Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hanampy Antsika Hizara Tsara ny Teny Fahamarinana?

Inona no Hanampy Antsika Hizara Tsara ny Teny Fahamarinana?

Inona no Hanampy Antsika Hizara Tsara ny Teny Fahamarinana?

NANDEHA nijery teatra ny mpanoratra an-gazety iray indray mandeha. Tsy dia tiany ilay izy, ka izao no nosoratany momba izany: “Raha te hijery zavatra tsisy dikany ianao, dia mandehana mijery an’io teatra io.” Nanao dokam-barotra ny mpikarakara an’ilay teatra tatỳ aoriana, ka naverin’izy ireo ny tenin’ilay mpanoratra an-gazety hoe: “Mandehana mijery an’io teatra io”! Naverin’izy ireo tsara tokoa ny tenin’ilay mpanoratra an-gazety, kanefa tsy tao anatin’ilay fehezanteny nisy azy, ka diso be ny heviny.

Asehon’io ohatra io fa tena zava-dehibe ireo teny ampiarahina amin’ny fanambarana iray. Miova ny hevitry ny teny, rehefa tsy ampiarahina amin’ilay fehezanteny sy toe-javatra nilazana azy. Izany no nataon’i Satana tamin’ny Soratra Masina, rehefa nitady hamitaka an’i Jesosy izy. (Matio 4:1-11) Manampy antsika hahalala tsara kokoa ny hevitry ny fanambarana iray kosa ny fandinihana ny teny manodidina azy. Tokony hojerentsika foana àry ny toe-javatra isehoan’ny andinin-teny iray ianarantsika, mba hahalalantsika tsara ny tian’ilay mpanoratra holazaina.

Ampiasao tsara ny Tenin’Andriamanitra

Lazain’ny diksionera iray fa ny hoe teny manodidina ny teny na fanambarana iray, an-tsoratra na am-bava, dia ireo “teny eo alohany na eo aoriany, izay misy fiantraikany eo amin’ny heviny na ny vokany.” Misy fiantraikany eo amin’ny heviny koa “ireo fitambaran-javatra na toe-javatra mifandray amin’ny zava-nitranga na vanim-potoana iray.” Tena ilaina àry ny mandinika ireo zava-nitranga sy teny manodidina ny andinin-teny iray, rehefa heverina ilay tenin’ny apostoly Paoly ho an’i Timoty hoe: “Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.” (2 Timoty 2:15) Mila mahalala tsara ny Tenin’Andriamanitra isika, ary manazava ny tena heviny, raha te hizara tsara na hoe hampiasa azy io araka ny marina. Miezaka ny hanao izany isika, satria manaja an’i Jehovah, ilay Loharanon’ny Baiboly. Hanampy antsika amin’izany ny fandinihana ny teny manodidina.

Ny toe-javatra nanoratana ny bokin’ny Timoty Faharoa

Andeha hodinihintsika, ohatra, ny bokin’ny Timoty Faharoa. * Hijery ireo toe-javatra nanoratana an’io boky io aloha isika. Iza no nanoratra ny Timoty Faharoa? Oviana? Nanao ahoana ny tarehin-javatra nisy tamin’izany? Avy eo dia hodinihintsika ny hoe: Olona nanao ahoana ilay “Timoty” voalaza ao amin’ny anaran’ilay boky? Nahoana izy no nila ilay fanazavana nosoratana ao? Ny valin’ireo fanontaniana ireo dia hanampy antsika hahazo tsara ny hevitr’io boky io sy hahita ny soa azo avy aminy.

Hita amin’ireo andininy voalohan’ny Timoty Faharoa fa taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’i Timoty izy io. Asehon’ny andininy hafa fa nigadra noho ny vaovao tsara izy, fony nanoratra azy io. Fantatr’i Paoly fa maro no nahafoy azy, ary kely sisa dia ho faty izy. (2 Timoty 1:15, 16; 2:8-10; 4:6-8) Noho izany, dia tsy maintsy ho tamin’ny fotoana nigadrany fanindroany no nanoratany an’ilay boky, angamba tamin’ny taona 65. Tsy ela taorian’izay, dia nampamono azy ilay mpanjaka romanina atao hoe Néron.

Ireo no zava-nitranga ara-tantara mifandray amin’ny Timoty Faharoa. Tsara homarihina anefa fa tsy ny hitaraina momba izay nahazo azy no nanoratan’i Paoly ho an’i Timoty. Nampitandrina kosa izy fa handia fotoan-tsarotra i Timoty. Nampahereziny io namany io mba tsy ho varimbariana, fa “hihahery” hatrany, ary hampita ny fampitandreman’i Paoly amin’ny hafa. Ireo kosa indray hahay hanampy olon-kafa. (2 Timoty 2:1-7) Na dia tao anatin’ny fotoan-tsarotra aza i Paoly, dia tsy ny tenany no noeritreretiny fa ny olona hafa. Ohatra sy torohevitra faran’izay tsara no nomeny antsika tamin’izany!

Nantsoin’i Paoly hoe ‘zanaka malala’ i Timoty. (2 Timoty 1:2) Voalaza matetika ao amin’ny Soratra Grika Kristianina fa naman’i Paoly tsy nivadika taminy izy. (Asan’ny Apostoly 16:1-5; Romana 16:21; 1 Korintiana 4:17) Telopolo taona mahery i Timoty, izany hoe mbola tanora ihany, fony nanoratra io taratasy io ho azy i Paoly. (1 Timoty 4:12) Na izany aza anefa, dia efa nahatoky hatramin’ny ela izy, satria efa ‘nanompo an’i Paoly’ hatramin’ny 14 taona teo ho eo. (Filipiana 2:19-22) Mbola tanora ihany i Timoty, nefa nasain’i Paoly nanoro hevitra ny anti-panahy, “mba tsy hiady teny”, fa hifantoka amin’ny zava-dehibe, toy ny finoana sy ny fiaretana. (2 Timoty 2:14) Nomena fahefana hanendry mpiandraikitra sy mpanampy amin’ny fanompoana teo anivon’ny fiangonana koa i Timoty. (1 Timoty 5:22) Somary tsy natoky tena anefa izy, rehefa nampihatra ny fahefany.—2 Timoty 1:6, 7.

Nahita zava-tsarotra hafa koa io anti-panahy io. Teo, ohatra, i Hymeneo sy Fileto, izay ‘namadika ny finoan’ny sasany’, ka nampianatra fa “efa lasa sahady ny fitsanganan’ny maty.” (2 Timoty 2:17, 18) Nino angamba ireo olona ireo fa ara-panahy ihany ny fitsanganan’ny maty, ary efa nitranga tamin’ny Kristianina izy io. Mety ho tsy nandinika ny teny manodidina izy ireo, rehefa nanonona ilay tenin’i Paoly hoe maty tamin’ny fahotany ny Kristianina, fa novelomina kosa tamin’ny fanahin’Andriamanitra. (Efesiana 2:1-6) Nampitandrina i Paoly fa hihamaro ny olona hitaona ny hafa hivadi-pinoana toy izany. Hoy izy: “Ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; . . . ary hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ny anganongano.” (2 Timoty 4:3, 4) Nasehon’io fampitandremana io fa nila nanaraka ny torohevitr’i Paoly avy hatrany i Timoty.

Mbola sarobidy ankehitriny ny Timoty Faharoa

Ireto avy àry ny antony nanoratan’i Paoly ny Timoty Faharoa: 1) Fantany fa tsy ho ela dia ho faty izy, ka nampiomaniny i Timoty mba tsy ho kivy, rehefa tsy ho eo intsony izy hampahery azy. 2) Tiany hampiana i Timoty mba hahay hiaro ny fiangonana amin’ny fivadiham-pinoana sy ny fitaoman-dratsy hafa. 3) Tiany hampirisihina i Timoty mba ho be atao foana amin’ny asan’i Jehovah, sy hitoky amin’ny fahalalana marina ny Soratra Masina, ka hanohitra ny fampianaran-diso.

Mazava kokoa amintsika ny Timoty Faharoa, rehefa azontsika ny zava-nitranga ara-tantara mifandray aminy. Amin’izao androntsika izao koa, dia misy mpivadi-pinoana toa an-dry Hymeneo sy Fileto, izay mampiely ny heviny manokana, ka mitady hamadika ny finoantsika. Efa iainantsika koa izao ny “andro mahory” nolazain’i Paoly. Maro no mahita fa marina ilay tenin’i Paoly hoe: “Izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.” (2 Timoty 3:1, 12) Inona no hanampy antsika tsy hivadika? Tokony hanahaka an’i Timoty isika, ka hanaraka ny torohevitr’ireo mpanompon’i Jehovah efa hatramin’ny taona maro. Afaka ny “hihahery” hatrany noho ny hatsaram-panahin’i Jehovah isika, raha mianatra samirery sy mivavaka ary mamonjy fivoriana. Matoky koa isika fa hanampy antsika ny fahalalana marina, ka arahintsika ilay fampirisihan’i Paoly hoe: “Tano . . . ny mariky ny teny tsy misy kilema.”—2 Timoty 1:13.

“Ny mariky ny teny tsy misy kilema”

Inona moa ilay “teny tsy misy kilema” nolazain’i Paoly? Ny fampianaran’ny Kristianisma marina. Nohazavain’i Paoly tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’i Timoty, fa amin’ny ankapobeny, ny “teny tsy misy kilema” dia “ny an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (1 Timoty 6:3) Manjary hendry sy be fitiavana ary mihevitra ny hafa ny olona manaraka ny mariky ny teny tsy misy kilema. Mifanaraka amin’ny fampianarana hafa rehetra ao amin’ny Baiboly ny fanompoan’i Jesosy sy ny fampianarany. Ny fampianaran’ny Baiboly rehetra àry no azo antsoina hoe “mariky ny teny tsy misy kilema.”

Tamin’i Timoty, dia toy ny zava-tsarobidy nankinina taminy, ka tsy maintsy nambenany tsara, ny mariky ny teny tsy misy kilema, ary toy izany koa amin’ny anti-panahy kristianina. (2 Timoty 1:13, 14) Nampirisihina i Timoty hoe: “Mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.” (2 Timoty 4:2) Fantatsika fa niely ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana tamin’ny andron’i Timoty. Azontsika tsara àry fa tsy maintsy nanamafy i Paoly hoe tokony hampianarina haingana ny teny tsy misy kilema. Hitantsika koa fa tsy maintsy niaro ny andian’ondry i Timoty, ka ‘nandresy lahatra sy nampirisika ary nananatra mafy’, sady niezaka ny haharitra sy hahay hampianatra tsara.

Iza moa no nasaina nitorian’i Timoty? Hita amin’ny teny manodidina fa tokony hitory ny teny teo anivon’ny fiangonana kristianina io anti-panahy io. Tsy maintsy nahalala tsara izay tokony hatao teo amin’ny lafiny ara-panahy i Timoty, satria mafy ny fanoheran’ny mpivadi-pinoana. Ny Tenin’Andriamanitra no tokony hambarany tamin-kerim-po, fa tsy fampianaran’olombelona, na ny heviny manokana, na fanombantombanana tsy nilaina. Marina aloha fa nety ho nanohitra izany ny olona sasany. (2 Timoty 1:6-8; 2:1-3, 23-26; 3:14, 15) Nanaraka ny torohevitra sy ny ohatra nomen’i Paoly anefa i Timoty, ka voasakana ny fivadiham-pinoana.—Asan’ny Apostoly 20:25-32.

Mihatra amin’ny fitoriana eny amin’ny saha koa ve ny tenin’i Paoly momba ny fitoriana ny teny? Izany tokoa, araka ny asehon’ny teny manodidina. Hoy i Paoly: “Fa hianao kosa mahonòna tena amin’ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.” (2 Timoty 4:5) Fototry ny fanompoan’ny Kristianina ny asan’ny evanjelista, izany hoe ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny famonjena amin’ny tsy mpino. (Matio 24:14; 28:19, 20) Torina amin’ny fiangonana foana ny Tenin’Andriamanitra, na amin’ny fotoan-tsarotra aza. Tokony hitory ny teny amin’ny olona hafa foana koa isika, na dia sarotra aza ny fiainana.—1 Tesaloniana 1:6.

Mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry ny fitoriantsika sy fampianarantsika rehetra. Matoky tanteraka ny Baiboly isika. Hoy i Paoly tamin’i Timoty: “Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana.” (2 Timoty 3:16) Matetika ireo teny ireo no entina hilazana fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly, ary marina izany. Inona anefa no nokendren’i Paoly tamin’izy ireo?

Anti-panahy no niresahan’i Paoly, izany hoe mpiandraikitra natao ‘handresy lahatra, hanitsy izay diso, hitaiza amin’ny fahamarinana’ teo anivon’ny fiangonana. Nampahatsiahiviny àry i Timoty mba hitoky tamin’ny fahendrena ao amin’ny Teny ara-tsindrimandry, izay nampianarina azy hatramin’ny fahazazany. Tsy maintsy mandresy lahatra, na mananatra, ny mpanao ratsy koa ny anti-panahy indraindray. Tokony hitoky amin’ny Baiboly foana izy ireo, rehefa manao an’izany. Ankoatra izany, dia avy amin’Andriamanitra ny fananarana rehetra miorina amin’ny Baiboly, raha ny marina, satria ara-tsindrimandrin’Andriamanitra izy io. Raha mandà fananarana ara-baiboly àry ny olona iray, dia tsy hevitr’olombelona no laviny, fa ny torohevitr’i Jehovah mihitsy.

Mirakitra fahendrena avy amin’Andriamanitra tokoa ny Timoty Faharoa! Mazava kokoa ny torohevitra ao anatiny, rehefa dinihina ny teny manodidina azy io! Nanao indray mitopy maso an’io boky ara-tsindrimandry io isika teo, nefa hitantsika sahady fa ilaina ny mijery ny teny manodidina, rehefa mamaky ny Baiboly isika. Raha manao izany isika, dia ho haintsika ny ‘hizara tsara ny teny fahamarinana.’

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Jereo ny “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’​Andriamanitra Sady Mahasoa”, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, pejy 237-239.

[Sary, pejy 27]

Naniry hanampy an’i Timoty hiaro ny fiangonana i Paoly

[Sary, pejy 30]

Nampahatsiahy an’i Timoty mba hitoky tamin’ny fahendrena ao amin’ny Teny ara-tsindrimandry i Paoly