Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niara-nivory Tamim-pifaliana Ireo “Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto”

Niara-nivory Tamim-pifaliana Ireo “Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto”

Niara-nivory Tamim-pifaliana Ireo “Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto”

MAMPIKORONTANA an’izao tontolo izao ny faharatsiam-pitondran-tena, sy ny zava-tsarotra ara-toe-karena sy ara-politika. Na dia teo aza izany, dia nivory tamim-pilaminana nandritra ny telo andro, tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto” ny Vavolombelon’i Jehovah. Natao naneran-tany ireny fivoriana ireny, nanomboka tamin’ny Mey 2002.

Tena fotoam-pifaliana tokoa ireny fivoriambe ireny. Andeha hojerentsika vetivety indray ilay fandaharana ara-baiboly nampahery.

Nanantitrantitra ny zotom-pon’i Jesosy ny andro voalohany

“Tahafo ny Zotom-pon’i Jesosy Tompontsika.” Izany no foto-kevitry ny andro voalohany tamin’ilay fivoriambe. (Jaona 2:17) Nanasa ny mpanatrika hahatsapa ny fifaliana mampiavaka ny fivoriamben’ny vahoakan’Andriamanitra, ilay rahalahy nanao ny lahateny hoe “Mifalia ry Mpitory Ilay Fanjakana Tafavory.” (Deoteronomia 16:15) Nisy fanadinadinana ireo mpitory ny vaovao tsara mazoto, taorian’io lahateny io.

Nanazava ny andininy tsirairay tao amin’ny Salamo 37:1-11 ilay lahateny hoe “Miravoravoa Amin’i Jehovah.” Nampirisihina isika ‘tsy hirehitra noho ny fahatezerana’ noho ny toa fahombiazan’ny ratsy fanahy. Hahariharin’i Jehovah foana izay tena mpanompony mahatoky, na dia mety hanaratsy antsika aza ny ratsy fanahy. Niresaka ny fomba ahafahantsika mankasitraka an’Andriamanitra ilay lahateny hoe “Mahaiza Mankasitraka.” Tsy maintsy manolotra “fanati-piderana” ho an’i Jehovah ny Kristianina rehetra. (Hebreo 13:15) Mazava ho azy fa miankina amin’ny fankasitrahantsika sy ny tarehin-javatra misy antsika ny ora lanintsika hanompoana an’i Jehovah.

Nitondra ny lohateny hoe “Miredareda ny Zotom-pon’ireo Mpitory Ilay Fanjakana” ny lahateny fototra. Nilaza izy io fa tokony hanahaka ny zotom-pon’i Jesosy Kristy isika. Nila zotom-po hanambarana ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana any an-danitra ny Kristianina marina, taorian’ny niorenan’izy io tamin’ny 1914. Niresaka momba ilay fivoriambe tamin’ny 1922, tany Cedar Point, any Etazonia, ilay mpandahateny ary nampahatsiahy antsika ilay antso malaza hoe: “Ambarao ilay Mpanjaka sy ny Fanjakany!” Feno zotom-po ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky, ka voatosika hanambara tamin’ny firenena rehetra ny fahamarinana mahatalanjona momba ilay Fanjakana.

Ilay lahateny hoe “Aza Matahotra fa Momba Antsika i Jehovah”, tamin’ny tolakandro, dia nampiseho fa ny vahoakan’Andriamanitra no tena lasibatr’i Satana. Na dia toherina aza anefa isika, dia manjary be herim-po, ka tsy matahotra hiatrika fitsapana sy fakam-panahy, rehefa misaintsaina ireo oha-pinoana ao amin’ny Baiboly sy amin’ny andro ankehitriny.​—Isaia 41:10.

Nisy lahateny telo nifampitohy avy eo, nitondra ny lohateny hoe “Manatanjaka Antsika Handeha Amin’ny Anaran’i Jehovah ny Faminanian’i Mika.” Nampitovin’ny mpandahateny voalohany ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny fivadiham-pinoana ary ny fitiavan-karena tamin’ny andron’i Mika sy ny amin’izao andro izao. Hoy izy: “Ho azo antoka ny fanantenantsika, raha miezaka isika mba hanana fo mankatò sy fitondran-tena masina. Tokony hofenointsika toe-panahy araka an’Andriamanitra koa ny fiainantsika, ary tsy tokony hohadinointsika mihitsy fa tsy maintsy ho avy ny andron’i Jehovah.”​—2 Petera 3:11, 12.

Niresaka momba ny fanamelohana ireo mpitarika teo amin’ny Joda ny mpandahateny faharoa. Nampijaly ny nahantra sy ny tsy nanam-piarovana izy ireo. Nilaza mialoha koa anefa i Mika fa handresy ny fivavahana marina. (Mika 4:1-5) Omen’ny fanahy masin’i Jehovah hery isika, ka tapa-kevitra ny hitory io hafatra manome fanantenana sy mamelombelona io. Ahoana anefa raha manakantsakana antsika ny aretina, na voafetra ny mety ho vitantsika? Hoy ny mpandahateny fahatelo: “Tsy tafahoatra ny zavatra takin’i Jehovah, ary azo atao tsara.” Noresahiny koa ireo lafin-javatra samihafa ao amin’ny Mika 6:8, manao hoe: “Izay ilain’i Jehovah aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.”

Koa satria mety ho voataonan’ny fitondran-tena ratsin’ity tontolo ity ny Kristianina, dia nanampy antsika rehetra ilay lahateny hoe “Arovy ny Fonao mba Hadio Fitondran-tena Hatrany Ianao.” Ho sambatra, ohatra, ny fanambadiantsika, raha madio fitondran-tena foana isika. Tsy tokony hieritreritra ny hijangajanga akory isika Kristianina.​—1 Korintiana 6:18.

Ilay lahateny hoe “Mitandrema Amin’ny Famitahana” dia nampiseho fa fahendrena ny mihevitra ho toy ny poizina ny fanolanana hevitra, ny tsy filazana ny tena marina, ary ny lainga an-kitsirano aelin’ny mpivadi-pinoana. (Kolosiana 2:8) Tsy tokony hamita-tena koa isika, ka hihevitra fa afaka mampanaram-po ny fanirian-dratsintsika, nefa tsy hizaka ny voka-dratsin’izany.

“Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina” no lohatenin’ilay lahateny namarana ny andro voalohany. Miharatsy hatrany ny toe-piainana eo amin’ity tontolo ity, koa tena mampahery ny mahafantatra fa haorin’i Jehovah tsy ho ela ny tontolony vaovao sy marina! Iza no hiaina ao? Ireo mivavaka amin’i Jehovah ihany. Mba hanampiana antsika sy ny zanatsika ary ny olona ampianarintsika Baiboly hanao izany, dia navoaka ilay boky fianarana vaovao hoe Mivavaha Aminilay Hany Andriamanitra Marina. Tena faly mihitsy isika nahazo azy io!

Nanasongadina ny zotom-po ho amin’izay tsara ny andro faharoa

“Mazotoa Amin’izay Tsara” no foto-kevitry ny andro faharoa tamin’ilay fivoriambe. (1 Petera 3:13) Namelabelatra ny andinin-teny ho an’ny andro ny mpandahateny voalohany. Nantitranteriny fa lasa mazoto kokoa isika, raha mamakafaka tsara sy tsy tapaka ny andinin-teny ho an’ny andro tsirairay.

Nanaraka izany ireo lahateny telo nifampitohy hoe “Mankalaza ny Fanompoany Ireo Mpitory Ilay Fanjakana.” Nanamafy ny ilana hampiasa tsara ny Tenin’Andriamanitra ny lahateny voalohany. (2 Timoty 2:15) ‘Hanan-kery’ eo amin’ny fiainan’ny olona ny Baiboly, raha ampiasaintsika tsara. (Hebreo 4:12) Tokony hisarika ny sain’ny olona ho amin’ny Baiboly isika, ary hampiasa azy io mba handresena lahatra azy. Nampirisika antsika hiverina hitsidika ireo olona liana, ny lahateny faharoa. (1 Korintiana 3:6) Ilaina ny fiomanana sy ny fahasahiana mba hanolokoloana haingana ny fahalianana. Nampirisika antsika hihevitra ny olona tsirairay hitantsika ho mety ho tonga mpianatra, ny lahateny fahatelo. Nasehon’izy io koa fa tsara ny manolotra fampianarana Baiboly raha vao miresaka voalohany amin’ilay olona isika, satria mety hanampy azy ho tonga mpianatra izany.

“Nahoana Isika no Tsy Tokony ‘Hitsahatra Hivavaka’?” Izany no foto-kevitry ny lahateny nanaraka. Ampirisihin’ny Baiboly ny Kristianina mba hanaiky hotarihin’Andriamanitra eo amin’ny fiainany manontolo. Ilaintsika ny maka fotoana hivavahana manokana. Tsy maintsy maharitra amin’ny vavaka koa isika, satria mety havelan’i Jehovah hivavaka mandritra ny fotoana kelikely isika, vao homeny valiny.​—Jakoba 4:8.

Ilay lahateny hoe “Mampandroso ny Miresaka Zavatra Ara-panahy”, dia nampirisika antsika hampiasa ny fahaizantsika miteny mba hahasoa antsika sy ny hafa. (Filipiana 4:8) Mila miresaka zavatra ara-panahy isan’andro ny mpivady ary koa ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Tokony hiezaka hiara-misakafo, fara fahakeliny, indray mandeha isan’andro, àry ny mpianakavy, mba hahafahany hanao resaka mampandroso.

Namarana ny fotoam-pivoriana maraina ilay lahateny mampahery hoe “Mahavonjy ny Fanoloran-tena sy ny Batisa.” Tsy maintsy ho efa manana fahalalana, naneho finoana, nibebaka, niala tamin’ny fanaovan-dratsy, ary nanolo-tena ho an’Andriamanitra ireo mpilatsaka hatao batisa. Nilaza ny mpandahateny fa tsy maintsy mandroso ara-panahy hatrany sy mazoto amin’ny asa tsara foana izy ireo, aorian’ny batisany.​—Filipiana 2:15, 16.

Nanantitrantitra hevi-dehibe roa ilay lahateny tamin’ny tolakandro hoe “Manetre Tena, ary Aoka ho Tsotra ny Masonao.” Manetry tena isika, raha mahafantatra fa voafetra ny mety ho vitantsika ary manaiky ny toerana tanantsika eo anatrehan’Andriamanitra. Manampy antsika hihazona ny masontsika ho “tsara”, na hoe tsotra, ny fanetren-tena, ka hifantoka amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, fa tsy amin’ny harena. Tsy tokony hanahy àry isika, satria hanome izay ilaintsika i Jehovah.​—Matio 6:22-24, 33, 34.

Nasehon’ny mpandahateny manaraka fa ilaintsika ny ‘Matoky Tanteraka An’i Jehovah Amin’ny Andro Fahoriana.’ Ahoana no handresentsika ny fahalementsika sy hizakantsika ireo olana ara-bola sy ara-pahasalamana? Aoka isika hangataka fahendrena amin’i Jehovah sy hitady fanampiana amin’ny hafa. Tsy tokony hivadi-po na hanary toky isika, fa hamaky ny Tenin’Andriamanitra, mba hanamafisana ny fatokisantsika azy.​—Romana 8:35-39.

Nisy lahateny hafa nifampitohy avy eo, izay nitondra ny foto-kevitra hoe “Mitsapa ny Hatsaran’ny Finoantsika ny Fisedrana Samihafa.” Nampahatsiahy antsika ny lahateny voalohany fa miatrika fanenjehana ny Kristianina marina rehetra. Fitoriana vita ho azy ny fiaretana fanenjehana, ary manatanjaka ny finoantsika sy mampiseho ny tsy fivadihantsika amin’Andriamanitra. Tsy manao vivery ny aintsika tsy amin’antony isika, nefa tsy handika ny Soratra Masina koa mba hialana amin’ny fanenjehana.​—1 Petera 3:16.

Niresaka raharaha mifandray amin’ny tsy fombana ny atsy na ny aroa ny mpandahateny faharoa. Tsy mpitolona ho an’ny fandriampahalemana ny Kristianina tany am-boalohany, fa Andriamanitra no nanehoany tsy fivadihana voalohany. Ny Vavolombelon’i Jehovah koa dia manaraka akaiky ilay toro lalana hoe: “Tsy naman’izao tontolo izao hianareo.” (Jaona 15:19) Mety ho voasedra tampoka isika, satria tsy momba ny atsy na ny aroa, ka tokony hanokana fotoana hijerena ireo toro lalan’ny Baiboly momba izany ny fianakaviana. Nolazain’ilay mpandahateny fahatelo fa tsy ny hamono antsika no tanjon’i Satana, fa ny hanery antsika hivadika. Manome voninahitra an’i Jehovah isika, raha mahatoky sy miaritra fanesoana, fitaomana haloto fitondran-tena, ratram-po, ary aretina.

Ilay fanasana hoe “Manatòna An’i Jehovah” no foto-kevitry ny lahateny farany tamin’io andro io. Voasarika hanatona an’i Jehovah isika, rehefa mahazo tsara ireo toetrany fototra. Mampiasa ny heriny tsy manam-petra izy, mba hiarovana ny mpanompony, eo amin’ny lafiny ara-panahy indrindra indrindra. Tsy henjana ny rariny araka an’Andriamanitra, fa manosika azy hanome fiainana mandrakizay an’ireo manao ny marina. Mampiharihary ny fahendren’Andriamanitra ny nampiasany olombelona tsy lavorary hanoratra ny Baiboly. Ny toetrany manintona indrindra dia ny fitiavana, izay nanosika azy hamonjy ny olombelona amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. (Jaona 3:16) Namoaka ilay boky vaovao mahafinaritra hoe Manatòna An’i Jehovah ilay mpandahateny, teo am-pamaranana.

Nanasongadina ny ilana zotom-po ho amin’ny asa tsara ny andro fahatelo

“Vahoaka Mazoto Amin’ny Asa Tsara” no foto-kevitry ny andro fahatelo tamin’ilay fivoriambe. (Titosy 2:14) Tsara fiandohana io andro io, satria nisy fianakaviana iray niara-nandinika ny andinin-teny ho an’ny andro. Nanaraka izany ilay lahateny hoe “Jehovah ve no Tokinao?” Diso fiantefa ny fatokisan’ireo firenena, satria miantehitra amin’ny fahendreny sy ny tanjany ihany izy ireo. Tsy mitovy amin’izany anefa ny vahoakan’i Jehovah, fa manana herim-po sy faly miantehitra aminy, na dia ao anatin’ny loza aza.​—Salamo 46:1-3, 7-11.

Ahoana no ahafahan’ny tanora mandray soa be indrindra avy amin’ny fiainana? Namelabelatra io fanontaniana io ilay lahateny hoe “Ry Tanora! Omany Miaraka Amin’ny Fandaminan’i Jehovah ny Hoavinareo.” Mampirisika ny tanora ny Mpamorona antsika mba hahatsiaro azy amin’ny andro fahatanorany, fa tsy hikatsaka vola sy fananana ary laza. Nanadinadina tanora sasany niezaka handroso teo amin’ny fanompoana kristianina nandritra ny fahatanorany ny mpandahateny, ary tsapantsika tamin’izany ny fifalian’izy ireo. Tena tsara ilay taratasy mivalona vaovao hoe Ry Tanora—Inona no Tanjonareo eo Amin’ny Fiainana? Natao hanampiana ny tanora Vavolombelona hanorina hoavy mandrakizay miaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah izy io!

Nanaraka izany ilay fampisehoana tantara tena nahaliana, nitondra ny lohateny hoe “Miorena Mafy ao Anatin’ny Fotoan-tsarotra.” Nofintinina tao ny fanompoana lava be nataon’i Jeremia. Naminany tamin-jotom-po ny handringanana an’i Jerosalema izy, hatramin’ny fahazazany. Tsy nihevi-tena hahavita ilay asa nasaina nataony i Jeremia, nefa notanterahiny ihany ilay izy, na dia nisy fanoherana aza, ka novonjen’i Jehovah izy.​—Jeremia 1:8, 18, 19.

Taorian’izay, dia nisy lahateny hoe “Tahafo i Jeremia: Aza Matahotra Mitory ny Tenin’Andriamanitra.” Totofan’ny olona lainga sy haratsiny matetika ny mpitory ilay Fanjakana ankehitriny. (Salamo 109:1-3) Afaka mandresy fahakiviana, toa an’i Jeremia, anefa isika, raha mamaky ny Tenin’i Jehovah, ka mahita fahafinaretana amin’izany. Matoky isika fa tsy handresy antsika izay miady amintsika.

Tena ara-potoana tokoa ilay lahateny ho an’ny besinimaro nitondra ny lohateny hoe “Eo Am-piovana ny Sehatr’ity Tontolo Ity.” Misy fiovan-javatra manaitra mafy amin’izao androntsika izao. Izany fisehoan-javatra izany sy ny antsoantso hoe “fiadanana sy filaminana”, dia nolazain’ny Baiboly mialoha fa hitranga alohan’ny andro fitsaran’Andriamanitra mahatahotra. (1 Tesaloniana 5:3) Hitondra fiovana mahatalanjona izy io, satria hamarana ny ady, heloka bevava, herisetra, ary na dia ny aretina aza. Izao no fotoana tokony hifikirana amin’Andriamanitra sy hananana fitondran-tena madio hatrany, fa tsy hianteherana amin’ity tontolo ity.

Taorian’ny famintinana Ny Tilikambo Fiambenana, dia nisy lahateny famaranana, nitondra ny foto-kevitra hoe “Manaova Asa Tsara Be dia Be, ry Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto.” Nilaza ny mpandahateny fa nandrisika antsika ara-panahy sy nampirisika antsika hiantehitra amin’i Jehovah ilay fivoriambe. Ho famaranana, dia nampirisihina isika mba ho mpitory ilay Fanjakan’Andriamanitra madio sy be fitiavana ary mazoto.​—1 Petera 2:12.

Tahaka ireo mpanompon’i Jehovah tamin’ny andron’i Nehemia, dia tena faly isika rehefa nody, noho ireo fitahiana ara-panahy noraisintsika tany amin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto.” (Nehemia 8:12) Tsy faly sy tapa-kevitra ny ho mpitory ilay Fanjakana mazoto foana ve ianao, noho iny fivoriambe nampahery iny?

[Efajoro/Sary, pejy 23]

Boky Fianarana Vaovao!

Faly ny mpanatrika rehefa navoaka ilay boky vaovao hoe Mivavaha Aminilay Hany Andriamanitra Marina, tamin’ny faran’ny andro voalohany tamin’ilay fivoriambe. Natao hiaraha-mianatra amin’ireo nahavita ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay izy io. Azo antoka koa fa hanatanjaka ny finoan’ireo maniry ‘hiaina mandrakizay’ izy io.​—Asan’ny Apostoly 13:48.

[Sary nahazoan-dalana]

Sary eo amin’ny fonon’ilay boky: U.S. Navy photo

[Efajoro/Sary, pejy 26]

Fanampiana mba Hanatonana An’Andriamanitra

Nilaza ny fivoahan’ilay boky vaovao hoe Manatòna An’i Jehovah ny mpandahateny farany tamin’ny andro faharoan’ilay fivoriambe. Misy fizarana efatra lehibe io boky io. Mifantoka amin’ny iray amin’ireo toetran’i Jehovah fototra ny fizarana tsirairay, dia ny hery, ny fitiavana ny rariny, ny fahendrena, ary ny fitiavana. Misy toko mampiseho ny fomba nanehoan’i Jesosy Kristy izany toetra izany teo amin’izay rehetra nataony, ny fizarana tsirairay. Ity boky vaovao ity dia natao indrindra hanampiana antsika sy ny olona ampianarintsika Baiboly, mba hanana fifandraisana akaiky sy matanjaka amin’i Jehovah Andriamanitra.

[Efajoro/Sary, pejy 26]

Tari-dalana Ara-panahy ho An’ny Tanora

Niavaka ny andro fahatelo tamin’ilay fivoriambe noho ny fivoahan’ilay taratasy mivalona manokana hoe Ry Tanora—Inona no Tanjonareo eo Amin’ny Fiainana? Natao hanampiana ny Vavolombelona tanora handray fanapahan-kevitra tsara momba ny hoaviny izy io. Mirakitra torohevitra ara-baiboly ny amin’ny tokony hanompoana an’i Jehovah mandrakizay koa izy io.