Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Nahoana re Andriamanitra no Navelanao Hitranga Izao Zavatra Izao?’

‘Nahoana re Andriamanitra no Navelanao Hitranga Izao Zavatra Izao?’

‘Nahoana re Andriamanitra no Navelanao Hitranga Izao Zavatra Izao?’

MBOLA tadidin’i Ricardo foana ny zava-nitranga tamin’izy sy i Maria vadiny niara-nipetraka niandry ny dokotera. * Tsy nisy sahy namaky ny valin’ny fizaham-pahasalamana vao avy nataon’i Maria izy mivady. Nosokafan’i Ricardo ihany anefa ilay valopy avy eo, ary notopazan’izy ireo maso haingana izay voalaza tao. Nahita ilay teny hoe “kansera” izy ireo, ka nirotsaka ny ranomasony, satria fantany fa aretina mandoza izany.

Hoy i Ricardo: “Tsara fanahy be ilay dokotera, nefa takany tsara koa fa tsy mora ny nanjo anay, ka naverimberiny fa tsy maintsy matoky an’Andriamanitra izahay.”

Talohan’ny nitsaboana ny kanseran’i Maria, dia hitan’ilay dokoterany fa nihetsika ho azy ny tongony havanana. Rehefa natao indray ny fizaham-pahasalamana, dia hita fa efa niparitaka tany amin’ny atidohany ilay kansera. Natsahatra ilay fitsaboana natao, nefa vao herinandro monja no natomboka. Nanjary tsy nahatsiaro tena i Maria ary maty izy roa volana tatỳ aoriana. Hoy i Ricardo: “Faly aho fa tsy mijaly intsony izy, nefa malahelo azy mafy koa aho, ka maniry ho faty mihitsy indraindray. Mitalaho matetika amin’Andriamanitra aho hoe: ‘Nahoana re no navelanao hitranga izao zavatra izao?’ ”

Betsaka ny fanontaniana, rehefa mamely ny loza

Olona maro be maneran-tany no mijaly, toa an’i Ricardo, ary ny tsy manan-tsiny mazàna no iharan’izany. Eritrereto ny fahoriana vokatr’ireo ady tsy misy farany mianjady amin’ny olombelona. Tsy latsaka noho izany koa ny alahelo be tsapan’ny olona nosavihina, ny ankizy nampijalina, ireo nampiharana herisetra tao an-tokantrano, na nampijalina tamin’ny fomba hafa. Toa tsy nisy fetrany mihitsy hatramin’izay ny tsy rariny nifanaovan’ny olombelona sy ny fampahoriany ny namany. (Mpitoriteny 4:1-3) Saintsaino koa ny adin-tsain’ireo tra-boina noho ny loza araka ny natiora. Eo koa ny fangirifiriana tsapan’ireo voan’ny aretina ara-pihetseham-po, na ara-tsaina na ara-batana. Tsy mahagaga àry raha maro no manontany tena hoe: “Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy izany fijaliana izany?”

Tsy mora mihitsy ny mizaka fijaliana, na dia ho an’ireo manam-pinoana aza. Ianao koa dia mety hanontany tena hoe: Nahoana Andriamanitra no mamela ny olona hijaly, nefa be fitiavana izy sady manana hery tsy toha? Tena mila valiny marina sy mahafa-po amin’izany isika, mba hiadan-tsaina sy hifandray tsara amin’Andriamanitra. Hita ao amin’ny Baiboly ny valin’izany. Diniho, aza fady, izay lazainy ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana.

[Sary, pejy 3]

Naverimberin’ilay dokotera taminay fa tsy maintsy matoky an’Andriamanitra izahay