Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lesona avy Amin’ny Tantaran’ny Nahaterahan’i Jesosy

Lesona avy Amin’ny Tantaran’ny Nahaterahan’i Jesosy

Lesona avy Amin’ny Tantaran’ny Nahaterahan’i Jesosy

MAHAFINARITRA olona maro be ny tantaran’ny nahaterahan’i Jesosy. Porofon’izany ireo sary maro be mampiseho ny nahaterahany, sy ireo tantara an-tsehatra momba izany lalaovina eran-tany rehefa Krismasy. Tsy natao hahafinaritra ny olona fotsiny anefa no nanoratana azy ireny ao amin’ny Baiboly. Anisan’ny Soratra rehetra ara-tsindrimandrin’Andriamanitra izy ireny, ary natao hianarana sy hanitsiana ny diso.—2 Timoty 3:16.

Ho nanome ny daty marina nahaterahan’i Jesosy ny Baiboly, raha tian’Andriamanitra hankalaza azy io ny Kristianina. Nanao izany ve anefa ny Baiboly? Nilaza i Albert Barnes, manam-pahaizana momba ny Baiboly tamin’ny taonjato faha-19, fa niandry ny bibiny tany an-tsaha tamin’ny alina ny mpiandry ondry fony teraka i Jesosy. Izao no namaranany ny teniny: ‘Mazava àry fa teraka talohan’ny 25 Desambra ny Mpamonjy antsika. Mangatsiaka mantsy ny andro rehefa volana Desambra, indrindra any amin’ny faritra avo sy be tendrombohitra akaikin’i Betlehema. Nafenin’Andriamanitra ny daty nahaterahan’i Jesosy. Tsy zava-dehibe ny hamantarana ilay daty; raha tsy izany dia ho efa noraketin’Andriamanitra an-tsoratra izy io.’

Milaza tsara ny daty nahafatesan’i Jesosy kosa ireo mpanoratra ny Filazantsara efatra. Izany dia tamin’ny andron’ny Paska 14 Nisana, volana jiosy, tamin’ny lohataona. Ankoatra izany, dia nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy, mba hankalaza io andro io ho fahatsiarovana azy. (Lioka 22:19) Tsy mandidy ny hankalazana ny nahaterahan’i Jesosy na olon-kafa na iza na iza kosa ny Baiboly. Mampalahelo anefa fa mety hanakona ny zava-dehibe niseho tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy ny adihevitra momba ilay daty.

Ray aman-dreny nofidin’Andriamanitra

Ray aman-dreny nanao ahoana no nofidin’Andriamanitra hitaiza ny Zanany tamin’ireo fianakaviana an’arivo teo amin’ny Isiraely? Olona ambony sy nanankarena ve no notadiaviny? Tsia. Ray aman-dreny tia azy kosa no notadiavin’i Jehovah. Diniho ny fiderana nohirain’i Maria, ao amin’ny Lioka 1:46-55, rehefa nolazaina taminy fa hanana tombontsoa ho renin’ny Mesia izy. Izao no anisan’ny nolazainy: “Ny foko mankalaza ny Tompo . . . fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy.” Nanetry tena izy, ka nihevi-tena ho mpanompon’i Jehovah ‘ambany toetra.’ Asehon’ilay hira fiderana kanto nataon’i Maria koa fa olona tia fivavahana izy ary nahalala tsara ny Soratra Masina. Tena nety tsara àry ny nifidianana azy ho renin’ny Zanak’Andriamanitra, na dia taranak’i Adama mpanota aza izy.

Ary ahoana ny amin’ny vadiny, izay lasa ny ray nitaiza an’i Jesosy? Nahay nandrafitra i Josefa. Noho izy vonona hiasa mafy, dia afaka namelona ny ankohonany izy. Nanan-janakalahy dimy izy ireo ary roa ny zanany vavy, fara fahakeliny. (Matio 13:55, 56) Tsy nanankarena i Josefa. Nalahelo izy rehefa nitondra ny zanany lahimatoa tany amin’ny tempolin’Andriamanitra i Maria, satria tsy nahatakatra ondry hatao fanatitra izy. Voatery nanararaotra ny fandaharana nitsinjovana ny mahantra àry izy mivady. Hoy mantsy ny lalàn’Andriamanitra momba ny reny vao tera-bao: “Raha tsy tratry ny ananany ny zanak’ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny anankiray hatao fanatitra odorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy.”—Levitikosy 12:8; Lioka 2:22-24.

Milaza ny Baiboly fa lehilahy “marina” i Josefa. (Matio 1:19) Tsy nanao firaisana tamin’ny vadiny virjiny izy, ohatra, raha tsy rehefa teraka i Jesosy. Mazava tsara mantsy amin’izay hoe iza no tena Rain’i Jesosy. Mety tsy ho mora amin’ny mpivady vao, ny hifehy tena tsy hanao firaisana nefa miara-mipetraka. Nampiseho anefa izany fa tena sarobidy tamin’izy ireo ny tombontsoa hoe voafidy hitaiza ny Zanak’Andriamanitra.—Matio 1:24, 25.

Olona tia fivavahana toa an’i Maria koa i Josefa. Nijanona tsy niasa izy isan-taona mba hitondrana ny fianakaviany hankalaza ny Paska, andro firavoravoana fanao isan-taona. Naharitra telo andro ny dia avy any Nazareta nankany Jerosalema, toerana nankalazana azy io. (Lioka 2:41) Tsy maintsy ho nozarin’i Josefa nankany amin’ny synagoga teo an-toerana koa i Jesosy isan-kerinandro, tamin’izy mbola kely. Novakina tao ny Tenin’Andriamanitra ary nohazavaina. (Lioka 2:51; 4:16) Tsy misy isalasalana àry fa nanao safidy tsara tokoa Andriamanitra, rehefa nifidy ilay reny niteraka ny Zanany sy ilay ray nitaiza azy teto an-tany.

Fitahiana lehibe ho an’ny mpiandry ondry

Nandeha nisoratra anarana tany amin’ny tanàna niaviany i Josefa, araka ny didin’i Kaisara. Nanao izany izy, na dia tsy mora tamin’ny vadiny aza izany, satria efa bevohoka sivy volana izy. Tsy nahita trano hipetrahana tao amin’ilay tanàna feno olona izy mivady rehefa tonga tao Betlehema. Voatery nankany an-tranon’omby àry izy ireo, ka tany i Jesosy no teraka. Nampandriana tao anaty fihinanam-bilona izy. Mba hanatanjahana ny finoan’ireo ray aman-dreny nanetry tena ireo, dia mbola nanome toky azy ireo i Jehovah fa tena fikasany ny nahaterahan’ilay zaza. Manam-pahefana ambony tao Jerosalema ve no nirahiny mba hanome toky azy mivady? Tsia. Mpiandry ondry niasa mafy, niandry ny bibiny tany an-tsaha tamin’ny alina, no nilazan’i Jehovah Andriamanitra ny zava-nitranga.

Niseho tamin’izy ireo ny anjelin’Andriamanitra ary naniraka azy ireo ho any Betlehema. Hahita ny Mesia vao teraka “mandry ao am-pihinanam-bilona” izy ireo any. Taitra na sanganehana ve ireo olon-tsotra ireo nahare fa tany an-tranon’omby no nisy an’ilay Mesia? Tsy izany mihitsy! Tsy nangataka andro izy ireo, fa nilaozany ny bibiny ary lasa izy ireo nankany Betlehema. Rehefa nahita an’i Jesosy izy ireo, dia notantarainy tamin’i Josefa sy Maria izay nolazain’ilay anjelin’Andriamanitra. Azo antoka fa vao mainka izany nampino azy mivady hoe mizotra tsara araka ny nikasan’Andriamanitra azy tokoa ny zava-drehetra. “Ny mpiandry ondry [kosa] niverina nankalaza sy nidera an’Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny sy hitany.” (Lioka 2:8-20) Nanao safidy tsara tokoa i Jehovah rehefa nilaza ny zava-nitranga tamin’ireo mpiandry ondry natahotra azy ireo.

Hitantsika avy amin’izany àry hoe tokony hanao ahoana isika raha te hankasitrahan’i Jehovah. Tsy mila manana toerana ambony na manankarena isika. Mila mankatò an’Andriamanitra kosa isika, toa an’i Josefa sy Maria ary ireo mpiandry ondry. Mila mampiseho koa isika fa tia an’Andriamanitra, ka hikatsaka ny zavatra ara-panahy alohan’ny zavatra ara-nofo. Tena misy lesona tsara azo raisina tokoa, rehefa saintsainina ny zava-niseho tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy.

[Sary, pejy 7]

Midika ho inona ny nanoloran’i Maria voromahailala roa?

[Sary, pejy 7]

Mpiandry ondry vitsivitsy no nofidin’i Jehovah hilazana ny nahaterahan’i Jesosy