Matanjaka Tsara ve ny Finoanao?
Matanjaka Tsara ve ny Finoanao?
“Finoana no itoeranareo.”—2 KORINTIANA 1:24.
1, 2. Nahoana isika no tsy maintsy manana finoana, ary inona no hampahatanjaka azy io kokoa?
FANTATRY ny mpanompon’i Jehovah fa tsy maintsy manana finoana izy ireo. Raha ny marina, dia ‘tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra, raha tsy amin’ny finoana.’ (Hebreo 11:6) Fahendrena àry ny mivavaka mba hahazoana fanahy masina sy finoana, izay anisan’ny voka-tsoa avy amin’io fanahy io. (Lioka 11:13; Galatiana 5:22, 23) Mihamatanjaka koa ny finoantsika rehefa manahaka ny finoan’ny mpiara-manompo amintsika isika.—2 Timoty 1:5; Hebreo 13:7.
2 Hihamatanjaka ny finoantsika raha arahintsika hatrany ny tari-dalana omen’ny Tenin’Andriamanitra ho an’ny Kristianina rehetra. Mampitombo ny finoana ny famakiana Baiboly isan’andro sy ny fahazotoana mianatra azy io amin’ny alalan’ny boky omen’ny “mpitandrin-draharaha mahatoky.” (Lioka 12:42-44; Josoa 1:7, 8) Mampahery antsika ny finoan’ny hafa, rehefa manatrika fivoriana sy fivoriambe tsy tapaka isika. (Romana 1:11, 12; Hebreo 10:24, 25) Manatanjaka ny finoantsika koa ny miresaka amin’ny olona eny amin’ny fanompoana.—Salamo 145:10-13; Romana 10:11-15.
3. Ahoana no anampian’ny anti-panahy be fitiavana antsika, raha ny finoana no resahina?
3 Manampy antsika mba hanatanjaka ny finoantsika ny anti-panahy be fitiavana, rehefa 2 Korintiana 1:23, 24) Hoy ny Baiboly Fandikan-teny Anglisy Maoderina: “Miara-miasa aminareo izahay mba ho faly ianareo, satria matanjaka ny finoanareo.” Velona noho ny finoana ny marina. Mazava ho azy fa isika mihitsy no mila maneho finoana sy tsy mivadika, fa tsy misy olon-kafa afaka hanao izany ho antsika. Tsy maintsy ‘mitondra ny entantsika avy isika’ amin’io lafiny io.—Galatiana 3:11; 6:5.
manome torohevitra sy fampaherezana avy amin’ny Baiboly. Mitovy ny toe-tsain’izy ireo sy ny toe-tsain’ny apostoly Paoly, izay nilaza tamin’ny Korintianina hoe: ‘Mpiara-miasa hampandroso ny fifalianareo izahay, satria finoana no itoeranareo.’ (4. Ahoana no andraisantsika soa avy amin’ny ohatry ny mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika?
4 Misy tantaran’olona maro be nanam-pinoana ao amin’ny Baiboly. Fantatsika angamba ny ankamaroan’ny zavatra miavaka nataony. Fantatsika anefa ve ny fomba nanehoany finoana isan’andro, angamba nandritra ny androm-piainany? Ndeha isika handinika ny fomba nanehoan’izy ireo io toetra io tao anatin’ny toe-javatra mitovy amin’ny antsika. Hanampy antsika hanatanjaka ny finoantsika izany.
Manome herim-po antsika ny finoana
5. Porofoy avy amin’ny Baiboly fa manome antsika herim-po hanambarana ny tenin’Andriamanitra ny finoana.
5 Manome antsika herim-po hanambarana ny tenin’Andriamanitra ny finoana. Nampiseho herim-po i Enoka, rehefa nampitandrina ny olona fa hampihatra ny didim-pitsarany Andriamanitra. Hoy izy: “Indro, tonga Jehovah mbamin’ny masiny tsy omby alinalina hitsara ny olona rehetra sy hampiaiky ny olona ratsy fanahy rehetra ny asan’ny haratsiam-panahy rehetra, izay nataony tamin’ny haratsiam-panahiny sy ny teny sarotra rehetra izay nitenenan’ny mpanota ratsy fanahy hanohitra Azy.” (Joda 14, 15) Azo antoka fa te hamono an’i Enoka ny fahavalony ratsy fanahy, rehefa nandre izany. Nanam-pinoana anefa i Enoka ka sahy nanambara ilay hafatra. “Nentin’Andriamanitra” àry izy, ka angamba nampatoriny tao amin’ny fahafatesana, mba tsy hijaly be rehefa maty. (Genesisy 5:24; Hebreo 11:5) Tsy hanaovana fahagagana toy izany isika, nefa mamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah mba hananantsika finoana sy herim-po, rehefa manambara ny teniny.—Asan’ny Apostoly 4:24-31.
6. Nanampy an’i Noa hanao inona ny finoana sy herim-po nomen’Andriamanitra azy?
6 Finoana no “nanamboaran’i Noa sambo-fiara hamonjena ny ankohonany.” (Hebreo 11:7; Genesisy 6:13-22) “Mpitory ny fahamarinana” koa izy, ary nanambara tamin-kerim-po ny fampitandreman’Andriamanitra tamin’ny mpiara-belona taminy. (2 Petera 2:5) Azo antoka fa naneso an’i Noa izy ireo rehefa nanambara izy fa hisy Safo-drano. Maneso antsika koa ny olona rehefa porofointsika avy amin’ny Baiboly fa tsy ho ela dia ho ringana ity tontolo ity. (2 Petera 3:3-12) Afaka manambara izany hafatra izany toa an’i Enoka sy Noa anefa isika, satria omen’Andriamanitra finoana sy herim-po.
Manampy antsika haharitra ny finoana
7. Ahoana no nanehoan’i Abrahama sy ny olon-kafa finoana sy faharetana?
7 Mila finoana sy faharetana isika, indrindra satria miandry ny faran’ity tontolo ratsy ity. Natahotra an’Andriamanitra i Abrahama, ka anisan’ireo ‘handova ny teny fikasana [na fampanantenana] noho ny finoana sy faharetana.’ (Hebreo 6:11, 12) Ny finoana no nahatonga azy handao ny tanànan’i Ora sy ny zava-tsoa rehetra tany, ka hivahiny tany amin’ny tany nampanantenain’Andriamanitra ho azy. Nandova an’io fampanantenana io koa i Isaka sy Jakoba. Kanefa, ‘maty tamin’ny finoana ireo rehetra ireo, na dia mbola tsy nahazo ny [fampanantenana] aza.’ Noho ny finoana dia ‘naniry izay tsara lavitra, dia ny any an-danitra’, izy ireo. ‘Nanamboatra tanàna ho azy ireo’ àry Andriamanitra. (Hebreo 11:8-16) Naharitra sady niandry ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ary ny vadin’izy ireo izay natahotra an’Andriamanitra. Ho anisan’ny vahoakan’izy io eto an-tany izy ireo rehefa avy hatsangana amin’ny maty.
8. Inona no tsy azon’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, nefa naneho faharetana sy finoana ihany izy?
8 Nanam-pinoana foana i Abrahama sy Isaka ary Jakoba. Tsy nahazo ny Tany Nampanantenaina izy ireo. Mbola tsy notahina tamin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama koa ny firenena rehetra tamin’ny androny. (Genesisy 15:5-7; 22:15-18) Taonjato maro tatỳ aoriana vao nisy ilay ‘tanàna nataon’Andriamanitra’, nefa naneho finoana sy faharetana foana ireo lehilahy ireo nandritra ny androm-piainany. Tena tokony hanao toy izany koa isika, satria efa miorina any an-danitra izao ny Fanjakan’ny Mesia.—Salamo 42:5, 11; 43:5.
Mahatonga antsika hanana tanjona faran’izay tsara ny finoana
9. Lasa manao ahoana ny tanjon’ny olona iray rehefa manam-pinoana izy?
9 Tsy nanaraka ny fomba fiaina ratsin’ny Kananita mihitsy ny olona nahatoky toa an’i Abrahama, satria tsara kokoa ny tanjony. Toy izany koa fa mahatonga antsika hanana tanjona ara-panahy ny finoana. Manampy antsika izany mba tsy hanaraka ny fanaon’izao tontolo izao eo ambany fahefan’ilay ratsy, dia i Satana Devoly.—1 Jaona 2:15-17; 5:19.
10. Ahoana no ahafantarantsika fa nanana tanjona tsara kokoa noho ny laza i Josefa?
10 Lasa mpiandraikitra ny sakafo tany Ejipta i Josefa zanak’i Jakoba, noho ny fitarihan’Andriamanitra. Tsy ny ho olo-malaza anefa no tanjony. Nino izy fa ho tanteraka ny fampanantenan’i Jehovah, ka hoy izy tamin’ny rahalahiny, fony izy 110 taona: “Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin’ity tany ity ho any amin’ny tany izay nianianany tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy.” Nangataka ny halevina any amin’ny tany nampanantenaina i Josefa. Nohosorana zava-manitra izy rehefa maty, ary natao tao anaty vatam-paty tany Ejipta. Rehefa afaka tamin’ny fanandevozan’ny Ejipsianina anefa ny Isiraelita, dia nentin’i Mosesy mpaminany nankany amin’ny Tany Nampanantenaina ny fatin’i Josefa mba halevina tany. (Genesisy 50:22-26; Eksodosy 13:19) Tokony ho voatosika hanana tanjona tsara kokoa noho ny laza eto amin’ity tontolo ity isika, raha manam-pinoana toa an’i Josefa.—1 Korintiana 7:29-31.
11. Ahoana no nanaporofoan’i Mosesy fa nanana tanjona ara-panahy izy?
11 Nanam-pahaizana sy anisan’ny mpianakavin’ny mpanjaka ejipsianina i Mosesy, nefa ‘nifidy ny hiara-mitondra fahoriana tamin’ny Hebreo 11:23-26; Asan’ny Apostoly 7:20-22) Noho izany, dia nafoiny ny voninahitra nomen’ny olona azy, ary angamba ny vatam-paty lafo vidy sy fandevenana nanetriketrika tany amina toerana nalaza tany Ejipta. Tena sarobidy anefa ve izany raha oharina amin’ny voninahitra nananany, noho izy “lehilahin’Andriamanitra”, mpanalalana tamin’ny faneken’ny Lalàna, mpaminanin’i Jehovah sady mpanoratra Baiboly? (Ezra 3:2) Mitady fisondrotana ve ianao mba hahazo voninahitra, sa mahatonga anao hanana tanjona ara-panahy tsara kokoa ny finoana?
olon’Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana.’ (Mahatonga ny fiainana hahafa-po ny finoana
12. Nahatonga an’i Rahaba hanao inona ny finoany?
12 Mahatonga ny olona hanana tanjona faran’izay tsara ny finoana, sady mahatonga ny fiainany hahafa-po. Azo inoana, ohatra, fa tsy nisy dikany firy tamin’i Rahaba ny fiainany fony izy mpivaro-tena. Tena niova be anefa izany rehefa naneho finoana izy! ‘Nohamarinina tamin’ny asam-[pinoany] izy, rehefa nandray ireo iraka [isiraelita] sy nampandeha azy tamin’ny lalan-kafa’, mba tsy ho tratran’ny Kananita fahavalony. (Jakoba 2:24-26) Neken’i Rahaba fa i Jehovah no Andriamanitra marina, ary naneho finoana koa izy rehefa tsy nivaro-tena intsony. (Josoa 2:9-11; Hebreo 11:30, 31) Nanambady olona nanompo an’i Jehovah izy, fa tsy Kananita tsy mpino. (Deoteronomia 7:3, 4; 1 Korintiana 7:39) Nahazo voninahitra lehibe i Rahaba satria tonga razamben’ny Mesia. (1 Tantara 2:3-15; Rota 4:20-22; Matio 1:5, 6) Handray valisoa hafa koa izy sy ny olon-kafa niala tamin’ny fitondran-tena maloto, satria hatsangana amin’ny maty ary hiaina eto an-tany lasa paradisa.
13. Inona no fahotana nataon’i Davida tamin’i Batseba, nefa inona no nataony tatỳ aoriana?
13 Azo inoana fa nanana fitondran-tena tsara hatrany i Rahaba rehefa tsy nivaro-tena intsony. Nisy olona anefa nanao fahotana lehibe, na dia efa nanolo-tena ho an’Andriamanitra hatry ny ela aza. Nijangajanga tamin’i Batseba, ohatra, i Davida Mpanjaka, ary naka azy ho vady rehefa avy nampamono ny vadiny tany an’ady. (2 Samoela 11:1-27) Nibebaka tamin’alahelo mafy anefa i Davida ary nitalaho tamin’i Jehovah hoe: “Aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko.” Nanana ny fanahin’Andriamanitra foana i Davida. Nino koa izy fa mamindra fo i Jehovah, ka ‘tsy hataony tsinontsinona ny fo torotoro sy mangorakoraka’ noho ny fahotana. (Salamo 51:11, 17; 103:10-14) Nanam-pinoana i Davida sy Batseba ka nandray valisoa lehibe, satria lasa razamben’ny Mesia.—1 Tantara 3:5; Matio 1:6, 16; Lioka 3:23, 31.
Manatanjaka finoana ny fanomezan-toky
14. Inona no fanomezan-toky azon’i Gideona, ary ahoana no hanampian’io fitantarana io antsika?
14 Na dia efa manam-pinoana aza isika dia mety hila fanomezan-toky avy amin’Andriamanitra hoe hanampy antsika izy. Toy izany i Gideona Mpitsara, izay anisan’ny “nandresy fanjakana tamin’ny finoana.” (Hebreo 11:32, 33) Nilatsaka taminy ny fanahin’Andriamanitra, rehefa nanafika ny Isiraely ny Midiana sy ny mpiray dina taminy. Te hahazo toky i Gideona fa homba azy tokoa i Jehovah, ka nitsapa izany tamin’ny alalan’ny volon’ondry izy. Napetrany teo amin’ny famoloana nandritra ny alina ilay izy, ka tamin’ny voalohany, dia ilay volon’ondry ihany no nisy ando, fa maina kosa ny tany. Nifanohitra tamin’izay no nitranga tamin’ilay fitsapana faharoa. Nampahery an’i Gideona, lehilahy malina, ireo fanomezan-toky ireo. Naneho finoana àry izy tamin’izay nataony, ka nandresy ny fahavalon’ny Isiraely. (Mpitsara 6:33-40; 7:19-25) Tsy midika akory hoe tsy ampy finoana isika, raha mitady fanomezan-toky rehefa handray fanapahan-kevitra. Mampiseho finoana mihitsy aza isika rehefa mikaroka ao amin’ny Baiboly sy ny boky ara-baiboly ary mivavaka mba hahazo ny tari-dalan’ny fanahy masina.—Romana 8:26, 27.
15. Mety hanampy antsika hanao inona ny fisaintsainana ny finoan’i Baraka?
15 Nanatanjaka ny finoan’i Baraka Mpitsara koa ny fanomezan-toky azony avy tamin’i Debora. Nampahery an’i Baraka io mpaminanivavy io, ary nampirisika azy hanafaka ny Isiraelita tamin’ny fampahorian’i Jabina mpanjaka kananita. Nanam-pinoana i Baraka sady nahazo toky fa nomba azy Andriamanitra, ka nentiny niady ny lehilahy 10 000 tsy ampy fiadiana. Resin’izy ireo ny tafik’i Jabina notarihin’i Sisera, na dia natanjaka kokoa aza. Nankalaza izany fandresena izany ny hira mampientam-po nataon’i Debora sy Baraka. (Mpitsara 4:1–5:31) Nampahery an’i Baraka mba hitarika ny Isiraely i Debora, satria voatendrin’Andriamanitra izy. Anisan’ny mpanompon’i Jehovah nanam-pinoana ka “nampandositra ny miaramilan’ny firenena hafa” i Baraka. (Hebreo 11:34) Mety hiahotra hanao asa sasany eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah isika raha sarotra ilay izy. Handrisika antsika anefa ny fisaintsainana ny valisoa nomen’Andriamanitra an’i Baraka noho ny finoany.
Mampihavana ny finoana
16. Inona no ohatra tsara navelan’i Abrahama rehefa niezaka nihavana tamin’i Lota izy?
16 Manampy antsika hanao izay asa sarotra anendrena antsika eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny finoana. Mampihavana sady mampifandray tsara antsika koa anefa izy io. Navelan’i Abrahama zokiolona hifidy ny kijana tsara indrindra i Lota zana-drahalahiny, rehefa nifanditra ny mpiandry ombin’izy mianaka, ka voatery nisaraka izy ireo. (Genesisy 13:7-12) Azo antoka fa nivavaka i Abrahama mba hanampian’Andriamanitra azy handamina izany olana izany, sady nino fa hahazo valiny. Tsy ny tombontsoany anefa no nibahana tao an-tsainy, fa ny fihavanana. Raha tsy mifanaraka amin’ny rahalahintsika isika, dia aoka hivavaka ary hino fa hahazo valiny sady “hitady fihavanana.” Aoka hotadidintsika koa i Abrahama, izay nihevitra ny hafa sy naneho fitiavana.—1 Petera 3:10-12.
17. Nahoana isika no afaka milaza fa nihavana indray i Paoly sy Barnabasy ary Marka?
17 Raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly isika sady mino fa mitondra soa izy ireny, dia hanampy antsika hihavana hatrany izany. Nanaiky hanaraka an’i Paoly tamin’ny diany misionera faharoa, ohatra, i Barnabasy, ka niara-niverina nitsidika ny fiangonana tany Kyprosy sy Azia Minora izy ireo. Te hitondra an’i Marka havany koa anefa i Barnabasy. Tsy nanaiky i Paoly satria nandao azy ireo i Marka tany Pamfylia. “Nifanditra mafy” àry izy mirahalahy, ka nisaraka. I Barnabasy nitondra an’i Marka tany Kyprosy, fa i Paoly kosa nifidy an’i Silasy hiara-miasa taminy ary “nandeha namaky an’i Syria sy Kilikia izy nampahery ny fiangonana tany.” (Asan’ny Apostoly ) Nihavana ihany izy mirahalahy tatỳ aoriana, satria niaraka tamin’i Paoly tany Roma i Marka ary nilaza zavatra tsara momba azy ilay apostoly. ( 15:36-41Kolosiana 4:10; Filemona 23, 24) Rehefa nigadra tany Roma i Paoly tamin’ny taona 65 tany ho any, dia hoy izy tamin’i Timoty: “Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin’ny fanompoana izy.” (2 Timoty 4:11) Azo inoana fa nataon’i Paoly antom-bavaka ny fifandraisany tamin’i Barnabasy sy Marka, sady nino izy fa hahazo valiny. Nifandray tsara indray àry izy ireo. Izany no vokatry ny “fiadanan’Andriamanitra.”—Filipiana 4:6, 7.
18. Inona no nitranga teo amin’i Eodia sy Syntyke?
18 Mazava ho azy fa “tafintohina amin’ny zavatra maro” isika satria tsy lavorary. (Jakoba 3:2) Niresaka momba ny vehivavy kristianina roa tsy nifanaraka i Paoly. Hoy izy: “Mananatra an’i Eodia aho, ary mananatra an’i Syntyke, mba hiray saina ao amin’ny Tompo izy. . . . Manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ny filazantsara izy.” (Filipiana 4:1-3) Tena azo inoana fa nandamina ilay olana teo aminy ireo vehivavy tia an’Andriamanitra ireo, ka nihavana indray. Angamba nampihatra torohevitra mitovy amin’ilay ao amin’ny Matio 5:23, 24 izy. Tena hampihavana antsika koa ankehitriny ny fampiharana ny toro lalan’ny Baiboly sy ny finoana fa hitondra soa izy ireny.
Manampy antsika hiaritra ny finoana
19. Inona no zava-nanahirana an’i Isaka sy Rebeka, nefa mbola nanam-pinoana foana izy?
19 Manampy antsika hiaritra zava-manahirana koa ny finoana. Kivy angamba isika satria tsy nankatò an’Andriamanitra ny mpianakavintsika vita batisa, fa nanambady tsy mpino. (1 Korintiana 7:39) Nalahelo mafy i Isaka sy Rebeka rehefa nanambady vehivavy tsy tia an’Andriamanitra i Esao zanany. Nanjary ‘nangidy indrindra ny fanahiny’ noho ireo vehivavy hetita ireo, ka hoy i Rebeka: “Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin’ny Hetita; raha maka vady amin’ny zanakavavin’ny Hetita Jakoba tahaka ireto izay avy amin’ny zazavavy tompon-tany, koa hataoko inona ny aiko?” (Genesisy 26:34, 35; 27:46) Nanam-pinoana foana anefa i Isaka sy Rebeka na dia nisy aza io zava-nanahirana io. Enga anie isika ka hanana finoana matanjaka foana raha miatrika zava-tsarotra.
20. Ahoana no nanehoan’i Naomy sy Rota finoana, ka namelany ohatra ho antsika?
20 Jodianina i Naomy, ary fantany fa hisy vehivavy avy any Joda ho lasa razamben’ny Mesia. Tena sarotra tamin’io vehivavy be taona sy mpitondratena io anefa ny hino fa ho anisan’izany ny fianakaviany. Maty tsy niteraka mantsy ny zanany lahy, ary efa tsy afaka niteraka intsony koa izy. Nalain’i Boaza ho vady anefa i Rota vinantovaviny maty vady, ary niteraka zazalahy izy sady lasa razamben’i Jesosy, ilay Mesia! (Genesisy 49:10, 33; Rota 1:3-5; 4:13-22; Matio 1:1, 5) Faly i Naomy sy Rota, satria nanam-pinoana ka afaka niaritra zava-nanahirana. Tena ho faly koa isika raha miezaka hanam-pinoana hatrany, na dia manan-java-manahirana aza.
21. Inona no vokatry ny finoana eo amintsika, ary tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?
21 Marina fa tsy fantatsika izay havoakan’ny ampitso, nefa afaka manampy antsika hiatrika ny zava-tsarotra rehetra ny finoana. Manome antsika herim-po sy faharetana izy io, ary mahatonga antsika hanana tanjona faran’izay tsara sy fiainana mahafa-po. Mampifandray tsara antsika koa izy io sady manampy antsika hiaritra zava-manahirana. Enga anie àry isika ka ho “naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy.” (Hebreo 10:39) Noho ny herin’i Jehovah, Andriamanitsika be fitiavana, dia aoka haneho finoana matanjaka hatrany isika, mba hitondra voninahitra ho azy.
Ahoana no Havalinao?
• Inona no porofo ara-baiboly mampiseho fa manome herim-po antsika ny finoana?
• Nahoana isika no afaka milaza fa mahatonga ny fiainantsika hahafa-po ny finoana?
• Nahoana no lazaina fa mampihavana ny finoana?
• Inona no manaporofo fa manampy antsika hiaritra zava-manahirana ny finoana?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 16]
Finoana no nahatonga an’i Noa sy Enoka hanana herim-po hanambarana ny hafatr’i Jehovah
[Sary, pejy 17]
Manjary manana tanjona ara-panahy isika rehefa manam-pinoana toa an’i Mosesy
[Sary, pejy 18]
Nihanatanjaka ny finoan’i Baraka sy Debora ary Gideona, rehefa nahazo toky izy fa hanampy azy Andriamanitra