Taratasy Kely Nanova ny Fiainako
Tantaram-piainana
Taratasy Kely Nanova ny Fiainako
NOTANTARAIN’I IRENE HOCHSTENBACH
Talata hariva tamin’ny taona 1972 tamin’izay. Enina ambin’ny folo taona aho, ary niaraka tamin’ny ray aman-dreniko tany amin’ny fivoriana ara-pivavahana iray tany amin’ny tanànan’i Eindhoven, faritanin’i Brabant, eto Holandy. Tsy azoko mihitsy ny aiko ka tsy te hijanona tao amin’ilay fivoriana aho. Nisy tovovavy roa nanome ahy taratasy kely anefa tamin’izay, ka izao no tao anatiny: “Ho an’i Irene, te hanampy anao izahay.” Tsy azoko an-tsaina mihitsy tamin’izany hoe tena hanova ny fiainako iny taratasy iny. Alohan’ny hitantarako ny tohiny anefa, dia aleo holazaiko aminareo ny momba ahy.
TERAKA tany amin’ny nosy Belitung, any Indonezia, aho. Tadidiko ny feo sasany tany amin’io nosy mafana io, toy ny hazo palmie mikasaosaoka tsofin’ny rivotra, ny renirano mikoriana moramora eo akaikiny, ny kakakakan’ny ankizy milalao manodidina ny tranonay, ary ny mozika tao an-trano. Nifindra nanketo Holandy ny fianakavianay, tamin’ny 1960, tamin’izaho efa-taona. Nandeha sambo izahay tamin’io dia lava be io, ary ny feo tena tadidiko dia ny an’ilay kilalao tiako indrindra, izay nentiko nanaraka ahy. Olona kely mampihomehy mively amponga ilay izy. Lasa marenina aho, tamin’izaho fito taona, satria narary. Nanomboka tamin’izay, dia tsy afaka nandre intsony izay feo rehetra nanodidina ahy aho. Fahatsiarovana sisa no tavela.
Marenina mbola kely
Tena tia sy nikarakara ahy ny ray aman-dreniko, ka tsy tena tsapako loatra, tamin’ny voalohany, ny vokatry ny hoe marenina. Nametahana fitaovam-pandrenesana ngezabe ny sofiko. Mbola zaza aho tamin’izany, ka nahafinaritra ahy ny nitondra ilay fitaovana, na dia tsy tena nanampy
ahy aza ilay izy. Nanoratra fehezanteny lava be tamin’ny tsaoka, teo amin’ny sisin’arabe, ny ankizy niara-nonina taminay rehefa niresaka tamiko. Namaly azy ireo aho, na dia tsy reko akory aza ny feoko.Rehefa nihalehibe aho, dia hitako fa hafa noho ny olona rehetra nanodidina ahy aho. Nanomboka voamariko koa fa nihomehy ahy ny olona, satria marenina aho. Ny hafa kosa nihatakataka tamiko. Nanomboka nahatsiaro ho irery aho ary tsapako hoe toy inona izany marenina izany. Arakaraka ny nahalehibe ahy, dia vao mainka aho natahotra ny hifandray tamin’ny olona.
Mba hahafahako hianatra any amin’ny sekolin’ny marenina, dia niala tany amin’ny faritanin’i Limbourg ny fianakaviako ka nankany Eindhoven. Nitady asa ny raiko tany, ary nianatra tany amin’ny sekoly vaovao ny mpiray tam-po amiko. Velom-pankasitrahana azy ireo aho noho ny fiovana nataon’izy ireo mba hahasoa ahy. Nampianarina hanamboatra ny haavon’ny feoko aho tany am-pianarana, sady nampianarina hiteny mazava kokoa. Tsy nampiasa baikon’ny moana ny mpampianatra, nefa nampianatra ahy hanao izany ny mpiara-mianatra tamiko.
Irery tanteraka
Niezaka mafy niresaka tamiko ny ray aman-dreniko, rehefa nihalehibe aho, nefa be dia be mihitsy ny zavatra tsy azoko. Tsy fantatro, ohatra, fa niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ry zareo. Tadidiko fa nankany amin’ny toerana iray feno olona nipetraka tamin’ny seza izahay mianakavy, indray andro. Mitodika any aloha daholo izy rehetra. Indraindray ry zareo mitehaka sy mitsangana. Tsy fantatro anefa ny antony nanaovan’ireo olona ireo izany rehetra izany. Efa ela be tatỳ aoriana vao fantatro fa tany amin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah aho tamin’iny. Tany Eindhoven, dia nisy trano kely fivoriana, nitondran’ny ray aman-dreniko ahy tsy tapaka. Nahazo aina tsara aho tany satria tsara fanahy daholo ny olona rehetra sady toa faly ny fianakaviako. Tsy fantatro anefa ny antony nandehananay tsy tapaka tany. Izao aho vao mahafantatra fa Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay trano.
Nampalahelo anefa fa tsy nisy nanazava tamiko ny fivoriana ny olona nanatrika tany. Izao vao fantatro fa tena naniry hanampy ahy izy ireo saingy tsy hitany izay natao satria marenina aho. Nahatsiaro ho irery aho tany amin’ireny fivoriana ireny, ary nieritreritra hoe: ‘Aleoko lavitra any am-pianarana toy izay eto.’ Raha vao teo am-pieritreretana izany anefa aho, dia nisy tovovavy roa nanoratra taratasy kely ary nanome izany ahy. Io ilay taratasy nolazaiko terỳ aloha. Tsy tao an-tsaiko mihitsy tamin’izany hoe hanomboka hahazo namana sarobidy aho noho iny taratasy kely iny, ka tsy ho irery intsony.
Nahazo namana sarobidy
Roapolo taona mahery kely ireo tovovavy roa nandefa ilay taratasy, ary Colette sy Hermine no anarany. Fantatro, tatỳ aoriana, fa tonga mba hiara-miasa tamin’ilay fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah niarahako izy ireo. Mpisava lalana, na mpanompo manontolo andro izy mirahavavy. Tsy tena nahay baikon’ny moana loatra i Colette sy Hermine, nefa niezaka namantatra izay nolazain’ny molony aho rehefa niresaka tamiko izy ireo. Mba nazava ihany àry ny resakay.
Nanasa ahy hiara-mianatra Baiboly taminy i Colette sy Hermine, ka faly ny ray aman-dreniko. Mbola nanao zavatra be dia be ho ahy koa anefa izy mirahavavy. Niezaka mafy nanazava tamiko ny fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy ireo, ary nanao izay hifandraisako tamin’ny olon-kafa teo anivon’ny fiangonana. Niara-nanomana tamiko ny fomba fampiseho avy ao amin’ny Baiboly, hampiasaina eny amin’ny fitoriana izy ireo. Nanampy ahy hanomana ny famelabelarana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana koa izy ireo. Eritrereto ange e! Lasa sahy
nanao famelabelarana teo anoloan’ny olona nahare aho!Nataon’i Colette sy Hermine koa izay hahatsapako fa afaka matoky azy ireo aho. Nanam-paharetana izy ireo sady nihaino ahy. Nihomehy izahay matetika rehefa nanao fahadisoana aho, nefa tsy nanaraby ahy mihitsy ry zareo. Tsy menatra ny niaraka tamiko koa izy ireo. Niezaka nahatakatra ny fihetseham-poko i Colette sy Hermine ary nitondra ahy toy ny olon-kafa rehetra. Nanome ahy fanomezana tsara tarehy ireo tovovavy tsara fanahy ireo, dia ny fitiavany sy ny fisakaizany.
Ny tena zava-dehibe indrindra tamiko, dia ny nampianaran’i Colette sy Hermine ahy hoe mila mahafantatra an’i Jehovah Andriamanitsika aho. Ho lasa namana azoko itokisana izy amin’izay. Nohazavain’izy ireo fa hitan’i Jehovah aho rehefa ao amin’ny Efitrano Fanjakana ary takany ny mahazo ahy noho izaho marenina. Tena velom-pankasitrahana aho satria nahatonga anay telo hinamana ny fitiavanay an’i Jehovah! Nampihetsi-po ahy ny fiahian’i Jehovah ahy. Tiako i Jehovah ka nanolo-tena ho azy sy natao batisa aho tamin’ny Jolay 1975.
Niaraka tamin’ny namana akaiky iray
Nihamaro ny anadahy sy rahavavy kristianina nifankahalala tamiko, tatỳ aoriana. Lasa tena namako akaiky ny anadahy iray antsoina hoe Harry, ary nivady izahay tamin’ny 1980. Lasa mpisava lalana aho taoriana kelin’izay. Voatendry ho mpisava lalana manokana tany amin’ny faritany mampiasa baikon’ny moana eto Holandy izahay mivady tamin’ny 1994. Nisy zava-tsarotra tsy maintsy natrehiko, ny taona nanaraka. Voatendry ho mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana ny vadiko, ka tsy maintsy niaraka taminy aho rehefa nitsidika fiangonana samy hafa izy. Izaho anefa marenina fa tsy toa azy.
Izao àry no ataoko amin’izany: Raha vao mitsidika voalohany ny fiangonana iray izahay, dia manatona anadahy sy rahavavy betsaka araka izay azo atao avy hatrany aho, ary mampahafantatra ny tenako. Lazaiko azy ireo fa marenina aho, ary angatahiko izy ireo mba hijery ahy sady hiteny miadana rehefa miresaka amiko. Miezaka manome valin-teny avy hatrany koa aho any am-pivoriana. Manontany koa aho raha misy olona vonona hanazava amiko ny zavatra lazaina amin’ny fivoriana sy eny amin’ny fanompoana, mandritra ilay herinandro.
Tena mety tsara izany fomba izany, hany ka hadinon’ireo anadahy sy rahavavy, indraindray, fa marenina aho. Mampihomehy ny zava-mitranga amin’izay. Ohatra, tantarain’izy ireo amiko hoe mampaneno klaxon izy mba hiarahabana ahy rehefa mahita ahy eny an-dalana.
Mazava ho azy anefa fa tsy taitra aho. Izaho koa, indraindray, mba manadino hoe marenina aho. Ohatra, mibitsibitsika tsiambaratelo amin’ny vadiko aho. Mivoaramena tampoka anefa izy, ka izay aho vao tonga saina hoe mafy loatra ny “bitsibitsiko.”Manampy amin’ny fomba tsy ampoizina koa ny ankizy. Nisy fiangonana iray, sambany vao notsidihinay. Tsikaritry ny zazalahy iray sivy taona teo anivon’io fiangonana io fa somary niahotra ny hiresaka tamiko ny mpanatrika sasany. Nanapa-kevitra ny hanao zavatra àry izy. Nanatona ahy izy, nandray ny tanako, nitondra ahy nankeo afovoan’ny Efitrano Fanjakana, ary nampifankahalala ahy tamin’ny olona. Niteny mafy be izy hoe: “Irene no anarany. Marenina izy!” Nanatona ahy ny olona ary nampahafantatra ny tenany koa.
Nihabetsaka ny namako, arakaraka ny niarahako tamin’ny vadiko tamin’ny fitetezam-paritra. Tena hafa mihitsy ny fiainako izao fa tsy mitovy tamin’ireo taona nahatsiarovako tena ho nihatakatahana sy nanirery! Hatramin’ilay takariva nanomezan’i Colette sy Hermine ahy ilay taratasy kely, dia nahita ny herin’ny fisakaizana aho. Nahita olona izay lasa namako akaiky koa aho. Ny tena zava-dehibe, dia nanjary fantatro i Jehovah, ilay Namana tiako indrindra. (Romana 8:38, 39) Tena nanova ny fiainako iny taratasy kely iny!
[Sary, pejy 24]
Tadidiko ny feon’ilay kilalao tiako indrindra
[Sary, pejy 25]
Eny amin’ny fanompoana sy miaraka amin’i Harry vadiko