Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Marina ny Teninao fa Tena Mahafinaritra ny Fiainana!”

“Marina ny Teninao fa Tena Mahafinaritra ny Fiainana!”

“Marina ny Teninao fa Tena Mahafinaritra ny Fiainana!”

TIANAO ve ny hahafantatra ny zava-kendren’ny fiainana? Nanazava izany tamin’i Katarzyna, mpiara-mianatra taminy tany amin’ny lise, i Magdalena, Vavolombelon’i Jehovah 18 taona mipetraka any Szczecin, any Polonina. Tsy nino an’Andriamanitra mihitsy i Katarzyna, kanefa tena liana izy rehefa niresaka taminy momba ny Baiboly i Magdalena.

Na dia nahafinaritra an’i Katarzyna aza izay noresahin’i Magdalena avy tamin’ny Baiboly, dia tsy tena nanaiky izany izy. Rehefa niresaka momba ny tena namana izy mirahavavy indray mandeha, dia hoy i Katarzyna: “Manana Baiboly ianao; fantatrao hoe toro lalana inona no tokony harahina ary aiza no tokony hitadiavana namana. Fa ahoana kosa ny amin’ireo tsy afaka manaiky ireo toro lalana ireo, fara faharatsiny amin’izao fotoana izao?”

Nisy fiovana lehibe rehefa nankany Londres, any Angletera, i Katarzyna. Nitsidika ny Sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy tany, ary nanohina ny fony ny hatsaram-panahy naseho taminy. Nanintona azy ny fihetsika tsotra toy ny fanokafana varavarana ho azy sy ny fihainoana tsara izay nolazainy.

Nanaiky hianatra Baiboly i Katarzyna, rehefa nanomboka ny taom-pianarana vaovao tamin’ny Septambra 2001. Miezaka mampitombo ny fitiavany ny toro lalan’ny Baiboly izy izao ary efa nanomboka nampihatra izany. Tsy ela izay dia namboraka tamin’i Magdalena izy hoe: “Toy ny manomboka fiainana vaovao izany aho.” Nandefa hafatra fohy tamin’ny telefaonina koa i Katarzyna, nanao hoe: “Misaotra betsaka tamin’ilay fianarantsika androany! Marina ny teninao fa tena mahafinaritra ny fiainana! Tena mahafaly ny mahafantatra hoe iza no tokony hisaorantsika noho izany.”