Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana ny Baiboly no milaza fa tokony hiantsoantso ny vehivavy rehefa misy mitady hisavika azy?

Tsy ho tsapan’ny olona iray amin’ny fomba feno mihitsy ny mety ho voka-dratsin’ny fisavihana, raha mbola tsy nandalo an’izany izy. Mampivarahontsana ilay zava-mitranga, ka mety hampahory azy mandritra ny androm-piainany. * Hoy ny tovovavy kristianina iray izay saika nosavihin’olona: “Tsy hay lazaina ny tahotra tsapako tamin’iny alina iny, sy ny fahoriana niainako hatramin’izay.” Aleon’ny olona maro àry tsy mieritreritra momba io zavatra mampihoron-koditra io. Tena misy anefa ny fisavihana eto amin’ity tontolo ratsy ity.

Resahin’ny Baiboly mazava ny momba ireo olona nosavihina, na saika nisy nisavika fahiny. (Genesisy 19:4-11; 34:1-7; 2 Samoela 13:1-14) Lazainy koa anefa ny zavatra tokony hataon’ny olona iray rehefa misy mitady hisavika izy. Miresaka momba izany ny Lalàn’i Mosesy ao amin’ny Deoteronomia 22:23-27. Miresaka toe-javatra roa izy io. Voalohany, nahita tovovavy iray tao an-tanàna ny lehilahy iray ary nanao firaisana taminy. Tsy niantsoantso, na nitady vonjy anefa ilay tovovavy. Noho izany, dia meloka izy “satria tsy niantso, nefa tao an-tanàna ihany.” Mety ho afaka namonjy azy ny olona teny amin’ny manodidina raha niantsoantso izy. Faharoa, nahita tovovavy tany an-tsaha ny lehilahy iray, dia ‘nisavika azy ka nandry taminy.’ Mba ‘niantso ihany razazavavy’ tamin’izy niaro tena, ‘nefa tsy nisy namonjy.’ Tsy nitovy tamin’ilay voalohany àry io tovovavy io, satria tsy nanaiky hosavihina izy. Resy anefa izy, na dia niezaka nanohitra sy niantso vonjy aza. Tsy meloka izy satria voaporofo tamin’ny antsoantso nataony fa tsy te hanao firaisana izy.

Na dia tsy eo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy aza ny Kristianina ankehitriny, dia afaka mandray soa avy amin’ny toro lalana raketin’izy io. Hamafisin’ireo fitantarana etsy ambony, fa tena ilaina ny manohitra sy miantso vonjy. Mbola anisan’ny fomba fiady mandaitra ny miantsoantso rehefa misy mitady hisavika. Nisy manam-pahaizana momba ny ady amin’ny asan-jiolahy nilaza toy izao: “Ny miantsoantso no mbola fitaovam-piadiana tsara indrindra azon’ny vehivavy ampiasaina rehefa misy mitady hisavika azy.” Mety ho taitra sy hamonjy ny olona, rehefa mandre vehivavy miantsoantso. Mety hahataitra ilay olon-dratsy koa izany, ka hampandositra azy. Hoy ny tovovavy kristianina iray saika nisy hisavika: “Niantsoantso mafy araka izay tratrako aho, dia nihataka kely izy. Niantsoantso aho sady nandositra, rehefa nanatona ahy indray izy. Nihevitra aho taloha hoe, ‘Hahavita inona ny antsoantso raha olona matanjaka be no mibeda ahy sady tsy mieritreritra afa-tsy ny hanao ratsy amiko?’ Tena nandaitra anefa ilay izy!”

Mampalahelo fa misy ihany ny vehivavy tsy mahatohitra ka voasavika. Tsy very maina anefa ny ezaka sy ny antsoantso nataony. Asehon’izany kosa fa nanao izay azony natao izy mba hanoherana ilay mpanao ratsy. (Deoteronomia 22:26) Afaka manana feon’ny fieritreretana madio izy, na dia voasavika aza, ary mbola afaka manana ny hajan’ny tenany ihany, sady afaka matoky fa madio izy eo anatrehan’Andriamanitra. Mety hiteraka ratram-po ilay zavatra nampahatahotra nihatra taminy. Ho sitrana tsikelikely anefa izany, rehefa fantany fa nanao izay azony natao izy mba hanoherana ilay fanafihana.

Takatrao izao ny fomba ampiharana ny Deoteronomia 22:23-27. Tsarovy anefa fa tsy mahafaoka ny toe-javatra mety hitranga rehetra io fitantarana fohy io. Tsy tafiditra ao, ohatra, ny hoe tsy afaka miantsoantso ilay vehivavy satria moana, na tsy mahatsiaro tena, na malemin’ny tahotra, na voatampim-bava. Afaka mandinika tsara ny lafin-javatra rehetra anefa i Jehovah, ary anisan’izany ny antony nanosika ilay olona. Hitsara araka ny rariny àry izy, satria “ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa.” (Deoteronomia 32:4) Fantany izay tena nitranga sy ny ezaka nataon’ilay voasavika mba hanoherana ilay mpanao ratsy. Nanao izay azony natao ihany ilay olona na dia tsy afaka niantsoantso aza. Noho izany, dia azony apetraka eo am-pelatanan’i Jehovah ilay toe-javatra.—Salamo 55:22; 1 Petera 5:7.

Mahatsiaro tena ho meloka foana anefa ny vehivavy kristianina sasany, rehefa voasavika. Mihevitra izy fa tokony ho niezaka bebe kokoa mba tsy hiharan’ilay izy. Tsy tokony hanamelo-tena ny olona toy izany, fa hivavaka amin’i Jehovah kosa, ary hangataka ny fanampiany, ka hatoky ny haben’ny famindram-pony.—Eksodosy 34:6; Salamo 86:5.

Afaka matoky ireo vehivavy kristianina miezaka mandresy ny ratram-pony, noho izy voasavika na saika nisy nisavika, fa takatr’i Jehovah ny mahazo azy. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.” (Salamo 34:18) Afaka mandresy ilay fahoriana koa izy ireo, noho ny fangorahana sy fanampiana feno fitiavana avy amin’ny mpiray finoana eo anivon’ny fiangonana kristianina. (Joba 29:12; 1 Tesaloniana 5:14) Afaka manana “ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra” koa ireo niharan-doza, raha mifantoka amin’ny lafin-javatra mampahery.—Filipiana 4:6-9.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Na dia ny vehivavy aza no tena resahina hoe misy misavika ato amin’ity lahatsoratra ity, dia mihatra amin’ny lehilahy koa ny toro lalana resahina ato.