Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fianarana avy Amin’ny Finoan’i Josoa

Fianarana avy Amin’ny Finoan’i Josoa

Fianarana avy Amin’ny Finoan’i Josoa

“EFA maty Mosesy mpanompoko”, hoy i Jehovah, “koa mitsangàna, mità ity Jordana ity hianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin’ny tany izay omeko azy.” (Josoa 1:2) Tena asa sarotra no niandry an’i Josoa! Efa ho 40 taona izy no mpanampy an’i Mosesy. Nasaina nandimby ny tompony izy izao, ka hitarika ny zanak’Isiraely, izay vahoaka maditra, ho any amin’ny Tany Nampanantenaina.

Niverina tao an-tsainy daholo angamba ny fisedrana efa nandalovany, rehefa nieritreritra izay niandry azy izy. Azo antoka fa tena nanampy an’i Josoa ny zavatra tadidiny, ary mety hanampy ny Kristianina koa izany ankehitriny.

Andevo lasa mpitari-tafika

Tadidin’i Josoa tsara ny taona maro naha andevo ny zanak’Isiraely. (Eksodosy 1:13, 14; 2:23) Tsy tena fantatsika ny fiainan’i Josoa nandritra izany, satria tsy miresaka ny tsipiriany rehetra momba izany ny Baiboly. Mety ho nianatra nandamin-javatra izy, nandritra ny fanompoany tany Ejipta. Mety ho nanampy koa izy, rehefa nalamina ny fandosiran’ny Hebreo sy “olona maro samy hafa firenena” avy tany Ejipta.—Eksodosy 12:38.

Avy tamin’ny fokon’i Efraima i Josoa. Filohan’io foko io i Elisama raibeny, ary toa nitarika miaramila 108 100 avy tamin’ny foko telo niaraka. (Nomery 1:4, 10, 16; 2:18-24; 1 Tantara 7:20, 26, 27) I Josoa anefa no notendren’i Mosesy hitari-tafika, rehefa nanafika ny Isiraely ny Amalekita, taorian’ny nialan’izy ireo tany Ejipta. (Eksodosy 17:8, 9a) Nahoana no i Josoa fa tsy ny raibeny na ny rainy, ohatra? Misy miteny hoe: ‘Anisan’ny filohan’ny fokon’i Efraima izy. Nalaza noho ny fahaizany nandamin-javatra koa izy, sady natokisan’ny olona. Hitan’i Mosesy àry fa izy no mpitarika hahay hifidy sy handamina ny miaramila.’

Na izany na tsy izany, dia tena nanao araka izay nandidian’i Mosesy i Josoa, rehefa nofidiny. Mbola tsy niady mihitsy ny Isiraely talohan’izay, nefa tena nino ny fanampian’Andriamanitra i Josoa. Natoky tanteraka àry izy raha vao niteny fotsiny i Mosesy hoe: “Rahampitso dia hijoro eo an-tampon’ny havoana aho ka hitana ny tehin’Andriamanitra etỳ an-tànako.” Azo inoana fa tadidin’i Josoa hoe vao haingana i Jehovah no nandringana ny tafika natanjaka indrindra tamin’izany. Natsangan’i Mosesy foana ny tanany mandra-pilentiky ny masoandro, ka tsy naharesy ny Isiraelita mihitsy ny fahavalony. Resy àry ny Amalekita. Nasain’i Jehovah nosoratan’i Mosesy tamin’ny boky sy ‘nambara tamin’i Josoa’ izao didy izao: “Hofoanako tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eny ambanin’ny lanitra.” (Eksodosy 17:9b-14) Tena ho vitan’i Jehovah ny hanatanteraka izany didim-pitsarana izany.

Mpanampy an’i Mosesy

Tsy maintsy ho nampifandray akaiky kokoa an’i Mosesy sy Josoa iny zava-nitranga tamin’ny Amalekita iny. Nanana tombontsoa ho mpanampy manokana an’i Mosesy, na ‘mpanompony’, i Josoa “hatry ny fony tanora” ka mandra-pahafatin’i Mosesy. Naharitra 40 taona teo ho eo izany asany izany.—Nomery 11:28.

Sady tombontsoa izany no andraikitra. Nety ho niara-niakatra tamin’i Mosesy, ohatra, i Josoa, rehefa nankany an-tendrombohitra Sinay izy sy Arona, sy ny zanak’i Arona, ary ny 70 tamin’ireo loholon’ny Isiraely, ka nahita ny voninahitr’i Jehovah. Mpanampy an’i Mosesy izy, ka niara-niakatra taminy teny ambony kokoa. Azo antoka fa nijanona lavidavitra izy, rehefa niditra tao amin’ilay rahona nampiseho ny fanatrehan’i Jehovah, i Mosesy. Toa nijanona tany an-tendrombohitra nandritra ny 40 andro sy 40 alina i Josoa. Tena nahandry ny fiverenan’i Mosesy i Josoa, satria nitsena an’i Mosesy izy, rehefa nidina nitondra ny vato fisaka nisy ny Vavolombelona i Mosesy.—Eksodosy 24:1, 2, 9-18; 32:15-17.

Mbola nanampy an’i Mosesy teo amin’ny tranolay fihaonana tany ivelan’ny toby i Josoa, taorian’ilay nivavahan’ny Isiraely tamin’ny ombilahy kely volamena. Niteny nivantana tamin’i Mosesy i Jehovah tao. Niverina tany an-toby i Mosesy avy eo, fa i Josoa kosa “tsy niala tamin’ny lay” mihitsy. Angamba tsy maintsy nijanona teo amin’io tranolay io izy, mba hanakanana ny Isiraelita tsy hiditra tao, satria naloto izy ireo. Tena hita mihitsy fa nanao tsara ny andraikiny i Josoa!—Eksodosy 33:7, 11.

Azo antoka fa nanatanjaka ny finoan’i Josoa ny fiarahana tamin’i Mosesy. Voalaza fa toy ny “fifandraisan’ny olon-dehibe sy tanora, na mpampianatra sy mpianatra”, ny an’i Mosesy sy Josoa, ka nanjary “lehilahy matotra sy azo nitokisana” i Josoa. Zokin’i Josoa 35 taona mantsy i Mosesy, araka ny filazan’i Josèphe mpahay tantara. Tsy manana mpaminany toa an’i Mosesy isika, nefa misy be taona efa nahita fiainana sady matotra ara-panahy eo anivon’ny fiangonan’ny vahoakan’i Jehovah. Tena manatanjaka sy mampahery izy ireny. Sarobidy aminao ve izy ireny? Mandray soa amin’ny fiarahana aminy ve ianao?

Nisafo ny tany Kanana

Anisan’ny zavatra lehibe teo amin’ny fiainan’i Josoa, ny zava-nitranga taoriana kelin’ny nahazoan’ny Isiraely ny Lalàna. Voafidy hisolo tena ny fokony hisafo ny Tany Nampanantenaina izy. Betsaka ny mahafantatra io tantara io. Niaiky daholo ireo mpisafo tany 12 fa “tondra-dronono sy tantely” tokoa ilay tany, araka ny nampanantenain’i Jehovah. Tsy nanam-pinoana anefa ny folo tamin’izy ireo ka nilaza fa tsy ho afaka handroaka ny olona nonina tao amin’ilay tany ny Isiraely. I Josoa sy Kaleba irery no niangavy ny olona tsy hikomy noho ny tahotra, satria homba azy ireo tokoa i Jehovah. Tsy nanaiky izay nolazain’izy roa lahy anefa ny fiangonana manontolo ary nandrahona hitora-bato azy. Saika vitan’izy ireo izany raha tsy nisalovana i Jehovah ka nampiseho ny voninahiny. Namoaka didy àry Andriamanitra fa tsy hiditra any amin’ny tany Kanana ny olona 20 taona no ho miakatra ka efa voaisa teo amin’ny Isiraely, satria tsy nanam-pinoana. I Josoa sy Kaleba ary ny Levita ihany sisa no ho velona.—Nomery 13:1-16, 25-29; 14:6-10, 26-30.

Tsy efa nahita ny asa lehibe nataon’i Jehovah tany Ejipta daholo ve ilay vahoaka? Nahoana anefa no nisalasala ny ankamaroan’izy ireo fa i Josoa kosa nino hoe hampian’Andriamanitra? Azo inoana fa nitadidy foana izay rehetra nampanantenain’i Jehovah sy nataony i Josoa, ary nisaintsaina azy ireny. Afaka niteny izy, taona maro tatỳ aoriana, fa ‘tsy nisy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain’i Jehovah tamin’ny Isiraely; efa tanteraka avokoa izy rehetra.’ (Josoa 23:14) Nino àry i Josoa fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nampanantenain’i Jehovah hoe mbola hataony. (Hebreo 11:6) Tokony hanontany tena àry isika hoe: ‘Ahoana ny amiko? Nanampy ahy hatoky ny fampanantenan’i Jehovah ve ny fiezahako hianatra sy hisaintsaina azy ireny? Mino ve aho fa afaka hiaro ahy miaraka amin’ny vahoakany Andriamanitra, mandritra ny fahoriana lehibe ho avy?’

Tsy vitan’ny hoe nanam-pinoana i Josoa, fa nanana herim-po hanaovana ny tsara koa. Izy sy Kaleba irery no niandany tamin’i Jehovah, fa ny fiangonana manontolo kosa nandrahona hitora-bato azy. Ahoana raha ianao no teo amin’ny toerany? Hatahotra ve ianao? Tsy natahotra i Josoa. Sahy nanambara izay ninoany izy sy Kaleba. Mety ho tsy maintsy hanao toy izany koa isika indray andro any, noho ny tsy fivadihana amin’i Jehovah.

Hitantsika ao amin’ilay tantaran’ireo mpisafo tany koa fa novana ny anaran’i Josoa. Hosea, midika hoe “Famonjena”, no anarany taloha. Nampian’i Mosesy vanin-teny iray avy amin’ny anaran’Andriamanitra io anarany io ka lasa nantsoina hoe Josoa izy, izay midika hoe “Jehovah no Famonjena.” Adikan’ny fandikan-tenin’ny Fitopolo hoe “Jesosy” ny anaran’i Josoa. (Nomery 13:8, 16) Tsy natahotra nanambara ny famonjen’i Jehovah, araka io anarany lehibe io tokoa, i Josoa. Tsy novaovana fotsiny akory ny anaran’i Josoa. Nampiseho kosa izany fa sarobidy tamin’i Mosesy ny toetrany. Nifanaraka tamin’ilay andraikitra lehibe hotanan’i Josoa koa izany, dia ny hitarika taranaka vaovao ho any amin’ny Tany Nampanantenaina.

Nirenireny tany an’efitra nandritra ny 40 taona ny Isiraely, ary maty tsikelikely ny rain’izy ireo. Tsy fantatsika izay nataon’i Josoa nandritra izany. Tsy maintsy ho nianatra zavatra betsaka anefa izy. Azo antoka fa hitany ny nanafaizan’Andriamanitra an’ireo nikomy, dia i Kora, Datana, Abirama, sy izay niaraka taminy. Hitany koa ny nanafaizana an’ireo nandray anjara tamin’ny fivavahana naharikoriko tamin’i Bala-peora. Azo inoana koa fa nalahelo be i Josoa rehefa nahafantatra fa anisan’ireo tsy hiditra any amin’ny tany nampanantenaina i Mosesy, satria tsy nanamasina an’i Jehovah, teo amin’ny ranon’i Meriba.—Nomery 16:1–17:15; 20:9-13; 25:1-9.

Voatendry ho mpandimby an’i Mosesy

Nangataka tamin’Andriamanitra i Mosesy, rehefa akaiky ho faty, mba hanendry olona hisolo azy, satria tsy tiany ho “tahaka ny ondry tsy misy mpiandry” ny Isiraely. Ahoana no navalin’i Jehovah? I Josoa, “lehilahy manam-panahy”, no nasainy notendrena teo anoloan’ny fiangonana manontolo. Tsy maintsy mihaino azy ny Isiraely. Tena voninahitra izany! Hitan’i Jehovah ny finoan’i Josoa sy ny fahaizany ka tsy nisy olona nahay nitarika ny Isiraely tahaka azy. (Nomery 27:15-20) Fantatr’i Mosesy anefa fa hahita zava-tsarotra i Josoa. Nampirisika azy mba ‘hahery sy hatanjaka’ àry i Mosesy, satria hiaraka aminy foana i Jehovah.—Deoteronomia 31:7, 8.

Naverin’i Jehovah tamin’i Josoa io fampaherezana io sady nampiany hoe: ‘Tandremo ny lalàna rehetra, izay nandidian’i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, mba hambinina hianao amin’izay rehetra alehanao. Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman’alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’izany dia hahalavorary ny làlanao hianao sady hambinina. Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao.’—Josoa 1:7-9.

Tsy nisalasala mihitsy i Josoa satria tao an-tsainy foana ny tenin’i Jehovah sady efa betsaka ny zavatra niainany. Tsy maintsy ho azo ilay tany. Tsy maintsy hisy ny zava-tsarotra, ka ny voalohany tamin’izany dia ny fiampitana ny Reniranon’i Jordana nandritra ny fotoana nampiakatra azy io. Nandidy an’i Josoa anefa i Jehovah hoe: “Mitsangàna, mità ity Jordana ity.” Natoky àry i Josoa fa ho resy daholo ny zava-tsarotra rehetra.—Josoa 1:2.

Hita tamin’ireo fisehoan-javatra nandritra ny fiainan’i Josoa fa tsy nanadino ny fampanantenan’Andriamanitra mihitsy izy. Teo, ohatra, ny nahazoana an’i Jeriko sy ny nandresena tsikelikely ny fahavalo ary ny nizarana ny tany. Efa naringan’i Jehovah daholo ny fahavalon’ny Isiraely tamin’i Josoa akaiky ho faty. Namory ny vahoaka rehetra i Josoa tamin’izay, mba hampahatsiahy ny amin’izay rehetra efa nataon’i Jehovah ho azy ireo, sy mba hampirisihana azy ireo hanompo an’i Jehovah tamin’ny fony rehetra. Nanavao ny fifanekeny tamin’i Jehovah indray àry ny Isiraely, ka ‘nanompo an’i Jehovah tamin’ny andro rehetra niainan’i Josoa.’ Azo inoana fa ny ohatra navelan’i Josoa no nandrisika azy ireo hanao izany.—Josoa 24:16, 31.

Namela ohatra tena tsara ho antsika i Josoa. Be dia be ny fitsapana ny finoan’ny Kristianina ankehitriny. Tena ilaina ny fiezahana handresy azy ireny, mba hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah hatrany sy mba hahazoana ny valisoa nampanantenainy. Nahomby i Josoa satria natanjaka ny finoany. Marina fa tsy nahita ny asa lehiben’Andriamanitra toa an’i Josoa isika, nefa raha misalasala isika, dia eo ny bokin’i Josoa, ao amin’ny Baiboly, mba hanaporofo amintsika fa tena mendri-pitokisana ny tenin’i Jehovah. Ho hendry sady hahomby toa an’i Josoa isika raha mamaky ny Tenin’Andriamanitra isan’andro, ka manao izay hampiharana azy io eo amin’ny fiainantsika.

Malahelo noho ny fihetsiky ny Kristianina sasany ve ianao indraindray? Tadidio fa niaritra nandritra ny 40 taona i Josoa, rehefa tsy maintsy niara-nirenireny tamin’ny olona tsy nanam-pinoana, na dia tsy nanao fahadisoana aza. Sarotra aminao ve ny miaro ny zavatra inoanao? Tadidio izay nataon’i Josoa sy Kaleba. Nahazo valisoa sarobidy izy ireo satria nanam-pinoana sy nankatò. Nino tokoa i Josoa fa hanatanteraka ny fampanantenany rehetra i Jehovah. Enga anie ka ho toy izany koa isika.—Josoa 23:14.

[Sary, pejy 10]

Nanatanjaka ny finoan’i Josoa ny fiarahany tamin’i Mosesy

[Sary, pejy 10]

Natoky ny herin’i Jehovah i Josoa sy Kaleba

[Sary, pejy 10]

Nandrisika ny olona tsy hivadika tamin’i Jehovah ny fitarihan’i Josoa