Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza moa Ireo “Magy Telo Lahy”?

Iza moa Ireo “Magy Telo Lahy”?

Iza moa Ireo “Magy Telo Lahy”?

Ny fampisehoana ny nahaterahan’i Jesosy mazàna dia ahitana lehilahy telo manao akanjo lava, miaraka amin’ny ramevany. Tonga ao amin’ilay tranon’omby misy an’i Jesosy zaza, mandry eo am-pihinanam-bilona, izy ireo. Ireo magy telo lahy no ahafantaran’ny olona ireo vahiny manao akanjo faran’izay tsara ireo. Inona no lazain’ny Baiboly momba azy ireo?

Milaza ny Baiboly fa “avy tany atsinanana” ireo lazaina fa olon-kendry ireo, ary tany no nahafantarany fa teraka i Jesosy. (Matio 2:1, 2, 9) Tsy maintsy ho naharitra ela ny dian’izy ireo nankany Jodia. Tsy zazakely vao teraka tao an-tranon’omby intsony anefa i Jesosy, rehefa tonga tany izy ireo. Tao an-trano kosa no nahitan’izy ireo an’i Maria sy Jesosy, izay efa lehibebe kokoa tamin’izay.—Matio 2:11.

Antsoin’ny Baiboly hoe magy, na astrology (mpanandro mandinika ny kintana) ireo lehilahy ireo ary tsy lazainy ny isany. Hoy ny boky Fanazavana ny Baiboly (anglisy): “Nahaliana fatratra an’ireo vahiny ireo ilay kintana nitarika azy tany Betlehema. Hita avy amin’izany fa mifandray ny fanaovana mazia sy ny astrolojia.” Melohin’ny Baiboly anefa ny karazana mazia, na fanandroana rehetra sy ny fombafomba babylonianina andraisana fanazavana avy amin’ny kintana.—Deoteronomia 18:10-12; Isaia 47:13.

Ratsy ny vokatr’ilay fanazavana azon’ireo lehilahy ireo, satria nahatonga an’i Heroda Mpanjaka hialona sy ho tezitra izany. Noho izany, dia voatery nandositra tany Ejipta i Josefa sy Maria ary Jesosy, ary novonoina ny zazalahy rehetra tany Betlehema “hatramin’ny roa taona no ho midina.” Nohamarinin’i Heroda tsara tamin’ireo magy ny fotoana nahaterahan’i Jesosy. (Matio 2:16) Rehefa heverina ny olana rehetra nateraky ny fitsidihan’izy ireo, dia hita fa avy amin’i Satana Devoly, ilay fahavalon’Andriamanitra, ilay kintana hitan’izy ireo sy ny fanazavana momba “ilay teraka ho Mpanjakan’ny Jiosy.” Te hamono an’i Jesosy mantsy i Satana.—Matio 2:1, 2.