Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Tokony hanatsoaka hevitra ve isika, araka ny Apokalypsy 20:8, fa olona tsy tambo isaina no ho voafitak’i Satana amin’ilay fitsapana farany?

Milaza ny Apokalypsy 20:8 fa hanafika farany ny mponina eto an-tany i Satana, amin’ny faran’ny Fanjakana arivo taonan’ny Mesia. Araka ilay andinin-teny, i Satana dia “hivoaka hamitaka ny firenena eny amin’ny vazan-tany efatra, dia Goga sy Magoga, mba hanangona azy ho any amin’ny ady; tahaka ny fasiky ny ranomasina ny isany.”

Na dia mandroso aza ny siansa sady ary fomba kokoa ny fitaovana ampiasaina, dia mbola tsy misy mahafantatra ny isan’ny “fasiky ny ranomasina.” Azo lazaina àry fa isa tsy voafaritra no asehon’io teny io, ary tsy fantatra hoe firy. Manondro isa tena tsy tambo isaina ve anefa izy io, sa isa be dia be saingy tsy fantatra fotsiny hoe firy marina?

Ampiasaina amin’ny fomba maro ilay teny hoe “tahaka ny fasiky ny ranomasina” ao amin’ny Baiboly. Izao, ohatra, no vakintsika ao amin’ny Genesisy 41:49: “Josefa namory vary tahaka ny fasika any an-dranomasina, eny, be indrindra, ka tsy nanisa intsony izy, satria efa tsy hita isa.” Ilay vokatra tsy tambo isaina no tiana hohamafisina eto. Nilaza koa i Jehovah hoe: “Toy ny hamaroan’ny kintana eny amin’ny lanitra, izay tsy azo isaina, ary toy ny fasika any amin’ny ranomasina, izay tsy azo afatra, dia toy izany no hanamaroako ny taranak’i Davida mpanompoko.” Hanatanteraka ny fampanantenany tokoa i Jehovah, ka hataony tsy voaisa tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ny fasika any an-dranomasina ny taranak’i Davida.—Jeremia 33:22.

Matetika no manondro zavatra maro be ny hoe “fasiky ny ranomasina.” Natahotra mafy ny Isiraelita tany Gilgala satria “tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina” ny miaramila vory tany Mikmasy. (1 Samoela 13:5, 6; Mpitsara 7:12) Ary “Andriamanitra nanome an’i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina.” (1 Mpanjaka 5:9) Voafetra ihany anefa ireo zavatra resahina eo ireo, na dia be dia be aza.

“Ny fasiky ny ranomasina” koa dia afaka manondro isa tsy voafaritra, nefa tsy voatery ho tsy tambo isaina. Hoy i Jehovah tamin’i Abrahama: “Hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina” aho. (Genesisy 22:17) Nampiasa ny teny hoe “vovoka amin’ny tany” i Jehovah rehefa namerina io fampanantenana io tamin’i Jakoba, zafikelin’i Abrahama, ary “fasika any an-dranomasina” indray no nilazan’i Jakoba azy. (Genesisy 28:14; 32:13) Fantatra anefa tatỳ aoriana fa i Jesosy Kristy, miampy ireo olona miisa 144 000 no “taranak’i” Abrahama, ary nantsoin’i Jesosy hoe “ondry vitsy” izy ireo.—Lioka 12:32; Galatiana 3:16, 29; Apokalypsy 7:4; 14:1, 3.

Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo ohatra ireo? Tsy voatery ho isa tsy tambo isaina foana ny hoe “tahaka ny fasika any an-dranomasina.” Matetika izy io no manondro isa maro be, saingy tsy fantatra hoe firy marina. Mety àry ny hinoana fa tsy voatery ho tsy tambo isaina ny olona hikomy hiaraka amin’i Satana rehefa hanafika ny vahoakan’Andriamanitra izy. Betsaka ihany anefa izy ireo, ka mampahatahotra. Mbola tsy fantatra anefa io isa io hatramin’izao.