Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mahareta Amin’ny Teniko’

‘Mahareta Amin’ny Teniko’

‘Mahareta Amin’ny Teniko’

“Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa.”​—JAONA 8:31.

1. a) Inona no navelan’i Jesosy teto an-tany rehefa niverina tany an-danitra izy? b) Inona no fanontaniana hodinihintsika?

NANORINA ny Kristianisma i Jesosy Kristy fony izy teto an-tany. Tsy namela boky na tsangambato na harena izy rehefa niverina tany an-danitra. Namela mpianatra kosa izy ary nanome fepetra mazava ho an’izay te ho mpianany. Miresaka momba ny fepetra lehibe telo tsy maintsy arahin’izay te ho tonga mpianany i Jesosy, ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona. Inona avy ireo fepetra ireo? Inona no azontsika tsirairay atao mba ho azo antoka fa mahafeno fepetra ho mpianatr’i Kristy isika? *

2. Inona no fepetra iray tsy maintsy arahin’izay te ho mpianatr’i Jesosy, araka ny Filazantsaran’i Jaona?

2 Niakatra tany Jerosalema i Jesosy, enim-bolana teo ho eo talohan’ny nahafatesany. Tany izy dia nitory tamin’ireo olona maro be nivory nandritra ny herinandro, mba hankalaza ny Andro Firavoravoana Fitoerana Amin’ny Trano Rantsankazo. Noho izany, dia “maro ny vahoaka no nino Azy” rehefa nisasaka ny andro firavoravoana. Nanohy nitory i Jesosy, ka “maro [indray] no nino Azy” rehefa hifarana ilay fankalazana. (Jaona 7:10, 14, 31, 37; 8:30) Niresaka tamin’ireo olona vao tonga mpino i Jesosy ary nilaza taminy ny fepetra lehibe iray mba hahatongavana ho mpianany. Hoy izy: “Raha maharitra amin’ny teniko hianareo, dia ho mpianatro tokoa.”​—Jaona 8:31.

3. Inona no ilaina mba ‘haharetana amin’ny tenin’i [Jesosy]’?

3 Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe tsy ampy finoana ireo olona vao tonga mpino. Nasongadiny kosa fa afaka ny ho tena mpianany izy ireo, raha maharitra amin’ny teniny, izany hoe mampihatra azy io foana, na dia misy zava-tsarotra aza. Efa nanaiky ny teniny izy ireo, fa nila nampihatra azy io hatrany amin’izay. (Jaona 4:34; Hebreo 3:14) Tsapan’i Jesosy fa tena nila fikirizana ny mpianany. Rehefa niresaka farany tamin’ny apostoliny àry izy, dia nampirisika indroa hoe: “Manaraha Ahy [hatrany].” (Jaona 21:19, 22) Nanao izany tokoa ny maro tamin’ny Kristianina voalohany. (2 Jaona 4) Inona no nanampy azy ireo hanaraka hatrany ny tenin’i Jesosy?

4. Inona no nanampy ny Kristianina voalohany haharitra tamin’ny tenin’Andriamanitra?

4 Nanasongadina lafin-javatra lehibe iray ny apostoly Jaona, mpianatra tsy nivadika tamin’i Kristy nandritra ny 70 taona teo ho eo. Nidera ny Kristianina nahatoky toy izao izy: “Mahery hianareo, ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy hianareo.” Naharitra tamin’ny tenin’Andriamanitra, na nampihatra azy io foana ireo mpianatr’i Kristy, satria nitoetra tao anatiny ny tenin’Andriamanitra. Midika izany fa nankasitraka lalina azy io izy. (1 Jaona 2:14, 24) Tsy maintsy ataontsika azo antoka fa mitoetra ao anatintsika koa ny tenin’Andriamanitra, raha te ‘hiaritra hatramin’ny farany’ isika. (Matio 24:13) Ahoana no hanaovantsika izany? Ho hitantsika ao amin’ny fanoharana iray nataon’i Jesosy ny valin’izany.

Ny ‘fandrenesana ny teny’

5. a) Inona avy no karazana tany resahin’i Jesosy ao amin’ny fanoharana iray? b) Inona ilay voa sy ilay tany?

5 Nanao fanoharana momba ny olona iray mamafy voa i Jesosy. Tantaraina ao amin’ny Filazantsaran’i Matio sy Marka ary Lioka izy io. (Matio 13:1-9, 18-23; Marka 4:1-9, 14-20; Lioka 8:4-8, 11-15) Rehefa mamaky ireo tantara ireo ianao, dia mariho fa izao no mampiavaka ilay fanoharana: Karazana voa iray ihany no afafy amina karazana tany samihafa, ka tsy mitovy ny vokatra azo. Mafy ilay tany voalohany, marivo ilay faharoa, ary rakotra tsilo ilay fahatelo. “Tsara” ilay tany fahefatra fa tsy tahaka an’ireo. Nohazavain’i Jesosy fa ilay voa dia ny hafatra momba ilay Fanjakana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary ilay tany dia ireo olona manana toe-po tsy mitovy. Misy lafiny mampitovy ireo olona oharina amin’ny tany isan-karazany ireo, nefa misy lafiny iray mampiavaka ny olona oharina amin’ilay tany tsara.

6. a) Inona no tsy mampitovy ilay karazana tany fahefatra amin’ireo telo voalohany, ary inona no dikan’izany? b) Inona no tena ilain’izay te ho mpianatr’i Kristy foana?

6 Voalazan’ny Lioka 8:12-15 fa samy ‘mandre ny teny’ ireo karazan’olona efatra. Tsy mianina amin’ny ‘fandrenesana ny teny’ anefa ireo manana ‘fo marina sy tsara.’ ‘Mitana [ny teny kosa izy] ka mamoa amin’ny faharetana’, izany hoe mamokatra hatrany, na dia misy zava-tsarotra aza. Malemy sy lalina ilay tany tsara, ka afaka mamaka tsara ilay voa. Mitsimoka sy mamokatra àry ilay izy. (Lioka 8:8) Toy izany koa ny olona manana fo tsara. Mahazo ny hevitry ny tenin’Andriamanitra izy sady mankasitraka azy io ary mandentika izany ao am-pony sy ao an-tsainy. (Romana 10:10; 2 Timoty 2:7) Mitoetra ao anatiny ny tenin’Andriamanitra, ka mamokatra hatrany izy na dia misy zava-tsarotra aza. Tena mila mankasitraka lalina ny tenin’Andriamanitra àry izay te ho mpianatr’i Kristy foana. (1 Timoty 4:15) Inona anefa no hahatonga antsika hankasitraka lalina ny Tenin’Andriamanitra?

Ny toe-po sy ny fisaintsainana lalina

7. Inona no mifandray akaiky amin’ny fo tsara?

7 Mariho hoe inona no ampifandraisin’ny Baiboly matetika amin’ny fo tsara. “Ny fon’ny marina mihevitra vao mamaly.” (Ohabolana 15:28) “Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô.” (Salamo 19:14) “Ny fieritreretan’ny foko dia fahalalana.”​—Salamo 49:3.

8. a) Inona no tsy tokony hatao sy tokony hatao, rehefa mamaky Baiboly isika? b) Inona no soa raisintsika rehefa misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra isika sady mivavaka eo am-panaovana izany? (Ampiasao ilay faritra voafefy hoe ‘Miorina Tsara Amin’ny Fahamarinana.’)

8 Toa an’ireo mpanoratra Baiboly ireo, dia mila misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra sy ny asany isika. Mila mivavaka isika eo am-panaovana izany sady miezaka hankasitraka izay lazainy sy ataony. Rehefa mamaky Baiboly na boky ara-baiboly isika, dia tsy tokony hanao toy ny ataon’ny vahiny mirotoroto mizaha tany. Maka sary be dia be fotsiny izy, fa tsy maka fotoana tsara handinihana ny hakanton’ilay toerana. Tsy tokony hanao toy izany isika rehefa mianatra Baiboly, fa haka fotoana tsara handinihana izay vakintsika. * Manan-kery eo amin’ny fontsika ny tenin’Andriamanitra, rehefa misaintsaina mangina momba izay vakintsika isika. Manohina ny fontsika sy mamolavola ny fomba fisainantsika izany. Voatosika hivavaka koa isika, ka hamboraka ny eritreritsika lalina amin’Andriamanitra. Hiraiki-po kokoa amin’i Jehovah isika amin’izay. Ary ny fitiavantsika azy dia manosika antsika hanara-dia an’i Jesosy hatrany, na dia misy zava-tsarotra aza. (Matio 10:22) Mazava àry fa tena mila misaintsaina izay lazain’Andriamanitra isika, raha tsy te hivadika aminy mihitsy hatramin’ny farany.​—Lioka 21:19.

9. Inona no azontsika atao mba ho vonona handray ny tenin’Andriamanitra foana ny fontsika?

9 Asehon’ny fanoharana nataon’i Jesosy koa fa misy zavatra misakana ilay voa tsy hitombo. Raha te ho mpianatra mahatoky àry isika, dia tokony 1) hamantatra ireo vato misakana oharina amin’ireo karazana tany tsy mamokatra sy 2) hanao zavatra mba hanitsiana na hialana amin’izany. Tena ho vonona handray ny voan’ilay Fanjakana, dia ny tenin’Andriamanitra, foana ny fontsika amin’izay sady hamokatra.

Izay variana loatra no atao hoe “amoron-dàlana”

10. Manao ahoana ilay karazana tany voalohany noresahin’i Jesosy, ary inona no hevitr’izany?

10 Eny “amoron-dàlana” ilay karazana tany voalohany amafazana ilay voa, izay “voahitsakitsaka.” (Lioka 8:5) Mafy be ny tany eny amoron’ny lalana mankany amin’ny tanimbary, satria be olona mivezivezy. (Marka 2:23) Toy izany ny olona variana loatra amin’ny rotoroton’ny fiainana. Be loatra ny fotoana sy hery laniny amin’izany, ka tsy afaka mankasitraka lalina ny tenin’Andriamanitra izy. Mandre izany teny izany izy fa tsy misaintsaina azy io, ka tsy mihontsina ny fony. Mbola tsy manomboka tia ny tenin’Andriamanitra izy, dia efa tonga ny “devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena.” (Lioka 8:12) Afaka misoroka izany ve isika?

11. Inona no tokony hataontsika mba tsy ho toy ny tany mafy ny fontsika?

11 Betsaka ny zavatra azo atao mba tsy hahatonga ny fo ho tahaka ilay tany amoron-dalana sy tsy mamokatra. Raha asaina ny tany voahitsakitsaka sy mafy, sady alefa any amin’ny lalan-kafa ny olona sy ny fiara, dia hihamalemy sy hamokatra ilay tany. Toy izany koa ny fo. Ho toy ny tany tsara sy mamokatra izy io, raha maka fotoana isika hianarana sy hisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra. Hahavita izany isika raha miezaka ny tsy ho variana loatra amin’ny fiainana. (Lioka 12:13-15) Manokàna kosa fotoana hisaintsainana ireo zava-dehibe kokoa eo amin’ny fiainana.​—Filipiana 1:9-11.

Izay matahotra no atao hoe “ambony vatolampy”

12. Inona no tena mahafaty ilay tsimoka eo amin’ilay karazana tany faharoa?

12 Tsy toy ny tamin’ny voalohany ilay voa afafy amin’ilay karazana tany faharoa. Tsy mijanona eo amin’ilay tany fotsiny izy, fa mamaka ary mitsimoka. Rehefa miposaka anefa ny masoandro, dia main’ny hafanana ilay tsimoka, ka maty. Mariho anefa izao tsipiriany mahaliana izao. Tsy ny hafanana no tena mahafaty ilay tsimoka. Azon’ny hain’andro koa ilay zavamaniry amin’ilay tany tsara, nefa tsy maty, fa mitombo be. Inona no maha samy hafa azy ireo? Nilaza i Jesosy fa maty ilay tsimoka, satria ‘tsy manam-paka’ tsara sady tsy mahazo “mandomando.” (Matio 13:5, 6; Lioka 8:6) Misy “vatolampy” ao ambany tany, ka misakana ny fakany tsy hilentika lalina. Noho izany, dia tsy mahazo hamandoana izy sady malemy. Maty àry ilay tsimoka satria marivo ilay tany.

13. Karazan’olona manao ahoana no oharina amin’ny tany marivo, ary inona no tena mahatonga azy ireo hatahotra sy hiala amin’ny fahamarinana?

13 Ny olona resahina eo dia izay “mandray ny teny amin’ny hafaliana” sy mazoto manaraka an’i Jesosy “vetivety.” (Lioka 8:13) Rehefa danihin’ny masoandron’ny “fahoriana na fanenjehana” anefa izy ireo, dia lasa matahotra be, ka tsy manam-pifaliana sy hery intsony ary tsy manaraka an’i Kristy intsony. (Matio 13:21) Tsy ny fanoherana anefa no tena mampahatahotra azy. Be dia be mantsy ny mpianatr’i Kristy no niaritra fahoriana isan-karazany, nefa tsy nivadika. (2 Korintiana 2:4; 7:5) Ny toe-pony no tena mahatonga ny sasany hatahotra sy hiala amin’ny fahamarinana. Toy ny vato ny fony, ka misakana azy tsy hisaintsaina lalina momba ny zavatra mampahery sy ara-panahy. Noho izany, dia tsy lalim-paka ny fankasitrahany an’i Jehovah sy ny teniny, ka tsy mahatohitra fanoherana izy. Ahoana no hisorohana izany?

14. Inona no tokony hataon’ny tsirairay mba tsy ho lasa toy ny tany marivo ny fony?

14 Tsy maintsy ataon’ny tsirairay azo antoka fa tsy misy vato misakana mamaka ao am-pony. Anisan’izany ny fahatezerana sy lolompo latsa-paka, ny fitiavan-tena, na ny fihetseham-po mitovy amin’ireo nefa tsy hita miharihary. Afaka manaisotra izany vato misakana izany ny tenin’Andriamanitra, raha toa ka misy izany. (Jeremia 23:29; Efesiana 4:22; Hebreo 4:12) Tsara ny misaintsaina sy mivavaka avy eo, mba ‘hambolena ny teny’ ao am-po lalina. (Jakoba 1:21) Hanome tanjaka antsika izany, rehefa kivy isika. Hahazo herim-po koa isika mba tsy hivadihana na dia misy fisedrana aza.

Izay manana fo mizarazara no atao hoe “nafafy teny amin’ny tsilo”

15. a) Nahoana isika no tena mila mandinika tsara ilay karazana tany fahatelo noresahin’i Jesosy? b) Inona no mitranga eo amin’ilay karazana tany fahatelo amin’ny farany, ary nahoana?

15 Tena mila mandinika ilay karazana tany fahatelo isika, satria misy itoviany amin’ilay tany tsara izy io. Samy mamaka sy mitsimoka ny voa afafy amin’io tany feno tsilo io sy ilay tany tsara. Mitovy ny fitomboan’ilay zavamaniry eo amin’ireo tany ireo, amin’ny voalohany. Rehefa ela ny ela anefa dia misy zavatra mipoitra tsikelikely, ka mangeja ilay zavamaniry. Tsy toy ilay tany tsara io tany fahatelo io fa manjary rakotra tsilo. Rehefa maniry ilay voa, dia misy ‘tsilo miara-maniry’ sy mifaninana aminy. Miady sakafo sy hazavana ary toerana malalaka aloha izy sy ireo tsilo. Resin’ny tsilo anefa ilay zavamaniry amin’ny farany, ka ‘voagejany.’​—Lioka 8:7.

16. a) Olona manao ahoana no mitovy amin’ilay tany feno tsilo? b) Inona ireo tsilo, araka ny fitantarana telo ao amin’ny Filazantsara?​—Jereo ny fanamarihana ambany pejy.

16 Olona manao ahoana no mitovy amin’ilay tany feno tsilo? Manazava i Jesosy hoe: “Ireo . . . dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan’ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa.” (Lioka 8:14) Toy ilay voa afafy sy ny tsilo miara-maniry eo amin’ilay tany, dia sady mandray ny tenin’Andriamanitra ny olona sasany no mandray ny “fahafinaretan’izao fiainana izao.” Afafy ao am-pony ny fahamarinana ao amin’ny tenin’Andriamanitra, nefa misy zavatra hafa misarika ny sainy, ka mifaninana amin’io teny io. Mizarazara ny fony. (Lioka 9:57-62) Tsy manam-potoana firy àry izy ireo mba hisaintsainana lalina ny tenin’Andriamanitra sy hivavahana momba izany. Tsy mamaka tsara ao am-pony sy ao an-tsainy ny tenin’Andriamanitra, ka tsy mankasitraka lalina azy io izy. Izany anefa no ilaina mba hampiharana azy io hatrany. Mandresy tsikelikely ny zavatra ara-panahy ny zavatra tsy ara-panahy, ka ‘mangeja’ azy tanteraka mihitsy amin’ny farany. * Mampalahelo tokoa izany fiafaran’ny olona tsy tia an’i Jehovah amin’ny fony manontolo izany!​—Matio 6:24; 22:37.

17. Inona no ilaintsika hatao mba tsy ho voagejan’ireo zavatra oharina amin’ny tsilo isika?

17 Tsy ho voagejan’ny zava-manahirana sy ny fahafinaretan’ity tontolo ity isika, raha ataontsika eo amin’ny toerana voalohany ny zavatra ara-panahy. (Matio 6:31-33; Lioka 21:34-36) Tsy tokony hatao tsirambina mihitsy ny famakiana sy ny fisaintsainana ny Baiboly. Raha tsorintsika araka izay azo atao ny fiainantsika, dia hanam-potoana bebe kokoa isika mba hisaintsainana tsara sy hivavahana. (1 Timoty 6:6-8) Mahazo valisoa avy amin’Andriamanitra ny mpanompony izay manao izany. Toy ny hoe mamongotra ireo tsilo amin’ilay tany izy ireo, mba hananan’ilay voa sakafo sy hazavana ary toerana malalaka kokoa hamokarany. Hoy i Sandra, izay 26 taona: “Rehefa misaintsaina ny soa azoko noho ny fahamarinana aho, dia mahatsapa fa tsy afaka manolotra zavatra sahala amin’izany mihitsy ity tontolo ity!”​—Salamo 84:11.

18. Inona no hanampy antsika haharitra amin’ny tenin’Andriamanitra sy ho Kristianina foana?

18 Mazava àry fa na antitra isika na tanora, dia haharitra amin’ny tenin’Andriamanitra ary ho mpianatr’i Kristy foana, raha mitoetra ao anatintsika ny tenin’Andriamanitra. Aoka àry hataontsika azo antoka fa malefaka sy lalina foana ny fontsika, fa tsy mafy na marivo na rakotra zavamaniry ratsy mihitsy. Ho afaka handentika ny tenin’Andriamanitra ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika isika amin’izay sady hamokatra hatrany.​—Lioka 8:15.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 1 Handinika ny fepetra voalohany isika ato amin’ity lahatsoratra ity. Horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fepetra roa hafa.

^ feh. 8 Rehefa misaintsaina sy mivavaka momba izay vakinao ao amin’ny Baiboly, ohatra, ianao dia afaka manontany tena hoe: ‘Inona no toetran’i Jehovah asongadin’izany? Inona no ifandraisan’izany amin’ny foto-kevitry ny Baiboly? Ahoana no hampiharako izany eo amin’ny fiainako ary ahoana no hampiasako izany mba hanampiana ny hafa?’

^ feh. 16 Araka ny fitantarana telo ao amin’ny Filazantsara, dia voagejan’ny zava-manahirana sy ny fahafinaretana eo amin’izao tontolo izao ilay voa: “ny fiahiahiana izao fiainana izao”, “ny fitaky ny harena”, “ny filana ny zavatra hafa” ary “ny fahafinaretan’izao fiainana izao.”​—Marka 4:19; Matio 13:22; Lioka 8:14; Jeremia 4:3, 4.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana isika no mila ‘maharitra amin’ny tenin’i Jesosy’?

• Ahoana no hamelantsika ny tenin’Andriamanitra hitoetra ao am-pontsika?

• Olona manao ahoana avy no asehon’ireo karazana tany efatra noresahin’i Jesosy?

• Ahoana no hahitanao fotoana hisaintsainana ny tenin’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 10]

‘MIORINA TSARA AMIN’NY FAHAMARINANA’

MARO ny mpianatr’i Kristy efa hatramin’ny ela no manaporofo fa ‘miorina tsara amin’ny fahamarinana’ foana izy. (2 Petera 1:12) Inona no manampy azy hiaritra? Diniho ny zavatra sasany nolazainy.

“Mamarana ny andro tsirairay amin’ny famakiana Baiboly sy vavaka aho. Mieritreritra izay novakiko aho avy eo.”​—Jean, vita batisa tamin’ny 1939.

“Misaintsaina aho hoe tena ambony i Jehovah, nefa lalina ny fitiavany antsika. Mampilamin-tsaina ahy izany sady manome hery ahy mba tsy hivadihako.”​—Patricia, vita batisa tamin’ny 1946.

“Mianatra Baiboly tsy tapaka aho ary mamakafaka ny ‘saina lalina izay an’Andriamanitra.’ Izany no manampy ahy hanompo an’i Jehovah hatrany.”​—1 Korintiana 2:10; Anna, vita batisa tamin’ny 1939.

“Mamaky ny Baiboly sy ny boky ara-baibolintsika aho mba handinihako ny foko sy ny antony manosika ahy hanao zavatra.”​—Zelda, vita batisa tamin’ny 1943.

“Ny mahafinaritra ahy indrindra dia ny mitsangantsangana sady mivavaka amin’i Jehovah ary mamboraka aminy izay tena ao am-poko.”​—Ralph, vita batisa tamin’ny 1947.

“Manomboka ny andro amin’ny teny hodinihina isan’andro sy ny famakiana Baiboly aho. Misy zava-baovao hosaintsainina mandritra ny andro amin’izay.”​—Marie, vita batisa tamin’ny 1935.

“Tena mavitribitrika mihitsy aho rehefa avy mianatra isan’andininy ny boky iray ao amin’ny Baiboly.”​—Daniel, vita batisa tamin’ny 1946.

Rahoviana ianao no maka fotoana hisaintsainana ny Tenin’Andriamanitra sy hivavahana?​—Daniela 6:11b; Marka 1:35; Asan’ny Apostoly 10:9.

[Sary, pejy 13]

Hamokatra hatrany isika, raha ataontsika eo amin’ny toerana voalohany ny zavatra ara-panahy