Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ankafizo ny Fianarana Samirery ny Tenin’Andriamanitra

Ankafizo ny Fianarana Samirery ny Tenin’Andriamanitra

Ankafizo ny Fianarana Samirery ny Tenin’Andriamanitra

“Hisaina ny asanao rehetra aho ary hihevitra ny nataonao.”​—SALAMO 77:12.

1, 2. a) Nahoana isika no tsy maintsy manokana fotoana hisaintsainana? b) Inona no dikan’ny hoe ‘misaintsaina’?

TOKONY ho ny zava-dehibe indrindra amintsika mpianatr’i Jesosy Kristy, ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy ny antony hanompoantsika azy. Be atao anefa ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, ka tsy mba maka fotoana hisaintsainana. Revo tanteraka amin’ny fikatsahana harena sy ny fividianan-javatra ary ny fahafinaretana tsy mahasoa izy ireo. Ahoana no hanalavirantsika ny fikatsahana zava-poana toy izany? Tsy maintsy manokana fotoana isika isan’andro mba hisaintsainana ny asan’i Jehovah sy izay ataony, tahaka ny hanokanantsika fotoana isan’andro amin’ireo zavatra tena ilaina, toy ny fihinanana sy fatoriana.—Deoteronomia 8:3; Matio 4:4.

2 Mba maka fotoana hisaintsainana ve ianao? Inona no dikan’ny hoe misaintsaina? Io teny io dia midika hoe mampifantoka ny saina: mihevitra na mandinika na mieritreritra mangina sy tsara ary lalina. Inona no hevitr’izany ho antsika?

3. Miankina amin’ny inona ny fandrosoana ara-panahy?

3 Izany dia tokony hampahatsiahy antsika izay nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’i Timoty, mpiara-manompo taminy. Hoy izy: “Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana. . . . Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin’izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.” Tena nantenaina handroso ara-panahy àry ny Kristianina, ary asehon’ireo tenin’i Paoly ireo fa niankina tamin’ny fisaintsainana zavatra ara-panahy izany. Marina koa izany ankehitriny. Tsy maintsy ‘mazoto mihevitra’ na misaintsaina sy ‘mikely aina fatratra’ amin’izay zavatra mifandray amin’ny Tenin’Andriamanitra isika, raha te handroso ara-panahy.—1 Timoty 4:13-15.

4. Inona no azonao ampiasaina mba hisaintsainana tsy tapaka ny Tenin’i Jehovah?

4 Miankina aminao sy ny fahazaran’ny fianakavianao ny fotoana tsara indrindra isaintsainanao. Maro no misaintsaina andinin-teny ara-baiboly ny maraina, rehefa mamaky ny bokikely Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro. Manomboka ny andro amin’ny fandinihana ny andinin-teny ho an’ny andro mandritra ny fahefatr’adiny, ohatra, ireo mpiasa an-tsitrapo 20 000 eo ho eo any amin’ny Betela maneran-tany. Betelita vitsivitsy monja isa-maraina no mamelabelatra ilay andininy, fa ny sisa misaintsaina izay lazaina sy vakina. Rehefa mandeha miasa indray ny Vavolombelona hafa no misaintsaina ny Tenin’i Jehovah. Mihaino kasety mirakitra famakiana Baiboly na gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, izay misy amin’ny fiteny sasany, izy ireo. Rehefa manao raharaha indray ny vehivavy maro mpikarakara tokantrano no mihaino azy ireny. Manahaka an’i Asafa mpanao salamo izy ireo. Hoy izy: “Hampahatsiaro ny asan’i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha; eny, hisaina ny asanao rehetra aho ary hihevitra ny nataonao.”—Salamo 77:11, 12.

Mitondra soa ny fananana toe-tsaina tsara

5. Nahoana no tokony ho zava-dehibe amintsika ny fianarana samirery?

5 Tsy mamaky teny firy intsony ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, satria efa betsaka ny tele sy vidéo ary ordinatera. Tsy tokony ho toy izany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Mampifandray antsika amin’i Jehovah sy iankinan’ny aintsika mantsy ny famakiana Baiboly. Nandimby an’i Mosesy i Josoa, ka lasa mpitarika ny Isiraely, an’arivo taona lasa izay. Tsy maintsy namaky ny Tenin’i Jehovah Andriamanitra izy mba hahazoana ny fitahiany. (Josoa 1:8; Salamo 1:1, 2) Mbola izany ihany no takina ankehitriny. Mety ho sarotra na mafy amin’ny sasany anefa ny mamaky teny, noho izy ireo tsy nandia fianarana firy. Inona àry no hanampy antsika hazoto hamaky sy hianatra ny Tenin’Andriamanitra? Mamaly izany i Solomona Mpanjaka ao amin’ny Ohabolana 2:1-6. Sokafy àry, aza fady, ny Baibolinareo ary vakio ireo andininy ireo. Hiarahantsika midinika izy ireo avy eo.

6. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fahalalana an’Andriamanitra?

6 Izao no fampirisihana hitantsika eo am-piandohana: “Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko, ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao, ary ampitandremanao fahalalana ny fonao; . . .” (Ohabolana 2:1, 2) Inona no ianarantsika avy amin’ireo teny ireo? Isika tsirairay mihitsy no manana andraikitra hianatra ny Tenin’Andriamanitra. Mariho ilay fepetra hoe “raha raisinao ny teniko.” Zava-dehibe ilay teny hoe “raha”, satria tsy manongilan-tsofina amin’ny Tenin’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona. Mba hahatonga ny fianarana ny tenin’i Jehovah hahafinaritra anefa, dia tsy maintsy vonona handray ny teniny isika ary hihevitra azy io ho toy ny harena tsy irintsika ho very. Tsy tokony ho be hatao na ho variana loatra amin’ny asa fanaontsika isan’andro isika, ka hanjary tsy ho liana intsony amin’ny Tenin’Andriamanitra, na hisalasala ny amin’ny fahamarinan’izy io mihitsy aza.—Romana 3:3, 4.

7. Nahoana isika no tokony hanatrika fivoriana sy hanongilan-tsofina rehefa any?

7 Tena ‘manongilan-tsofina’ tsara ve isika rehefa hazavaina any am-pivoriana ny Tenin’Andriamanitra? (Efesiana 4:20, 21) ‘Ampitandremantsika fahalalana ve ny fontsika’? Tsy tena mahay angamba ilay mpandahateny, nefa tokony hihaino tsara azy isika, satria Tenin’Andriamanitra no resahiny. Mazava ho azy fa tsy maintsy manatrika fivoriana isika, raha mbola afaka, mba hahafahana hanongilan-tsofina amin’ny fahendren’i Jehovah. (Ohabolana 18:1) Eritrereto ange ny fahadisoam-panantenan’ireo rehetra mety tsy ho tonga nivory tao amin’ilay efitra ambony tany Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33 e! Na dia tsy mampitolagaga be toy ny tamin’iny fotoana iny aza ny fivoriantsika, dia ny Baiboly no dinihintsika any ary io no tena boky fianarantsika. Afaka ny hitondra soa ho antsika àry ny fivoriana rehetra, raha manongilan-tsofina sy manaraka ao amin’ny Baibolintsika isika.—Asan’ny Apostoly 2:1-4; Hebreo 10:24, 25.

8, 9. a) Mitaky inona amintsika ny fianarana samirery? b) Ampitahao ny hasarobidin’ny volamena sy ny fahazoana fahalalana an’Andriamanitra.

8 Nanohy ny teniny toy izao ilay mpanjaka hendry: “Eny, raha miantso ny fahalalana hianao ary manandratra ny feonao hahazo saina, . . .” (Ohabolana 2:3) Toe-tsaina manao ahoana no tian’izany teny izany hampitaina amintsika? Faniriana mafy hahatakatra ny Tenin’i Jehovah! Te hilaza izy eo fa tokony ho vonona hianatra isika, mba hananana fahaiza-manavaka, izany hoe hahatakatra ny sitrapon’i Jehovah. Mazava loatra fa mitaky ezaka izany, ary izany no hitantsika ao amin’ny teny sy fanoharana nataon’i Solomona manaraka.—Efesiana 5:15-17.

9 Hoy izy: “Raha mitady azy [fahalalana] toy ny fitady volafotsy hianao ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: . . .” (Ohabolana 2:4) Izany dia mampahatsiahy antsika ny nataon’ny olona nandritra ny taonjato maro rehefa nitrandraka ireo metaly lazaina fa sarobidy, dia ny volafotsy sy volamena. Nisy nahavita namono olona mihitsy mba hahazoana volamena. Ny hafa indray nandany ny androm-piainany hitadiavana azy io. Tena sarobidy ve anefa ny volamena? Raha very any an-tany efitra ianao ary mangetaheta be, inona no ho tianao: Volamena sa rano iray vera? Nazoto erỳ anefa ny olona nikatsaka volamena, na dia izy ihany aza no mamaritra ny vidin’izy io sady mbola miovaova be koa izany vidiny izany! * Tokony ho be lavitra noho izany àry ny zotom-pontsika mikatsaka fahendrena sy fahaiza-manavaka ary fahalalana an’Andriamanitra sy ny sitrapony! Inona anefa no soa azontsika rehefa manao izany isika?—Salamo 19:7-10; Ohabolana 3:13-18.

10. Inona no ho hitantsika raha mianatra ny Tenin’Andriamanitra isika?

10 Hoy ihany i Solomona: “Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.” (Ohabolana 2:5) Mahagaga tokoa izany hoe isika olombelona mpanota dia afaka hahita ‘ny fahalalana an’i Jehovah Andriamanitra’, ilay Tompo Fara Tampony eo amin’izao rehetra izao! (Salamo 73:28; Asan’ny Apostoly 4:24) Efa hatramin’ny ela ny manam-pahaizana sy ireo antsoina hoe olon-kendry eo amin’izao tontolo izao no niezaka hahafantatra ny zavatra saro-takarina momba ny fiainana sy izao rehetra izao. Tsy nahita “ny fahalalana an’Andriamanitra” anefa izy ireo. Fa nahoana? Na dia efa ela be aza izy io no hita ao amin’ny Baiboly, dia lavin’izy ireo satria tsotra loatra, hono, ka sady tsy ekeny no tsy azony.—1 Korintiana 1:18-21.

11. Inona avy no soa azo rehefa manao fianarana samirery?

11 Manasongadina izao hevitra mampahery hafa izao i Solomona: “Jehovah no manome fahendrena; avy amin’ny vavany no ihavian’ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.” (Ohabolana 2:6) Vonona hanome fahendrena sy fahalalana ary fahazavan-tsaina ho an’izay rehetra vonona hitady izany i Jehovah, ary malala-tanana amin’izany izy. Tokony hankamamy ny fianarana samirery ny Teniny àry isika, na dia tena mitaky ezaka sy fifehezan-tena ary sorona aza izany. Soa ihany fa efa manana ny Baiboly isika fa tsy voatery mandika tanana azy io toy ny olona sasany tamin’ny andro fahiny!—Deoteronomia 17:18, 19.

Mba handeha mendrika an’i Jehovah

12. Inona no tokony hanosika antsika hikatsaka fahalalana an’Andriamanitra?

12 Inona no tokony hanosika antsika hianatra samirery? Mba hisehoana ho tsara kokoa noho ny hafa ve? Sa mba hampiderana fahaizana? Sa mba ho tapitra ohatra amin’ny fahalalana ny Baiboly fotsiny? Tsia. Ny tanjontsika dia ny hitondra tena sy hiteny toy ny Kristianina, ho vonon-kanampy foana ary hamelombelona toa an’i Kristy. (Matio 11:28-30) Nampitandrina ny apostoly Paoly hoe: “Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso.” (1 Korintiana 8:1) Tokony hanetry tena isika, toa an’i Mosesy izay nilaza tamin’i Jehovah hoe: ‘Ampahafantaro ny lalanao aho hahalalako Anao, mba hahitako fitia eo imasonao.’ (Eksodosy 33:13) Ny hampifaly an’Andriamanitra àry no tokony hahatonga antsika haniry hahazo fahalalana, fa tsy ny hampiaiky volana ny olona. Irintsika ny ho mpanompon’Andriamanitra mendrika sy manetry tena. Ahoana no ahatongavantsika amin’izany?

13. Inona no takina mba ho mpanompon’Andriamanitra mendrika?

13 Natoron’i Paoly an’i Timoty ny fomba ampifaliana an’Andriamanitra. Hoy izy: “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.” (2 Timoty 2:15) Ilay teny hoe “mizara tsara” dia avy amin’ny matoanteny grika nidika tany am-boalohany hoe ‘manapaka mahitsy.’ (Dikan-teny Isan’andalan’ilay Fanjakana, anglisy) Araka ny mpivaofy teny sasany, izany dia toa manondro mpanjaitra manapaka lamba mifanaraka amin’ny modely iray, na tantsaha manao soritr’asa amin’ny angadinomby, ary ny toy izany. Na inona na inona tondroin’izany, dia tsy maintsy mahitsy tsara ny vokany. Ny hevi-dehibe àry dia hoe tsy maintsy ‘nazoto’ na nanao izay farany azony natao i Timoty, mba hahazoana antoka fa nifanaraka tamin’ny teny fahamarinana ny fampianarany sy ny fitondran-tenany. Amin’izay izy dia ho mpanompon’Andriamanitra mendrika sy ankasitrahana.—1 Timoty 4:16.

14. Inona no tokony ho herin’ny fianarantsika samirery eo amin’ny ataontsika sy lazaintsika?

14 Niresaka hevitra toy izany i Paoly, rehefa nampirisika ny Kristianina tany Kolosia ‘mba handeha mendrika an’i Jehovah, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra.’ (Kolosiana 1:10) Ny hoe mendrika an’i Jehovah eto dia ampifandraisin’i Paoly amin’ny hoe “mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra” sy “mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia tsy ny fiheverantsika ny fahalalana ho sarobidy fotsiny no zava-dehibe amin’i Jehovah, fa ny fanarahantsika akaiky ny Teniny koa, amin’ny ataontsika sy lazaintsika. (Romana 2:21, 22) Midika izany fa tsy maintsy manan-kery eo amin’ny eritreritsika sy fitondran-tenantsika ny fianarantsika samirery, raha irintsika ny hampifaly an’Andriamanitra.

15. Ahoana no iarovantsika sy ifehezantsika ny saina sy eritreritsika?

15 Tapa-kevitra ny hanimba ny ara-panahintsika i Satana ankehitriny, ka mampitombo ny ady ataon’ny saintsika. (Romana 7:14-25) Tsy maintsy miaro sy mifehy ny saintsika sy eritreritsika àry isika mba ho mendrika an’i Jehovah Andriamanitra. Manana fiadiana isika, dia “ny fahalalana an’Andriamanitra.” Afaka “mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy” izy io. Vao mainka izany manosika antsika hanao fianarana samirery ny Baiboly isan’andro, satria irintsika hesorina ao an-tsaintsika izay eritreritra feno fitiavan-tena sy araka ny nofo.—2 Korintiana 10:5.

Fanampiana mba hahazoana hevi-javatra

16. Ahoana no andraisantsika soa amin’ny fampianaran’i Jehovah?

16 Mitondra soa ara-nofo sy ara-panahy ny fampianaran’i Jehovah. Tsy mahamonamonaina na resa-be fotsiny izy io. Izao, ohatra, no vakintsika: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao.” (Isaia 48:17) Ahoana no itarihan’i Jehovah antsika amin’ny lalany mahasoa? Ny Teniny ara-tsindrimandry, dia ny Baiboly Masina, no fitaovana voalohany indrindra anaovany izany. Io no tena boky fianarantsika, ary ao foana isika no mitady fanampiana sy fanazavana. Izany no mahatsara ny manaraka ao amin’ny Baiboly rehefa any am-pivoriana. Tena misy vokany tsara izany, araka ny asehon’ny tantaran’ilay ionoka etiopianina ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-8.

17. Inona no nitranga tamin’ilay ionoka etiopianina, ary inona no asehon’izany?

17 Niova nanaraka ny fivavahana Jodaisma ilay ionoka etiopianina. Tena nino an’Andriamanitra izy ary nianatra ny Soratra Masina. Teo am-pamakiana ny bokin’i Isaia tao anaty kalesiny izy, no nihazakazaka nanatona azy i Filipo ary nanontany hoe: “Moa fantatrao va izay vakinao?” Inona no navalin’ilay ionoka? “Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy? Ary izy nangataka an’i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy.” Notarihin’ny fanahy masina i Filipo avy eo, ka nanazava taminy ny faminanian’i Isaia. (Asan’ny Apostoly 8:27-35) Inona no asehon’izany? Hitantsika amin’izany fa tsy ampy ny mamaky samirery ny Baiboly mba hahazoana ny hevitr’izy io. Mampiasa ny mpanompo mahatoky sy malina i Jehovah, amin’ny alalan’ny fanahiny, mba hanampy antsika hahazo ny hevitry ny Teniny amin’ny fotoana mety. Ahoana no anaovany izany?—Matio 24:45-47; Lioka 12:42.

18. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny mpanompo mahatoky sy malina antsika?

18 Marina fa antsoina hoe ‘mahatoky sy malina’ ilay mpanompo, nefa tsy nilaza i Jesosy fa tsy mety diso izy io. Mbola Kristianina tsy lavorary ihany ireo voahosotra mahatoky ireo. Mety ho diso hevitra toy ny voahosotra tamin’ny taonjato voalohany izy ireo indraindray, na dia tena tsara fikasa aza. (Asan’ny Apostoly 10:9-15; Galatiana 2:8, 11-14) Tsara anefa ny antony manosika azy ireo hanao zavatra, ka ampiasain’i Jehovah mba hanome antsika fitaovana fianarana Baiboly izy ireo, hanatanjahana ny finoantsika ny Tenin’Andriamanitra sy ny fampanantenany. Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (frantsay) no fitaovana lehibe indrindra nomen’ilay mpanompo antsika mba hanaovana fianarana samirery. Misy amin’ny fiteny 42 izy io ankehitriny, na izy manontolo na ny ampahany, ary 114 tapitrisa no natao pirinty. Ahoana no ampiasana tsara azy io rehefa manao fianarana samirery isika?—2 Timoty 3:14-17.

19. Nahoana no manampy antsika amin’ny fianarana samirery ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, Misy Fanondroana Andininy Hafa?

19 Raiso, ohatra, ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, Misy Fanondroana Andininy Hafa (frantsay). Misy fanamarihana ambany pejy ao amin’izy io, ankoatra ny fanondroana andininy hafa eo afovoan’ny pejy. Misy fizahan-teny fohifohy koa ao: ny “Fanondroana Teny ao Amin’ny Baiboly” sy ny “Fanondroana Teny ao Amin’ny Fanamarihana Ambany Pejy.” Ao koa ny Fanazavana Fanampiny, izay ahitana loha hevitra 43 sy sarintany. Misy koa ny “Teny Fampidirana”, izay manazava ireo loharanon-kevitra maro be nampiasaina tamin’ny fandikana an’io Baiboly tsy manan-tsahala io. Raha misy amin’ny fiteny hainao izy io, dia ataovy izay hifankazaranao tsara amin’ireo lafin-javatra ireo ary ampiasao izy ireo. Na ahoana na ahoana, dia ny Baiboly no fototry ny fianarantsika. Ary ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao dia dikan-teny manasongadina tsara ny anaran’Andriamanitra sy ny fanapahan’ilay Fanjakany.—Salamo 149:1-9; Daniela 2:44; Matio 6:9, 10.

20. Inona avy ireo fanontaniana mitaky valiny momba ny fianarana samirery?

20 Mety hanontany tena isika izao hoe: ‘Inona, ankoatra izany, no ilaintsika mba hahazoana ny hevitry ny Baiboly? Aiza no hahitantsika fotoana hianarana samirery? Inona no azo atao mba hahitam-bokatra kokoa ilay fianarana? Inona no tokony ho fiantraikan’ny fianarantsika eo amin’ny hafa?’ Handinika ireo lafin-javatra tena lehibe momba ny fandrosoantsika Kristianina ireo ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Niovaova be ny vidin’ny volamena nanomboka tamin’ny 1979. Nahatratra 181 000 FMG teo ho eo ny grama tamin’ny 1980, nefa tafidina ho 54 000 FMG teo ho eo izany tamin’ny 1999.

Tadidinao Ve?

• Inona no dikan’ny hoe ‘misaintsaina’?

• Ahoana no tokony hiheverantsika ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra?

• Inona no tokony hanosika antsika hianatra samirery?

• Inona avy no fitaovana manampy antsika hahazo ny hevitry ny Baiboly?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Hitan’ny mpianakavin’ny Betela ho mampahery ny manomboka ny andro tsirairay amin’ny fandinihana andinin-teny ara-baiboly

[Sary, pejy 15]

Azo ampiasaina tsara hihainoana kasety mirakitra famakiana Baiboly ny fotoana anaovana dia

[Sary, pejy 16]

Niasa mafy sy ela ny olona mba hahazoana volamena. Toy inona ny ezaka ataonao mba hianarana ny Tenin’Andriamanitra?

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy of California State Parks, 2002

[Sary, pejy 17]

Harena afaka mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay ny Baiboly