Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hahaizana Mandanjalanja Amin’ny Asa?

Ahoana no Hahaizana Mandanjalanja Amin’ny Asa?

Ahoana no Hahaizana Mandanjalanja Amin’ny Asa?

MALAINA handeha hiasa ny olona maro ankehitriny noho ny antony samy hafa. Mitaky zavatra be loatra, ohatra, ny tsenam-barotra iraisam-pirenena, na mifaninana tsy misy indrafo ny mpiara-miasa. Eo koa ny asa mitovy foana any amin’ireny ozinina mampiasa masinina ireny. Tokony hifaly amin’ny asantsika anefa isika. Nahoana? Satria noforonina araka ny endrik’Andriamanitra isika. Fantatsika fa faly amin’ny asany izy. Mariho, ohatra, izay voalazan’ny Genesisy 1:31. Rehefa tapitra ny fotoana lava namoronany antsoina hoe “andro” enina, dia nijery ny asa vitany Andriamanitra, ka ‘hitany izay rehetra nataony, ary, indro tsara indrindra izany.’

Azo antoka fa noho i Jehovah tia miasa no anisan’ny antony iantsoana azy hoe “Andriamanitra finaritra” na sambatra. (1 Timoty 1:11) Tena ho sambatra kokoa àry isika rehefa miezaka hanahaka azy. Niresaka momba izany i Solomona, izay niavaka noho ny fahaizany manao trano sy mandamin-javatra. Hoy io mpanjakan’ny Isiraely fahiny io: “Raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan’Andriamanitra izany.”​—Mpitoriteny 3:13.

Mety ho sarotra ny mahay mandanjalanja amin’ny asa ataontsika amin’izao andro izao, satria miovaova ny zava-mitranga any am-piasana. Tahin’i Jehovah Andriamanitra anefa ny olona manaraka ny tari-dalany feno fitiavana. (Salamo 119:99, 100) Lasa mpiasa sarobidy sy atokisana ny olona manao izany, ka mahalana izy vao esorina amin’ny asany. Miezaka hanana ny fomba fihevitr’Andriamanitra momba ny fiainana sy ny asa izy, fa tsy ny vola no mibahana ao an-tsainy. Noho izany, dia mahay mandray fanapahan-kevitra tsara izy. Miaiky koa izy fa tsy miankina amin’ny asany ny fahasambarany sy ny fiadanan-tsainy, sady tsy miankina amin’ny fisian’ny asa na tsia. (Matio 6:31-33; 1 Korintiana 2:14, 15) Noho izany, dia tena mahay mandanjalanja izy amin’ny asa ataony.

Miezaha hampifaly an’Andriamanitra amin’ny asa ataonao

Adalan’asa ny olona sasany, ka io no loha laharana eo amin’ny fiainany. Ny hafa kosa tsy mahandry izay hahavitan’ny asany sy hodiany. Ahoana àry no hahaizantsika handanjalanja amin’ny asa ataontsika? Mamaly ny Baiboly hoe: “Tsara ny eran-tanan’ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana.” (Mpitoriteny 4:6) Araka izany, dia tsy araka ny antenaina ny vokatry ny asa mafy loatra sy ela loatra. Azo lazaina hoe very maina, na “misambo-drivotra foana” izany. Fa nahoana? Satria mety hisy akony eo amin’ny zavatra tena mahasambatra antsika izany. Mety hanimba ny fifandraisantsika amin’ny fianakaviantsika sy ny namantsika mantsy izany. Mety hanimba ny fihavanantsika amin’Andriamanitra sy ny fahasalamantsika koa izany, ary mety hanafohy ny androm-piainantsika mihitsy aza. (1 Timoty 6:9, 10) Raha mahay mandanjalanja àry ny olona iray, dia hianina amin’izay ananany, fa tsy hitady vola be foana. Miadana ihany anefa izy. Tsy hiasa mafy loatra kosa izy satria mety hanakorontana ny fiainany izany sady hampahory azy.

Mampirisika ny olona mba hahay handanjalanja ny Baiboly, nefa tsy mankasitraka ny hakamoana. (Ohabolana 20:4) Manjary mahatsiaro tena ho tsy misy vidiny mantsy ny olona kamo rehefa ela ny ela. Tsy hajain’ny hafa izy ary mety hanimba ny fihavanany amin’Andriamanitra mihitsy aza izany. Milaza mazava ny Baiboly fa tsy mendrika ny homena sakafo ny olona tsy mety miasa. (2 Tesaloniana 3:10) Tokony hiova kosa izy ary hiasa mafy, mba hamelona ny tenany sy ny olona miankina aminy. Mety ho afaka hanampy ny olona sahirana mihitsy aza izy raha miasa mafy. Izany rahateo no ampirisihan’ny Tenin’Andriamanitra.​—Ohabolana 21:25, 26; Efesiana 4:28.

Ampianaro ho tia miasa ny ankizy

Tsy tongatonga ho azy ny fahazarana miasa tsara, fa ianarana mandritra ny fahazazana. Izany no mahatonga ny Baiboly hampirisika ny ray aman-dreny hoe: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” (Ohabolana 22:6) Tokony hazoto hiasa ny ray aman-dreny mba hanome ohatra. Tokony hasainy manao raharaha ao an-trano mifanaraka amin’ny taonany koa anefa ny zanany. Mety hampahasosotra azy ireo ny asa sasany ampanaovina azy. Ho hitany anefa fa sarobidy amin’ny fianakaviany izy, raha manao izany, indrindra rehefa derain’i Dada sy Neny fa nahavita asa tsara. Mampalahelo fa misy ankizy tsy mba mandray ravin-dena satria ampihantain’ny ray aman-dreniny. Mihevitra angamba izy ireo fa izany no atao hoe hatsaram-panahy. Tokony hotadidin’izy ireo anefa fa matetika ny ankizy ampihantaina no lasa tsy mahay mankasitraka ny soa natao taminy.

Raha tsy manao tsirambina ny ray aman-dreny, dia ho liana amin’ny fianaran-janany, ka hampirisika azy hazoto hianatra tsara. Hahasoa ny ankizy izany rehefa hiasa izy, any aoriana any.

Mahaiza mifidy asa

Tsy milaza amintsika ny Baiboly hoe inona no asa tokony hataontsika. Manome toro lalana tsara anefa izy io, mba tsy ho voasakantsakana ny fandrosoantsika ara-panahy sy ny fanompoantsika an’Andriamanitra ary ny fiantsorohantsika andraikitra lehibe hafa. Nilaza, ohatra, ny apostoly Paoly hoe: “Fohy ny andro, [ka aoka] . . . mba ho toy izay tsy mahavatra izao fiainana izao loatra ny mahavatra azy, fa mandalo ny fanaon’izao fiainana izao.” (1 Korintiana 7:29-31) Tsy maharitra fa miovaova foana ny toe-javatra eto amin’ity tontolo ity. Raha atokantsika ho azy àry ny fotoanantsika sy herintsika rehetra, dia toy ny hoe ampiasaintsika hanaovana trano any amin’ny faritra be tondra-drano ny vola nangonintsika nandritra ny androm-pianantsika manontolo. Hadalana tokoa izany!

Ao amin’ny Baibolin’i Jerosalema sy ny Baiboly Dikan-teny Anglisy Ankehitriny dia nadika hoe “revo” sy “variana tanteraka” ilay hoe “mahavatra.” Ny olona hendry dia mitadidy fa “fohy” ny andron’ity tontolo ity, ka ho diso fanantenana sy hanenina izy raha “revo” na “variana tanteraka” amin’izy io.​—1 Jaona 2:15-17.

‘Andriamanitra tsy hahafoy anao’

Mahafantatra tsara izay ilaintsika i Jehovah. Mahalala izany tsara noho isika mihitsy aza izy. Fantany koa hoe aiza ho aiza no misy antsika raha oharina amin’ny fahatanterahan’ny fikasany. Noho izany, dia mampahatsiahy antsika izy hoe: “Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo; fa hoy [Andriamanitra]: ‘Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory.’ ” (Hebreo 13:5) Tena mampahery mihitsy ireo teny ireo! Miahy sy maneho fitiavana ny olona toa an’Andriamanitra i Jesosy, ka nampianatra ny mpanara-dia azy hoe ahoana no tokony hiheverana ny asa sy ny harena. Niresaka betsaka momba izany izy tao amin’ilay Toriteny malaza teo An-tendrombohitra.​—Matio 6:19-33.

Miezaka hanaraka ireo fampianarana ireo ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy Vavolombelon’i Jehovah iray, ohatra, elektrisianina. Nangatahina hanao ora fanampiny matetitetika izy, nefa nanda. Nahoana? Satria tsy tiany raha ny asany indray no maka ny fotoana tokony hiarahany amin’ny fianakaviany sy hanaovany zavatra ara-panahy. Mpiasa mahay sy azo itokisana izy, ka neken’ny mpampiasa azy ny fanapahan-keviny. Marina aloha fa tsy toy izany foana no mitranga ary mety ho voatery hitady asa hafa isika, mba hahaizana handanjalanja amin’izay ataontsika eo amin’ny fiainana. Matetika anefa no mahazo sitraka amin’ny mpampiasa ny olona mitoky tanteraka amin’i Jehovah, satria tsara fitondran-tena sy mazoto miasa ary manao ny marina.​—Ohabolana 3:5, 6.

Tsy ho ela dia hanana asa mahafa-po ny rehetra

Tsy maintsy hisy foana ny zava-manahirana sy ny fanahiana momba ny asa eto amin’ity tontolo tsy lavorary ity. Mety hiharatsy kokoa aza ny tarehin-javatra, satria mihamiovaova ny toe-karena ary mitotongana mihitsy aza. Tsy haharitra ela anefa izany. Kely sisa dia tsy hisy olona tsy an’asa intsony. Tena hahafa-po koa ny asa amin’izany fotoana izany. Ahoana no hetezan’izany?

Niresaka mialoha momba izany fotoana izany i Jehovah, tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany. Hoy izy: “Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.” (Isaia 65:17) Niresaka momba ny fitondram-panjakany Andriamanitra teo. Ho samy hafa tanteraka amin’ny olona amin’izao fotoana izao ny vahoakan’izy io.​—Daniela 2:44.

Manazava ny fomba fiainan’ireo olona ireo sy ny asany ilay faminaniana avy eo. Izao no voalazany: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany. Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; fa taranak’izay notahin’i Jehovah ireo, ary ny terany ho ao aminy.”​—Isaia 65:21-23.

Ho samy hafa tanteraka amin’ny zavatra hitantsika ankehitriny tokoa ny tontolo vaovaon’Andriamanitra! Tsy maniry hiaina ao amin’izany tontolo izany ve ianao, ka tsy “hisasatra foana” fa hankafy tanteraka ny ‘vokatry’ ny asanao? Mariho anefa hoe iza no hahazo ireo zava-tsoa ireo: “Taranak’izay notahin’i Jehovah ireo.” Ho anisan’ireo ‘tahina’ ireo ianao, raha mianatra momba an’i Jehovah sy manao izay takiny. Hoy i Jesosy: “Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3) Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hampianatra Baiboly anao, mba hahazoanao io fahalalana mitondra fiainana io.

[Efajoro, pejy 6]

“BE MPITADY” IZY IREO

Hoy ny Baiboly: “Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona.” (Kolosiana 3:23) Olona manaraka an’io toro lalana tena tsara io no tadiavin’ny mpampiasa. Izany no nahatonga an’ilay mpanolo-tsaina atao hoe J. Luna hilaza amin’izay mitady mpiasa mba hifidy olona mpivavaka. Nanonona fivavahana sasany izy nefa nilaza koa hoe: “Raha ny marina, dia Vavolombelon’i [Jehovah] no raisinay matetika.” Anisan’ny antony nomeny ny hoe malaza ho manao ny marina izy ireo, ka “be mpitady” amin’ny asa isan-karazany.

[Sary, pejy 5]

Mahafa-po ny mampifandanja ny asa sy ny fanaovana zavatra ara-panahy ary ny fialam-boly