Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiainana Taloha sy Ankehitriny—Manan-kery ny Tenin’Andriamanitra

Fiainana Taloha sy Ankehitriny—Manan-kery ny Tenin’Andriamanitra

“Manatòna An’Andriamanitra, dia Hanatona Anareo Izy”

Fiainana Taloha sy Ankehitriny​—Manan-kery ny Tenin’Andriamanitra

GAGA angamba ianao raha nahafantatra an’i Tony tamin’izy mbola tanora! Nasiaka sy nahery setra izy, sady mpankany amin’ireo toerana malaza ratsy any Sydney, any Aostralia. Nanana namana jiolahy koa izy. Matetika izy ireo no mangalatra sy miady ary mifampitifitra eny amin’ny arabe.

Nanomboka nifoka sigara i Tony tamin’izy sivy taona. Nifoka rongony izy sady ratsy fitondran-tena, nanomboka tamin’izy 14 taona. Efa lasa mpidoroka mihitsy izy rehefa feno 16 taona, ka nitady karazan-drongony mahery kokoa. ‘Izay zavatra nahamamo ahy mihitsy no notadiaviko’, hoy izy. Nivarotra rongony tamin’ny fikambanana roa mpanao asan-jiolahy izy tatỳ aoriana. Lasa nalaza ho mpamatsy rongony nitokisana indrindra mihitsy izy, tany amin’ny morontsiraka atsinanan’i Aostralia.

Nahatratra 160 dolara (1 072 000 FMG) ka hatramin’ny 320 dolara (2 144 000 FMG) isan’andro ny vola lanin’i Tony tamin’ny rongony isan-karazany. Ambonin’izany anefa, dia niaritra ny mafy koa ny fianakaviany. Nitantara izy hoe: “Imbetsaka no nisy jiolahy nanambana basy sy antsy anay mivady, rehefa nitady rongony sy vola tao an-tranonay.” Tonga saina i Tony rehefa avy nigadra intelo, ka nandinika ny mety ho fiafaran’ny fiainany.

Nandeha niangona foana izy, nefa tsy voasarika hifandray tamin’Andriamanitra mihitsy. Nihevitra mantsy izy fa manasazy ny mpanota sy mandoro azy ireny any amin’ny afobe Andriamanitra. Gaga anefa i Tony rehefa nisy Vavolombelon’i Jehovah roa nitsidika azy, ka nilaza taminy fa tsy manao an’izany Andriamanitra. Faly koa izy nahafantatra fa tena afaka manova ny fiainany, ka hotahin’Andriamanitra. Nampahery azy ny tenin’i Jesosy Kristy hoe: “Ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.” (Marka 10:27) Ny tena nanohina ny fony anefa dia ilay teny mampahery hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.”​—Jakoba 4:8.

Nampifanaraka ny fiainany tamin’ny toro lalan’ny Baiboly i Tony nanomboka teo, nefa tsy mora izany! Hoy izy: “Ny zava-mahadomelina no nialako voalohany indrindra. Efa nanandrana niala imbetsaka aho taloha, fa tsy afaka mihitsy. Afaka tamin’ny zava-mahadomelina nangeja ahy nandritra ny 15 taona anefa aho, noho ny fanampian’i Jehovah. Tsy nanampo mihitsy aho hoe ho afaka tamin’izany fahazaran-dratsy izany.”

Manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany izao i Tony sy ny vadiny. Tsy matahotra Andriamanitra mampijaly olona mandrakizay any amin’ny afobe izy ireo, satria tsy hita ao amin’ny Baiboly izany fampianarana izany. (Salamo 37:10, 11; Ohabolana 2:21) “Tsy vitako vetivety sady tsy mora tamiko ny nampifanaraka ny fiainako tamin’ny fitsipik’Andriamanitra”, hoy i Tony, “kanefa vitako ihany izany noho ny fanampian’i Jehovah.”

Lasa Kristianina tokoa io mpidoroka taloha io. Mahafoy fotoana sy fananana izy mivady, ka mandany ora maro amin’ny fampianarana Baiboly. Mampianatra ny zanany mianadahy mba hatahotra an’Andriamanitra koa izy ireo. Ny hery tsy hay tohaina ananan’ny Baiboly no nahatonga izany fiovana goavana izany. Marina tokoa ny tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.”​—Hebreo 4:12.

Tsara izany fitantarana izany! Mbola misy ihany anefa sahy milaza fa mampisara-mianakavy ny fampianarana Baiboly ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, sady mahatonga ny tanora ho ratsy toetra. Mandiso tanteraka an’izany filazana izany ny tantaran’i Tony.

Toa an’i Tony, dia betsaka no nahita fa azo ialana ny fahazaran-dratsy mahafaty. Ahoana no hialana amin’izany? Mila mino an’Andriamanitra isika sady mitoky aminy sy ny Teniny. Ilaina koa ny fanampian’ny namana kristianina be fitiavana. Faly erỳ i Tony namarana ny teniny hoe: “Hitako fa niaro ny zanako ny toro lalan’Andriamanitra, ary nanavotra ny fanambadiako ny fampianaran’ny Baiboly. Mahita tory tsara koa izao ny mpiara-monina amiko, satria tsy manakorontana azy ireo intsony aho.”

[Teny notsongaina, pejy 9]

‘Afaka tamin’ny zava-mahadomelina nangeja ahy nandritra ny 15 taona aho, noho ny fanampian’i Jehovah’

[Efajoro, pejy 9]

Manan-kery ny Toro Lalan’ny Baiboly

Afaka tamin’ny zava-mahadomelina manimba fahasalamana ny mpidoroka maro, satria nampihatra ireo toro lalana samihafa ao amin’ny Baiboly, toy ireto manaraka ireto:

“Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.” (2 Korintiana 7:1) Fandikana ny lalàn’Andriamanitra ny fampiasana zava-mahadomelina.

“Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena; ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.” (Ohabolana 9:10) Olona maro no lasa natahotra an’i Jehovah rehefa nianatra momba azy sy ny toetrany ary ny fomba fisainany, ka izany tahotra izany no nanampy azy ireo hiala tamin’ny zava-mahadomelina.

“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” (Ohabolana 3:5, 6) Azo atao ny miala amin’ny fahazaran-dratsy, raha mitoky amin’Andriamanitra amin’ny fo manontolo ary miantehitra tanteraka aminy.