Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Nahaterahan’i Jesosy—Fahagagana ary Tena Nilaina

Ny Nahaterahan’i Jesosy—Fahagagana ary Tena Nilaina

Ny Nahaterahan’i Jesosy​—Fahagagana ary Tena Nilaina

“TSY mino an’izany aho!” Olona maro tsy Kristianina no hiteny toy izany raha mahare ny tantaran’ny nahaterahan’i Jesosy. Mihevitra izy ireo fa tsy afaka niteraka ny vehivavy virjiny iray tsy nanao firaisana tamin’ny lehilahy. Mifanipaka amin’ny siansa izany, hoy izy ireo. Ahoana ny hevitrao?

Nisy taratasy namakafaka izany tao amin’ny gazety Ny Fotoana (anglisy), tany Londres, tamin’ny 1984. Hoy ilay taratasy: “Tsy mitombina raha ny siansa no entina manohitra ny fahagagana. Ny finoany no mahatonga ny olona hihevitra fa misy ny fahagagana, nefa ny finoany koa no mahatonga ny olon-kafa hihevitra fa tsy misy izany.” Nanao sonia io taratasy io ny mpampianatra siansa miisa 14 any amin’ny oniversite britanika. Hoy izy ireo: “Ekenay fa tena nisy ny fiterahan’ny virjiny sy ny fahagagana ao amin’ny Filazantsara ary ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty.”

Ara-dalàna anefa raha gaga ny olona, izay sambany mahare hoe virjiny no niteraka an’i Jesosy. Na ilay virjiny renin’i Jesosy aza gaga, rehefa nahare ny anjelin’Andriamanitra nilaza hoe: “Indro, hitoe-jaza hianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.” Nanontany i Maria hoe: “Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?” Nohazavain’ilay anjely fa Andriamanitra no hanatanteraka izany fahagagana izany amin’ny alalan’ny fanahiny masina. Hoy izy: “Tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra.” (Lioka 1:31, 34-37) Azo antoka fa hain’ilay namorona ny fiterahana, ny nanao izay hampitoe-jaza ny virjiny iray ka hiteraka an’i Jesosy. Raha hain’Andriamanitra ny namorona izao rehetra izao sy ny lalàna mifehy azy, dia hainy koa ny nampiasa ny atodinain’i Maria mba hanome Zazalahy lavorary.

Ny antony nilana izany

Efa nifamofo tamin’i Josefa, lehilahy tia an’Andriamanitra, i Maria tamin’izy nitoe-jaza. Nohazavain’ny anjelin’Andriamanitra tamin’i Josefa, tamin’ny alalan’ny nofy, ny antony tena lehibe nahabevohoka ny fofombadiny. Hoy izy: “Aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina, ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.” (Matio 1:20, 21) Ny dikan’ny anaran’i Jesosy amin’ny teny hebreo dia hoe “Jehovah no Mpamonjy.” Mampahatsiahy antsika izany fa ilaina hovonjena amin’ny ota sy ny fahafatesana isika, ary misy fandaharam-pamonjena nataon’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy.

Nanota i Adama, lehilahy voalohany, ka tsy lavorary avokoa ny taranany. Mirona handika ny lalàn’Andriamanitra àry izy ireo. (Romana 5:12) Ahoana no hamonjena azy ireo amin’ny ota, ka hahatongavany ho lavorary? Tsy maintsy nisy ain’olombelona lavorary mifandanja amin’ny an’i Adama nomena, satria izany no notakin’ny rariny. Izany no nahatonga an’Andriamanitra hanao fahagagana mba hahaterahan’i Jesosy, olombelona lavorary. Izany koa no naneken’i Jesosy hovonoin’ny fahavalony. (Jaona 10:17, 18; 1 Timoty 2:5, 6) Rehefa natsangana tamin’ny maty sy niakatra tany an-danitra izy, dia tsy nisalasala niteny hoe: “Efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita [fasan’ny olona rehetra].”—Apokalypsy 1:18.

Afaka ny hahazo indray izay verin’i Adama ny olombelona mpanota noho i Jesosy manana izay azo lazaina hoe fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita. Nanazava i Jesosy hoe: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.” (Jaona 11:25, 26) Tena tsara tokoa izany fampanantenana izany! Mbola misy antony lehibe kokoa nahaterahan’i Jesosy anefa.

Ny antony lehibe indrindra

Efa nisy i Jesosy talohan’ny nametrahana azy tao an-kibon’i Maria. Nilaza mazava izy hoe: “Nidina avy tany an-danitra Aho.” (Jaona 6:38) Niara-niaina tamin’ny Rainy tany an-danitra izy hatrany am-piandohan’ny famoronana. Raha ny marina, dia izany no iantsoan’ny Baiboly azy hoe “Izay niandohan’izao zavatra noharìn’Andriamanitra izao.” (Apokalypsy 3:14) Hitan’i Jesosy avy any an-danitra ny nitarihan’ny anjely ratsy mpikomy ny olombelona voalohany, mba hanohitra ny fitondran’Andriamanitra. Antony tena lehibe mifandray amin’izany no nanirian’i Jesosy, Zanak’Andriamanitra, hateraka ho olombelona lavorary. Inona izany antony izany?

Izany dia mba hanaporofoana fa manana zo ho mpitondra eo amin’izao rehetra izao ny Rainy any an-danitra. Nahatoky teo anatrehan’i Jehovah i Jesosy mandra-pahafatiny, ka nasehony tamin’izany fa vonona izy hanaiky ny fomba itondran’i Jehovah ny zavaboariny. Talohan’ny namonoan’ny fahavalon’Andriamanitra azy, dia nohazavain’i Jesosy tsara hoe nahoana izy no vonona hanao sorona ny ainy. Nilaza izy fa nanao izany mba hahafantaran’izao tontolo izao hoe tiany ny Ray. (Jaona 14:31) Raha nanana izany fitiavana izany koa i Adama sy Eva, dia ho nahatoky izy ireo nanoloana ilay fitsapana maivana kokoa nahazo azy.—Genesisy 2:15-17.

Nasehon’ny fahatokian’i Jesosy koa fa mpandainga i Satana, ilay anjely ratsy. Nanendrikendrika an’Andriamanitra sy ny olona teo anatrehan’ny anjely tany an-danitra mantsy i Satana hoe: “Izay rehetra ananan’ny olona dia homeny ho fefin’ny ainy.” (Joba 2:1, 4) Nolazain’i Satana fa tsy hisy olombelona hankatò an’Andriamanitra, rehefa tandindomin-doza ny ainy.

Tamin’izany, dia toy ny nilaza i Satana fa tsy manana zo hitondra Andriamanitra sady tsy ara-drariny ny fitondrany. Mba handaminana ireo raharaha ireo, dia vonona ny hateraka ho olombelona i Jesosy, ary hahatoky mandra-pahafatiny.

Ny antony lehibe indrindra nahaterahan’i Jesosy teto an-tany àry, araka ny nolazainy, dia “ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:37) Nasehony tamin’ny teny sy ny atao fa ara-drariny tanteraka ny fitondran’Andriamanitra, ary mitondra fahasambarana maharitra ny fanekena azy io. Nohazavain’i Jesosy koa fa tonga teto amin’izao tontolo izao izy mba hanolotra ny ainy lavorary ho “avotra hisolo ny maro.” Afaka ny ho lavorary sy hahazo ny fiainana mandrakizay amin’izay, ny olona mpanota. (Marka 10:45) Nilaina noraketina an-tsoratra àry ny tantaran’ny nahaterahan’i Jesosy, mba ho takatry ny olombelona ireo raharaha tena lehibe ireo. Misy lesona lehibe hafa koa azo raisina avy amin’ny tantaran’ny nahaterahan’i Jesosy. Hampiseho izany ny lahatsoratra manaraka.

[Sary, pejy 4]

Ahoana no nahafahan’ny taranak’i Adama ho voavonjy tamin’ny ota?