Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fotoana Tsara Indrindra Iainana

Ny Fotoana Tsara Indrindra Iainana

Ny Fotoana Tsara Indrindra Iainana

MALAHELO mafy ny “fotoana mamy fahiny” ve ianao rehefa misetra zava-tsarotra? Diniho àry ny tenin’i Solomona mpanjaka hendry: “Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin’ny fahendrena no anontanianao izany.”—Mpitoriteny 7:10.

Nahoana no nanome io torohevitra io i Solomona? Satria fantany fa tena manampy ny olona hiatrika zava-tsarotra, ny fiheverana ny lasa araka ny tokony ho izy. Mety ho hadinon’ireo manina ny “fotoana mamy fahiny” fa feno zava-nanahirana koa ny fiainana tamin’izany sady tsy tonga lafatra velively. Angamba tsara kokoa ny zavatra sasany tamin’ny lasa, saingy tsy toy izany ny ankabeazany. Tsy fahendrena àry, araka an’i Solomona, ny mifantoka amin’ny lasa sady mihevitra azy io ho tsara kokoa. Tsy afaka mamerina ny lasa mantsy isika.

Misy maha ratsy ny manembona ny lasa ve? Eny tokoa, raha manjary tsy te hiaina ny toe-javatra misy isika na tsy mankasitraka ny fanantenana omena antsika, satria tsy mahafantatra fa fotoana tsy manam-paharoa izao iainantsika izao.

Izao, raha ny marina, no fotoana tsara indrindra iainana, na dia mitombo aza ny zava-manahirana maneran-tany. Nahoana? Satria kely sisa dia ho tanteraka ny fikasan’Andriamanitra mahakasika ny tanintsika sy ny fitahiana ary ny fiadanana avy amin’ny Fanjakany. Mampanantena ny Baiboly hoe: “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apokalypsy 21:4) Tena ho tsara kokoa ny fiainana amin’izay fotoana izay, ka tsy hisy hanana antony halahelovana ny “fotoana mamy fahiny.”