Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asaina Manome Mihoatra Noho Izay Azo Omena

Asaina Manome Mihoatra Noho Izay Azo Omena

Asaina Manome Mihoatra Noho Izay Azo Omena

“TSY mampaninona ahy na antsoinao hoe mpangataka aza aho. Mangata-bola ho an’i Jesosy aho mantsy.” Mampisy adihevitra ny fomba itadiavan’ny fivavahana vola, araka izany tenin’ny pasitera protestanta iray izany. Toa tsy afaka manohy ny asany ireo fivavahana lehibe raha tsy mahazo vola be. Misy karama tokony haloa sy tempoly ilaina haorina na hokojakojaina mantsy. Mitaky vola koa ny fampielezana ny filazantsara. Ahoana no tokony hitadiavam-bola hanaovana izany?

Ny ampahafolon-karena no vahaolana raisin’ny eglizy maro. * Hoy ny pasitera Norman Robertson: “Ny ampahafolon-karena no fomba hamatsian’Andriamanitra vola ny fanjakany eto an-tany. Ny fandaharany ara-bola no ahafahana mitory ny Filazantsara.” Tsy misalasala io pasitera io mampahatsiahy ny mpanara-dia azy mba hanatontosa ny andraikiny hanao fanomezana. Nanantitrantitra izy hoe: ‘Tsy rehefa afaka ihany ianao vao tokony hanome ny ampahafolon-karena. Mampiseho ianao hoe mankatò, rehefa mandoa azy io. Raha tsy izany, dia tena mandika ny didin’Andriamanitra ianao, ary halatra izany.’—Ampahafolon-karena—Teti-bolan’Andriamanitra (anglisy).

Azo inoana fa ekenao hoe tokony hanao fanomezana ny Kristianina. Mahasosotra anao anefa ve ny fangataham-bola lava, angamba manafintohina anao mihitsy aza? Manome tsiny ny eglizy ilay teolojianina brezilianina atao hoe Inácio Strieder, satria ampiasain’izy io “hamahana ny olana ao aminy” ny ampahafolon-karena. Ambarany koa fa “tsy ara-dalàna [izany], sady fanararaotana, ary mifanohitra amin’ny teolojia.” Izany, hoy izy, no mahatonga ny olona hihevitra “fa nafoin’Andriamanitra izy ireo. Anisan’izany ireo tsy an’asa, ny mpitondratena, ireo mipetraka any amin’ny faritanàna mahantra ary ny olona tsy mba mamakafaka hevitra. Mino izy ireo fa voatery hanome vola be ho an’ilay ‘mpitory teny’, ka ny ankohonany indray no lasa tsy ampy sakafo.”

Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Mampihatra ny Soratra Masina araka ny tokony ho izy ve ny eglizy mitaky ny ampahafolon-karena? Sa mety hisy fivavahana mampirisika ny olona hatahotra an’Andriamanitra ve mba hakana vola avy amin’izy ireo fotsiny? Tena mitaky ny hanomezantsika mihoatra noho izay azontsika omena ve Andriamanitra?’

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ny ampahafolon’ny tontalin’ny fidiram-bolan’ny olona iray no atao hoe ampahafolon-karena.