Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mifankatiava’

‘Mifankatiava’

‘Mifankatiava’

“Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.”​—JAONA 13:35.

1. Inona no toetra nasongadin’i Jesosy taloha kelin’ny hahafatesany?

“ANAKA.” (Jaona 13:33) Niantso ny apostoliny tamin’izany teny mamy izany i Jesosy, ny hariva talohan’ny hahafatesany. Araka ny Filazantsara, dia mbola tsy nampiasa an’io teny feno hatsaram-panahy io mihitsy i Jesosy taloha, rehefa niresaka tamin’izy ireo. Nampiasa io teny mamy io anefa izy tamin’iny alina manokana iny, mba hanehoana ny fitiavany lalina ny mpanara-dia azy. In-30 teo ho eo mihitsy i Jesosy no niresaka momba ny fitiavana tamin’iny alina iny. Nahoana izy no nanasongadina an’io toetra io?

2. Nahoana ny Kristianina no tena mila maneho fitiavana?

2 Nohazavain’i Jesosy ny antony maha zava-dehibe ny fitiavana. Hoy izy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35; 15:12, 17) Mifandray akaiky àry ny hoe manara-dia an’i Kristy sy ny maneho fitiavan-drahalahy. Tsy ny fomba fiakanjo na fanao tsy mahazatra no amantarana ny tena Kristianina, fa ny fifankatiavany lalina sy feno firaiketam-po. Io karazam-pitiavana io no fepetra faharoa amin’ireo telo voalaza teo aloha fa tokony hofenoin’izay te ho mpianatr’i Kristy. Inona no hanampy antsika haneho io fitiavana io hatrany?

Manehoa fitiavana “bebe kokoa”

3. Inona no fampirisihan’ny apostoly Paoly momba ny fitiavana?

3 Misy an’io fitiavana miavaka io eo anivon’ny tena mpianatr’i Kristy ankehitriny, toy ny teo anivon’ny mpanara-dia azy tamin’ny taonjato voalohany. Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina voalohany: “Ny amin’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin’Andriamanitra hifankatia. Fa manao izany ihany hianareo amin’ny rahalahy rehetra.” Na izany aza, dia nampirisika azy ireo izy mba hampiseho fitiavana “bebe kokoa.” (1 Tesaloniana 3:12; 4:9, 10) Mila manaraka ny fampirisihan’i Paoly koa isika ka hiezaka hifaneho fitiavana “bebe kokoa.”

4. Iza no tokony hokarakaraintsika manokana, araka an’i Paoly sy Jesosy?

4 Tao amin’io taratasy ara-tsindrimandry io ihany, dia nampirisika ny mpiray finoana taminy i Paoly mba ‘hanome toky’ ny ketraka sy hampahery ny malemy. (1 Tesaloniana 5:14) Nampahatsiahy ny Kristianina koa izy hoe “izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ny malemy.” (Romana 15:1) Araka izany, dia ny olona malemy finoana na malemy ara-panahy no tiantsika horesahina. Nanome toromarika koa i Jesosy mba hanampiana ireo malemy. Nilaza tamin’i Petera izy fa handao azy i Petera ny alina aorian’ny hisamborana azy. Hoy izy avy eo: “Rehefa mibebaka hianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.” Nahoana? Satria handao an’i Jesosy koa izy ireo, ka hila fanampiana. (Lioka 22:32; Jaona 21:15-17) Araka izany, dia mampirisika antsika ny Tenin’Andriamanitra mba haneho fitiavana amin’ireo malemy ara-panahy sy izay tsy hita intsony any amin’ny fivoriana. (Hebreo 12:12) Nahoana isika no tokony hanao izany? Mamaly izany ny fanoharana roa mazava tsara nataon’i Jesosy.

Ondry iray sy farantsakely iray very

5, 6. a) Inona no fanoharana fohy anankiroa nataon’i Jesosy? b) Inona no asehon’ireo fanoharana ireo momba an’i Jehovah?

5 Nanao fanoharana fohy anankiroa i Jesosy, mba hampianarana ny mpihaino azy ny fiheveran’i Jehovah an’ireo nania. Momba ny mpiandry ondry ny voalohany. Hoy i Jesosy: “Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy; ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very. Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin’ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.”​—Lioka 15:4-7.

6 Momba ny vehivavy iray ny fanoharana faharoa. Hoy i Jesosy: “Iza moa no vehivavy manana farantsakely folo, ka very ny anankiray, no tsy mampirehitra jiro ka mifafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy? Ary raha hitany iny, dia mamory ny vehivavy sakaizany sy ny namany izy ka manao hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ny farantsakely izay very. Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka.”​—Lioka 15:8-10.

7. Inona no zavatra roa ianarantsika avy amin’ny fanoharana momba ilay ondry very sy ilay farantsakely very?

7 Inona no ianarantsika avy amin’ireo fanoharana fohy ireo? Asehony amintsika 1) ny tokony ho fihetseham-pontsika amin’ireo lasa malemy ary 2) ny tokony hataontsika mba hanampiana azy ireo. Andeha isika handinika ireo hevitra ireo.

Very fa mbola sarobidy

8. a) Nanao ahoana ny fihetsik’ilay mpiandry ondry sy ilay vehivavy rehefa very ny fananany? b) Ahoana no fiheverany ilay fananany very?

8 Samy nisy zavatra very tamin’ireo fanoharana ireo, nefa mariho ny fihetsiky ny tompony. Tsy nilaza ilay mpiandry ondry hoe: ‘Inona koa izay ondry iray? Tsy mila an’iny ondry iny aho, fa mbola manana 99!’ Tsy nilaza ilay vehivavy hoe: ‘Nahoana aho no hiady saina amin’izay farantsakely iray? Ampy ahy ireto sivy ireto.’ Toy ny hoe tsy nanana afa-tsy ilay ondry very ilay mpiandry ondry, rehefa nitady azy. Toy ny tsy nanana farantsakely hafa ilay vehivavy rehefa very ilay anankiray. Mbola sarobidy tamin’ny tompony foana ilay zavatra very, tamin’ireo fanoharana roa ireo. Inona no hevitr’izany?

9. Inona no asehon’ny fiahian’ilay mpiandry ondry sy ilay vehivavy ny fananany very?

9 Mariho izao teny famaranan’i Jesosy izao: “Hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka” sy ny hoe: “Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka.” Ny fiahian’ilay mpiandry ondry sy ilay vehivavy ny fananany very àry dia mampiseho amin’ny ambaratonga kely ny fihetseham-pon’i Jehovah sy ny anjeliny. Mbola sarobidy tamin’ilay mpiandry ondry sy ilay vehivavy ilay zavatra very. Toy izany koa fa mbola sarobidy amin’i Jehovah ny olona mania sy tsy miara-mivory amin’ny vahoakany intsony. (Jeremia 31:3) Tsy voatery ho mpikomy izy ireo na dia malemy ara-panahy aza. Mety ho mbola manao ny zavatra sasany takin’i Jehovah izy. (Salamo 119:176; Asan’ny Apostoly 15:29) Toy ny taloha àry i Jehovah, ka tsy maika “hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany.”​—2 Mpanjaka 13:23.

10, 11. a) Ahoana no tokony hiheverantsika ny olona nania sy izay tsy hita intsony any amin’ny fivoriana? b) Araka ny fanoharana roa nataon’i Jesosy, ahoana no hampisehoantsika fa miahy azy ireo isika?

10 Toa an’i Jehovah sy Jesosy koa isika, satria tena miahy ny olona malemy sy tsy hita intsony any amin’ny fivoriana. (Ezekiela 34:16; Lioka 19:10) Toy ny ondry very, nefa tsy very tanteraka, no fiheverantsika ireny olona ireny. Tsy mihevitra isika hoe: ‘Nahoana moa isika no hiady saina amin’ny olona malemy iray? Mbola mandeha tsara ny fiangonana na dia tsy eo aza izy.’ Sarobidy amintsika kosa ny olona mania nefa te hiverina, satria toy izany no fiheveran’i Jehovah azy.

11 Ahoana anefa no hampisehoantsika fa miahy azy isika? Araka ny fanoharana roa nataon’i Jesosy dia 1) isika no mila manao zavatra voalohany, 2) mila maneho hatsaram-panahy isika, ary 3) mila miezaka mafy. Hodinihintsika tsirairay ireo hevitra ireo.

Isika no mila manao zavatra voalohany

12. Milaza inona momba ilay mpiandry ondry ny hoe “mandeha mitady ilay very”?

12 Ao amin’ilay fanoharana voalohany, dia milaza i Jesosy fa “mandeha hitady ilay very” ilay mpiandry ondry. Izy no manao zavatra voalohany sy manao ezaka hikarohana ilay ondry very. Tsy mahakivy azy ny zava-tsarotra sy ny loza mety ho hitany, ary ny lalana lavitra. Tsy mijanona izy “mandra-pahitany azy.”​—Lioka 15:4.

13. Inona no nataon’ireo olona nahatoky fahiny mba hanampiana ireo nalemy, ary ahoana no hanaovantsika toa azy ireo?

13 Toy izany koa no tokony hatao rehefa misy olona mila fampaherezana. Ilay matanjaka matetika no tokony hanao zavatra voalohany. Fantatry ny olona nahatoky fahiny izany. Voamarik’i Jonatana zanak’i Saoly Mpanjaka, ohatra, fa nila fampaherezana i Davida namany, indray mandeha. “Niainga” àry izy “dia nankany amin’i Davida tany an-ala ka nampahery ny tànany tamin’Andriamanitra.” (1 Samoela 23:15, 16) Taonjato maro tatỳ aoriana, dia tsikaritr’i Nehemia Governora fa kivy ny sasany tamin’ireo rahalahiny jiosy. “Nitsangana” avy hatrany koa izy ary nampirisika azy ireo ‘hahatsiaro an’i Jehovah.’ (Nehemia 4:8) Tokony ‘hitsangana’ koa isika, izany hoe isika no hanao zavatra voalohany, mba hampaherezana ireo malemy. Iza anefa no tokony hanao izany eo anivon’ny fiangonana?

14. Iza no tokony hanampy ireo malemy?

14 Ny anti-panahy no tena manana andraikitra ‘hampahery ny tànana miraviravy sy hanatanjaka ny lohalika malemy’ ary ‘hilaza amin’izay reraka am-po hoe: Mahereza, aza matahotra.’ (Isaia 35:3, 4; 1 Petera 5:1, 2) Mariho anefa fa tsy ny anti-panahy ihany no nasain’i Paoly ‘hanome toky’ ny ketraka sy hampahery ny malemy. Nanoratra ho an’ny “fiangonan’ny Tesaloniana” manontolo izy tamin’izay. (1 Tesaloniana 1:1; 5:14) Andraikitry ny Kristianina rehetra àry ny manampy ireo malemy. Tokony ho voatosika ‘handeha hitady ilay very’ ny Kristianina tsirairay, toy ilay mpiandry ondry tao amin’ilay fanoharana. Mazava ho azy fa mitondra vokany faran’izay tsara izany, rehefa miara-miasa amin’ny anti-panahy isika. Afaka manao zavatra àry ve ianao mba hanampiana ireo malemy eo anivon’ny fiangonanao?

Manehoa hatsaram-panahy

15. Inona no mety ho nahatonga an’ilay mpiandry ondry hametraka ilay ondry teo an-tsorony?

15 Inona no ataon’ilay mpiandry ondry rehefa hitany ilay ondry very? “Ataony eo an-tsorony” izy. (Lioka 15:5) Tena manohina ny fo tokoa izany tsipiriany izany sady ianaran-javatra! Angamba nirenireny tany amin’ny faritra tsy fantany ilay ondry, nandritra ny andro sy alina maro. Mety ho nisy liona nanenjika sy nandrahona azy mihitsy aza. (Joba 38:39, 40) Azo antoka fa nihanalemy ilay ondry satria tsy ampy sakafo. Reraka loatra izy ka tsy hahavita hiatrika irery ny zavatra misakana eo amin’ny lalana miverina mankany amin’ilay valan’ondry. Noho izany, dia miondrika ilay mpiandry ondry, batainy moramora ilay ondry, ary entiny mamakivaky ny zavatra misakana rehetra, mandra-pahatongany any amin’ilay andian’ondry. Ahoana no hanehoantsika fitiavana toa an’io mpiandry ondry io?

16. Nahoana isika no tokony ho toy ilay mpiandry ondry, ka ho tsara fanahy amin’izay ondry nania?

16 Mety ho reraka be eo amin’ny lafiny ara-panahy ny olona iray tsy hita intsony any amin’ny fivoriana. Toy ilay ondry tafasaraka amin’ny mpiandry azy izy, satria mety ho nirenireny teto amin’ity tontolo tsy mahatamana ity. Tsy voaro tao amin’ny vala, na fiangonana kristianina izy, ka tena mety hotafihin’ny Devoly, izay “mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.” (1 Petera 5:8) Nihanalemy koa izy satria tsy ampy sakafo ara-panahy. Azo inoana fa malemy loatra koa izy, ka tsy hahavita hiatrika irery ny zavatra misakana eo amin’ny lalana miverina mankany amin’ny fiangonana. Toy ny hoe mila miondrika àry isika mba hibata azy moramora sy hitondra azy miverina. (Galatiana 6:2) Ahoana no hanaovantsika izany?

17. Ahoana no hanahafantsika ny apostoly Paoly rehefa mitsidika olona malemy isika?

17 Hoy ny apostoly Paoly: “Iza no malemy, ka tsy malemy aho?” (2 Korintiana 11:29; 1 Korintiana 9:22) Niara-niory tamin’ny olona i Paoly, anisan’izany ireo nalemy. Tokony hiezaka koa isika mba hiara-miory amin’izay malemy. Rehefa mitsidika Kristianina malemy ara-panahy ianao, dia omeo toky izy fa sarobidy amin’i Jehovah izy sady tena manina azy ny Vavolombelona namany. (1 Tesaloniana 2:17) Ampahafantaro azy fa vonona hanampy azy izy ireo sady “rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.” (Ohabolana 17:17; Salamo 34:18) Ny teny ataontsika avy amin’ny fo dia mety hampahery azy tsikelikely, ka ho afaka hiverina ho anisan’ny fiangonana izy. Inona no tokony hataontsika avy eo? Manampy antsika indray ny fanoharana momba ilay vehivavy very farantsakely.

Miezaha mafy

18. a) Nahoana ilay vehivavy no tsy nanary toky? b) Inona no ezaka mafy nataony, ary inona no vokany?

18 Fantatr’ilay vehivavy very farantsakely fa sarotra ilay toe-javatra, nefa tsy nanary toky izy. Raha latsaka tany anaty saha midadasika feno bozaka na tao anaty farihy feno fotaka ilay farantsakely, dia angamba izy ho nieritreritra fa very tanteraka ilay izy. Fantany anefa fa tsy maintsy ao an-tranony ilay farantsakely, ka nanomboka nikaroka tsara izy. (Lioka 15:8) Ampirehetiny aloha ny jiro hanazava ilay trano. Fafany ny trano avy eo mba hihainoana sao misy zavatra mikorintsana. Farany, dia tsiloviny tsara daholo ny toerana takontakona rehetra, mandra-pahitany ilay farantsakely volafotsy manjelanjelatra. Tsy very maina ny ezaka mafy nataony!

19. Ahoana no tokony hataontsika rehefa manampy olona malemy, araka ny ohatra navelan’ilay vehivavy very farantsakely?

19 Izany dia mampahatsiahy antsika fa afaka manampy ny Kristianina malemy isika. Fantatsika koa fa mitaky ezaka ny fanatontosana io andraikitra omen’ny Soratra Masina antsika io. Nilaza tamin’ny anti-panahy efesianina mantsy ny apostoly Paoly hoe: ‘Miantra ny mahantra ianareo rehefa miasa [mafy] toy izany.’ (Asan’ny Apostoly 20:35a) Tadidio fa tsy zara raha nikaroka, na nijerijery fotsiny, na nanopy maso fotsiny ny tao an-tranony ilay vehivavy, rehefa nitady ilay farantsakely. Hitany izy io satria nikaroka tsara izy “mandra-pahitany azy.” Rehefa miezaka hampiverina ny olona iray malemy ara-panahy àry isika, dia tokony hiezaka mafy sady hanana tanjona voafaritra tsara. Inona no azontsika atao?

20. Inona no azo atao mba hanampiana ireo malemy ara-panahy?

20 Ahoana no hanampiantsika io olona malemy io mba hanatanjaka ny finoany sy hankasitraka ny zavatra ara-panahy? Mila mianatra Baiboly amin’ny boky ara-baiboly iray angamba izy. Tena afaka manampy azy tsy tapaka sy amin’ny fomba lalina isika, rehefa mampianatra Baiboly azy. Ny mpiandraikitra ny fanompoana no tena mahafantatra tsara hoe iza no afaka manampy azy. Afaka manao fanoloran-kevitra izy momba izay loha hevitra sy boky tena mety amin’ilay olona. Tao amin’ilay fanoharana, dia tena nanampy an’ilay vehivavy ny fitaovana nampiasainy. Toy izany koa fa manana fitaovana isika, mba hoentina manatanteraka ny andraikitra nankinin’Andriamanitra tamintsika, dia ny hanampy ireo olona malemy. Tena mety amin’izany ny bokintsika vaovao anankiroa dia ny boky Mivavaha Aminilay Hany Andriamanitra Marina sy ilay hoe Manatòna An’i Jehovah. *

21. Inona no soa azon’ny rehetra rehefa ampiana ireo malemy?

21 Tena mitondra soa ho an’ny rehetra ny manampy ireo malemy. Sambatra ilay ampiana satria tafaray indray amin’ireo tena namany. Tena faly koa isika satria manome. (Lioka 15:6, 9; Asan’ny Apostoly 20:35b) Mifankatia kokoa ny fiangonana satria mifampiahy ny olona eo anivony. Ambonin’ny zava-drehetra, dia mahazo voninahitra i Jehovah sy Jesosy, samy Mpiandry be fitiavana, satria manatanteraka ny faniriany ny mpanompony eto an-tany, rehefa manampy ny malemy. (Salamo 72:12-14; Matio 11:28-30; 1 Korintiana 11:1; Efesiana 5:1) Manana antony tsara tokoa àry isika mba ‘hifankatiavana’ hatrany!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 20 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Hainao Hazavaina Ve?

• Nahoana isika tsirairay no tena mila maneho fitiavana?

• Nahoana isika no tokony haneho fitiavana an’ireo malemy?

• Inona no ianarantsika avy amin’ny fanoharana momba ilay ondry iray sy ilay farantsakely iray very?

• Inona no azontsika atao mba hanampiana olona malemy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16, 17]

Isika no manao zavatra voalohany mba hanampiana ireo malemy. Tsara fanahy koa isika sady miezaka mafy

[Sary, pejy 16, 17]

Mitondra soa ho an’ny rehetra ny manampy ny malemy