Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mandre” ny Vaovao Tsaran’ilay Fanjakana ny Marenina any Brezila

“Mandre” ny Vaovao Tsaran’ilay Fanjakana ny Marenina any Brezila

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

“Mandre” ny Vaovao Tsaran’ilay Fanjakana ny Marenina any Brezila

NIANATRA baiko moana ny maro amin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brezila, na dia sarotra aza izany. Te hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana any amin’ny faritanin’ny marenina mantsy izy ireo. Misy vokany tena tsara ny ezak’izy ireo, araka ny tantaraina eto ambany.

Nanomboka nianatra baiko moana ny vehivavy marenina iray atao hoe Eva * any São Paulo, rehefa niara-nipetraka tamin’ny lehilahy iray marenina izy sy ny zanany telo. Nihaona tamin’ny Vavolombelona marenina vitsivitsy tany an-tsena i Eva sy io lehilahy niarahany io. Nasain’ireo Vavolombelona hivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy roa. Nanaiky izy ireo satria noheveriny fa hiara-mikorana no andehanana any.

Tsy tena nahay baiko moana tsara i Eva, ka tsy azony tsara izay nolazaina nandritra ilay fivoriana. Nisy Vavolombelona vitsivitsy nanasa azy hisakafo kely tany an-trano, taorian’ny fivoriana. Nohazavain’izy ireo tamin’i Eva ny fampanantenan’Andriamanitra paradisa eto an-tany, tamin’ny alalan’ny sary tao amin’ny bokikely Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! Tian’i Eva ny zavatra nianarany ka nanomboka nanatrika fivoriana tsy tapaka izy.

Nisaraka tamin’ilay lehilahy niarahany i Eva, taoriana kelin’izay, mba ho fankatoavana ny fitsipiky ny Baiboly. Nandroso ara-panahy hatrany izy ary natao batisa tamin’ny 1995, na dia nanenjika be aza ny fianakaviany. Lasa mpisava lalana na mpitory ilay Fanjakana manontolo andro i Eva, enim-bolana tatỳ aoriana. Efatra izay ny marenina nampiany ho tonga hatramin’ny fanoloran-tena sy batisa.

Marenina hatrany an-kibon-dreniny i Carlos. Mbola kely izy dia efa mpifoka rongony sady ratsy fitondran-tena ary mpangalatra. Norahonan’ny andian-jiolahy niady taminy izy, ka nandositra tany São Paulo ary niara-nipetraka vetivety tamin’i João. Marenina koa i João, ary ratsy fitondran-tena.

Nahalala ny hafatra momba ilay Fanjakana i Carlos, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ka nanova ny fiainany ary nisora-panambadiana. Nahafeno ny fepetra ao amin’ny Soratra Masina izy, ary natao batisa ho fampisehoany ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah. Nandritra izany fotoana izany, dia nahalala ny vaovao tsara koa i João ka nanova ny fiainany, nefa tsy fantatr’i Carlos. Narian’i João daholo ny “sary masina” nananany satria nianarany fa tsy eken’i Jehovah ny fampiasana azy ireny. Natao batisa koa izy rehefa avy nanova ny fiainany.

Faly be mihitsy i Carlos sy João rehefa nifankahita tany amin’ny Efitrano Fanjakana iray, ka nahita fa samy niova izy mirahalahy! Samy loham-pianakaviana matotra izao izy ireo ary samy mpitory ilay Fanjakana mazoto.

Misy fiangonana 30 sy antoko-mpitory 154 mampiasa baiko moana izao any Brezila. Manana mpitory 2 500 mahery izy ireo, ka 1 500 eo ho eo no marenina amin’ireo mpitory ireo. Nahatratra 3 000 mahery ny mpanatrika ary 36 no natao batisa tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2001, “Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra”, natao tamin’ny baiko moana tany Brezila. Azo inoana fa mbola betsaka ny marenina hanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana, noho ny fitahian’i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Novana ny anarana.