Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izao Isika no vao Mainka Tokony Hiambina Hatrany!

Izao Isika no vao Mainka Tokony Hiambina Hatrany!

Izao Isika no vao Mainka Tokony Hiambina Hatrany!

“Aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena.”—1 TESALONIANA 5:6.

1, 2. a) Tanàna nanao ahoana i Pompéi sy Herculanum? b) Inona no fampitandremana tsy noraharahain’ny mponina maro tany, ka inona no vokany?

TANÀNA romanina niroborobo i Pompéi sy Herculanum tamin’ny taonjato voalohany. Teo akaikin’ny Tendrombohitra Vésuve no nisy azy, ary tena nahafinaritra ny Romanina nanankarena ny nanao vakansy tany. Nisy trano fanaovana teatra nahazaka olona maherin’ny 1 000 tany. Nisy kianja lehibe koa tao Pompéi, ary nahazaka efa ho ny mponina rehetra tao an-tanàna ilay izy. Nisy bara 118 voaisan’ireo olona nandavaka tao Pompéi, ka toerana filokana sy fivarotan-tena ny sasany taminy. Niely patrana ny fitiavan-karena sy ny fahalotoam-pitondran-tena tao amin’ireo tanàna ireo, araka ny hita amin’ireo sary hoso-doko eny amin’ny rindrina sy ireo faty nofongarina avy tao amin’ny tany.

2 Nanomboka nipoaka ny Tendrombohitra Vésuve tamin’ny 24 Aogositra taona 79. Nisy vato mahamay sy lavenona niraraka teo amin’ireo tanàna roa ireo. Milaza anefa ny manam-pahaizana momba ny volkano fa tokony mbola ho afa-nandositra ny mponina tamin’izay. Maro tokoa no nandositra. Ny hafa kosa nifidy ny hijanona satria nanamaivana ilay loza na tsy niraharaha fampitandremana. Tamin’ny misasakalina teo ho eo, dia nisy etona sy vato mahamay be niraraka tampoka tao Herculanum, ka nanempotra ny mponina rehetra tao. Izany koa no nitranga ny ampitso marainan’iny tany Pompéi, ka maty daholo ny olona tao. Loza tokoa ny vokany rehefa tsy arahina ny fampitandremana!

Ny faran’ny tontolo jiosy

3. Inona no mampitovy ny fandravana an’i Jerosalema sy Pompéi ary Herculanum?

3 Nahatsiravina noho ny fiafaran’i Pompéi sy Herculanum ny fandravana an’i Jerosalema, sivy taona talohan’izay, na dia olona ihany aza no nahatonga izany. Nolazaina fa “iray amin’ireo fahirano nahatsiravina indrindra teo amin’ny tantara” izy io, ary nahafaty Jiosy maherin’ny iray tapitrisa. Toy ny loza nitranga tany Pompéi sy Herculanum anefa, dia efa nisy fampitandremana talohan’ny nandravana an’i Jerosalema.

4. Inona no famantarana nomen’i Jesosy ny mpanara-dia azy mba hampitandremana azy ireo fa akaiky ny farany? Ahoana no nahatanterahan’izany tamin’ny taonjato voalohany?

4 Efa nilaza mialoha i Jesosy Kristy fa ho rava ilay tanàna. Nilaza koa izy fa hisy zavatra mampanahy hitranga alohan’izany, dia ady, mosary, horohoron-tany ary fandikan-dalàna. Hiasa mafy koa ny mpaminany sandoka, nefa hotorina eran-tany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:4-7, 11-14) Tena tanteraka ireo tenin’i Jesosy ireo tamin’izay, na dia misy fahatanterahany lehibe kokoa aza izany ankehitriny. Milaza, ohatra, ny tantara fa nisy mosary mafy tany Jodia. (Asan’ny Apostoly 11:28) Nilaza i Josèphe, mpahay tantara jiosy, fa nisy horohoron-tany tany amin’ny faritr’i Jerosalema, taloha kelin’ny nandravana ilay tanàna. Tsy nitsahatra koa ny fikomiana sy ny adin’ny antoko politika jiosy, ary ny vonoan’olona tany amin’ny tanàna maromaro nisy Jiosy sy Jentilisa. Na izany aza, dia notorina ‘teny ambanin’ny lanitra rehetra teny’ ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.—Kolosiana 1:23.

5, 6. a) Inona no faminanian’i Jesosy tanteraka tamin’ny taona 66? b) Nahoana no betsaka no maty rehefa rava i Jerosalema tamin’ny taona 70?

5 Nikomy tamin’i Roma ny Jiosy tamin’ny taona 66. Nahatsiaro ny tenin’i Jesosy ny mpanara-dia azy rehefa nanao fahirano an’i Jerosalema i Cestius Gallus sy ny tafiny. Hoy mantsy i Jesosy: “Raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin’izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra; ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony.” (Lioka 21:20, 21) Tonga ny fotoana handaozana an’i Jerosalema, nefa amin’ny fomba ahoana? Tampoka teo dia nasain’i Gallus niala ny miaramilany. Afaka nankatò ny tenin’i Jesosy sy nandositra tany an-tendrombohitra àry ny Kristianina tany Jerosalema sy Jodia.—Matio 24:15, 16.

6 Niverina ny tafika romanina, efa-taona tatỳ aoriana, tamin’ny fotoanan’ny Paska tany ho any. Ny Jeneraly Titus no nitarika azy io ary tapa-kevitra izy ny hampitsahatra ny fikomian’ny Jiosy. Nanodidina an’i Jerosalema sy nanangana “tovon-tany manodidina” azy ny tafiny, mba tsy hisy afa-mandositra. (Lioka 19:43, 44) Be dia be ny Jiosy nanerana ny Fanjakana Romanina no nankany Jerosalema mba hankalaza ny Paska, na dia nandrahona aza ny ady. Voafandrika izy ireo tamin’izay. Nilaza i Josèphe, fa ny ankamaroan’ireo mpitsidika nampalahelo ireo no maty nandritra ny fahirano nataon’ny Romanina. * Tokony ho ny ampahafiton’ny Jiosy tao amin’ny Fanjakana Romanina no maty rehefa rava i Jerosalema sy ny tempoliny. Nifarana hatreo ny fanjakana jiosy sy ny fivavahany niorina tamin’ny Lalàn’i Mosesy. *Marka 13:1, 2.

7. Nahoana ny Kristianina nahatoky no tsy maty rehefa noravana i Jerosalema?

7 Nety ho novonoina na nandevozina niaraka tamin’ny hafa rehetra tany Jerosalema ny Kristianina jiosy, tamin’ny taona 70. Nasehon’ny tantara anefa fa nankatò ny fampitandremana nomen’i Jesosy, 37 taona talohan’izay, izy ireo. Nandao ilay tanàna izy ireo ary tsy niverina.

Fampitandremana ara-potoana nomen’ny apostoly

8. Inona no hitan’i Petera fa ilaina, ary inona no tenin’i Jesosy nety ho tsaroany tamin’izay?

8 Mananontanona ny fandravana lehibe kokoa noho izany ankehitriny, dia ny fifaranan’ity tontolo ity. Nanome izao torohevitra maika sy ara-potoana izao ny apostoly Petera, enin-taona talohan’ny nandravana an’i Jerosalema: Aoka isika ho mailo hatrany! Mihatra indrindra amin’ny Kristianina ankehitriny izany. Hitan’i Petera fa mila ‘mampifoha ny sainy’ ny Kristianina mba hitandreman’izy ireo ny “didin’ny Tompo”, Jesosy Kristy. (2 Petera 3:1, 2) Azo inoana fa rehefa nampirisika ny Kristianina ho mailo hatrany i Petera, dia nahatsiaro ny tenin’i Jesosy tamin’ny apostoliny, andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany. Hoy i Jesosy tamin’izay: “Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ny fotoana.”—Marka 13:33.

9. a) Inona no toe-tsaina mampidi-doza ananan’ny sasany? b) Nahoana no tena mampidi-doza ny fisalasalana?

9 Misy maneso ankehitriny hoe: “Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fihaviany?” (2 Petera 3:3, 4) Toa mihevitra ireny olona ireny fa tsy dia misy na inona na inona miova loatra, fa ny efa nitranga hatramin’ny namoronana izao tontolo izao ihany no mitohy. Mampidi-doza ny fisalasalana toy izany. Izany dia mety hahatonga antsika hanadinodino fa akaiky ny farany, ka hanosika antsika hanaram-po amin’ny faniriantsika manokana. (Lioka 21:34) Hadinon’ireo mpanaraby ireo koa, hoy i Petera, fa nandrava tontolo iray naneran-tany ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa. Nisy fiovana be tokoa tamin’izay!—Genesisy 6:13, 17; 2 Petera 3:5, 6.

10. Ahoana no nampaherezan’i Petera an’ireo mety tsy hanam-paharetana?

10 Nanampy ny olona izay namaky ny taratasiny i Petera mba hanam-paharetana. Nampahatsiahy azy ireo izy hoe nahoana Andriamanitra matetika no tsy tonga dia manao zavatra. Nilaza aloha i Petera hoe: “Ny indray andro amin’ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.” (2 Petera 3:8) Velona mandrakizay i Jehovah ka afaka mandinika ny lafin-javatra rehetra, sy mifidy izay fotoana mety indrindra hanaovan-javatra. Nilaza i Petera avy eo fa irin’i Jehovah hibebaka ny olona rehetra. Maro no afaka ny ho voavonjy noho Andriamanitra mahari-po, na manam-paharetana. Ho ringana mantsy ireo olona ireo raha nanao zavatra maimaika izy. (1 Timoty 2:3, 4; 2 Petera 3:9) Ny fananan’i Jehovah faharetana anefa tsy midika hoe tsy hanao na inona na inona mihitsy izy. Hoy i Petera: “Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo.”—2 Petera 3:10.

11. Inona no hanampy antsika hiambina hatrany amin’ny lafiny ara-panahy, ary nahoana izany no toy ny hoe ‘hampahafaingana’ ny andron’i Jehovah?

11 Mendrika hodinihina io fampitahan’i Petera io. Marina fa tsy mora tratra ny mpangalatra. Ho mora kokoa amin’ny mpiambina anefa ny hahatratra azy raha mifoha mandritra ny alina manontolo izy, fa tsy rendremana indraindray. Inona àry no hanampy azy hiambina? Ho mailo kokoa izy raha mandehandeha fa tsy mipetra-potsiny mandritra ny alina. Toy izany koa isika Kristianina. Hanampy antsika hiambina hatrany ny fanaovan-javatra ara-panahy. Nampirisika antsika àry i Petera mba hanana ‘fitondran-tena masina sy toe-panahy araka an’Andriamanitra.’ (2 Petera 3:11) Raha be atao tokoa mantsy isika eo amin’ny ara-panahy, dia ‘hampahafaingana ny hihavian’ny andron’Andriamanitra.’ (2 Petera 3:12) Marina fa tsy azontsika ovana ny fandaharam-potoanan’i Jehovah. Ho avy amin’ny fotoana voatondrony ilay androny. Toy ny handeha haingana kokoa anefa ny fotoana mandra-pahatongan’izany, raha be atao eo amin’ny fanompoana azy isika.—1 Korintiana 15:58.

12. Ahoana no andraisantsika tsirairay soa avy amin’ny faharetan’i Jehovah?

12 Noho izany, dia ampirisihina hanaraka ny torohevitr’i Petera, ny olona mahatsapa fa toa mitaredretra ny andron’i Jehovah. Tokony hiandry ny fotoana voatondrony izy ireo. Azontsika ampiasaina amin’ny fomba tsara ny fotoana mbola ananantsika noho ny faharetan’Andriamanitra. Azontsika atao, ohatra, ny miezaka hatrany mba hanana toetra kristianina ary mitory ny vaovao tsara amin’ny olona maro kokoa. Raha miambina hatrany isika, dia ‘tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’i Jehovah amin’ny fihavanana’ rehefa hifarana ity tontolo ity. (2 Petera 3:14, 15) Valisoa lehibe tokoa re izany!

13. Inona no teny tena mifanentana amin’ny androntsika nolazain’i Paoly tamin’ny Kristianina tany Tesalonika?

13 Nilaza koa i Paoly ao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Kristianina tany Tesalonika fa ilaina ny miambina hatrany. Hoy izy: “Aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena.” (1 Tesaloniana 5:2, 6) Tena ilaina ny hanaovana izany ankehitriny, satria efa ho rava tanteraka ity tontolo ity! Tsy liana amin’ny zavatra ara-panahy ny olona miara-miaina amin’ny mpanompon’i Jehovah, ka mety hisy fiantraikany eo aminy izany. Nanoro hevitra àry i Paoly hoe: “Aoka [isika] hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.” (1 Tesaloniana 5:8) Hanaraka izany torohevitr’i Paoly izany isika ary hahatsapa foana fa efa akaiky ny farany, raha mianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra sy miara-mivory tsy tapaka amin’ireo rahalahintsika.—Matio 16:1-3.

An-tapitrisa ny olona miambina

14. Asehoy fa maro ankehitriny no miambina hatrany, araka ny torohevitr’i Petera.

14 Maro ve no mailo hatrany ankehitriny, araka ilay fampirisihana ara-tsindrimandry? Eny. Nisy tampon’isan’ny mpitory 6 304 645 tamin’ny taom-panompoana 2002. Nitombo 3,1 isan-jato izany raha ampitahaina amin’ny isan’ny mpitory tamin’ny 2001. Tena mailo ara-panahy izy ireo satria niresaka tamin’ny olona momba ny Fanjakan’Andriamanitra, nandritra ny 1 202 381 302 ora. Tsy nataon’izy ireo an-tsirambina io asa io, fa nomeny toerana lehibe teo amin’ny fiainany. Maro amin’izy ireo no mitovy toe-tsaina amin’i Eduardo sy Noemi any Salvadaoro.

15. Inona no ohatra mampiseho fa maro no mailo ara-panahy hatrany any Salvadaoro?

15 Taona vitsivitsy lasa izay, dia voamarik’i Eduardo sy Noemi ireto tenin’i Paoly ireto: “Mandalo ny fanaon’izao fiainana izao.” (1 Korintiana 7:31) Nanatsotra ny fiainany àry izy ireo, ka nanao ny asan’ny mpisava lalana. Nahazo fitahiana maro izy ireo rehefa nandeha ny fotoana. Nanao ny asan’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny vondrom-paritra mihitsy aza izy ireo. Niatrika olana lehibe izy mivady, nefa miaiky fa tsara ny safidy nataony, dia ny namela ny fiainany nampiadana mba hanaovana ny fanompoana manontolo andro. Mahafoy tena toy izany koa ny maro amin’ireo mpitory 29 269 any Salvadaoro, anisan’izany ireo mpisava lalana 2 454. Izany no anisan’ny nampitombo ho 2 isan-jato ny isan’ny mpitory tany amin’io tany io, tamin’ny taon-dasa.

16. Inona no toe-tsaina nasehon’ny rahalahy tanora iray tatsy Côte d’Ivoire?

16 Misy tovolahy kristianina nampiseho toe-tsaina mitovy amin’izany koa tatsy Côte d’Ivoire. Izao no nosoratany tany amin’ny biraon’ny sampana: “Mpanampy amin’ny fanompoana aho. Tsy afaka mampirisika ireo rahalahy hanao ny asan’ny mpisava lalana anefa aho, raha tsy izaho mihitsy no manome ohatra. Niala tamin’ny asako àry aho, na dia tsara karama aza izy io. Miasa tena aho izao, ka manam-potoana bebe kokoa hanompoana.” Anisan’ireo mpisava lalana 983 nanompo tatsy Côte d’Ivoire io tovolahy io. Nisy mpitory 6 701 tany tamin’ny taon-dasa, izany hoe nisy fitomboana 5 isan-jato.

17. Ahoana no nampisehoan’ny Vavolombelona tanora iray tany Belzika fa tsy natahotra ny fitsarana an-tendrony izy?

17 Mbola miteraka olana ho an’ireo mpitory 24 961 any Belzika foana, ny tsy fileferana sy fitsarana an-tendrony ary fanavakavahana. Na izany aza, dia be zotom-po sy tsy matahotra izy ireo. Tany am-pianaran’ny Vavolombelona iray 16 taona, ohatra, dia nolazaina hoe sekta ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taranja momba ny fitsipi-pitondran-tena. Nangataka hanazava ny fomba fijerin’ny Vavolombelona momba izany àry izy. Mba hampisehoana hoe iza marina ny Vavolombelona, dia nampiasainy ilay vidéo hoe Ny Vavolombelon’i JehovahIlay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana sy ilay bokikely hoe Ny Vavolombeloni Jehovah—Iza moa Izy Ireo? Tena nankasitraka ny fanazavany ny iray kilasy. Nampanaovina fitsapam-pahaizana ny mpianatra ny herinandro nanaraka, ary tsy nisy afa-tsy fanontaniana momba ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ilay izy.

18. Inona no mampiseho fa tsy misakana ny mpitory any Arzantina sy Mozambika hanompo an’i Jehovah, ny fahasahiranana ara-bola?

18 Miatrika olana lehibe ny ankamaroan’ny Kristianina amin’izao andro farany izao. Miezaka ny hifantoka hatrany amin’ny fanompoana an’i Jehovah anefa izy ireo. Fanta-bahoaka fa sahirana ara-toe-karena i Arzantina, nefa nahatratra tampon’isa vaovao 126 709 ny Vavolombelona tany tamin’ny taon-dasa. Mbola betsaka koa ny mahantra atsy Mozambika. Nisy 37 563 anefa no nanao ny asa fitoriana, izany hoe nisy fitomboana 4 isan-jato. Sarotra ny fiainan’ny olona maro any Albania, nefa nisy fitomboana tsara 12 isan-jato tany, ka nahatratra 2 708 ny tampon’isan’ny mpitory. Tsy mahasakana ny fiasan’ny fanahin’i Jehovah ny toe-javatra sarotra, rehefa ilay Fanjakana no omen’ny mpanompony ny toerana voalohany.—Matio 6:33.

19. a) Inona no porofo fa mbola betsaka ny olona toy ny ondry no mangetaheta ny fahamarinana ara-baiboly? b) Araka ilay tatitra isan-taona, inona koa no mampiseho fa miambina amin’ny lafiny ara-panahy ny mpanompon’i Jehovah? (Jereo ny tabilao eo amin’ny pejy faha-12-15.)

19 Nisy 5 309 289 ny salanisan’ny fampianarana Baiboly isam-bolana naneran-tany tamin’ny taon-dasa. Araka izany, dia mbola betsaka ny olona toy ny ondry no mangetaheta ny fahamarinana ara-baiboly. Nahatratra tampon’isa vaovao 15 597 746 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana. Mbola tsy mpanompon’i Jehovah marisika anefa ny ankamaroany. Enga anie izy ireo hampitombo ny fahalalany sy ny fitiavany an’i Jehovah mbamin’ny fianakavian’ny mpirahalahy. Mampientam-po ny mahita fa mamokatra hatrany ny “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa”, eo am-panompoana ny Mpamorona “andro aman-alina eo amin’ny tempoliny” miaraka amin’ireo rahalahiny voahosotry ny fanahy.—Apokalypsy 7:9, 15; Jaona 10:16.

Lesona avy amin’i Lota

20. Inona no ianarantsika avy amin’i Lota sy ny vadiny?

20 Mazava ho azy fa na ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky aza dia mety hanadino vetivety hoe efa akaiky ny farany. Eritrereto i Lota, zana-drahalahin’i Abrahama. Nisy anjely roa nitsidika azy ary nilaza taminy fa efa horavan’Andriamanitra i Sodoma sy Gomora. Tsy nahagaga an’i Lota izany satria “ory dia ory noho ny fijejojejoan’ny olona ratsy fanahy” izy. (2 Petera 2:7) “Nitaredretra” anefa izy, rehefa hitondra azy hivoaka an’i Sodoma ireo anjely roa, ka efa saika notaritin’izy ireo handao ilay tanàna mihitsy izy sy ny ankohonany. Tsy niraharaha ny fampitandreman’ireo anjely anefa ny vadin’i Lota fa niherika, ka maty. (Genesisy 19:14-17, 26) Nampitandrina i Jesosy hoe: “Tsarovy ny vadin’i Lota.”—Lioka 17:32.

21. Nahoana isika no vao mainka tsy maintsy miambina hatrany amin’izao fotoana izao?

21 Ilay loza nitranga tany Pompéi sy Herculanum sy ny fandravana an’i Jerosalema ary ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa sy ny ohatr’i Lota, dia samy mampiseho fa zava-dehibe ny manaraka tsara ny fampitandremana. Hitantsika mpanompon’i Jehovah fa efa miseho ny famantarana ny andro farany. (Matio 24:3) Niala tamin’ny fivavahan-diso isika. (Apokalypsy 18:4) Mila mitadidy na “mampahafaingana ny hihavian’ny andron’Andriamanitra” isika, sahala amin’ny Kristianina voalohany. (2 Petera 3:12) Izao isika no vao mainka tsy maintsy miambina hatrany! Inona àry no azontsika atao ary inona no toetra tokony hananantsika mba hiambenana hatrany? Hamakafaka izany ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Sarotra inoana hoe maherin’ny 120 000 ny mponin’i Jerosalema tamin’ny taonjato voalohany. Araka ny kajy nataon’i Eusèbe, mpahay tantara, dia 300 000 ny mponina avy tany amin’ny faritanin’i Jodia no nankany Jerosalema, mba hankalaza ny Paska tamin’ny taona 70. Azo antoka àry fa avy amin’ny faritra hafa tamin’ny Fanjakana Romanina ny sisa tamin’ireo maty.

^ feh. 6 Mazava ho azy fa amin’i Jehovah, dia tamin’ny taona 33 ny Lalàn’i Mosesy no nosoloana ny fanekena vaovao.—Efesiana 2:15.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no nahatonga ny Kristianina jiosy ho afa-nandositra ny fandravana an’i Jerosalema?

• Nahoana no manampy antsika hiambina hatrany ny torohevitry ny apostoly Petera sy Paoly?

• Iza no hita fa miambina tsara ankehitriny?

• Inona no ianarantsika avy amin’i Lota sy ny vadiny?

[Fanontaniana]

[Tabilao, pejy 12-15]

TATITRA MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH TAOM-PANOMPOANA 2002

(Jereo ny gazety)

[Sary, pejy 9]

Nanaraka ny fampitandreman’i Jesosy ny Kristianina tany Jerosalema tamin’ny taona 66

[Sary, pejy 10]

Manampy ny Kristianina hiambina hatrany ny fanaovan-javatra