Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nandresy ve ny Ratsy?

Nandresy ve ny Ratsy?

Nandresy ve ny Ratsy?

MISY hery tsara sy ratsy mifanandrina eo amin’izao tontolo izao. Hatramin’ny ela ny mpanoratra sy filozofa no manombantombana tsy misy farany momba io hevitra io. Misy boky anefa milaza ny marina momba ny adin’Andriamanitra sy ny Devoly. Ny Baiboly izany boky izany. Mampiseho ny raharaha tafiditra amin’io ady io izy sady manampy antsika hahafantatra hoe iza no tena nandresy.

Nanohitra ny fitondran’Andriamanitra ny anjely iray atao hoe Satana Devoly, taoriana kelin’ny namoronana ny lehilahy sy vehivavy voalohany. Tamin’ny fomba ahoana? Nilaza an-kolaka izy fa nisy zavatra tsara tsy nomen’Andriamanitra ny zavaboariny, ary ho tsara kokoa ny fiainan’ny olona raha tsy miankina amin’Andriamanitra izy ireo.​—Genesisy 3:1-5; Apokalypsy 12:9.

Nisy raharaha hafa koa napoitran’i Satana tamin’ny andron’i Joba. Nitady fomba hitarihana an’i Joba hivadika tamin’Andriamanitra izy, ka niteny hoe: “Hoditra fefin’ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ny olona dia homeny ho fefin’ny ainy.” (Joba 2:4) Voakasik’io fihamboan’i Satana io ny olona rehetra! Tsy nanonona ny anaran’i Joba mantsy izy fa nampiasa ilay teny hoe “olona.” Te hilaza àry izy fa mety hivadika ny olona rehetra. Raha ny marina, dia nanizingizina izy hoe: ‘Hanao izay rehetra azony atao ny olona mba tsy ho faty. Avelao ange hanaovako azy, raha tsy vitako ny hampiala azy rehetra amin’Andriamanitra e!’

Mba hamantarana hoe Andriamanitra no nandresy sa ny Devoly, dia ilaina hovaliana ireto fanontaniana roa ireto: Mahomby ve ny fitondran’olombelona samirery ny tenany? Vitan’ny Devoly ve ny mitarika ny olona rehetra hivadika amin’ilay Andriamanitra marina?

Mahomby ve ny fitondran’olombelona samirery ny tenany?

Nanandrana fitondram-panjakana samihafa ny olombelona nandritra ny taona maro. Nandramana, ohatra, ny fanjakan’olon-tokana, fitondran’andriana, demokrasia, fitondrana tsy refesi-mandidy, Fasisma ary Kominisma. Matoa ilaina hovana foana ny karazam-pitondrana, tsy midika ve izany fa tsy mahafa-po ireo fitondram-panjakana samy hafa ireo?

Hoy i H. Wells ao amin’ilay boky hoe Tantaran’izao Tontolo Izao (anglisy), navoaka tamin’ny 1922: “Tsy nampoizin’ny Romanina akory fa nandray anjara tamin’ny fanandramana lehibe iray momba ny fitondrana izy ireo.” Hoy koa izy: ‘Niovaova foana ilay fomba fitondrana fa tsy mba naharitra mihitsy. Azo lazaina hoe tsy nahomby ilay fanandramana. Azo lazaina koa anefa hoe mbola tsy vita izy io. Mbola miezaka i Eoropa sy Amerika ankehitriny mba hitady fomba hahaizana mitondra fanjakana. Ny Romanina no voalohany niezaka hamaha izany olana lehibe izany.’

Nitohy hatramin’ny taonjato faha-20 ny fanandramana izay karazana fitondram-panjakana mety. Nahazo vahana kokoa noho ny hatramin’izay ny demokrasia tamin’ny faran’iny taonjato iny. Lazaina fa afaka mandray anjara amin’ny fitondrana avokoa ny rehetra ao anatin’ny demokrasia. Mampiseho anefa ve izy io fa mahomby ny fitondran’ny olombelona tsy misy an’Andriamanitra? Nilaza i Jawaharlal Nehru, praiminisitr’i Inde teo aloha, fa tsara ny demokrasia. Nanampy anefa izy hoe: “Milaza izany aho satria ratsy kokoa noho io, ny fomba fitondrana hafa.” Hoy koa i Valéry Giscard d’Estaing, filoha frantsay teo aloha: “Miatrika olana lehibe ny demokrasia.”

Tamin’ny taonjato fahadimy Talohan’i Kristy, dia efa tsikaritr’i Platon, filozofa grika, fa nisy lesoka ny fitondrana demokratika. Nokianiny mafy “ny mpanao politika tsy ampy fahalalana sy fahaizana”, araka ilay boky hoe Tantaran’ny Tsangan-kevitra Politika (anglisy). Nilaza izy fa “izany no tena lesoka amin’ny demokrasia.” Maro ny mpanao politika ankehitriny no mitaraina, satria sarotra ny mahita olona mahay afaka hitondra fanjakana. Milaza Ny Gazetin’i Wall Street (anglisy) fa “sosotra [ny olona] rehefa toa tsy ampy fahaizana ny mpitondra nefa tena lehibe ny olana atrehina.” Hoy koa izy io: “Leo izy ireo satria tari-dalana no tadiaviny, nefa tsy mahavita manapa-kevitra ny mpitondra sady mandray tsolotra.”

Diniho anefa ny fitondran’i Solomona mpanjakan’ny Isiraely fahiny. Nomen’i Jehovah Andriamanitra fahendrena miavaka izy. (1 Mpanjaka 5:9-14) Nanao ahoana ny firenen’ny Isiraely nandritra ireo 40 taona nanjakan’i Solomona? Hoy ny Baiboly: “Ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.” Mitantara koa izy io hoe: “Ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin’ny andron’i Solomona rehetra, samy teny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.” (1 Mpanjaka 4:20; 5:5) Nilamina sy nandroso ary sambatra tsy nisy toy izany ilay firenena teo ambany fitondran’ilay mpanjaka hendry, izay solontenan’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpitondra Fara Tampony tsy hita maso.

Samy hafa be tokoa ny fitondran’olombelona sy ny an’Andriamanitra! Misy tena afaka milaza ve fa nandresy i Satana, raha ny fitondrana no resahina? Tsia, satria marina ny nolazain’ny mpaminany Jeremia hoe: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.”​—Jeremia 10:23.

Afaka mitarika ny olona rehetra hivadika amin’Andriamanitra ve i Satana?

Mahavita mitarika ny olona rehetra hivadika amin’Andriamanitra tokoa ve i Satana, araka ny fihamboany? Manonona lehilahy sy vehivavy nahatoky maromaro talohan’i Kristy ny apostoly Paoly, ao amin’ny Hebreo toko faha-11. Hoy izy avy eo: “Ho lany ny andro, raha milaza an’i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany.” (Hebreo 11:32) Nilaza fotsiny i Paoly fa ‘vavolombelona maro be toy ny rahona’ ireny mpanompon’Andriamanitra nahatoky ireny. (Hebreo 12:1) Ilay teny grika nadika hoe “rahona” eto dia tsy milaza rahona manana habe sy bika miavaka tsara. Midika ho rahona matevina sy manjavozavo kosa izy io. Mety tsara izany satria be dia be ny mpanompon’Andriamanitra nahatoky fahiny, ka toy ny rahona matevim-be izy ireo. Olona maro be tsy hita isa tokoa no nifidy ny tsy hivadika tamin’i Jehovah Andriamanitra hatramin’izay.​—Josoa 24:15.

Ary ahoana ny amin’ny androntsika? Tafakatra ho maherin’ny enina tapitrisa ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, na dia nenjehina sy notoherina mafy aza izy ireo nandritra ny taonjato faha-20. Misy olona sivy tapitrisa eo ho eo koa miaraka amin’izy ireo, ary maro aminy no manao dingana mba hifandray akaiky amin’Andriamanitra.

I Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, no tena nampiseho fa tsy afaka mitarika ny olona hivadika amin’i Jehovah i Satana. Tsy nivadika izy na dia nanaintaina mafy teo amin’ny hazo fijaliana aza. Rehefa niala aina i Jesosy, dia nihiaka hoe: “Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko.”​—Lioka 23:46.

Manao izay rehetra vitany i Satana mba hifehezana hatrany ny olombelona. Mampiasa fakam-panahy sy fanenjehana mivantana izy. Mitady fomba izy hanakanana ny olona tsy hanatona an’i Jehovah na hitarihana azy hiala aminy. Maka fanahy azy ireo izy amin’ny alalan’ny “filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao.” (1 Jaona 2:16) ‘Nohajambain’i [Satana] koa ny sain’ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy.’ (2 Korintiana 4:4) Tsy misalasala mihitsy koa izy mandrahona na manao izay hatahorantsika ny olona mba hanatratrarana ny zava-kendreny.​—Asan’ny Apostoly 5:40.

Tsy resin’ny Devoly anefa ny olona miandany amin’Andriamanitra. Mahalala an’i Jehovah Andriamanitra izy ireo, ary ‘tia azy amin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ary ny sainy rehetra.’ (Matio 22:37) Ny tsy fivadihan’i Jesosy Kristy sy ireo olona maro be dia porofo fa resy tokoa i Satana Devoly.

Inona no hitranga amin’ny hoavy?

Hanandrana fitondram-panjakana maro samy hafa foana ve ny olombelona? Naminany i Daniela hoe: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.” (Daniela 2:44) Any an-danitra ilay Fanjakana aorin’Andriamanitry ny lanitra, ary i Jesosy Kristy no mpanjakany. Io ilay Fanjakana nampianarin’i Jesosy ny mpanara-dia azy mba hangatahany am-bavaka. (Matio 6:9, 10) Kely sisa dia handrava ny fitondram-panjakan’olombelona rehetra io Fanjakana io “amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, ka hitondra ny tany manontolo.​—Apokalypsy 16:14, 16.

Inona no hiafaran’i Satana? Milaza ny Baiboly fa izao no hitranga: ‘Nosamborin’[ny anjelin’i Jehovah] ilay dragona (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka nofatorany arivo taona, dia natsipiny ho amin’ny lavaka tsy hita noanoa ka nohidiany izany, dia nasiany tombo-kase teo amboniny, mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona.’ (Apokalypsy 20:1-3) Tsy hanomboka ny Fanjakana Arivo Taonan’i Jesosy Kristy raha tsy rehefa ho avy natsipy tao anatin’ilay lavaka tsy hita noanoa i Satana, ka tsy ho afaka hanao na inona na inona.

Ho lasa fonenana mahafinaritra tokoa ity tany ity amin’izay! Tsy hisy intsony ny faharatsiana sy ireo mahatonga izany. Mampanantena ny Baiboly hoe: “Ny mpanao ratsy hofongorana . . . Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany ka hiravoravo amin’ny haben’ny fiadanana.” (Salamo 37:9-11) Tsy hanimba ny fiadanany, na olona na biby. (Isaia 11:6-9) Nisy olona an-tapitrisa tamin’ny lasa niandany tamin’ny Devoly, satria tsy nahalala na tsy afaka nianatra momba an’i Jehovah. Hovelomina indray izy ireny ary hampianarina ny lalan’Andriamanitra.​—Asan’ny Apostoly 24:15.

Ho tonga paradisa ny tany amin’ny faran’ny Fanjakana Arivo Taona, ary ho lasa lavorary ny mponina eo aminy. Hovahana “kelikely” i Satana avy eo, ary haringana tanteraka izy mbamin’izay rehetra manohitra ny fitondran’Andriamanitra.​—Apokalypsy 20:3, 7-10.

Hiandany amin’iza ianao?

Tena nanimba ny tany i Satana nandritra iny taonjato faha-20 iny. Ny toe-piainana ankehitriny anefa tsy midika fa nandresy izy. Famantarana kosa izany fa miaina amin’ny andro faran’ity tontolo ratsy ity isika. (Matio 24:3-14; Apokalypsy 6:1-8) Tsy ny habetsahan’ny faharatsiana etỳ an-tany na ny fihevitry ny besinimaro no mamaritra hoe iza no nandresy. Ny mamaritra izany kosa dia hoe ny fitondran’iza no mahomby indrindra, ary misy olona manompo an’Andriamanitra ve satria tia azy. Raha ireo no jerena, dia i Jehovah no nandresy.

Raha efa voaporofo àry fa diso i Satana, nahoana no mbola avelan’Andriamanitra hisy ny faharatsiana? Manam-paharetana i Jehovah satria “tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra.” (2 Petera 3:9) Tiany ‘hovonjena ny olona rehetra ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.’ (1 Timoty 2:4) Enga anie ianao hampiasa ny fotoana sisa tavela mba hianarana ny Baiboly, ka ‘hahafantatra ilay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahiny.’ (Jaona 17:3) Ho faly hanampy anao hahazo izany fahalalana izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Amin’izay ianao dia afaka hiaraka amin’ireo olona tsy mivadika an-tapitrisa, izay miandany amin’ny mpandresy.

[Sary, pejy 5]

Vao mainka manaporofo ny faharesen’i Satana ny tsy fivadihan’ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary, pejy 7]

Maro ny olona tsy mivadika miandany amin’i Jehovah