Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampiononana ho An’ny Olona Mijaly

Fampiononana ho An’ny Olona Mijaly

Fampiononana ho An’ny Olona Mijaly

NANAHIRANA ny sain’ny filozofa sy teolojianina maro hatry ny ela ilay fanontaniana hoe: Nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy? Misy manizingizina fa Andriamanitra no mahatonga ny fijaliana, satria manana hery tsy toha izy nefa mbola mitohy ihany ny fijaliana. Niresaka momba izany i Clément, evekan’i Roma, tao amin’ny asa sorany tsy ara-tsindrimandry. Mifehy izao tontolo izao amin’ny tanany roa, hono, Andriamanitra. Mampijaly sy mampahory ny “tanany havia”, dia ny Devoly, fa mamonjy sy mitahy kosa ny “tanany havanana”, dia i Jesosy.

Misy indray mandà hoe misy ny fijaliana, satria tsy eken’ny sainy ny hamelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy, na dia tsy izy aza no mahatonga izany. Hoy i Mary Eddy: “Tsy tena misy ny faharatsiana, fa foronin’ny saina fotsiny. . . . Hanjavona ny fahotana sy aretina ary fahafatesana, raha heverina ho tsy misy.”—Ny Siansa sy Fahasalamana ary ny Soratra Masina (anglisy).

Noho ny loza maro nitranga, indrindra fa izay niseho nanomboka tamin’ny Ady Lehibe I ka mandraka ankehitriny, dia maro no manjary mihevitra fa tsy afaka mampitsahatra ny fijaliana Andriamanitra. Hoy i David Silverman, manam-pahaizana jiosy: “Mino aho fa ilay Famonoana Tambabe nataon’ny Nazia tamin’ny Ady Lehibe II dia tena manaporofo fa tsy manana hery tsy toha Andriamanitra.” Hoy koa izy: “Raha te hahafantatra tsara an’Andriamanitra isika, dia tsy maintsy manaiky fa tsy manana hery tsy toha izy, satria izany no mahatonga azy hamela ny tsara sy ny ratsy samy hisy.”

Tsy tena mampionona ny olona mijaly anefa ny milaza fa Andriamanitra no mahatonga ny fijaliana, na hoe tsy afaka mampitsahatra izany izy, na hoe foronin’ny saina fotsiny ny fijaliana fa tsy tena misy akory. Mifanohitra tanteraka amin’izay lazain’ny Baiboly momba an’Andriamanitra mihitsy aza ireo hevitra ireo. Milaza mantsy ny Baiboly fa marina sy mahery ary be fitiavana izy. (Joba 34:10, 12; Jeremia 32:17; 1 Jaona 4:8) Nahoana àry no navela hisy ny fijaliana, araka ny Baiboly?

Ahoana no niandohan’ny fijaliana?

Tsy namorona ny olombelona mba hijaly Andriamanitra. Nomeny saina sy vatana lavorary kosa i Adama sy Eva, mpivady voalohany. Nanamboarany zaridaina mahafinaritra izy ireo ho fonenany ary nomeny asa tsara sy mahafa-po. (Genesisy 1:27, 28, 31; 2:8) Tsy maintsy nanaiky ny fitondran’Andriamanitra sy ny zony handidy ny amin’izay tsara sy ratsy anefa izy ireo, raha tiany haharitra ny fahasambarany. Nampiseho izany zo izany ny hazo iray nantsoina hoe “ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.” (Genesisy 2:17) Raha tsy nihinana tamin’io hazo io i Adama sy Eva fa nankatò an’Andriamanitra, dia ho nanaporofo fa nanaiky ny fahefany. *

Mampalahelo fa tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama sy Eva. Nampiaiky an’i Eva ny anjely nikomy iray atao hoe Satana Devoly fa tsy mahasoa azy ny mankatò an’Andriamanitra. Nisy zavatra faran’izay tsara, hono, tsy nomen’Andriamanitra an’i Eva, dia ny zo hanao izay tiany sy hifidy samirery izay tsara sy ratsy. Nilaza i Satana fa raha mihinana amin’ilay hazo i Eva, dia ‘hahiratra ny masony, ka ho tahaka an’Andriamanitra izy, hahalala ny tsara sy ny ratsy.’ (Genesisy 3:1-6; Apokalypsy 12:9) Nanintona an’i Eva izany fahafahana hanao izay tiany izany, ka nihinana ilay voankazo voarara izy ary nanao izany koa i Adama.

Ny androtr’iny ihany dia nanomboka nizaka ny vokatry ny fikomiany i Adama sy Eva. Tsy niaro na nitahy azy ireo toy ny taloha intsony Andriamanitra, satria tsy nankatò azy izy ireo ary tsy nanaiky ny fitondrany. Nandroaka azy ireo tsy ho ao amin’ny Paradisa Andriamanitra ary niteny tamin’i Adama hoe: “Voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinananao ny vokany amin’ny andro rehetra hiainanao. Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin’ny tany.” (Genesisy 3:17, 19) Nanjary narary, nahatsapa fanaintainana, nihantitra ary maty i Adama sy Eva. Nanomboka tamin’izay dia lasa anisan’ny fiainan’ny olombelona ny fijaliana.—Genesisy 5:29.

Ny fomba nandaminana ilay raharaha

Mety hisy hanontany hoe: ‘Tsy azon’Andriamanitra nodiana tsy hita fotsiny ve ilay fahotan’i Adama sy Eva?’ Tsia, satria mety ho nampihena ny fanajana ny fahefany izany. Mety ho nampirisika olon-kafa hikomy izany, ka ho niteraka fijaliana bebe kokoa. (Mpitoriteny 8:11) Mety hisy hihevitra fa niray tsikombakomba tamin’ireo mpanao ratsy Andriamanitra, raha nilefitra rehefa tsy nankatò izy ireo. Mampahatsiahy antsika i Mosesy, mpanoratra Baiboly, hoe: “Tanteraka ny asan[’Andriamanitra]; fa ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” (Deoteronomia 32:4) Tsy maintsy namela an’i Adama sy Eva hizaka ny vokatry ny tsy fankatoavany Andriamanitra, mba hampisehoana fa Andriamanitra tia ny rariny izy.

Nahoana Andriamanitra no tsy nandringana avy hatrany an’i Adama sy Eva ary Satana, ilay anjely nanosika azy ireo hikomy? Nanana hery hanaovana izany Andriamanitra. Tsy ho nandova fijaliana sy fahafatesana ny taranak’i Adama sy Eva raha nanao izany izy. Raha nampiseho ny heriny tamin’izany fomba izany anefa Andriamanitra, dia tsy ho nanaporofo fa manana zo hifehy ny zavaboariny manan-tsaina izy. Raha maty koa i Adama sy Eva nefa tsy niteraka, dia toy ny hoe tsy mahatanteraka ny fikasany Andriamanitra, dia ny hahatonga ny tany ho feno olombelona lavorary. (Genesisy 1:28) Kanefa, “tsy sahala amin’ny olombelona Andriamanitra . . . Izay ampanantenainy dia tanterahiny; izay lazainy dia ataony.”—Nomery 23:19, Dikan-teny Anglisy Ankehitriny.

Noho ny fahendreny tonga lafatra, dia nanapa-kevitra i Jehovah Andriamanitra fa havelany hitohy mandritra ny fotoana voafetra ilay fikomiana. Ampy fotoana tsara ireo mpikomy amin’izay mba hahitana ny vokany, rehefa manao izay tiany izy, fa tsy miankina amin’Andriamanitra. Voaporofon’ny zava-nitranga hatramin’izay fa mila ny tari-dalan’Andriamanitra ny olombelona ary tsara lavitra ny fitondran’Andriamanitra noho ny an’ny olombelona na ny an’i Satana. Nanao zavatra koa Andriamanitra mba ho tanteraka ilay fikasany momba ny tany. Nampanantena izy fa hisy ‘taranaka’ ho avy ‘hanorotoro ny lohan’i Satana’, ka hampitsahatra tanteraka ny fikomiany sy ny voka-dratsin’izany.—Genesisy 3:15.

I Jesosy Kristy io Taranaka nampanantenaina io. ‘Niseho mba handrava ny asan’ny Devoly ny Zanak’Andriamanitra’, hoy ny 1 Jaona 3:8. Nanao izany izy rehefa nanolotra ny ain’olombelona lavorary nananany sy nandoa ny avotra mba hanafahana ny taranak’i Adama amin’ny fahotana sy fahafatesana nolovan’izy ireo. (Jaona 1:29; 1 Timoty 2:5, 6) Afaka manantena ny ho afaka tanteraka amin’ny fijaliana àry ny olona tena mino ny soron’i Jesosy. (Jaona 3:16; Apokalypsy 7:17) Rahoviana izany no hitranga?

Hifarana ny fijaliana

Niteraka fijaliana maro be ny fandavana ny fahefan’Andriamanitra. Mety àry raha hampihatra ny fahefany amin’ny fomba miavaka Andriamanitra, mba hamaranana ny fijalian’ny olombelona sy hanatanterahana ilay fikasany momba ny tany. Niresaka momba izany i Jesosy rehefa nampianatra ny mpanara-dia azy mba hivavaka hoe: “Rainay Izay any an-danitra, . . . ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.”—Matio 6:9, 10.

Efa ho tapitra izao ny fotoana amelan’Andriamanitra ny olombelona hitondra tena samirery. Ho fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly, dia naorina tany an-danitra tamin’ny 1914 ny Fanjakany ary i Jesosy Kristy no Mpanjakany. * Kely sisa dia hanorotoro sy handevona ny fanjakan’olombelona rehetra izy io.—Daniela 2:44.

Nandritra ny fanompoana nataon’i Jesosy vetivety tetỳ an-tany, dia nasehony ny santatr’ireo fitahiana ho azon’ny olombelona, rehefa hiverina hitondra Andriamanitra. Porofoin’ny Filazantsara fa naneho fangoraham-po tamin’ny mahantra sy ireo niharan’ny tsy rariny i Jesosy. Nanasitrana ny marary sy nanome sakafo ny noana ary nanangana ny maty izy. Ny herin’ny natiora aza nankatò ny teniny. (Matio 11:5; Marka 4:37-39; Lioka 9:11-16) Hanaisotra ny fahotana i Jesosy amin’ny alalan’ny sorom-panavotany. Eritrereto ange ny soa hataony ho an’ny olombelona mankatò rehetra, noho izany e! Mampanantena ny Baiboly fa amin’ny alalan’ny fitondran’i Kristy, dia ‘hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny mason’ny [olombelona Andriamanitra]; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana.’—Apokalypsy 21:4.

Fampiononana ho an’ny olona mijaly

Tena mampahery ny mahafantatra fa miahy antsika i Jehovah, ilay Andriamanitra manana hery tsy toha, sady kely sisa dia hamarana ny fijalian’ny olombelona izy! Matetika ny olona marary mafy no manaiky izay fomba rehetra itsaboana azy, satria fantany fa hahasitrana azy izany, na dia mampanaintaina be aza. Toy izany koa isika. Hanampy antsika hiaritra izay olana rehetra mahazo antsika vetivety, ny fahafantarana fa hitondra soa mandrakizay ho antsika ny fomba andaminan’Andriamanitra zavatra.

Nianatra Baiboly i Ricardo, izay voaresaka tetsy aloha, ary nampionona azy ny fampanantenana novakiny tao. Izao no tsaroany: “Tsy te hifandray tamin’iza na iza mihitsy aho, rehefa maty ny vadiko. Tsy ela anefa dia nazava tamiko fa tsy hampiverina azy izany, fa vao mainka aza hanampy trotraka ny alaheloko.” Namonjy fivoriana tsy tapaka kosa i Ricardo sady nilaza ny hafatra ara-baiboly tamin’ny olon-kafa foana. Hoy izy: “Nihakaiky an’i Jehovah aho, rehefa nahatsapa fa tia sy nanampy ahy izy sady namaly ny vavaka nataoko, na dia tamin’ny raharaha toa madinika aza. Izany fahatsapako ny fitiavan’Andriamanitra izany no nanampy ahy hiaritra ilay fahoriana mafy indrindra tamiko.” Miaiky izy hoe: “Mbola malahelo mafy ny vadiko aho, nefa mino tanteraka fa tsy misy zavatra avelan’i Jehovah hitranga, ka hitondra fahavoazana maharitra ho antsika.”

Mitovy amin’i Ricardo sy ny olona maro hafa ve ianao, ka tsy andrinao ny fotoana ‘tsy hahatsiarovana intsony [izao fijalian’ny olombelona izao], na ho mby ao an-tsaina akory aza izany’? (Isaia 65:17) Matokia fa hahazo ny fitahian’ny Fanjakan’Andriamanitra ianao, raha manaraka izao torohevitry ny Baiboly izao: “Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.”—Isaia 55:6.

Ataovy loha laharana eo amin’ny fiainanao àry ny famakiana sy fianarana tsara ny Tenin’Andriamanitra. Miezaha hahafantatra an’Andriamanitra sy i Jesosy Kristy, izay nirahiny. Miezaha koa hanaraka ny fitsipik’Andriamanitra, ka hampiseho fa manaiky an-tsitrapo ny zony hitondra ianao. Raha manao izany ianao, dia ho sambatra kokoa dieny izao, na dia mety hanan-java-manahirana aza. Hiaina ao amin’ny tontolo iray tsy hisy fijaliana koa ianao amin’ny hoavy.—Jaona 17:3.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Manazava “ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy” ny fanamarihana ambany pejy eo amin’ny Genesisy 2:17, ao amin’ny Baibolin’i Jerosalema (anglisy). Lazainy fa izy io dia “ny fahafahana hanapaka hoe . . . inona no tsara ary inona no ratsy sy ny hanao zavatra mifanaraka amin’izany. Izy io dia ny fitadiavana hitondra tena araka izay tiana, ary nahatonga ny olombelona handa fa zavaboary ny tenany. . . . Fanoherana ny zon’Andriamanitra hitondra ny ota voalohany.”

^ feh. 17 Mba hahazoana tsipiriany momba ny faminanian’ny Baiboly mahakasika ny 1914, dia jereo ny toko 10 sy 11 amin’ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro, pejy 6, 7]

AHOANA NO HIZAKANTSIKA NY FIJALIANA?

“Apetraho amin[’Andriamanitra] ny fanahianareo rehetra.” (1 Petera 5:7) Ara-dalàna raha very hevitra sy tezitra ary mahatsiaro ho nafoy isika, rehefa mijaly na mahita ny hava-malalantsika mijaly. Matokia anefa fa miara-miory amintsika i Jehovah. (Eksodosy 3:7; Isaia 63:9) Toy ny lehilahy sy vehivavy tsy nivadika fahiny, dia afaka mamboraka izay ao am-pontsika aminy isika sady milaza izay manahirana ny saintsika na mampitebiteby antsika. (Eksodosy 5:22; Joba 10:1-3; Jeremia 14:19; Habakoka 1:13) Tsy voatery hampitsahatra ny fahoriantsika amin’ny fomba mahagaga Andriamanitra. Afaka manome antsika fahendrena sy hery hiatrehana izany anefa izy, raha mivavaka amim-pahatsorana isika.—Jakoba 1:5, 6.

“Aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany.” (1 Petera 4:12) Fanenjehana no tena resahin’i Petera eo, nefa mihatra amin’ny zava-drehetra mety hampijaly ny mpino koa ny teniny. Mampahory, ohatra, ny fahantrana sy aretina ary ny fahafatesan’ny hava-malala. Milaza ny Baiboly fa mahazo ny olona rehetra ny “fotoana sy ny sampona.” (Mpitoriteny 9:11) Efa anisan’ny fiainan’ny olombelona ankehitriny izany, ary mila mahatakatra izany isika mba hizakana izay fijaliana na fahoriana mianjady amintsika. (1 Petera 5:9) Ambonin’ny zava-drehetra, dia tokony hotadidintsika fa “ny mason’i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.” Tena hampionona antsika mantsy izany.—Salamo 34:15; Ohabolana 15:3; 1 Petera 3:12.

“Mifalia amin’ny fanantenana.” (Romana 12:12) Mampanantena Andriamanitra fa hamarana ny fijaliana rehetra. Tsara ny misaintsaina izany, toy izay hieritreritra foana ny fahasambarana tamin’ny lasa. (Mpitoriteny 7:10) Hiaro antsika toy ny fiarovan-doha io fanantenana azo antoka io. Manamaivana ireo zava-manahirana ny fanantenana, sady misakana azy ireo tsy hanimba tanteraka ny fontsika sy ny saintsika ary ny fahasalamantsika ara-panahy.—1 Tesaloniana 5:8.

[Sary, pejy 5]

Tsy nanaiky ny fitondran’Andriamanitra i Adama sy Eva

[Sary, pejy 7]

Mampanantena tontolo iray tsy hisy fijaliana Andriamanitra