Aoka Isika ‘Hamokatra Be’ Hatrany
Aoka Isika ‘Hamokatra Be’ Hatrany
“Mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo.”—JAONA 15:8.
1. a) Inona no fepetra nolazain’i Jesosy tamin’ny apostoliny fa tsy maintsy fenoin’izay te ho mpianany? b) Inona no fanontaniana tokony hodinihintsika?
NAKA fotoana tsara i Jesosy ny hariva talohan’ny hahafatesany, mba hiresahana tamin’ny apostoliny sy hampaherezana azy. Natosiky ny fitiavany an’ireo namany akaiky ireo i Jesosy, ka nanohy niresaka taminy ihany na dia efa taorian’ny misasakalina aza. Nampahatsiahy azy ireo izy fa mbola misy fepetra hafa iray tsy maintsy fenoiny, raha te ho mpianany foana izy ireo. Hoy i Jesosy: “Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo [na hamokaranareo] be ka ho tonga mpianatro hianareo.” (Jaona 15:8) Mahafeno an’io fepetra io ve isika? Inona no dikan’ny hoe ‘mamokatra be’? Mba hamaliana izany, dia handinika ilay resaka nataon’i Jesosy tamin’iny hariva iny isika.
2. Inona no fanoharana nataon’i Jesosy momba ny vokatra, ny hariva talohan’ny hahafatesany?
2 Nampirisika ny mpianany mba hamokatra i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray nataony tamin’ny apostoliny. Hoy izy: “Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra. Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa. Efa madio rahateo hianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo. Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa hianareo, raha tsy miray amiko. Izaho no voaloboka, hianareo no Jaona 15:1-10.
sampany . . . Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo. Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ny fitiavako hianareo. Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako.”—3. Inona no tsy maintsy ataon’ny mpanara-dia an’i Jesosy raha te hamokatra izy ireo?
3 Ao amin’io fanoharana io, dia i Jehovah no Mpamboly, i Jesosy ilay voaloboka, ary ireo apostoly niresahany no sampana. Hamokatra foana ireo apostoly, raha miezaka ‘mba ho tafaray amin’i’ Jesosy hatrany. Nohazavain’i Jesosy ny tokony hataon’izy ireo mba hiraisany saina aminy foana. Hoy izy: “Raha mitandrina ny didiko hianareo, dia hitoetra amin’ny fitiavako.” Niteny toy izany tamin’ny Kristianina namany koa ny apostoly Jaona, ka nanao hoe: “Izay mitandrina ny didin[’i Kristy] no mitoetra ao aminy.” * (1 Jaona 2:24; 3:24) Midika izany fa miray saina amin’i Kristy foana ny mpanara-dia azy, rehefa mitandrina hatrany ny didiny. Ary izany firaisan-tsaina izany no mahatonga azy ireo hamokatra. Inona àry no tokony hovokarintsika?
Afaka mamokatra bebe kokoa isika
4. Inona no ianarantsika avy amin’ny ‘fanesoran’i’ Jehovah ny sampana rehetra tsy mamokatra?
4 Ao amin’ilay fanoharana momba ilay voaloboka, dia ‘esorin’i’ Jehovah izay sampany tsy mamokatra. Inona no dikan’izany ho antsika? Midika izany fa sady tsy maintsy mamokatra ny mpianatr’i Kristy rehetra no afaka mamokatra, na inona na inona toe-javatra misy azy, ary na manao ahoana na manao ahoana fetran’ny mety ho vitany. Be fitiavana i Jehovah, ka tsy ‘hanaisotra’ na handa olona tsy ho mpianatr’i Kristy, raha toa ka nisy zavatra tsy vitan’io olona io, satria tsy araka ny fahaizany ilay izy.—Salamo 103:14; Kolosiana 3:23; 1 Jaona 5:3.
5. a) Ahoana no ampisehoan’ny fanoharan’i Jesosy fa afaka mamokatra bebe kokoa isika? b) Inona ireo karazana vokatra roa hodinihintsika?
5 Asehon’ilay fanoharana nataon’i Jesosy momba ilay voaloboka koa fa, tsy maintsy miezaka mampitombo ny asa kristianina ataontsika isika, arakaraka ny toe-javatra misy antsika. Mariho ny fomba nilazan’i Jesosy izany: “Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa.” (Jaona 15:2) Nampirisika ny mpanara-dia azy mba ‘hamokatra be’ i Jesosy teo amin’ny faramparan’ilay fanoharana. (Andininy faha-8) Inona no dikan’izany? Midika izany fa tsy tokony ho afa-po loatra amin’ny tenantsika mihitsy isika mpianatr’i Jesosy. (Apokalypsy 3:14, 15, 19) Tokony hitady fomba kosa isika mba hamokarana bebe kokoa. Inona àry no tokony hovokarintsika? Misy karazany roa ilay vokatra: 1) “ny vokatry ny Fanahy” ary 2) ny vokatr’ilay Fanjakana.—Galatiana 5:22, 23; Matio 24:14.
Maneho ny toetra kristianina isika
6. Ahoana no nanasongadinan’i Jesosy Kristy ny vokatry ny fanahy voalohany?
6 Ny fitiavana no “vokatry ny Fanahy” voalohany. Ny fanahy masin’Andriamanitra no mampisy fitiavana ao amin’ny Kristianina, satria mankatò ny didy nomen’i Jesosy taloha kelin’ny nilazany ilay fanoharana momba ny voaloboka izy ireo. Hoy izy tamin’ny apostoliny: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo.” (Jaona 13:34) Tamin’iny alina talohan’ny hahafatesany iny, dia nampahatsiahy azy ireo imbetsaka izy fa ilaina ny maneho fitiavana.—Jaona 14:15, 21, 23, 24; 15:12, 13, 17.
7. Ahoana no nampisehoan’ny apostoly Petera fa mifandray ny hoe mamokatra sy ny maneho toetra kristianina?
7 Teo i Petera tamin’iny alina iny ary takany fa ny tena mpianatr’i Kristy dia tsy maintsy manam-pitiavana toa an’i Kristy sy toetra tsara hafa. Nampirisika ny Kristianina mba haneho fahononam-po, na fifehezan-tena, sy fitiavan-drahalahy, ary fitiavana ny olona rehetra i Petera, taona maro tatỳ aoriana. Nilaza koa izy fa 2 Petera 1:5-8) Afaka maneho ny vokatry ny fanahy isika, na inona na inona toe-javatra misy antsika. Enga anie àry isika haneho fitiavana, hatsaram-panahy, fahalemem-panahy, ary toetra kristianina hafa bebe kokoa, satria “tsy misy lalàna [na fetra] manohitra izany.” (Galatiana 5:23) Aoka isika ‘hamokatra bebe kokoa’ amin’io lafiny io.
raha manao izany isika, dia “tsy avelan’izany ho malaina na tsy hahavokatra.” (Mitondra ny vokatr’ilay Fanjakana isika
8. a) Inona no ifandraisan’ny vokatry ny fanahy sy ny vokatr’ilay Fanjakana? b) Inona no fanontaniana tokony hodinihintsika?
8 Tsara tarehy ny zavamaniry rehefa vokatra, ka misy voankazo mareva-doko sy matsiro eo aminy. Ilaina koa anefa ireo voankazo ireo, satria ahazoana zavamaniry betsaka kokoa ny voany rehefa aparitaka. Toy izany ny vokatry ny fanahy. Tsy vitan’ny hoe manatsara ny toetrantsika fotsiny izy io, fa manosika antsika koa mba hanaparitaka ny hafatra momba ilay Fanjakana. Manosika antsika hanao izany, ohatra, ny fitiavana sy ny finoana. Manamafy izany ny apostoly Paoly, ka nanao hoe: “Mino koa izahay ka miteny.” Ny finoana, izay vokatry ny fanahy, no nanosika azy hiteny. (2 Korintiana 4:13) Nohazavainy fa izany no mahatonga antsika ‘hanatitra fanati-piderana ho an’Andriamanitra, dia ny vokatry ny molotra.’ Io no karazana vokatra faharoa tokony hovokarintsika. (Hebreo 13:15) Raha mandinika ny fomba fiainantsika isika, moa ve isika afaka mamokatra bebe kokoa, ka ‘hamokatra be’ mihitsy aza eo amin’ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra?
9. Rehefa tonga mpianatr’i Kristy ve ny olona ampiantsika vao atao hoe mamokatra isika? Hazavao.
9 Mila mamantatra ny atao hoe vokatr’ilay Fanjakana isika, mba hamaliana tsara an’io fanontaniana io. Rehefa tonga mpianatr’i Kristy ve ny olona ampiantsika vao atao hoe mamokatra isika? (Matio 28:19) Ny olona tonga mpanompon’i Jehovah vita batisa ve no tena atao hoe vokatra? Tsia. Raha izany mantsy no izy, dia tena ho kivy ireo Vavolombelona malalantsika nitory ny hafatra momba ilay Fanjakana nandritra ny taona maro, tany amin’ny faritany tsy dia misy mandray. Ho toy ireo sampana tsy mamokatra ao amin’ilay fanoharan’i Jesosy mihitsy aza ireo Vavolombelona niasa mafy ireo, raha toa ka izay mpianatra vita batisa ihany no atao hoe vokatr’ilay Fanjakana! Mazava ho azy fa tsy izany no izy. Inona àry no tena atao hoe vokatr’ilay Fanjakana?
Mamokatra isika rehefa manaparitaka ny voan’ilay Fanjakana
10. Hazavao ny atao hoe vokatr’ilay Fanjakana, araka ilay fanoharana nataon’i Jesosy momba ilay mpamafy sy ireo tany isan-karazany.
10 Manampy antsika hahafantatra ny atao hoe vokatr’ilay Fanjakana, ny fanoharana nataon’i Jesosy momba ilay mpamafy sy ireo tany isan-karazany. Hampahery ny mpitory any amin’ny faritany tsy mamokatra firy izany. Nilaza i Jesosy fa ilay voa dia ny hafatra momba ilay Fanjakana, ary ilay tany dia ny fon’ny olona. Nisy voa sasany ‘voafafy teny amin’ny tany tsara, dia naniry ka namokatra.’ (Lioka 8:8) Inona moa io vokatra azo io? Tsy tahom-bary vaovao no vokatra azo avy amin’ny tahom-bary ara-bakiteny, fa voam-bary vaovao. Toy izany koa ny Kristianina: Tsy voatery ho mpianatra vita batisa tahaka azy no vokariny, fa voan’ilay Fanjakana.
11. Inona no atao hoe vokatr’ilay Fanjakana?
11 Tsy ny mpianatra vita batisa na ny toetra kristianina àry no atao hoe vokatra eo. Koa satria ny tenin’ny Fanjakana no voa afafy, dia tsy maintsy ho voa be dia be toa an’io no atao hoe vokatr’ilay Fanjakana. Ny hoe mamokatra àry eto dia midika hoe miresaka momba ilay Fanjakana. (Matio 24:14) Afaka mamokatra àry ve isika, izany hoe mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, na inona na inona toe-javatra misy antsika? Izany mihitsy! Hazavain’i Jesosy ao amin’io fanoharana io ihany ny anton’izany.
Ny tsara indrindra no omentsika ho voninahitr’Andriamanitra
12. Afaka mamokatra daholo ve ny Kristianina rehetra? Hazavao.
12 Hoy i Jesosy: “Ilay nafafy teny amin’ny tany tsara . . . dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.” (Matio 13:23) Tsy mitovy ny habetsahan’ny vokatra azo avy amin’ny voa afafy eny an-tsaha, fa miovaova arakaraka ny toe-javatra. Toy izany koa isika, satria arakaraka ny toe-javatra misy antsika ny zavatra vitantsika amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Nasehon’i Jesosy fa fantany izany. Manam-potoana kokoa angamba ny sasany, na salama tsara sy matanjaka kokoa. Noho izany, dia mety ho betsaka kokoa na kely kokoa noho ny vitan’ny hafa ny vitantsika. Faly foana anefa i Jehovah, rehefa ny tsara indrindra no omentsika azy. (Galatiana 6:4) Mety ho voafetra ny fitoriana vitantsika, raha efa antitra isika na marary. Na izany aza, dia azo antoka fa toy ny ‘mamokatra be’ foana isika eo imason’i Jehovah, Raintsika be fangoraham-po. Nahoana? Satria manome azy ‘izay rehetra ananantsika’ isika, izany hoe manompo azy amin’ny fontsika manontolo. *—Marka 12:43, 44; Lioka 10:27.
13. a) Inona no antony lehibe indrindra mahatonga antsika hamokatra na hitory foana? b) Inona no hanampy antsika hamokatra hatrany any amin’ny faritany tsy dia misy mandray? (Jereo ilay faritra voafefy ao amin’ny pejy faha-21.)
13 Arakaraka ny fahafahantsika, dia ho voatosika hamokatra na hitory foana isika, rehefa mitadidy ny antony hanaovantsika izany. (Jaona 15:16) Nanome ny antony lehibe indrindra anaovantsika izany i Jesosy, rehefa nilaza hoe: “Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo.” (Jaona 15:8) Manamasina ny anaran’i Jehovah eo amin’ny olona rehetra tokoa ny fitoriantsika. (Salamo 109:30) Hoy i Honor, Vavolombelona mahatoky, 70 taona eo ho eo: “Voninahitra foana ny misolo tena ny Avo Indrindra, na dia any amin’ny faritany tsy dia misy mandray aza.” Nadinadinina koa i Claudio, Vavolombelona be zotom-po nanomboka tamin’ny 1974. Nanonona ny Jaona 4:34 izy, rehefa nanontaniana ny antony mahatonga azy hitory foana, na dia vitsy aza ny olona mandray ao amin’ny faritaniny. Hoy i Jesosy ao amin’io andinin-teny io: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” Hoy koa i Claudio: “Tsy ny hanomboka ny asa fitoriana ilay Fanjakana fotsiny no tiako hatao, fa ny hamita azy io koa, toa an’i Jesosy.” (Jaona 17:4) Mitovy hevitra aminy ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany.—Jereo ilay faritra voafefy hoe “Inona no Hanampy Antsika Hamokatra Hatrany?”, ao amin’ny pejy faha-21.
Mitory sy mampianatra
14. a) Inona avy ireo tanjona roa notratrarin’i Jaona Mpanao Batisa sy Jesosy tamin’ny asany? b) Inona no asan’ny Kristianina ankehitriny?
14 I Jaona Mpanao Batisa no mpitory ilay Fanjakana tononina voalohany ao amin’ny Filazantsara. (Matio 3:1, 2; Lioka 3:18) Ny ho “vavolombelona” no tanjony voalohany. Nanam-pinoana lalina izy teo am-panaovana izany ary nanantena fa ‘hino koa ny olona rehetra.’ (Jaona 1:6, 7) Lasa mpianatr’i Kristy mihitsy aza ny olona sasany nitorian’i Jaona. (Jaona 1:35-37) Araka izany, dia sady nitory i Jaona no nanao mpianatra. Nanao toy izany koa i Jesosy. (Matio 4:23; 11:1) Tsy mahagaga àry raha sady nanasa ny mpanara-dia azy hitory i Jesosy, no nandidy azy ireo hanampy ny olona ho tonga mpianany, rehefa avy nanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana. (Matio 28:19, 20) Fitoriana sy fampianarana àry no asantsika ankehitriny.
15. Inona no mampitovy ny fandraisan’ny olona ny fitoriana tamin’ny taonjato voalohany sy ny ankehitriny?
15 Rehefa nitory sy nampianatra i Paoly tamin’ny taonjato voalohany, dia ‘nino izay nolazainy ny sasany fa ny sasany kosa tsy nino.’ (Asan’ny Apostoly 28:24) Izany koa no hitantsika ankehitriny. Mampalahelo fa voafafy eny amin’ny tany tsy mamokatra ny ankamaroan’ny voan’ilay Fanjakana. Misy ihany anefa voa voafafy amin’ny tany tsara, ka mamaka ary mitsimoka, araka ny efa voalazan’i Jesosy. Olona maherin’ny 5 000 mihitsy no tonga mpianatr’i Kristy isan-kerinandro maneran-tany! ‘Mino izay nolazaina’ ireo mpianatra vita batisa ireo, na dia tsy mino aza ny ankamaroan’ny olona. Inona no nahatonga ny fony ho vonon-kandray ny hafatra momba ilay Fanjakana? Matetika ny fiahian’ny Vavolombelona azy manokana no nahatonga izany. Toy ny hoe nanondraka ilay voa vao nafafy izy ireo tamin’izany. (1 Korintiana 3:6) Maro ny ohatra azo raisina mampiseho izany, fa roa monja no hodinihintsika izao.
Mitondra vokatra tsara ny fiahiana manokana
16, 17. Nahoana isika no mila miahy manokana ny olona itoriantsika?
16 “Nitsidika vehivavy be taona iray tsy liana tamin’ny hafatra momba ilay Fanjakana i Karolien, tanora Vavolombelona any Belzika. Naratra sy nifono ny tanan’ilay ramatoa, ka nitady hanampy azy hanao raharaha i Karolien sy ilay namany. Tsy nanaiky anefa ilay ramatoa. Nitsidika azy indray izy miraharavy ireo, roa andro taorian’izay ary nanontany azy hoe nanao ahoana ny fahasalamany. Hoy i Karolien: “Nitondra vokatra tsara izany. Gaga izy fa tena niahy azy manokana izahay. Nasainy niditra izahay ary nanomboka nianatra Baiboly izy.”
17 Miahy manokana ny olona itoriany koa i Sandi, Vavolombelona any Etazonia. Mandefa filazana an-gazety ny olona sasany eo amin’ny faritra misy azy rehefa tera-bao. Mijery an’ireny filazana ireny i Sandi ary mitsidika ireo ray aman-dreny vao tera-bao, sady mitondra ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. * Matetika ilay renin-jaza no ao an-trano, sady faly erỳ mampiseho ny zanany amin’ny mpitsidika, hany ka mora ny manombo-dresaka. Hoy i Sandi: “Lazaiko amin’ilay mpivady fa tena ilaina ny mamaky teny amin’ny zaza vao teraka, satria mampiraiki-po azy ireo aminy izany. Miresaka momba ny olana atrehin’ireo mitaiza amin’izao andro izao aho avy eo.” Vao haingana dia nisy renim-pianakaviana nanomboka nanompo an’i Jehovah niaraka tamin’ny zanany enina, noho ny fitsidihana toy izany. Mety hahazo vokatra mahafaly toy izany koa isika, raha mikaroka hevitra tsara sy miahy manokana ny olona itoriantsika.
18. a) Nahoana isika rehetra no afaka ‘mamokatra be’? b) Inona ireo fepetra telo tokony hofenoin’izay te ho mpianatr’i Kristy, ka tianao harahina hatrany?
18 Tena mampahery mihitsy ny mahafantatra fa afaka ‘mamokatra be’ araka ny takina amintsika isika! Afaka mamokatra be daholo isika, na antitra na tanora, na salama tsara na marary, na mitory any amin’ny faritra mandray tsara na any amin’ny faritra tsy dia misy mandray firy. Amin’ny fomba ahoana? Rehefa maneho ny vokatry ny fanahy bebe kokoa sy manaparitaka ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra, araka izay fara herintsika. Miezaka koa isika mba ‘haharitra amin’ny tenin’i Jesosy’ sy ‘hifankatia.’ Ho ‘mpianatr’i [Kristy] tokoa’ isika, raha mahafeno ireo fepetra lehibe telo voalazan’ny Filazantsaran’i Jaona ireo.—Jaona 8:31; 13:35.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 3 Ny sampan’ny voaloboka ao amin’ilay fanoharana dia ny apostolin’i Jesosy sy ny Kristianina manana toerana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Na izany aza, dia mandray soa amin’ny fahamarinana raketin’io fanoharana io ny mpanara-dia an’i Kristy rehetra ankehitriny.—Jaona 3:16; 10:16.
^ feh. 12 Raha misy tsy afaka mivoaka ny trano satria efa antitra na marary, dia afaka mitory amin’ny alalan’ny taratasy na ny telefaonina izy, raha azo atao izany. Afaka mitory ny vaovao tsara amin’izay mitsidika azy koa izy ireo.
^ feh. 17 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Fanontaniana ho Famerenana
• Inona no tokony hovokarintsika bebe kokoa?
• Nahoana no lazaina fa afaka ‘mamokatra be’ isika?
• Inona ireo fepetra telo lehibe voalazan’ny Filazantsaran’i Jaona ary tsy maintsy fenoin’izay te ho mpianatr’i Kristy?
[Fanontaniana]
[Efajoro/Sary, pejy 21]
INONA NO HANAMPY ANTSIKA HAMOKATRA HATRANY?
INONA no manampy anao hanohy hitory ny hafatra momba ilay Fanjakana, any amin’ny faritany tsy dia misy mandray? Mety hanampy anao ireto valin-teny ireto.
“Fantatro fa manohana antsika tanteraka i Jesosy. Izany no mahatonga ahy hijery lafy tsaran-javatra sy hanohy hitory foana, na mandray ny olona na tsia.”—Harry, 72 taona, vita batisa tamin’ny 1946.
“Mampahery ahy foana ny 2 Korintiana 2:17. Voalaza ao fa manompo ‘eo anatrehan’Andriamanitra’ sy miaraka amin’i Kristy isika. Miaraka amin’ireo namako akaiky indrindra ireo aho eny amin’ny fanompoana.”—Claudio, 43 taona, vita batisa tamin’ny 1974.
“Tsoriko aloha fa ady mafy ho ahy ny fitoriana. Tsapako anefa fa ‘Andriamanitra no ahafahako mitsambikina mihoatra ny manda’, araka ny Salamo 18:29.”—Gerard, 79 taona, vita batisa tamin’ny 1955.
“Efa afa-po aho, raha afaka mamaky andinin-teny iray monja eny am-pitoriana, satria mampiseho izay ao am-pon’ilay olona ny fomba fandraisany ny Baiboly.”—Eleanor, 26 taona, vita batisa tamin’ny 1989.
“Ovaovako foana ny fomba anombohako resaka. Maro be ny fomba azo ampiasaina, ka na dia ny andro rehetra sisa iainako aza tsy ho ampy hampiasana azy rehetra.”—Paul, 79 taona, vita batisa tamin’ny 1940.
“Tsy sosotra aho rehefa tsy mandray ny olona. Miezaka ny ho sariaka aho, ka miresadresaka amin’ny olona sy mihaino ny heviny.”—Daniel, 75 taona, vita batisa tamin’ny 1946.
“Nisy olona vao vita batisa nilaza tamiko fa anisan’ny nahatonga azy ho Vavolombelona ny fitoriako taminy. Tsy fantatro fa hay nisy olon-kafa nampianatra azy Baiboly taorian’izay, ka nandroso izy. Faly aho satria miara-miasa isika amin’ny fanompoana.”—Joan, 66 taona, vita batisa tamin’ny 1954.
[Sary, pejy 20]
Mamokatra be isika rehefa maneho ny vokatry ny fanahy sy mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana
[Sary, pejy 23]
Inona no tian’i Jesosy hambara rehefa nasainy ‘namokatra be’ hatrany ny apostoliny?