Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no tian’i Paoly holazaina rehefa niteny izy hoe: “Na oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka”?

Hoy i Paoly momba ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy: “Na oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo hianareo mandra-pihaviny.” (1 Korintiana 11:25, 26) Misy mihevitra fa midika hoe “matetika” ilay teny hoe “na oviana na oviana” eto, ka tokony hankalazaina imbetsaka ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Mankalaza azy io mihoatra ny indray mandeha isan-taona àry izy ireo. Izany ve anefa no tian’i Paoly holazaina?

Efa ho 2 000 taona lasa izay no natombok’i Jesosy ny Fahatsiarovana ny nahafatesany. Noho izany, dia efa nankalazaina imbetsaka izy io hatramin’ny taona 33, na dia isan-taona aza vao atao. Kanefa, asehon’ny teny manodidina ny 1 Korintiana 11:25, 26 fa niresaka momba ny fomba hankalazana ny Fahatsiarovana i Paoly fa tsy hoe impiry izy io no tokony hankalazaina. Tsy nampiasa ilay teny grika hoe pol·laʹkis izay midika hoe “matetika” na “imbetsaka” izy. Ilay teny hoe ho·saʹkis izay midika hoe “isaky” no nampiasainy. Ny tian’i Paoly holazaina àry dia hoe: ‘Isaky ny manao izao ianareo dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo.’

Impiry àry no tokony hankalazaina ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy? Mety tsara raha indray mandeha isan-taona ihany izy io no ankalazaina. Fahatsiarovana daty iray izy io, ary mazàna ny fahatsiarovana toy izany no atao isan-taona. Ankoatra izany, i Jesosy dia maty tamin’ny andron’ny Paska Jiosy, izay nankalazaina indray mandeha isan-taona. Mety koa ny niantsoan’i Paoly an’i Jesosy hoe “Kristy, Paska ho antsika”, satria nanokatra ny lalan’ny fiainana ho an’ny Isiraelita ara-panahy ny fahafatesan’i Jesosy ho sorona. Toy ilay Paska voalohany izy io. Iny Paska iny mantsy no niaro ny lahimatoan’ny Isiraelita tsy ho faty tany Ejipta sady nanafaka ny firenen’izy ireo avy tamin’ny fanandevozana. (1 Korintiana 5:7; Galatiana 6:16) Mifandray amin’ny Paska Jiosy natao isan-taona àry ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Manaporofo koa izany fa indray mandeha isan-taona ihany no tokony hankalazana azy io.

Ankoatra izany, ny fahafatesan’i Jesosy dia nampifandraisin’i Paoly tamin’ny Andro Fanavotana, izay fety fanaon’ny Jiosy isan-taona koa. Izao no vakintsika ao amin’ny Hebreo 9:25, 26: “Ary tsy niditra Izy [Jesosy] mba hanatitra ny tenany matetika, tahaka ny mpisoronabe miditra ao amin’ny fitoerana masina isan-taona [amin’ny Andro Fanavotana] mitondra ny ran’ny zavatra hafa; . . . fa ankehitriny dia efa naseho indray mandeha tamin’izao andro farany izao Izy mba hanafaka ny ota tamin’ny nanaterany ny tenany.” Tena mety tsara àry raha isan-taona koa no ankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, satria ny sorona nataony no misolo ilay sorona fanao isan-taona tamin’ny Andro Fanavotana. Tsy misy antony araka ny Soratra Masina àry tokony hankalazana azy io matetika noho izany.

Mifanaraka amin’izany ny tenin’i John von Mosheim, mpahay tantara. Nambarany fa zatra nankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy ny Kristianina tamin’ny taonjato faharoa tany Azia Minora, ary nanao izany izy ireo “ny faha-14 [Nisana], volana jiosy voalohany.” Efa an-taonany maromaro tatỳ aoriana vao lasa fanaon’ny Kristianisma Anarana ny mankalaza azy io mihoatra ny indray mandeha isan-taona.