Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahafaly ny Manome

Mahafaly ny Manome

Mahafaly ny Manome

NY KARAMA keliny no mba nameloman’i Genival ny vady aman-janany. Mpiambina hopitaly izy ary any amin’ny tanàna feno trano tsizarizary, any avaratratsinanan’i Brezila, no mipetraka. Tsy nanadino nanome ny ampahafolon-karena mihitsy i Genival, na dia mafy aza ny fiainany. Sady nisafo ny kibony izy no nilaza hoe: “Tsy nanan-kohanina ny fianakaviako indraindray, nefa te hanome an’Andriamanitra izay tsara indrindra aho, na inona na inona tsy maintsy nafoiko.”

Mbola nandoa ny ampahafolon-karena ihany i Genival, na dia lasa tsy an’asa aza. Nampirisika azy ny pasiterany mba hanao fanomezana lehibe hitsapana an’Andriamanitra. Nanome toky azy ilay mpitondra fivavahana fa tsy maintsy handrotsaka fitahiana aminy Andriamanitra. Nanapa-kevitra àry i Genival fa hamidiny ny tranony ary homeny ny fiangonana izay vola azony.

Tsy i Genival irery no manome amim-pahatsorana toy izany. Misy olona maro koa mahantra fadiranovana nefa manome ny ampahafolon-karena, satria raisiny ho adidy izany sady ampianarin’ny fivavahany azy fa takin’ny Baiboly. Marina ve izany?

Ny ampahafolon-karena sy ny Lalàna

Ny didy hanome ny ampahafolon-karena dia anisan’ny Lalàna nomen’i Jehovah Andriamanitra an’ireo foko 12 tany Isiraely fahiny, 3 500 taona mahery izay. Voalazan’izy io fa tsy maintsy homena ny fokon’i Levy ny ampahafolon’ny vokatra rehetra avy amin’ny tanimbary sy ny saha ary ny ampahafolon’ny isan’ny biby vao teraka. Natao hanohanana azy ireo eo amin’ny fanompoany tao amin’ny tabernakely izany.—Levitikosy 27:30, 32; Nomery 18:21, 24.

Nanome toky an’ireo Isiraelita i Jehovah fa tsy ho ‘sarotra amin’izy ireo’ ny Lalàna. (Deoteronomia 30:11) Nampanantena izy fa hahazo vokatra tondraka foana izy ireo, raha mankatò hatrany ny didiny, anisan’izany ny fandoavana ny ampahafolon-karena. Nisy koa ampahafolon-karena natokana isan-taona mba hitsinjovana ny fotoam-pahasahiranana. Mazàna izy io no nampiasaina nandritra ny fety ara-pivavahana nataon’ny fireneny. Noho izany, dia voky ‘ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena.’—Deoteronomia 14:28, 29; 28:1, 2, 11-14.

Tsy nanome sazy ho an’izay tsy nandoa ny ampahafolon-karena ny Lalàna. Nino mafy anefa ny Isiraelita tsirairay fa tokony hanao izany izy mba hanohanana ny fivavahana marina. Nampangain’i Jehovah ho ‘nandroba azy amin’ny fahafolon-karena sy ny fanatitra’ mihitsy ny Isiraelita tsy nandoa azy io, tamin’ny andron’i Malakia. (Malakia 3:8) Azo ampangaina toy izany koa ve ny Kristianina tsy mandoa ny ampahafolon-karena?

Aoka isika handinika tsara. Tsy mihatra any an-tany hafa ny lalàn’ny firenena iray. Misy lalàna, ohatra, any Grande-Bretagne mandidy ny mpitondra fiara mba handeha eny an-kavian-dalana. Tsy mihatra amin’ny olona any Frantsa anefa izany. Toy izany koa ny lalàna mitaky ny ampahafolon-karena. Anisan’ny fifanekena nataon’Andriamanitra sy ny firenen’Isiraely irery ihany izy io. (Eksodosy 19:3-8; Salamo 147:19, 20) Ny Isiraelita ihany no tsy maintsy nankatò io lalàna io.

Miova koa ny zavatra takin’Andriamanitra indraindray, na dia tsy miova mihitsy aza izy. (Malakia 3:6) Milaza mazava ny Baiboly fa ny fahafatesan’i Jesosy ho sorona tamin’ny taona 33, dia ‘namono’ na ‘nandrava’ ny Lalàna, anisan’izany ny didy “haka ny fahafolon-karena.”—Kolosiana 2:13, 14; Efesiana 2:13-15; Hebreo 7:5, 18.

Ny fanomezana nataon’ny Kristianina

Mbola nilaina ihany anefa ny fanomezana mba hanohanana ny fivavahana marina. Naniraka ny mpianany mba ‘ho vavolombelona hatramin’ny faran’ny tany’ i Jesosy. (Asan’ny Apostoly 1:8) Rehefa nihamaro ny mpino, dia nihamaro koa ny mpampianatra sy mpiandraikitra kristianina nilaina mba hitsidika sy hanatanjaka ny fiangonana. Nilaina hokarakaraina koa indraindray ny mpitondratena sy kamboty ary mahantra. Ahoana no nahitan’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny vola nanaovana izany?

Niangaviana ny Kristianina jentilisa tany Eoropa sy Azia Minora tamin’ny taona 55 tany ho any, mba hanampy ireo fiangonana nahantra tany Jodia. Nanazava ny fomba nandaminana an’izany “famoriam-bola ho an’ny olona masina” izany ny apostoly Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny fiangonana tany Korinto. (1 Korintiana 16:1) Mety hahagaga anao ny zavatra nolazainy momba ny fanomezana nataon’ny Kristianina.

Tsy nanambitamby ny mpiray finoana taminy mba hanao fanomezana ny apostoly Paoly. Ny Kristianina makedonianina mihitsy aza no ‘nangataka mafy taminy mba havela hikambana amin’izany fanompoana ho an’ny olona masina izany’, nefa tao anatin’ny “fahoriana be” sy ‘fahantrana mafy’ izy ireo.—2 Korintiana 8:1-4.

Marina fa nampirisika ny Korintianina nanankarena kokoa i Paoly mba halala-tanana toa an’ireo rahalahiny tany Makedonia. Na izany aza, hoy ny boky iray, dia ‘tsy nandidy izy, fa naleony niangavy, nanoro hevitra, nampirisika, na nitalaho. Tsy ho nanome an-tsitrapo na tamim-pitiavana ny Korintianina, raha nisy faneriterena.’ Fantatr’i Paoly fa “ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’Andriamanitra”, fa tsy ny manome “amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena.”—2 Korintiana 9:7.

Nanosika ny Korintianina hanome an-tsitrapo ny finoana natanjaka sy ny fahalalana betsaka ary ny fitiavana lalina an’ireo Kristianina namany.—2 Korintiana 8:7, 8.

“Araka izay inian’ny fony”

Tsy namaritra ny habetsahan’izay tokony homena i Paoly, sady tsy nilaza hoe firy isan-jato no tokony homena. Nanoro hevitra fotsiny izy hoe: “Isan’alahady dia samia mba manokana vola ao aminy avy arakaraka izay vola miditra.” (Izahay no manao sora-mandry; 1 Korintiana 16:2, Dikan-teny Iombonana Eto Madagasikara) Rehefa nanomana sy nanokana vola tsy tapaka ny Korintianina, dia tsy nahatsiaro ho voatery hanome amin’ny alahelo na noho ny fahataitairana fotsiny, rehefa tonga i Paoly. Ny Kristianina tsirairay no nanapa-kevitra ny amin’ny habetsahan’izay homeny, “araka izay inian’ny fony.”—2 Korintiana 9:5, 7.

Tsy maintsy namafy be ny Korintianina, raha te hijinja be. Tsy nisy mihitsy anefa nasaina nanome mihoatra noho izay nananany. Nanome toky azy ireo i Paoly hoe: ‘Tsy ny hahatonga fahoriana aminareo no anaovako izany.’ Tena ‘nankasitrahana ny fanomezana araka izay ananana, fa tsy araka izay tsy ananana.’ (2 Korintiana 8:12, 13; 9:6) Nampitandrina toy izao ilay apostoly tatỳ aoriana: “Raha misy tsy mamelona . . . ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” (1 Timoty 5:8) Tsy nampirisika ny olona hanao fanomezana mifanohitra amin’io toro lalana io i Paoly.

Tsara homarihina fa “famoriam-bola ho an’ny olona masina” sahirana no nataon’i Paoly. Tsy hitantsika ao amin’ny Soratra Masina mihitsy hoe namory vola na nandray ampahafolon-karena i Paoly na ny apostoly hafa, mba hanaovany ny fanompoany. (Asan’ny Apostoly 3:6) Nankasitraka foana izay fanomezana avy amin’ny fiangonana i Paoly, ka nitandrina tsara izy mba tsy “hahavaky tratra” na hampitondra enta-mavesatra ho an’ny rahalahiny.—1 Tesaloniana 2:9; Filipiana 4:15-18.

Fanomezana an-tsitrapo ankehitriny

Mazava àry fa fanomezana an-tsitrapo, fa tsy ampahafolon-karena, no nataon’ireo mpanara-dia an’i Kristy tamin’ny taonjato voalohany. Mety hanontany tena anefa ianao raha mbola mahomby io fomba io mba hahazoam-bola ho an’ny fitoriana ny vaovao tsara sy hikarakarana ny Kristianina sahirana.

Diniho àry izao manaraka izao. Nambaran’ireo mpampanonta ity gazety ity, tamin’ny 1879, fa ‘tsy hangataka na hitalaho fanohanana ara-bola amin’olona mihitsy izy ireo.’ Nisakana ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hampiely ny fahamarinana ara-baiboly ve izany fanapahan-kevitra izany?

Mizara Baiboly sy boky ara-baiboly isan-karazany any amin’ny tany 235 ireo Vavolombelona ankehitriny. Tamin’ny voalohany, dia 6 000 Ny Tilikambo Fiambenana natao pirinty isam-bolana, tamin’ny fiteny iray monja. Mivoaka indroa isam-bolana anefa izao io gazety fampianarana Baiboly io, amin’ny fiteny 146, ary mihoatra ny 24 000 000 no atao pirinty isaky ny misy gazety vaovao. Nanorina na nividy trano atao hoe sampana any amin’ny tany 110 ny Vavolombelona, mba handaminana ilay fandaharam-pampianarana Baiboly maneran-tany. Nanorina toeram-pivoriana an’arivo sy trano lehibe hanaovana fivoriambe koa izy ireo, mba hahafahan’ny olona liana hianatra bebe kokoa momba ny Baiboly.

Ny zavatra ara-panahy ilain’ny olona no ahin’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany. Tsy ataony ambanin-javatra anefa ny zavatra hafa ilain’ny mpiray finoana aminy. Mailaka izy ireo mitondra fanampiana ara-pitsaboana, sakafo, akanjo, ary zavatra hafa ilain’ireo rahalahiny tra-boina noho ny ady, horohoron-tany, main-tany, na rivo-doza. Ny fanomezana an-tsitrapo ataon’ny Kristianina tsirairay sy ny fiangonana no ahafahana manao izany.

Fandaharana mahomby àry ny fanomezana an-tsitrapo sady manaisotra enta-mavesatra amin’ireo mahantra, toa an’i Genival, voaresaka tetsy aloha. Soa ihany fa nitsidika azy i Maria, Vavolombelon’i Jehovah mpanompo manontolo andro, raha mbola tsy namidiny ny tranony. Hoy izy: “Tena namonjy anay mianakavy tamin’ny zava-tsarotra iny resaka nifanaovanay iny.”

Nanjary nazava tamin’i Genival fa tsy miankina amin’ny ampahafolon-karena ny asan’ny Tompo. Tsy takin’ny Soratra Masina intsony izy io, raha ny marina. Nianarany koa fa mahazo fitahiana ny Kristianina, rehefa mazoto manome, sady tsy voatery hanome mihoatra noho izay azony omena izy.

Tena mahafaly an’i Genival ny fanaovana fanomezana an-tsitrapo, ka hoy izy: “Mety hanome na tsy hanome ny ampahafolon’ny fananako aho, nefa faly amin’izay omeko. Matoky koa aho fa faly i Jehovah.”

[Efajoro/Sary, pejy 6]

Nilaza ve ny Rain’ny Eglizy fa Takina ny Ampahafolon-karena?

“Manampy ny mahantra ireo manankarena eo anivontsika . . . Mandrotsaka izay heveriny fa mety ireo manam-be sy mazoto manome.”—Fanamarinana Voalohany (anglisy) nosoratan’i Justin Maritiora (taona 150 tany ho any).

“Marina fa natokan’ny Jiosy ho [an’Andriamanitra] ny ampahafolon’ny fananany. Manokana ny fananany rehetra ho an’ny fikasan’[Andriamanitra] kosa anefa [ny Kristianina], . . . toy ilay mpitondratena nahantra, izay nandrotsaka ny fivelomany rehetra tao amin’ny rakitr’Andriamanitra.”—Fanoherana ny Fivadiham-pinoana (anglisy) nosoratan’i Irénée (taona 180 tany ho any).

‘Manana ny boatin-drakitray izahay, nefa tsy vola hividianana famonjena no ao, ka toy ny hoe mivarotra ny fivavahana. Mandrotsaka fanomezana kely ny tsirairay, indray mandeha isam-bolana. Rehefa afaka ihany anefa izy vao manao izany, sy rehefa izay no tiany. Tsy misy fanerena mantsy, fa an-tsitrapo ny zava-drehetra.’—Fanamarinana (anglisy), nosoratan’i Tertullien (taona 197 tany ho any).

“Rehefa nitatra ny Fiangonana ary nisy fikambanana isan-karazany niforona, dia nilaina ny nanao lalàna mba hahazoana fanohanana ara-bola ampy sy maharitra ho an’ny mpitondra fivavahana. Nalaina avy tamin’ny [Lalàn’i Mosesy] ny lalàna momba ny ampahafolon-karena . . . Ny lalàna hentitra voalohany momba izany dia hita ao amin’ny taratasin’ireo eveka nivory tany Tours [Frantsa] tamin’ny taona 567, sy ao amin’ny [fitsipika] navoakan’ny Konsilin’i Macon [Frantsa] tamin’ny taona 585.”—Rakipahalalana Katolika (anglisy).

[Sary nahazoan-dalana]

Vola, ambony havia: Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary, pejy 4, 5]

Mahafaly ny manome an-tsitrapo

[Sary, pejy 7]

Ny fanomezana an-tsitrapo no ahafahana mitory, manampy ireo tra-boina ary manorina toeram-pivoriana