Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Miambena” Hatrany!

“Miambena” Hatrany!

“Miambena” Hatrany!

“Izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena.”​—MARKA 13:37.

1, 2. a) Inona no nianaran’ny lehilahy iray momba ny fiarovana fananana? b) Inona no ianarantsika momba ny fiambenana, araka ilay fanoharan’i Jesosy momba ny mpangalatra?

NITAHIRY ny zava-tsarobidiny tao an-trano i Juan. Nampiriminy tao ambany fandriany izany, satria nihevitra izy fa io no toerana azo antoka indrindra tao an-trano. Indray alina anefa, dia nisy mpangalatra niditra tao amin’ny efitrano fandriany, raha mbola natory izy mivady. Fantatr’ilay mpangalatra tsara hoe taiza no nisy ireo zava-tsarobidy. Nesoriny tsimoramora avy tao ambany fandriana izy rehetra, ary nalainy koa ny vola napetrak’i Juan tao anaty vatasarihana teo an-doham-pandriana. Ny ampitson’iny vao hitan’i Juan hoe nisy nangalatra tao aminy. Tsy hohadinoiny mihitsy ny lesona nangidy nianarany tamin’izay: Tsy afaka miaro ny fananany ny olona matory.

2 Marina koa izany amin’ny lafiny ara-panahy. Tsy afaka hiaro ny fanantenantsika sy finoantsika isika raha resin-tory. Nampirisika àry i Paoly hoe: “Aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena.” (1 Tesaloniana 5:6) Nampiasa fanoharana momba ny mpangalatra i Jesosy mba hampisehoana fa tena ilaina ny miambina hatrany. Niresaka momba ny zavatra hiseho alohan’ny fotoana hitsarany izy. Nampitandrina izy avy eo hoe: “Koa amin’izany miambena hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo. Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin’ny alina izay hihavian’ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. Koa miomàna kosa hianareo; fa amin’izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:42-44) Tsy mampilaza ny mpangalatra rehefa ho avy, fa manampoka. Nilaza i Jesosy fa ho avy ‘amin’ny ora tsy ampoizintsika’ koa ny faran’ity tontolo ity.

“Miambena hianareo, tomoera tsara amin’ny finoana”

3. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa zava-dehibe ny miambina, tao amin’ilay fanoharany momba ny mpanompo miandry ny hiverenan’ny tompony avy any amin’ny fampakaram-bady?

3 Ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka, ny Kristianina dia ampitahain’i Jesosy amin’ny mpanompo miandry ny hiverenan’ny tompony avy any amin’ny fampakaram-bady. Tokony ho mailo sy hiambina foana izy ireo mba ho vonona handray ny tompony rehefa tonga izy. Toy izany koa fa nilaza i Jesosy hoe: “Ho avy ny Zanak’olona amin’izay ora tsy ampoizinareo.” (Lioka 12:40) Misy mpanompon’i Jehovah hatramin’ny taona maro mety tsy hahatsapa intsony hoe akaiky ny farany. Mety hanatsoaka hevitra mihitsy aza izy ireo fa mbola ho ela izany vao ho tonga. Raha mieritreritra toy izany isika, dia mety hanjary tsy hifantoka amin’ny zavatra ara-panahy intsony, fa hifantoka amin’ny fitadiavan-karena indray. Hahatonga antsika ho rendremana ara-panahy anefa izany.—Lioka 8:14; 21:34, 35.

4. Inona no hanosika antsika hiambina, ary ahoana no nampisehoan’i Jesosy an’izany?

4 Misy lesona hafa iray koa azontsika tsoahina avy amin’io fanoharan’i Jesosy io. Tsy fantatry ny mpanompo ny ora hahatongavan’ny tompony, nefa fantany kosa ilay alina hahatongavany. Ho sarotra taminy mantsy ny niambina nandritra ny alina manontolo, raha nieritreritra izy fa tsy ho tonga tamin’io alina io ny tompony. Fantany anefa ilay alina hahatongavany, ka vao mainka izany nandrisika azy hiambina. Toy izany koa fa asehon’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly mazava tsara fa miaina amin’ny andro farany isika. Tsy lazainy amintsika anefa ny andro sy ora hahatongavan’ny faran’izao tontolo izao. (Matio 24:36) Manampy antsika hiambina hatrany eo amin’ny lafiny ara-panahy ny finoana fa ho avy ny farany. Vao mainka hanosika antsika hanao izany anefa ny fiekena fa tena antomotra ny andron’i Jehovah.—Zefania 1:14.

5. Ahoana no ampisehoantsika fa ‘miambina’ araka ny fampirisihan’i Paoly isika?

5 Nampirisika ny Korintianina i Paoly hoe: “Miambena hianareo, tomoera tsara amin’ny finoana.” (1 Korintiana 16:13) Mifandray tokoa ny hoe miambina hatrany sy mitoetra tsara amin’ny finoana kristianina. Inona no hanampy antsika hiambina hatrany? Ny fandalinana ny Tenin’Andriamanitra. (2 Timoty 3:14, 15) Hanatanjaka ny finoantsika ny fahazarana tsara mianatra samirery sy ny fanatrehana fivoriana tsy tapaka. Anisan’ny fanehoana finoana ny fitadidiana tsara ny andron’i Jehovah. Tsara àry raha jerentsika tsindraindray ireo porofo ara-baiboly mampiseho fa efa hifarana ity tontolo ity. Amin’izay dia tsy hohadinointsika ireo fahamarinana sarobidy momba ny fiavian’io farany io. * Tsara koa ny manamarika ireo zava-miseho eran-tany manatanteraka ny faminanian’ny Baiboly. Hoy ny rahalahy iray any Alemaina: “Isaky ny mijery vaovao aho, ka mahita ady, horohoron-tany, herisetra, ary fandotoana ny tany, dia vao mainka aho mino fa akaiky ny farany.”

6. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa mety tsy ho mailo ara-panahy intsony ny olona rehefa mandeha ny fotoana?

6 Mbola mampirisika ny mpanara-dia azy hiambina hatrany i Jesosy ao amin’ny Marka toko faha-13. Ao izy dia mampitaha azy ireo amin’ny mpiandry varavarana miandry ny tompony nandeha tany an-tany hafa. Tsy fantatr’ilay mpiandry varavarana ny ora hiverenan’ny tompony. Tsy maintsy niambina foana fotsiny izy. Niresaka momba ny ora fiambenana efatra mety hahatongavan’ilay tompo i Jesosy. Nanomboka tamin’ny telo maraina eo ho eo ka hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ny fiambenana fahefatra. Mora rendremana ny mpiandry varavarana amin’io fotoana fiambenana farany io. Voalaza aza fa maraina vao mangiran-dratsy no heverin’ny miaramila fa fotoana mety indrindra hamelezana tampoka ny fahavalo. Toy izany koa fa efa kely sisa dia hifarana ny andro farany. Izao angamba isika no mila miady mafy indrindra mba hiambina hatrany, na dia renoky ny torimaso ara-panahy aza ity tontolo misy antsika ity. (Romana 13:11, 12) Nampirisika foana àry i Jesosy tao amin’ilay fanoharany hoe: “Mitandrema, miambena . . . Koa miambena hianareo . . . Izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena.”—Marka 13:32-37.

7. Inona no loza iray tena misy, ary inona no fampirisihana hitantsika imbetsaka ao amin’ny Baiboly?

7 Imbetsaka i Jesosy nandritra ny fanompoany sy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty no nampirisika ny olona ho mailo. Saika mampitandrina antsika mba hiambina foana ny Soratra Masina isaky ny miresaka momba ny faran’ity tontolo ity. * (Lioka 12:38, 40; Apokalypsy 3:2; 16:14-16) Loza tena misy àry ny hoe rendremana ara-panahy. Mila izany fampitandremana izany daholo isika!—1 Korintiana 10:12; 1 Tesaloniana 5:2, 6.

Apostoly telo tsy nahavita niambina

8. Inona no nataon’ny apostoly rehefa nasain’i Jesosy hiari-tory izy, tao amin’ny zaridainan’i Getsemane?

8 Tsy ampy fotsiny ny manana fikasana tsara raha tiana ny hiambina. Mampiseho izany ny ohatr’i Petera sy Jakoba ary Jaona. Olona araka ny fanahy izy ireo ary tsy nivadika tamin’i Jesosy sy tena tia azy. Tsy nahavita niambina anefa izy telo lahy ny alin’ny 14 Nisana taona 33. Nandao ilay efitra ambony nankalazany ny Paska ireo apostoly telo ireo, ary niaraka tamin’i Jesosy nankany amin’ny zaridainan’i Getsemane. Hoy i Jesosy taminy: “Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miaraha miari-tory amiko.” (Matio 26:38) Intelo i Jesosy no nivavaka mafy tamin’ny Rainy any an-danitra. Intelo koa izy no niverina teo amin’ireo namany, nefa indrisy fa natory izy ireo!—Matio 26:40, 43, 45.

9. Inona no azo inoana fa nahatonga ireo apostoly ho rendremana?

9 Nahoana no nandiso fanantenana an’i Jesosy ireo lehilahy nahatoky ireo tamin’iny alina iny? Satria vizana izy ireo. Efa alina be mantsy tamin’izay, angamba aza taorian’ny misasakalina, ka ‘nilondolondon’[ny torimaso] ny masony.’ (Matio 26:43) Nilaza ihany anefa i Jesosy hoe: “Miareta tory sy mivavaha hianareo, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.”—Matio 26:41.

10, 11. a) Inona no nanampy an’i Jesosy hiambina hatrany tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, na dia reraka aza izy? b) Inona no ianarantsika avy amin’ireo apostoly telo nasain’i Jesosy hiambina?

10 Azo antoka fa mba vizana koa i Jesosy tamin’iny alina nanan-tantara iny. Tsy natory anefa izy, fa nivavaka mafy nandritra ny fotoana farany talohan’ny nisamborana azy. Nampirisika ny mpanara-dia azy mba hivavaka izy, andro vitsivitsy talohan’izay. Hoy izy: “Miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.” (Lioka 21:36; Efesiana 6:18) Afaka hiambina hatrany amin’ny lafiny ara-panahy isika, raha manaraka ny torohevitr’i Jesosy sy ny ohatra navelany, ka mivavaka amin’i Jehovah amim-pahatsorana.

11 Mazava ho azy fa fantatr’i Jesosy fa efa hosamborina sy homelohina ho faty izy. Mbola tsy nahatakatra an’izany kosa ny mpianany. Ny hazo fijaliana no fisedrana mafy indrindra niandry an’i Jesosy. Efa nilaza izany mialoha tamin’ny apostoliny izy, nefa tsy nazava tamin’izy ireo ny teniny. Nanjary resin-tory àry izy ireo fa izy kosa nifoha sady nivavaka. (Marka 14:27-31; Lioka 22:15-18) Sahala amin’ireo apostoly ireo koa isika. Tsy manan-kery ny nofontsika ary misy zavatra mbola tsy fantatsika. Mety ho resin-tory amin’ny lafiny ara-panahy anefa isika raha tsy takatsika fa efa akaiky ny farany. Raha tsy mailo isika, tsy hahavita hiambina hatrany.

Toetra telo tena ilaina

12. Inona avy ireo toetra telo nolazain’i Paoly fa hanampy antsika hahonon-tena?

12 Ahoana no hitadidiantsika foana fa efa akaiky ny farany? Efa hitantsika teo fa zava-dehibe ny mivavaka sy mitadidy hatrany ny andron’i Jehovah. Nilaza koa i Paoly fa tokony hiezaka hanana toetra telo lehibe isika. Hoy izy: “Satria an’ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha.” (1 Tesaloniana 5:8) Hojerentsika àry hoe nahoana ny finoana sy fanantenana ary fitiavana no manampy antsika hiambina hatrany eo amin’ny lafiny ara-panahy.

13. Hazavao fa manampy antsika ho mailo hatrany ny finoana.

13 Tsy maintsy mino mafy isika fa misy i Jehovah sady “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.” (Hebreo 11:6) Tanteraka tamin’ny taonjato voalohany ny faminanian’i Jesosy momba ny fahataperan’izao tontolo izao. Manamafy ny finoantsika izany fa mbola ho tanteraka amin’ny fomba lehibe kokoa izy io amin’ny androntsika. Ny finoantsika no mahatonga antsika hiandry mafy ny andron’i Jehovah sy hahazo antoka fa “ho avy tokoa [ilay fahitana ara-paminaniana] ka tsy hijanona.”—Habakoka 2:3.

14. Nahoana no tena ilaina ny fanantenana mba hiambenana hatrany?

14 Toy ny “vatofantsiky ny aina” ny fanantenantsika azo antoka. Manampy antsika hiaritra zava-tsarotra izany, na dia voatery miandry ny fahatanterahan’ireo fampanantenana azo antoka nomen’Andriamanitra aza isika. (Hebreo 6:18, 19) I Margaret, ohatra, dia anabavy voahosotra maherin’ny 90 taona, ary efa 70 taona mahery izy izao no vita batisa. Hoy izy: “Efa ho fatin’ny kansera ny vadiko tamin’ny 1963. Nieritreritra aho tamin’izay fa tena hahafinaritra raha tonga haingana ny farany. Tsapako anefa izao fa tsy nieritreritra afa-tsy izay hahasoa ny tenako aho. Tsy nampoizinay mihitsy tamin’izany fa hitatra maneran-tany ny asa fitoriana. Na ankehitriny aza dia vao manomboka ny asa fitoriana any amin’ny tany maro. Koa faly aho fa manam-paharetana i Jehovah.” Manome toky antsika ny apostoly Paoly hoe: “Ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra [na mandiso fanantenana].”—Romana 5:3-5.

15. Hanosika antsika hanao inona ny fitiavana, na dia toa efa ela aza isika no niandry?

15 Toetra miavaka ny fitiavana kristianina, satria io no tena antony manosika antsika amin’ny zava-drehetra ataontsika. Manompo an’i Jehovah isika satria tiantsika izy, na inona na inona fandaharam-potoanany. Manosika antsika hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ny fitiavantsika ny mpiara-belona amintsika. Manao izany isika na hafiriana na hafiriana no tian’Andriamanitra hanaovantsika izany, ary na impiry na impiry isika no miverina mitsidika ireo trano efa notsidihintsika. Araka ny tenin’i Paoly hoe: “Ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe amin’ireo.” (1 Korintiana 13:13) Manampy antsika hiaritra sy hiambina hatrany ny fitiavana. “[Ny fitiavana] manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay.”—1 Korintiana 13:7, 8.

“Tano mafy izay anananao”

16. Tsy hampihena ny fanompoantsika isika, fa tokony hanao inona kosa?

16 Tsy manam-paharoa izao andro iainantsika izao. Mampahatsiahy antsika foana ny zava-miseho eran-tany fa efa hifarana ny andro farany. (2 Timoty 3:1-5) Tsy fotoana hampihenana ny fanompoantsika izao fa fotoana ‘hitanana mafy izay ananantsika.’ (Apokalypsy 3:11) Ho vonona amin’ny andro fizahan-toetra isika, raha ‘mahonon-tena amin’ny fivavahana’ sy miezaka hanana finoana sy fanantenana ary fitiavana. (1 Petera 4:7) Be atao amin’ny asan’ny Tompo isika. Hanampy antsika hiambina tsara hatrany ny fanehoana toe-panahy araka an’Andriamanitra toy izany.—2 Petera 3:11.

17. a) Nahoana no tsy tokony ho kivy isika, na dia diso fanantenana aza indraindray? (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy faha-21.) b) Ahoana no hanahafantsika an’i Jehovah, ary inona no fitahiana ho azon’izay manao izany?

17 “Jehovah no anjarako”, hoy i Jeremia, “ka dia hanantena Azy aho. Tsara Jehovah amin’izay manantena Azy, dia amin’ny olona izay mitady Azy. Tsara ny miandry ny famonjen’i Jehovah amin’ny fanginana.” (Fitomaniana 3:24-26) Vao haingana ny sasany amintsika no niandry. Ny hafa kosa efa an-taonany maro no niandry ny famonjen’i Jehovah. Tena fohy anefa izao fotoana iandrasana izao raha ampitahaina amin’ny mandrakizay miandry antsika! (2 Korintiana 4:16-18) Afaka miezaka ny hanana toetra kristianina tena ilaina isika eo am-piandrasana ny fotoana voatondron’i Jehovah. Afaka manampy ny hafa koa isika hanararaotra ny faharetany, ka hanaiky ny fahamarinana. Enga anie àry isika rehetra hiambina hatrany. Aoka isika hanahaka an’i Jehovah, ka hanam-paharetana ary hankasitraka ny fanantenana nomeny antsika. Aoka isika hitana mafy ny fanantenantsika fiainana mandrakizay, ary tsy hivadika fa ho mailo hatrany. Azo antoka amin’izay fa ho tanteraka amintsika ity fampanantenana ity: “Hanandratra anao handova ny tany [i Jehovah]; ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy hianao.”—Salamo 37:34.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Mety hahasoa ny mijery indray ireo porofo enina mampiseho fa miaina amin’ny ‘andro farany’ isika, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 2000, pejy faha-12, 13.—2 Timoty 3:1.

^ feh. 7 Manazava ilay matoanteny grika nadika hoe “miambena” ilay mpanao diksionera atao hoe W. Vine. Milaza izy fa izy io dia midika ara-bakiteny hoe ‘mandroaka ny torimaso’, ary “tsy milaza fotsiny hoe mifoha, fa miambina sady mifantoka amin’ny zavatra iray.”

Ahoana no Havalinao?

• Inona no hahatonga antsika hiaiky bebe kokoa fa akaiky ny faran’ity tontolo ity?

• Inona no ianarantsika avy amin’i Petera sy Jakoba ary Jaona?

• Inona avy ireo toetra telo hanampy antsika ho mailo hatrany eo amin’ny lafiny ara-panahy?

• Nahoana no izao no fotoana ‘hitanana mafy izay ananantsika’?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 21]

“Sambatra Izay Miandry” Hatrany—Daniela 12:12

Alao sary an-tsaina hoe manahy ny mpiambina iray fa hisy mpangalatra hamaky ny trano ambenany. Manongilan-tsofina erỳ izy rehefa tonga ny alina sao tamy ilay mpangalatra. Ranga ny masony sy ny sofiny mandritra ny ora maro. Tena mety ho voafitaky ny fanairana diso izy, toy ny feon’ny rivotra mitsoka anaty hazo na saka nandona zavatra.—Lioka 12:39, 40.

Mety hitranga amin’ireo “miandry ny fisehoan’i Jesosy Kristy Tompontsika” koa izany. (1 Korintiana 1:7) Nihevitra ny apostoly fa ‘hampody ny fanjakana ho amin’ny Isiraely’ i Jesosy taoriana kelin’ny nitsanganany tamin’ny maty. (Asan’ny Apostoly 1:6) Taona maro tatỳ aoriana, dia tsy maintsy nampahatsiahivina ny Kristianina tany Tesalonika fa mbola ho avy ny fanatrehan’i Jesosy. (2 Tesaloniana 2:3, 8) Tsy niala tamin’ny lalan’ny fiainana anefa izy ireo na dia nandre antso fanairana diso momba ny andron’i Jehovah aza.—Matio 7:13.

Tokony ho mailo hatrany isika na dia toa ela tsy araka ny nieritreretantsika azy aza ny fahatongavan’ny farany, ka diso fanantenana isika. Mety ho voafitaky ny fanairana diso ny mpiambina mailo, nefa tsy maintsy miambina izy satria izany no asany! Izany koa no tsy maintsy ataon’ny Kristianina.

[Sary, pejy 18]

Miaiky ve ianao fa antomotra ny andron’i Jehovah?

[Sary, pejy 19]

Manampy antsika hiambina hatrany ny fivoriana sy vavaka ary fahazarana tsara mianatra

[Sary, pejy 22]

Enga anie isika hanam-paharetana sy hiambina hatrany ary hanohy hiasa toa an’i Margaret