Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Teo Amin’ny Latabatry ny Kapiteny

Teo Amin’ny Latabatry ny Kapiteny

Teo Amin’ny Latabatry ny Kapiteny

TENA tsara izany hoe asaina misakafo eo amin’ny latabatry ny kapitenin-tsambo izany, rehefa mahafinaritra ny olona miara-mihinana, matsiro ny sakafo, ary tsara ny resaka. Nisy resaka nifanaovana teo amin’ny latabatry ny Kapiteny Robert Smith, mpiasan’ny kompania britanika Kintana Fotsy, mpanao fitaterana an-dranomasina, ka hita tamin’izany fa misy koa ny fanasana ara-panahy.—Isaia 25:6.

Nanao ny diany voalohany nanerana an’izao tontolo izao i Robert tamin’ny 1894, tamin’izy 24 taona, ka ny sambo Kinclune of Dundee no nentiny. Lasa kapitenin-tsambon’ny kompania Kintana Fotsy izy tatỳ aoriana, ka anisan’ny sambo nentiny ny Cedric sy ny Cevic ary ny Runic. * Nandeha tamin’ny iray amin’izy ireo i Charles Russell, ka nasain’i Robert hisakafo teo amin’ny latabany. Avy any New York ilay sambo ary ho any Liverpool any Angletera, ka namakivaky ny Atlantika. Nanomboka liana tamin’ny hafatra avy ao amin’ny Baiboly i Robert, rehefa avy niresaka tamin’i Russell. Faly izy rehefa nahazo ny boky Fianarana ny Soratra Masina (anglisy) tamin’i Russell, mba hahafantarany misimisy kokoa momba ny Baiboly.

Nanoratra tamin’i Robert foana i Russell ka lasa liana kokoa tamin’ny hafatra ao amin’ny Baiboly izy. Noresahiny tamin’ny vadiny ilay fahalalana vao azony. Tsy ela dia lasa Mpianatra ny Baiboly izy ireo, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Nanana tombontsoa nanao lahateny ara-baiboly i Robert tatỳ aoriana. Namelabelatra ny “Balsaman’i Gileada”, ohatra, izy tany Brisbane any Aostralia, ka nasehony tamin’izany fa misy “fanafodin’ny loza rehetra eto an-tany” ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nanampy azy hampiseho ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” (anglisy) ny vady aman-janany, rehefa niverina tany Angletera izy. Izy ireo no nandefa ny fanazavan’i Russell noraisim-peo rehefa naseho ireo sary.

Nafindran’i Robert tamin’ny zanany ilay lova azony, dia ny fahamarinana momba ilay Fanjakana. Ankehitriny, dia 18 amin’ny taranany no mizara ny vaovao tsara amin’ny olona, noho ny fankasitrahan’izy ireo izay naroso teo amin’ny latabatry ny kapiteny.

Manampy ny olona maneran-tany koa ny Vavolombelon’i Jehovah mba hahafantatra ilay hafatra ao amin’ny Baiboly, izay nahaliana ny Kapiteny Smith. Amin’ny alalan’ny boky sy gazety ary asa fampianarana Baiboly no anaovan’izy ireo izany. Afaka mamantatra izany zavatra tena nahaliana teo amin’ny latabatry ny kapiteny izany koa ianao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ny Kapiteny E. Smith (tsy havan’i Robert), no nitondra ny Titanic, izay sambo naman’ireo, rehefa niharan-doza izy io tamin’ny diany voalohany.

[Sary, pejy 8]

Robert Smith

[Sary, pejy 8]

Charles Russell