Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Mino ny Vaovao Tsara ve Ianao?

Tena Mino ny Vaovao Tsara ve Ianao?

Tena Mino ny Vaovao Tsara ve Ianao?

“Efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara.”​—MARKA 1:15.

1, 2. Ahoana no hanazavanao ny Marka 1:14, 15?

NY TAONA 30 tamin’izay. Nanomboka ny fanompoany miavaka tany Galilia i Jesosy Kristy. Nitory ny “filazantsaran’Andriamanitra” izy, ary nanohina ny fon’ny Galilianina maro ny teniny hoe: “Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara.”​—Marka 1:14, 15.

2 “Tonga ny fotoana” hanombohan’i Jesosy ny fanompoany sy handraisan’ny olona fanapahan-kevitra hahazoany ny fankasitrahan’Andriamanitra. (Lioka 12:54-56) Azo lazaina hoe “akaiky ny fanjakan’Andriamanitra” tamin’izay, satria teo i Jesosy, ilay Mpanjaka voatendry. Nanosika ny olona tso-po hibebaka ny fitoriany. Ahoana anefa no nampisehoan’izy ireo fa ‘nino ny filazantsara’ na vaovao tsara izy, ary ahoana no ampisehoantsika fa mino azy io koa isika?

3. Ahoana no nampisehoan’ny olona fa mino ny vaovao tsara izy ireo?

3 Toa an’i Jesosy, dia nampirisika ny olona hibebaka ny apostoly Petera. Hoy izy tamin’ny Jiosy tany Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.” Nisy olona an’arivo nibebaka sy natao batisa ary tonga mpanara-dia an’i Jesosy tamin’izay. (Asan’ny Apostoly 2:38, 41; 4:4) Nisy Jentilisa koa nanao toy izany, tamin’ny taona 36. (Asan’ny Apostoly 10:1-48) Manosika olona an’arivo hibebaka noho ny fahotany sy hanolo-tena ho an’Andriamanitra ary hatao batisa koa, ny finoana ny vaovao tsara ankehitriny. Nanaiky ny vaovao tsaran’ny famonjena izy ireo ary mino ny sorom-panavotan’i Jesosy. Ambonin’izany, dia mampihatra ny fitsipik’Andriamanitra izy ireo ary miandany amin’ny Fanjakany.

4. Inona no atao hoe finoana?

4 Inona anefa no atao hoe finoana? Hoy ny apostoly Paoly: “Ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.” (Hebreo 11:1) Ny finoantsika no mahatonga antsika hatoky fa ho tanteraka ny zava-drehetra ampanantenain’Andriamanitra ao amin’ny Teniny, ka toy ny efa tanteraka mihitsy aza. Toy ny manana taratasy isika manamarina fa antsika tokoa ny zavatra iray. “Fanehoana” na porofo mampiaiky momba ny zavatra tsy hita maso koa ny finoana. Rehefa takatsika sy ankasitrahantsika avy amin’ny fo ireny zavatra ireny, dia miaiky isika fa tena misy izy ireny, na dia tsy hitantsika aza.​—2 Korintiana 5:7; Efesiana 1:18.

Mila finoana isika!

5. Nahoana no tena ilaina ny finoana?

5 Vao teraka isika dia efa mila zavatra ara-panahy, nefa tsy manam-pinoana avy hatrany akory isika amin’izay. “Tsy ary manana finoana avokoa ny olona rehetra”, raha ny marina. (2 Tesaloniana 3:2) Tsy maintsy manam-pinoana anefa ny Kristianina mba handovana ny teny fikasana, na fampanantenan’Andriamanitra. (Hebreo 6:12) Nitanisa olona maro naneho finoana i Paoly, ary nanoratra hoe: “Satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy.” (Hebreo 12:1, 2) Inona ilay “ota izay malaky mahazo antsika”? Izy io dia ny tsy fahampiam-pinoana na ny tsy fananana finoana intsony mihitsy. Tsy maintsy “mijery an’i Jesosy” sy manaraka ny ohatra navelany isika, mba hatanjaka hatrany ny finoantsika. Tsy maintsy madio fitondran-tena sy miady amin’ny asan’ny nofo koa isika, ary tsy tokony ho matimatin-karena na hanaraka ny filozofian’olombelona sy ny fomba mahazatra melohin’ny Soratra Masina. (Galatiana 5:19-21; Kolosiana 2:8; 1 Timoty 6:9, 10; Joda 3, 4) Ambonin’izany, dia tsy maintsy mino isika fa momba antsika Andriamanitra, ary tena mandaitra ny torohevitra omeny ao amin’ny Teniny.

6, 7. Nahoana no mety ny mivavaka mba hananana finoana?

6 Tsy ny ezaka ataontsika irery fotsiny no hahatonga antsika hanana finoana. Iray amin’ny vokatry ny fanahy masina, na hery ampiasain’Andriamanitra, ny finoana, na hoe fahamarinana, araka ny Baiboly Fandikan-teny Malagasy. (Galatiana 5:22, 23) Inona àry no tokony hataontsika raha ilaina hohatanjahina ny finoantsika? Hoy i Jesosy: “Raha hianareo . . . aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?” (Lioka 11:13) Aoka àry isika hivavaka mba hahazo fanahy masina. Afaka manampy antsika izy io mba hananantsika finoana hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, na dia amin’ny toe-javatra faran’izay sarotra aza.​—Efesiana 3:20.

7 Mety ny mivavaka mba hananana finoana bebe kokoa. Rehefa handeha hamoaka demonia tamin’ny ankizilahy iray i Jesosy, dia nitalaho ny rain’ilay ankizy hoe: “Mino aho; vonjeo aho ho afaka amin’ny tsi-finoako.” (Marka 9:24) “Ampitomboy ny finoanay”, hoy ny mpianatr’i Jesosy. (Lioka 17:5) Aoka àry isika hivavaka mba hanana finoana sady hatoky fa hamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra.​—1 Jaona 5:14.

Tena ilaina ny mino ny Tenin’Andriamanitra

8. Hazavao fa manampy antsika ny finoana ny Tenin’Andriamanitra.

8 Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy, taloha kelin’ny nanaovany sorona ny ainy: “Aza malahelo ny fonareo; minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.” (Jaona 14:1) Mino an’Andriamanitra sy ny Zanany isika, satria Kristianina. Mino ny Tenin’Andriamanitra anefa ve isika? Raha mianatra sy mampihatra azy io isika sady mino tanteraka fa ny torohevitra sy tari-dalana omeny no tsara indrindra, dia ho afaka hanan-kery eo amintsika ka hanatsara ny fiainantsika izy io.​—Hebreo 4:12.

9, 10. Hazavao izay lazain’ny Jakoba 1:5-8 momba ny finoana.

9 Feno zava-manahirana ny fiainantsika olombelona tsy lavorary. Tena afaka manampy antsika anefa ny finoana ny Tenin’Andriamanitra. (Joba 14:1) Eritrereto, ohatra, hoe misy fisedrana mahazo antsika nefa tsy haintsika izay hatao. Manoro hevitra antsika ny Tenin’Andriamanitra hoe: “Raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo izany olona izany: olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra.”​—Jakoba 1:5-8.

10 Tsy hanome tsiny antsika i Jehovah Andriamanitra raha tsy ampy fahendrena isika ka mivavaka mba hahazoana izany. Hanampy antsika kosa izy mba hanana toe-tsaina tsara hiatrehana ilay fisedrana. Mety hisarika ny saintsika ho amin’ny andinin-teny izay hanampy antsika, ny mpiray finoana amintsika. Na, isika no mety hahita izany rehefa mianatra Baiboly. Mety hitari-dalana antsika amin’ny fomba hafa koa ny fanahy masin’i Jehovah. Hanome antsika ny fahendrena hiatrehana fisedrana ny Raintsika any an-danitra, raha ‘mangataka amin’ny finoana isika fa tsy miahanahana.’ Tsy afaka manantena hahazo na inona na inona avy aminy isika, raha toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra. Nahoana? Satria midika izany fa miroa saina sy miovaova isika amin’ny vavaka na ny zavatra hafa, ary na dia amin’ny finoana an’Andriamanitra mihitsy aza. Tsy maintsy mafy orina tsara àry ny finoantsika ny Tenin’Andriamanitra sy ny tari-dalany. Andeha isika handinika ohatra sasany mampiseho ny fomba hanampian’izy io antsika sy hanomezany tari-dalana antsika.

Ny finoana sy ny fameloman-tena

11. Inona no atokisantsika rehefa mino ny Tenin’Andriamanitra isika?

11 Ahoana raha tsy ampy sakafo isika na tsy manana trano ipetrahana na mahantra? Mino ny Tenin’Andriamanitra isika, ka matoky fa hanome izay ilaintsika isan’andro i Jehovah ary hanome zava-tsoa tondraka ho an’izay rehetra tia azy ao amin’ny tontolo vaovao. (Salamo 72:16; Lioka 11:2, 3) Hampahery antsika ny misaintsaina ny fomba nanomezan’i Jehovah sakafo an’i Elia mpaminaniny, nandritra ny mosary iray. Nanao fahagagana koa Andriamanitra tatỳ aoriana, ka tsy nety lany ny tahirina koba sy diloilo fa ampy tsara niveloman’ny vehivavy iray sy ny zanany ary i Elia. (1 Mpanjaka 17:2-16) Nomen’i Jehovah izay nilainy koa i Jeremia mpaminany, rehefa nanao fahirano an’i Jerosalema ny Babylonianina. (Jeremia 37:21) Tsy nanan-kohanina firy i Jeremia sy Elia, nefa niahy azy ireo i Jehovah. Miahy ny olona mino azy koa izy ankehitriny.​—Matio 6:11, 25-34.

12. Hazavao fa manampy antsika hahazo izay tena ilaintsika ny finoana.

12 Tsy hampanan-karena antsika ny finoana sy fampiharana ny toro lalan’ny Baiboly, fa hanampy antsika hahazo izay tena ilaintsika mba hivelomana. Manasa antsika hanao ny marina sy ho kinga amin’ny asantsika ary hiasa mafy, ohatra, ny Baiboly. (Ohabolana 22:29; Mpitoriteny 5:18, 19; 2 Korintiana 8:21) Tsy tokony hohamaivanintsika mihitsy ny hasarobidin’ny laza tsara any am-piasana. Na dia any amin’ny toerana tsy ahitana asa tsara karama firy aza, dia tsy sahirana loatra ny olona manao ny marina sy kinga ary mazoto miasa, raha oharina amin’ny hafa. Mety tsy hanam-bola firy izy ireo, nefa mazàna no manana izay tena ilaina sady afa-po, satria ny fisasarany no ahafahany misakafo.​—2 Tesaloniana 3:11, 12.

Manampy antsika hizaka alahelo ny finoana

13, 14. Hazavao fa manampy antsika hizaka alahelo ny finoana.

13 Asehon’ny Tenin’Andriamanitra amintsika fa ara-dalàna raha malahelo isika rehefa misy maty ny hava-malalantsika. Nisaona i Abrahama, lehilahy tsy nivadika, rehefa maty i Saraha vady malalany. (Genesisy 23:2) Vonton’alahelo koa i Davida rehefa nandre fa maty i Absaloma zanany. (2 Samoela 19:1) Na i Jesosy izay lehilahy lavorary aza dia nitomany rehefa maty i Lazarosy namany. (Jaona 11:35, 36) Mety hila tsy ho tantintsika mihitsy ny fahafatesan’ny hava-malalantsika. Afaka manampy antsika hizaka izany alahelo izany anefa ny finoana ny fampanantenana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

14 Hoy i Paoly: ‘Manantena amin’Andriamanitra aho, fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka.’ (Asan’ny Apostoly 24:15) Mila mino ny fandaharana nataon’Andriamanitra mba hananganana olona maro be amin’ny maty isika. (Jaona 5:28, 29) Anisan’izy ireo i Abrahama sy Saraha, Isaka sy Rebeka, Jakoba sy Lea, izay samy matory ao amin’ny fahafatesana ary miandry ny fananganana amin’ny maty ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. (Genesisy 49:29-32) Fifaliana tokoa re izany rehefa hofohazina amin’ny torimasom-pahafatesana ireo hava-malalantsika mba hiaina eto an-tany! (Apokalypsy 20:11-15) Mandra-pahatongan’izany, dia tsy manala ny alahelo rehetra ny finoana, fa hanampy antsika ho akaiky an’Andriamanitra, izay manampy antsika hizaka ny famoizana hava-malala.​—Salamo 121:1-3; 2 Korintiana 1:3.

Manatanjaka ny ketraka ny finoana

15, 16. a) Nahoana isika no milaza fa efa nisy olona nanam-pinoana nefa ketraka? b) Inona no azontsika atao rehefa ketraka isika?

15 Asehon’ny Tenin’Andriamanitra koa fa mety ho ketraka na dia ireo manam-pinoana aza. Nihevitra, ohatra, i Joba fa nafoin’Andriamanitra izy nandritra ilay fitsapana lehibe nahazo azy. (Joba 29:2-5) Nampalahelo an’i Nehemia ny faharavan’i Jerosalema sy ny mandany. (Nehemia 2:1-3) Tena kivy i Petera rehefa avy nanda an’i Jesosy, ka “nitomany mafy indrindra.” (Lioka 22:62) Nasain’i Paoly nampahery ny ketraka koa ny mpiray finoana taminy tany Tesalonika. (1 Tesaloniana 5:14) Araka izany, dia efa nisy olona nanam-pinoana nefa ketraka. Inona àry no azontsika atao rehefa ketraka isika?

16 Mety ho ketraka isika rehefa manan-java-manahirana lehibe maromaro. Tsy horaisintsika ho toy ny olana lehibe iray izy ireo, fa hiezaka kosa isika handamina azy tsirairay, amin’ny fampiharana ny toro lalan’ny Baiboly. Mety hampihena ny fahaketrahana izany. Mety hisy vokany tsara koa ny fialan-tsasatra ampy sy ny fahaizana mandanjalanja amin’izay atao. Azo antoka fa mahasalama ara-panahy antsika ny finoana an’Andriamanitra sy ny Teniny, satria mahatonga antsika hiaiky mafy kokoa fa tena miahy antsika izy.

17. Ahoana no ahafantarantsika fa miahy antsika i Jehovah?

17 Mampahery sady manome toky i Petera, rehefa milaza hoe: “Manetre tena ambanin’ny tàna-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoan’andro; ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.” (1 Petera 5:6, 7) Nihira toy izao ny mpanao salamo: “Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.” (Salamo 145:14) Tokony hino ireo fanomezan-toky ireo isika, satria ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo. Mety ho mbola ketraka ihany isika, nefa tena mampahatanjaka ny finoantsika mihitsy ny mahafantatra fa afaka mametraka ny fanahiantsika rehetra amin’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra isika!

Ny finoana sy ny fisedrana hafa

18, 19. Hazavao fa manampy antsika hizaka ny aretina sy hampahery ny mpiara-manompo amintsika marary ny finoana.

18 Tena mety hitsapa ny finoantsika ny aretina mafy mahazo antsika na ny hava-malalantsika. Tsy milaza ny Baiboly hoe nositranina tamin’ny fomba mahagaga ny Kristianina toa an-dry Epafrodito sy Timoty ary Trofimo. Azo antoka anefa fa nanampy azy ireo hiaritra i Jehovah. (Filipiana 2:25-30; 1 Timoty 5:23; 2 Timoty 4:20) Ambonin’izany, dia nihira toy izao momba ireo “mahatsiaro ny malahelo”, na ireo mila fanampiana, ny mpanao salamo: “Jehovah hanohana azy eo ambonin’ny farafara itsaboana azy; ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao.” (Salamo 41:1-3) Ahoana no hampiasantsika ireo teniny ireo, mba hampaherezana ny mpiray finoana amintsika marary?

19 Afaka manampy azy amin’ny lafiny ara-panahy, ohatra, isika, rehefa miara-mivavaka aminy na mivavaka ho azy. Tsy mangataka an’Andriamanitra hanao fanasitranana mahagaga isika, fa afaka mangataka aminy mba hanome herin-tsaina sy tanjaka ara-panahy ho an’ireo marary mba hizakany ny aretiny. Hanohana azy i Jehovah, ary hatanjaka kokoa ny finoany rehefa eritreretiny ny fotoana tsy hisian’ny olona “hilaza hoe: Marary aho.” (Isaia 33:24) Tena mampahery mihitsy ny mahafantatra fa hanafaka tanteraka ny olona amin’ny fahotana sy ny aretina ary ny fahafatesana, i Jesosy Kristy nitsangana tamin’ny maty sy ny Fanjakan’Andriamanitra! Fanantenana faran’izay tsara izany, ka isaorantsika i Jehovah izay ‘hanasitrana ny aretintsika rehetra.’​—Salamo 103:1-3; Apokalypsy 21:1-5.

20. Nahoana no lazaina fa afaka manampy antsika hiaritra ny ‘andro mahorin’ny’ fahanterana ny finoana?

20 Afaka manampy antsika koa ny finoana mba hiaritra ny ‘andro mahorin’ny’ fahanterana, rehefa miharatsy ny fahasalamantsika ary mihena ny herintsika. (Mpitoriteny 12:1-7) Afaka manao izao vavaka nataon’ny mpanao salamo zokiolona izao àry ireo be taona eo anivontsika: “Hianao no fanantenako, Jehovah Tompo ô . . . Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko.” (Salamo 71:5, 9) Tsapan’ilay mpanao salamo fa nila ny fanohanan’i Jehovah izy, toy ny Kristianina maro namantsika izay nanompo an’Andriamanitra hatry ny ela ary nihantitra. Noho ny finoany, dia afaka matoky izy ireo fa hanohana azy amin’ny sandriny mandrakizay i Jehovah.​—Deoteronomia 33:27.

Minoa hatrany ny Tenin’Andriamanitra

21, 22. Hanao ahoana ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, raha manam-pinoana isika?

21 Manampy antsika mba ho akaiky kokoa an’i Jehovah ny finoana ny vaovao tsara sy ny Baiboly manontolo. (Jakoba 4:8) Marina fa Tompontsika Fara Tampony izy, nefa Mpamorona sy Raintsika koa izy. (Isaia 64:7; Matio 6:9; Asan’ny Apostoly 4:24) Nihira toy izao ilay mpanao salamo: “Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin’ny famonjena ahy.” (Salamo 89:26) Afaka ny ho ‘Vatolampin’ny famonjena antsika’ koa i Jehovah, raha mino azy sy ny Teniny ara-tsindrimandry isika. Tena mampahery izany sady voninahitra lehibe!

22 Rain’ny Kristianina nateraky ny fanahy sy ny namany manantena hiaina eto an-tany, i Jehovah. (Romana 8:15) Tsy mandiso fanantenana mihitsy ny finoana ilay Raintsika any an-danitra. Hoy i Davida: “Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.” (Salamo 27:10) Mahazo toky koa isika fa “Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe.”​—1 Samoela 12:22.

23. Inona no tsy maintsy ataontsika raha te hihavana mandrakizay amin’i Jehovah isika?

23 Raha te hihavana mandrakizay amin’i Jehovah isika, dia tsy maintsy mino ny vaovao tsara sady manaiky fa Tenin’Andriamanitra ny Soratra Masina. (1 Tesaloniana 2:13) Tsy maintsy mino tanteraka an’i Jehovah isika ary mamela ny Teniny hanazava ny lalantsika. (Salamo 119:105; Ohabolana 3:5, 6) Hitombo ny finoantsika rehefa mivavaka aminy isika sady matoky fa be fangoraham-po sy famindram-po izy ary hanampy antsika.

24. Inona no hevitra mampahery hitantsika ao amin’ny Romana 14:8?

24 Ny finoana no nanosika antsika hanolo-tena ho an’Andriamanitra ho mandrakizay. Matanjaka ny finoantsika, ka na maty aza isika dia mpanompony foana ary manantena hitsangana amin’ny maty. “Raha velona [tokoa] isika, dia velona ho an’ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an’ny Tompo.” (Romana 14:8) Aoka isika hitadidy hatrany io hevitra mampahery io sady hino foana ny Tenin’Andriamanitra sy ny vaovao tsara.

Ahoana no Havalinao?

• Inona no atao hoe finoana, ary nahoana isika no mila azy io?

• Nahoana no tena mila mino ny vaovao tsara sy ny Tenin’Andriamanitra manontolo isika?

• Hazavao fa manampy antsika hiaritra fisedrana samihafa ny finoana.

• Inona no hanampy antsika mba hanam-pinoana hatrany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 12]

Nanohana an’i Jeremia sy Elia i Jehovah satria nanam-pinoana izy ireo

[Sary, pejy 13]

Natanjaka ny finoan’i Joba sy Petera ary Nehemia

[Sary, pejy 15]

Tsy maintsy mino ny vaovao tsara isika raha te hihavana mandrakizay amin’i Jehovah