Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lasa Fonenanay ny Toerana Nanendrena Anay

Lasa Fonenanay ny Toerana Nanendrena Anay

Tantaram-piainana

Lasa Fonenanay ny Toerana Nanendrena Anay

NOTANTARAIN’I DICK WALDRON

Alahady tolakandro tamin’izay, volana Septambra 1953. Vao tsy ampy herinandro no nahatongavanay tatỳ Afrika Atsimoandrefana (Namibia ankehitriny). Efa nandamina fivoriana ho an’ny besinimaro sahady anefa izahay teto Windhoek renivohitra. Inona no nahatonga anay hiala tany Aostralia ka ho eto amin’ity tany afrikanina ity? Misionera tonga mba hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izahay mivady, niaraka tamin’ny tovovavy telo.—Matio 24:14.

TERAKA tany Aostralia aho tamin’ny 1914, izay taona nanan-tantara. Zatovo aho tamin’ilay krizy ara-toe-karena tamin’ny 1929, ka tsy maintsy nandray anjara tamin’ny famelomana ny fianakavianay. Tsy nisy ny asa tamin’izany, fa namorona tetika hisamborana bitrodia aho. Betsaka izy ireny tany Aostralia. Anisan’ny sakafo nentiko tsy tapaka ho an’ny fianakavianay àry ny henam-bitro.

Nahita asa ihany aho, tao amin’ny kalesin-dalamby sy aotobisy tany Melbourne, rehefa nipoaka ny ady tamin’ny 1939. Lehilahy 700 teo ho eo no nifandimby niara-niasa tamin’ireo aotobisy, ka hafa foana ny mpamily na ny mpitaky saran-dalana nihaona tamiko. Matetika aho no nanontany azy ireo hoe “Inona no fivavahanao?”, ary nasaiko nohazavainy ny zavatra ninoany. Tsy nisy nanome valiny nahafa-po ahy afa-tsy Vavolombelon’i Jehovah iray izay. Nohazavainy tamiko fa hiaina mandrakizay ao amin’ny tany paradisa ny olona matahotra an’Andriamanitra, araka ny Baiboly.—Salamo 37:29.

Nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny reniko tamin’izay. Matetika rehefa avy niasa alina aho, dia efa vonona ny sakafoko, niaraka tamin’ny gazety Fampiononana iray (Mifohaza! ankehitriny). Nahaliana ahy izay novakiko. Nanjary niaiky aho fa ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah no fivavahana marina. Nazoto niaraka tamin’ny fiangonana àry aho, ka natao batisa tamin’ny Mey 1940.

Nisy tranon’ny mpisava lalana tany Melbourne, ary Vavolombelon’i Jehovah mpanompo manontolo andro 25 no nipetraka tao. Nifindra tao koa aho. Nihaino azy ireo nitantara ny zavatra nahafaly hitany teny am-pitoriana aho isan’andro, ka naniry ho tonga mpisava lalana koa. Nanao fangatahana aho tatỳ aoriana. Nekena ny fangatahako, ka nasaina nanompo tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Aostralia aho. Nanjary anisan’ny mpianakavin’ny Betela àry aho.

Fampidirana am-ponja sy fandrarana

Anisan’ny asa nanendrena ahy tao amin’ny Betela ny fampandehanana milina iray fanatsofana hazo. Nanapaka hazo hanaovana saribao izahay mba hahazoana gaza hampandehanana ny fiaran’ny sampana. Tsy nisy solika firy mantsy tamin’izay noho ny ady. Nisy 12 izahay no niasa tamin’ilay milina fanatsofana hazo, ary samy nety ho voantso hanao miaramila avokoa. Tsy ela taorian’izay, dia voasazy higadra enim-bolana izahay, satria tsy nanaiky hanao miaramila, araka ny voalazan’ny Baiboly. (Isaia 2:4) Nampanaovina asa an-terivozona tao amin’ny toeram-pambolen’ilay fonja izahay. Inona no nasaina nataonay? Nahagaga fa nasaina nikapa hazo izahay, dia ilay asa efa nampianarina anay tao amin’ny Betela!

Nataonay tsara erỳ ny fikapana hazo, ka navelan’ilay lehiben’ny fonja hanana Baiboly sy boky ara-baiboly izahay, na dia norarana mafy tsy hahazo izany aza. Nandritra izany no nianarako lesona mahasoa momba ny fifandraisana amin’ny olona. Tsy nifanaraka tamin’ilay rahalahy iray izay mihitsy aho tao amin’ny Betela. Tena samy hafa be ny toetranay. Iza anefa, hoy ianareo, no nasaina niray efitra tamiko tany am-ponja? Io rahalahy io indrindra. Afaka nifankahalala tsara izahay tany, ka lasa mpinamana tsy nifankafoy.

Voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Aostralia tatỳ aoriana. Nalain’ny fanjakana ny tahirim-bola rehetra, ka tsy nanam-bola firy ireo rahalahy tao amin’ny Betela. Nisy rahalahy iray niteny tamiko indray mandeha hoe: “Dick a, te hiakatra any an-tanàna aho hitory, nefa tsy manana kiraro afa-tsy kiraro fitondra miasa.” Faly aho nanampy azy, ka ny kiraroko no nanaovany.

Renay avy eo fa nosamborina sy nogadraina izy satria nitory. Tsy naharitra aho fa nanoratra kely ho azy hoe: “Mampalahelo ahy ianao. Soa ihany fa tsy izaho no nanao ny kiraroko.” Voasambotra koa anefa aho taoriana kelin’izay, ka nogadraina indray satria tsy nanao miaramila. Rehefa afaka aho dia nasaina niandraikitra ny toeram-pambolena izay namatsy sakafo ho an’ny mpianakavin’ny Betela. Nandresy teny amin’ny fitsarana izahay tamin’izay, ka tsy voarara intsony ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nanambady mpitory be zotom-po

Nanomboka nieritreritra tsara momba ny fanambadiana aho tany amin’ilay toeram-pambolena, ary nanjary nanintona ahy i Coralie Clogan, anabavy mpisava lalana iray. Ny renibeny no liana voalohany tamin’ny hafatry ny Baiboly, tao amin’ny fianakavian’izy ireo. Talohan’ny nahafatesany, dia hoy izy tamin’i Vera, renin’i Coralie: “Tezao tsara ny zanakao mba ho tia sy hanompo an’Andriamanitra, dia hihaona ao amin’ny tany paradisa isika indray andro any.” Nihanazava ny dikan’ireo teny ireo tatỳ aoriana, rehefa nitsidika an’i Vera ny mpisava lalana iray, ary nitondra ilay bokikely hoe Olona An-tapitrisa Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy (anglisy). Ilay bokikely no nahatonga an’i Vera hiaiky fa fikasan’Andriamanitra ny hiainan’ny olombelona ao amin’ny tany paradisa. (Apokalypsy 21:4) Natao batisa izy tamin’ny fiandohan’ireo taona 1930. Nanaraka ny tenin’ny reniny koa izy, ka nanampy ny zanany vavy telo, i Lucy sy Jean ary Coralie, ho tia an’Andriamanitra. Nanohitra mafy ny fivavahan’izy ireo anefa ny rain’i Coralie, araka ny efa nolazain’i Jesosy fa mety hitranga ao an-tokantrano.—Matio 10:34-36.

Fianakaviana nahay mozika ry Clogan, ka samy nitendry zavamaneno ny ankizy. Nitendry lokanga i Coralie, ary nahazo diplaoma tamin’ny mozika izy tamin’izy 15 taona, tamin’ny 1939. Nanjary nieritreritra lalina momba ny hoaviny i Coralie rehefa nipoaka ny Ady Lehibe II. Tsy maintsy nanapa-kevitra momba izay hataony amin’ny fiainany izy. Azony natao anton’asa ny mozika, ary efa nahazo fanasana mba ho anisan’ny Orkesitr’i Melbourne izy. Azony natao koa anefa ny nanokana ny fotoanany ho an’ilay asa lehibe indrindra, dia ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nandinika tsara i Coralie sy ny rahavaviny roa, ary natao batisa tamin’ny 1940. Niomana hitory ny filazantsara manontolo andro koa izy ireo.

Tapa-kevitra àry i Coralie fa hanao ny fanompoana manontolo andro. Tsy ela taorian’izay dia nanatona azy i Lloyd Barry, rahalahy nanana andraikitra lehibe tao amin’ny sampan’i Aostralia, ary lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tatỳ aoriana. Vao avy nanao lahateny tany Melbourne izy tamin’izay, ary nilaza tamin’i Coralie hoe: “Hiverina any amin’ny Betela aho. Maninona ianao raha mandeha lamasinina miaraka amiko, ary miasa ao amin’ny Betela koa?” Nanaiky avy hatrany i Coralie.

Nandray anjara lehibe i Coralie sy ny anabavy betelita hafa, tamin’ny fanomezana boky sy gazety ho an’ireo rahalahy tany Aostralia, nandritra ny fandrarana tamin’ny fotoanan’ny ady. Izy ireo no nanao ny ankamaroan’ny pirinty, ary ny Rahalahy Malcolm Vale no nanara-maso izany. Natao pirinty sy nasiana fonony ny boky Ny Tontolo Vaovao (anglisy) sy Ankizy (anglisy), ary nivoaka avokoa ny nomerao tsirairay tamin’ny Tilikambo Fiambenana nandritra ny roa taona mahery nisian’ny fandrarana.

Tsy maintsy nafindra toerana in-15 ny fanaovana pirinty mba tsy ho tratran’ny polisy. Indray mandeha, dia natao pirinty tany anaty lakaly ireo boky sy gazety ara-baiboly, ary boky hafa no mody natao pirinty tao amin’ilay trano. Raha vao nisy loza nandrahona, dia afaka nanindry bokotra iray ilay anabavy teo amin’ny fandraisana olona, mba hampanenoana ny lakolosy tany anaty lakaly. Amin’izay dia afaka nanafina ny boky sy gazety ireo anabavy, talohan’ny nanombohan’ny fisavana.

Taitra mafy ny anabavy sasany indray mandeha, nandritra ny fisavana toy izany, satria nisy Tilikambo Fiambenana hitany niharihary teo ambony latabatra. Niditra ilay polisy, ka nametraka ny kitapony teo ambonin’ilay Tilikambo Fiambenana, ary nanomboka nisava. Tsy nahita na inona na inona izy, ka nandray ny kitapony ary lasa nivoaka!

Rehefa nesorina ilay fandrarana ka naverina ny fananan’ny sampana, dia maro tamin’ireo rahalahy no navela hanao ny asan’ny mpisava lalana manokana. Tamin’izay i Coralie no nanolo-tena hankany Glen Innes. Nanaraka azy tany koa aho, rehefa nivady izahay tamin’ny 1 Janoary 1948. Efa nisy fiangonana iray nandroso be tany rehefa niala tany izahay.

Tany Rockhampton no nanendrena anay manaraka. Tsy nahita trano hipetrahana anefa izahay, ka namelatra lay teo amin’ny toeram-pambolen’ny olona liana iray. Io lay io no nipetrahanay nandritra ny sivy volana. Nety ho nijanona tao elaela kokoa izahay, saingy rehefa tonga ny fahavaratra, dia nopotehin’ny sikilaonina ilay lay, ary nopaohin’ny oram-baratra.

Notendrena hanompo any an-tany hafa izahay

Naharay taratasy fanasana izahay tany Rockhampton, mba hanatrika ny kilasy faha-19 tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada, ka hiofana ho misionera. Izany no nahatonga anay ho atỳ Afrika Atsimoandrefana, araka ny anarany taloha, rehefa nahazo diplaoma tamin’ny 1952.

Tsy niandry ela ny mpitondra fivavahana tao amin’ny Kristianisma Anarana, fa nampiseho ny fiheverany ny asa misionera nataonay. Nandritra ny alahady enina nisesy, dia nampitandrina ny fiangonany izy ireo mba tsy hampandroso anay na hamela anay hamaky teny avy ao amin’ny Baiboly, satria mampikorotan-tsaina, hono, izany. Nahapetraka boky sy gazety maro izahay tao amin’ny faritra iray, kanefa nanaraka anay isan-trano ny pasitera iray ka nanangona azy ireny indray. Niady hevitra tamin’ilay pasitera izahay indray andro, ka hitanay fa feno bokintsika tao amin’ny biraony.

Tsy ela taorian’izay, dia nanomboka niahiahy momba ny asanay koa ny manam-pahefana. Azo antoka fa ny mpitondra fivavahana no nahatonga azy ireo hihevitra fa nifandray tamin’ny Kominista izahay. Nalaina àry ny peta-tondronay, ary nofotopotorana ny olona sasany notsidihinay. Nitombo foana anefa ny mpanatrika ny fivoriana na dia teo aza izany fanoherana rehetra izany.

Vao tonga izahay dia efa naniry mafy hizara ny hafatra ao amin’ny Baiboly tamin’ireo tompon-tany avy amin’ny foko Ovambo sy Herero ary Nama. Tsy mora anefa izany. Teo ambany fiadidian’i Afrika Atsimo, izay nanavakava-bolon-koditra, i Afrika Atsimoandrefana tamin’izany fotoana izany. Fotsy hoditra izahay, ka tsy nahazo nitory tany amin’ny faritanin’ny mainty hoditra raha tsy nahazo lalana avy tamin’ny fanjakana. Efa nanao fangatahana izahay, fa nolavin’ny manam-pahefana foana.

Nisy zavatra tsy nampoizina anefa, roa taona taorian’ny nanompoanay teto. Bevohoka i Coralie. Teraka tamin’ny Oktobra 1955 i Charlotte zanakay vavy. Tsy afaka nanao ny asan’ny misionera intsony izahay, kanefa nahita asa tapa-potoana aho, ary nanao ny asan’ny mpisava lalana ihany.

Nivaly ny vavaka nataonay

Niatrika zava-tsarotra hafa iray izahay tamin’ny 1960. Naharay taratasy i Coralie hoe narary mafy ny reniny, ka mety tsy hahita azy intsony izy raha tsy nody. Nikasa hiala tatỳ Afrika Atsimoandrefana àry izahay ary hiverina tany Aostralia. Tamin’iny herinandro tokony handehananay iny indrindra anefa, dia nahazo taratasy avy tamin’ny manam-pahefana teo an-toerana aho, namela anay hiditra tao Katutura, izay faritanin’ny mainty hoditra. Nieritreritra izahay hoe: ‘Inona àry izao no hatao? Havela amin’izao fotsiny ve ilay fanomezan-dalana nefa efa niadiana fito taona vao azo? Marina aloha fa azon’ny hafa tohizina ny asa natombokay. Kanefa, moa ve tsy fitahiana avy amin’i Jehovah izany? Tsy io ve no valin’ny vavakay?’

Nanapa-kevitra haingana aho. Naleoko tsy nandeha, sao ho very maina fotsiny ny ezaka mafy nataonay mba hijanonana maharitra tatỳ, raha nankany Aostralia izahay rehetra. Nofoanako ny famandrihana ny toerako tao amin’ny sambo ny ampitson’iny, ary nalefako tany Aostralia i Coralie sy Charlotte, mba hanao vakansy elaela.

Nanomboka nitory tany amin’ilay faritanin’ny mainty hoditra aho rehefa lasa izy ireo. Tena betsaka ny olona liana. Efa nisy mainty hoditra maro nanatrika ny fivoriana rehefa tafaverina i Coralie sy Charlotte.

Nanana fiara tranainy iray aho tamin’izany, ka afaka nitatitra ny olona liana nandeha nivory. Inefatra na indimy niverina aho tamin’ny fivoriana tsirairay, ary nitondra olona fito na valo na sivy isaky ny nandeha. Rehefa tafidina ilay olona farany, dia namazivazy ahy i Coralie hoe: “Mbola misy olona firy ao ambany seza?”

Nilaina ny boky sy gazety tamin’ny fitenin’ireo tompon-tany, mba handaitra kokoa ny asa fitoriana. Faly aho fa afaka nanao fandaharana mba handikana ilay taratasy mivalona hoe Fiainana ao Amin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny herero, nama, ndonga, ary kwanyama. Olona nahita fianarana sady nampianarinay Baiboly no mpandika teny, kanefa tsy maintsy niara-niasa tamin’izy ireo aho mba ho azo antoka hoe marina tsara ny fomba nandikana ny fehezanteny tsirairay. Tsy dia betsaka koa ny voambolana amin’ny teny nama. Niezaka nanazava aho, ohatra, hoe: “Lehilahy lavorary i Adama tamin’ny voalohany.” Nisafosafo loha ilay mpandika teny, ary nilaza fa tsy hitany izay teny nama ilazana hoe “lavorary.” “Mahita hevitra aho”, hoy izy tamin’ny farany. “Toy ny paiso masaka i Adama tamin’ny voalohany.”

Afa-po amin’ny toerana nanendrena anay izahay

Efa 49 taona izao no nahatongavanay teto amin’ity tany ity, izay antsoina hoe Namibia ankehitriny. Tsy ilaina intsony ny mangataka fahazoan-dalana hiditra any amin’ny faritanin’ny mainty hoditra. Fanjakana vaovao no mitondra eto Namibia, ary tsy manavakava-bolon-koditra ny lalam-panorenana. Misy fiangonana lehibe efatra manana Efitrano Fanjakana tsara tarehy izao eto Windhoek.

Tsaroanay matetika ilay teny renay tany Gileada hoe: “Ataovy fonenanareo ny toerana nanendrena anareo.” Ny fomba nitarihan’i Jehovah ny zava-niseho dia nahatonga anay hiaiky fa sitrapony ny honenanay eto amin’ity firenena ity. Nanjary tianay ireo rahalahy avy amin’ny kolontsaina samihafa. Mihomehy miaraka amin’izy ireo izahay rehefa faly izy ireo, ary mitomany miaraka aminy rehefa malahelo izy. Nanjary andry iankinan’ny fiangonany ny sasany tamin’ireo vaovao nifanety tao anaty fiaranay sy notaterinay hamonjy fivoriana. Tsy ampy folo akory ny mpitory ny vaovao tsara teto amin’ity faritany midadasika ity tamin’ny 1953, fony vao tonga teto izahay. Lasa 1 200 mahery anefa izahay izao. Araka ny nampanantenainy, dia nampisy fitomboana tokoa i Jehovah teo amin’ny toerana ‘nambolenay sy nolemanay’ niaraka tamin’ny rahalahy hafa.—1 Korintiana 3:6.

Afa-po tanteraka izahay sy Coralie rehefa mandinika indray ny taona maro nanompoanay, tany Aostralia aloha, ary izao eto Namibia. Manantena izahay sady mivavaka amin’i Jehovah, mba hanome anay ny tanjaka hanaovana ny sitrapony ankehitriny sy ho mandrakizay.

[Sary, pejy 26, 27]

Handeha hanompo tany Rockhampton, any Aostralia

[Sary, pejy 27]

Teo amin’ny seranan-tsambo, hanatrika ny Sekolin’i Gileada

[Sary, pejy 28]

Tena mahafaly anay ny fitoriana eto Namibia