Fanontanian’ny Mpamaky
Fanontanian’ny Mpamaky
Araka ny Soratra Masina, mahazo mametra-tanana ambony Baiboly ve ny Kristianina sady mianiana fa tsy hilaza afa-tsy ny marina, eny amin’ny fitsarana?
Ny tsirairay no tsy maintsy manapa-kevitra momba izany. (Galatiana 6:5) Tsy mandrara ny fianianana hilaza ny marina eny amin’ny fitsarana anefa ny Baiboly.
Efa fanao hatramin’ny ela ny mianiana. Nanangan-tanana, na nikasika alitara, ohatra, ny Grika fahiny rehefa nianiana. Milaza ny iray amin’ireo rakipahalalana momba ny Baiboly, navoakan’i John McClintock sy James Strong, fa nandray vato ny Romanina rehefa hianiana hanambara ny marina, ary nilaza hoe: “Raha mandainga aho dia toy ny anipazako an’ity vato ity anie no hanipazan’i Jopitera ahy lavitra ny zavatra tsara rehetra, rehefa manavotra ny tanàna sy ny manda izy.”
Asehon’izany fa eken’ny olombelona ny fisian’ny andriamanitra mahery iray, izay afaka mahita sy mampamoaka azy ireo. Efa hatramin’ny ela ny tena mpanompon’i Jehovah no niaiky fa mahafantatra ny zavatra nolazain’izy ireo sy nataony Andriamanitra. (Ohabolana 5:21; 15:3) Toy ny hoe teo anatrehan’Andriamanitra izy ireo no nianiana, na izy mihitsy no nataony vavolombelona. Nanao izany, ohatra, i Boaza, Davida, Solomona, ary Zedekia. (Rota 3:13; 2 Samoela 3:35; 1 Mpanjaka 2:23, 24; Jeremia 38:16) Nanaiky hianiana koa ny mpanompon’ilay Andriamanitra marina, rehefa nisy olona nangataka izany taminy. Anisan’izany i Abrahama sy Jesosy Kristy.—Genesisy 21:22-24; Matio 26:63, 64.
Nisy fihetsika nataon’ny olona nianiana teo anatrehan’i Jehovah, indraindray. Hoy i Abrama (Abrahama) tamin’ny mpanjakan’i Sodoma: “Izaho efa nanangan-tànana tamin’i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany.” (Genesisy 14:22) Nisy anjely niresaka tamin’i Daniela mpaminany, ary ‘nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin’ny lanitra ka nianiana tamin’Izay velona mandrakizay.’ (Daniela 12:7) Na Andriamanitra aza, dia lazaina ho toy ny nanangan-tanana rehefa nianiana.—Deoteronomia 32:40; Isaia 62:8.
Tsy mandrara ny fianianana ny Baiboly. Tsy voatery hianiana foana anefa ny Kristianina, mba hanaporofoana fa marina avokoa ny zavatra lazainy. Hoy i Jesosy: “Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia, tsia.” (Matio 5:33-37) Nilaza koa i Jakoba mpianatra hoe “aza mianiana.” (Jakoba 5:12) Nampitandrina izy tamin’io, fa tsy tokony hianiana amin’ny zavatra tsy dia misy dikany isika. Tsy nilaza i Jesosy sy Jakoba fa ratsy ny mianiana hilaza ny marina eny amin’ny fitsarana.
Ahoana àry raha eny amin’ny fitsarana ny Kristianina iray, ka asaina mianiana fa marina ny zavatra holazainy? Afaka manao izany izy raha heveriny fa mety izany. Raha tsy izany, dia azony atao ny manao fanambarana mba hanamafisana fa tsy mandainga izy.—Galatiana 1:20.
Mety hanangan-tanana, na hametraka azy io eo ambony Baiboly ny Kristianina rehefa mianiana, raha anisan’ny fanao eny amin’ny fitsarana izany. Mety hitadidy ny fihetsika nataon’ny olona nianiana ao amin’ny Baiboly izy amin’izay. Amin’ny Kristianina, dia mbola zava-dehibe kokoa noho ny fihetsika ny fitadidiana fa nianiana teo anatrehan’Andriamanitra izy hoe hilaza ny marina. Raharaha lehibe ny fianianana toy izany. Raha mihevitra ny Kristianina iray fa afaka, sady tokony hamaly ny fanontaniana apetraka aminy izy, dia tokony hotadidiny foana hoe nianiana izy fa hilaza ny marina. Tokony hilaza ny marina foana mantsy ny Kristianina.