Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Novalian-tsoa ny Faharetany

Novalian-tsoa ny Faharetany

Novalian-tsoa ny Faharetany

Fanirian’ny olona tso-po ny hoe hianatra ny fikasan’Andriamanitra koa ny havan-tiany ka hanana fiainana sambatra. Mety hanampy ny olona iray hanapa-kevitra hanolo-tena ho an’Andriamanitra ny fitondran-tena tsaran’ny olon-kafa, na tanora izy ireo na antitra. Nanao izany tokoa i Jearim, ankizivavy avy any Meksika. Izao no nosoratany tamin’ny fivoriambe manokan’ny Vavolombelon’i Jehovah:

“Tiako hozaraina aminareo ny hafaliako sy ny hasambarako. Aoka holazaiko aminareo ny antony. Nianatra ny fahamarinana ny ray aman-dreniko, valo ambin’ny folo taona lasa izay, tamin’izaho mbola tsy teraka. Nandroso i Neny, ary toy izany koa izaho sy ny anadahiko. Niara-nivavaka tamin’i Jehovah izahay mba hanaraka ny lalan’ny fiainana koa i Dada. Valo ambin’ny folo taona izay no lasa, ary tena andro manokana ho anay androany. Hatao batisa i Dada. Misaotra an’i Jehovah aho fa mbola tsy tonga ny fandringanana talohan’izao fotoana nandrasanay hatry ny ela izao. Misaotra Jehovah!”

Azo antoka fa nitadidy foana ilay toro lalana ara-tsindrimandry ao amin’ny 1 Petera 3:1, 2 ny fianakavian’io ankizivavy io nandritra ny taona maro. Izao no voalaza ao: “Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny), rehefa hitany ny fahadiovan’ny fitondrantenanareo amin’ny fahatahorana.” Azo antoka koa fa nanaraka ireto teny ao amin’ny Deoteronomia 5:16 ireto i Jearim: “Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian’i Jehovah Andriamanitrao anao.” Tena nahazo fitahiana tokoa i Jearim sy ny fianakaviany satria nanaraka ireo toro lalana ireo sady naharitra niandry an’i Jehovah.