Ampy ve ny Fahatsorana?
Ampy ve ny Fahatsorana?
TENA ilaina eo amin’ny fiainana ve ny fahatsorana? Faritan’ny diksionera toy izao ny atao hoe “fahatsorana”: “Tsy mihambo na mihatsaravelatsihy; manao ny marina; tsy miolakolaka; tsy mamitaka.” Tena ilaina àry io toetra io mba hihavanana hatrany amin’ny olona. Izao ny torohevitry ny apostoly Paoly: “Maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ny zavatra rehetra, tsy amin’ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’olona, fa amin’ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo.” (Kolosiana 3:22) Iza no mpampiasa tsy ho faly raha olona manana fahatsorana no miasa ao aminy? Mety ho mora mahita asa sady mateza amin’ny asany ny olona toy izany.
Ny tena ilantsika fahatsorana anefa, dia satria miankina amin’izy io ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Notahin’Andriamanitra, ohatra, ny Isiraelita fahiny rehefa nitandrina tsara ireo lalàna sy andro firavoravoana. Rehefa niresaka momba ny fahadiovan’ny fiangonana koa i Paoly, dia nanoro hevitra ny Kristianina hoe: “Aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin’ny masirasira ela, na amin’ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin’ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po [na fahatsorana] sy ny fahamarinana.” (1 Korintiana 5:8) Tsy hoe ilaina fotsiny ny fahatsorana, fa tena zava-dehibe koa izy io mba hahatonga ny fivavahantsika hankasitrahan’Andriamanitra. Mariho anefa fa tsy ampy ny fahatsorana fotsiny, fa tsy maintsy ampiarahina amin’ny fahamarinana.
Angamba nino tamim-pahatsorana ny mpamboatra sy ny mpandeha tamin’ilay sambo goavana antsoina hoe Titanic, fa tsy mety rendrika izy io. Vao nandeha voalohany fotsiny anefa io sambo io, tamin’ny 1912, dia nandona vongan-dranomandry lehibe ka olona 1 517 no maty. Nino tamim-pahatsorana koa angamba ny Jiosy sasany tamin’ny taonjato voalohany, hoe nankasitrahan’Andriamanitra ny fomba fivavahany. Tsy araka ny fahamarinana anefa ny zotom-pon’izy ireo. (Romana 10:2) Tsy maintsy mifototra amin’ny fahamarinana ny zavatra inoantsika, raha tiantsika hankasitrahan’Andriamanitra ny fomba fivavahantsika. Ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny manodidina anao dia vonona hanampy anao hahafantatra ny atao hoe manompo an’Andriamanitra amin’ny fahatsorana sy fahamarinana.