ny Tananao

Ampaherezo ny Tananao

Ampaherezo ny Tananao

MIRESAKA ny tanana imbetsaka ny Baiboly. Maro ny fomba fiteny ampiasana azy io. Tsy manan-tsiny, ohatra, no dikan’ny hoe madio tanana. (2 Samoela 22:21; Salamo 24:3, 4) Olona malala-tanana ny hoe manokatra ny tanany amin’ny hafa. (Deoteronomia 15:11; Salamo 145:16) Ny olona manao ny ainy tsy ho zavatra no lazaina hoe mametraka ny ainy eo an-tanany, araka ny teny hebreo. (1 Samoela 19:5) Kivy ny olona miraviravy tanana. (2 Tantara 15:7) Mahazo tanjaka sy hery hiasana no dikan’ny hoe mampahery tanana.—1 Samoela 23:16.

Tena mila mampahery ny tanantsika isika ankehitriny, noho isika miaina amin’ny “andro mahory.” (2 Timoty 3:1) Mora miraviravy tanana isika olombelona rehefa kivy. Fahita ny ankizy miala amin’ny fianarany sy ny lehilahy mandao ny vady aman-janany ary ny reny mahafoy ny zanany. Mila mampahery ny tanantsika isika Kristianina, mba hiaretana ireo fisedrana hitantsika eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. (Matio 24:13) Mampifaly ny fon’i Jehovah isika raha manao izany.—Ohabolana 27:11.

Ny fomba hampaherezana ny tanana

Nila nampahery ny tanany ny Jiosy tamin’ny andron’i Ezra, mba hahavitan’izy ireo ny fanorenana indray ny tempolin’i Jehovah, tany Jerosalema. Inona no nampahery ny tanan’izy ireo? Hoy ny fitantarana: “Nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira hafitoana tamin’ny fifaliana izy; fa Jehovah efa nampifaly azy ary efa nampiova ny fon’ny mpanjakan’i Asyria hamindra fo aminy ka hampahery ny tànany tamin’ny nanaovany ny tranon’Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Isiraely.” (Ezra 6:22) Niharihary fa ny hery ampiasain’i Jehovah no nahatonga ny “mpanjakan’i Asyria” hamela ny vahoakany hody, sy nandrisika ireo vahoaka ireo hamita ilay asa.

Nampahery ny tanan’ireo rahalahiny i Nehemia tatỳ aoriana, mba hanamboatra ny mandan’i Jerosalema. Izao no vakintsika: “Dia nambarako azy ny tànan’Andriamanitro izay nahasoa ahy, ary ny tenin’ny mpanjaka koa izay nolazainy tamiko. Ary hoy izy: Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy. Koa dia nampahery ny tànany hanao izany soa izany izy.” Nahery ny tanan’i Nehemia sy ireo Jiosy namany, ka 52 andro monja dia vitan’izy ireo ny mandan’i Jerosalema!—Nehemia 2:18; 6:9, 15.

Mampahery ny tanantsika toy izany koa i Jehovah, mba hahafahantsika hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Matio 24:14) Izy tokoa mantsy no ‘manomana antsika amin’ny asa soa rehetra mba hanatanterahantsika ny sitrapony.’ (Hebreo 13:21, Fandikan-teny Katolika) Manome antsika fitaovana faran’izay tsara izy. Manana Baiboly sy boky, gazety, bokikely, taratasy mivalona, kasety, ary vidéo, izay samy miorina amin’ny Baiboly isika, mba hampitana hafatra amin’ny olona eran’izao tontolo izao. Misy amin’ny fiteny maherin’ny 380 ny boky sy gazetintsika raha ny marina. Mampianatra sy mampiofana antsika mahakasika ny fomba hampiasana ireo fitaovana tsara ireo eny amin’ny fanompoana koa i Jehovah, mandritra ny fivorian’ny fiangonana sy ny fivoriambe.

Manantena i Jehovah fa hiezaka mafy isika, na dia mampahery ny tanantsika aza izy. Tsarovy ny tenin’i Elisa mpaminany tamin’i Joasy Mpanjaka, rehefa nangataka fanampiana tany aminy io mpanjaka io mba handresena ny mpanafika syrianina. Nasain’i Elisa izy handray zana-tsipìka vitsivitsy sy hikapoka ny tany tamin’izy ireo. Hoy ny Baiboly: “Nokapohiny intelo, dia nitsahatra izy. Ary ilay lehilahin’Andriamanitra dia tezitra taminy ka nanao hoe: Tokony ho nikapoka indimy na inenina hianao, dia ho nasianao ny Syrianina mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Syrianina.” (2 Mpanjaka 13:18, 19) Zara raha niezaka i Joasy, ka tsy resiny tanteraka ny Syrianina.

Mila manaraka io toro lalana io koa isika raha te hamita ny zavatra ampanaovin’i Jehovah antsika. Tsy tokony hanahy isika, fa hazoto sy hanao ny asa anendrena antsika amin’ny fo rehetra, na dia sarotra aza izy io, ary na misy aza ny vato misakana. Mila mampahery ny tanantsika isika, sady miantehitra amin’ny fanampian’i Jehovah.—Isaia 35:3, 4.

Hampahery ny tanantsika i Jehovah

Hanampy antsika ary hampahery ny tanantsika foana i Jehovah mba hanaovantsika ny sitrapony. Mazava ho azy fa tsy hanao fahagagana akory Andriamanitra, ka hanao ny zavatra rehetra ho antsika. Antenainy hanao ny anjarantsika isika, dia ny famakiana Baiboly isan’andro, ny fanomanana sy fanatrehana fivoriana tsy tapaka, ny fanaovana fanompoana matetika araka izay azo atao, ary ny vavaka tsy tapaka. Hanome antsika hery hamitantsika ny anjarantsika i Jehovah, raha mazoto manao izany amim-pahatokiana isika.—Filipiana 4:13.

Raiso, ohatra, ny Kristianina iray izay namoy ny vadiny sy ny reniny tao anatin’ny herintaona. Nandao ny zanany lahy ny vinantony sady tsy nanompo an’i Jehovah intsony, taoriana kelin’izay. Hoy io rahalahy io: “Takatro fa tsy azontsika atao ny mifidy izay fitsapana hahazo antsika, na ny fotoana hitrangany, na ny isany.” Inona no nampahery azy? “Nanampy ahy tsy hamoy fo ny vavaka sy ny fianarana samirery. Tena nampahery ahy koa ny fanohanan’ireo rahalahy sy anabavy. Tsapako koa fa ny tena zava-dehibe indrindra dia ny miezaka mifandray tsara amin’i Jehovah dieny mbola tsy misy ny zava-manahirana.”

Aoka ianao hitoky tanteraka amin’i Jehovah sy hanaraka tsara ireo fandaharana nomeny mba hampaherezana ny tananao, na inona na inona zavatra zakainao. Ho afaka hanao fanompoana faran’izay tsara ho an’i Jehovah ianao amin’izay, ka hitondra dera sy voninahitra ho an’ny anarany sarobidy.—Hebreo 13:15.

[Sary, pejy 31]

Zara raha niezaka i Joasy, ka tsy resiny tanteraka ny Syrianina